1914 — Fiolahana teo amin’ny Tantara
Ho an’ireo mpanoratra tantara, ny taona 1914 dia fiolahana teo amin’ny Tantara. Taloha ela be anefa dia efa nanambara izany toe-javatra izany ny Baiboly. Inona no lazainy momba ny 1914? Amin’ny ahoana no mahakasika anao izay nitranga tamin’io taona io?
Hahita valin’ireo fanontaniana ireo mahavariana ianao ao amin’ilay boky hoe Ny tena fiadanana sy filaminana — Avy aiza no hiaviany?. Jereo eo amin’ny lohateny kely hoe “1914 — Taona voamarika”, ao amin’ny pejy faha-73. Amin’izao andro izao io boky io dia efa 33 tapitrisa no voaely amin’ny fiteny 66. Afaka mahazo amin’izy io ianao amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, ilay boky mifono baoritra mitondra ny lohateny Ny tena fiadanana sy filaminana — Avy aiza no hiaviany?. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary.