FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/7 p. 29
  • Tadidinao ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Handray soa avy amin’ireo faneken’Andriamanitra ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fanekena mifamatotra amin’ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fifanekena Vaovao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Ho Fanjaka-mpisorona” Ianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/7 p. 29

Tadidinao ve?

Hitanao ve fa nitondra soa azo ampiharina ho anao ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, nahoana raha tsapaina ny fitadidianao amin’ny alalan’ireto fanontaniana manaraka ireto?

◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy fa tsy misy olona afaka ho tonga mpianany raha tsy ‘mankahala ny rainy sy ny reniny sy vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza’? (Lioka 14:26.)

Tsy te hilaza akory i Jesosy eo fa tokony hankahala tokoa ny ainy na ny mpikambana amin’ny fianakaviany ireo mpianany. Te hilaza kosa izy fa tokony ho kely kokoa noho ny fitiavany azy ny fitiavany ny hafa na ny ainy. — 1/4, pejy faha-8.

◻ Milazà anton-javatra fototra telo izay nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ny asa misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah na tamin’ny lasa na ankehitriny.

Ny iray amin’ireny anton-javatra ireny dia ny fananan’ireo misionera fifandraisana mivantana amin’ny olona, any an-tranony. Ny antony hafa iray dia satria ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra izay torin’izy ireo dia tsotra sy mivantana. Ny antony fahatelo dia miorina amin’ny fitiavana sahala amin’ny an’i Kristy izay asehon’izy ireo amin’ny olona. — 1/1, pejy faha-14.

◻ Nahoana no nampian’Andriamanitra vonjimaika ny faneken’ny Lalàna ny fanekena nataony tamin’i Abrahama?

Ny faneken’ny Lalàna dia nitondra porofo ho an’ny Isiraelita fa mpanota mila mpisorona maharitra ny sorona tanteraka izy ireo. Niaro ny firazanan’ilay Taranaka izany ary nanamora ny famantarana azy. Nasehony koa fa indray andro any Andriamanitra dia hanana firenena voaforon’ny mpanjaka mpisorona. — 1/5, pejy faha-16.

◻ Inona avy ireo faneken’Andriamanitra fito misesy izay mitondra ho antsika rehetra soa mandrakizay?

Ny fanekena tany Edena, ny fanekena tamin’i Abrahama, ny faneken’ny Lalàna, ny fanekena mba ho mpisorona araka ny fanaon’i Melkizedeka, ny fanekena tamin’i Davida momba ny Fanjakana, ny fanekena vaovao ary ny fanekena momba ny Fanjakana. — 1/5, pejy faha-19.

◻ Moa ve ireo tsy fitoviana an’arivony maro izay hita ao amin’ny soratanana momba ny Baiboly manohitra ny filazan’ny Baiboly ny tenany ho ny Tenin’Andriamanitra?

Tsia; milaza ireo mpahay Baiboly fa ny ankamaroan’ireny tsy fitoviana ireny dia tsy manana afa-tsy heriny kely amin’ny lahatsoratra. Tsy manao afa-tsy ny manamafy ireo porofon’ny fahamarinan’ny Soratra masina izy ireny (Salamo 119:105; 1 Petera 1:25). — 1/5, pejy faha-29, 30.

◻ Avy aiza ny teny hoe “agnostique” ary ahoana no ampiasana azy ao amin’ny Baiboly?

Ny teny hoe “agnostique” dia avy amin’ny teny grika agnostos, izay midika hoe “tsy fantatra”. Nampiasa endriny iray tamin’io teny io i Paoly rehefa nanao lahateny tamin’ireo Ateniana izy ka niresaka ny amin’ny alitara iray natokana “HO AN’IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA”. (Asa. 17:23.) — 1/5, pejy faha-5.

◻ Inona no tokony hataontsika raha misy toromarika ao amin’ny Soratra masina toa azo omena hevi-teny maro samihafa?

Tokony haneho fanetren-tena sy fanekena isika, toa an’ireo kristiana voalohany, amin’ny fanarahana ny fanapahan-kevitra sy ny toromarika omen’ny kongregasion’Andriamanitra (Asa. 15:6-29). — 15/5. pejy faha-20.

◻ Inona no tian’i Jesosy hambara rehefa nilaza izy hoe: “Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo ho any amin’ny fonenana mandrakizay hianareo rehefa lany izany”? (Lioka 16:9.)

Na toy inona na toy inona fananana ara-nofo ananantsika, dia tokony hiezaka isika hampiasa azy ho fanohanana ny tombontsoan’ny Fanjakana. Amin’izany dia hitana fifandraisam-pisakaizana amin’i Jehovah sy ny Zanany isika. Izy ireo ihany no afaka hanome antsika toerana any an-danitra na etỳ an-tany voaova ho paradisa rehefa ho lany na hanjavona ireo fananana ara-nofo. — 1/6, pejy faha-9.

◻ Misy zavatra telo tokony hataontsika raha tiantsika ny hahazo ny fahiratan-tsaina izay apetrak’i Jehovah eo anoloantsika. Inona avy izany?

Tokony ho velom-pankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah isika. Tokony hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra izay omena antsika mba hanampiana antsika hahatakatra ny heviny koa isika. Farany, dia tokony hisaintsaina ireo zavatra ianarantsika isika sy ny fomba azontsika ampiharana izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro. — 15/6, pejy-14.

◻ Nahoana ireo Isiraelita fahiny no nanao zavatra tsy tamim-pahiratan-tsaina?

Tsy nisaintsaina tamim-pankasitrahana ireo zavatra rehetra izay nataon’Andriamanitra ho azy izy ireo (Salamo 106:7, 13). — 15/6, pejy faha-17.

◻ Mampiseho inona ireo “miaramila an-tsoavaly” izay voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 9:16?

Ireo soavaly ara-panoharana ireo dia tsy mampiseho fotsiny ny sisa amin’ireo kristiana voahosotra izay mihena ny isany, fa mampiseho koa ny “olona betsaka” izay mahery sy mitombo isa hatrany ary voaforon’ny “ondry hafa”. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16.) — 1/7. pejy faha-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara