Nomen’i Jehovah fahafahampo tamin’izay nilaiko rehetra aho
Nosoratan’i John (Ted) Sewell
SADY nandroso niadana tao anaty ala mando mikitrok’i Thaïlande aho, no niteny anakampo hoe: ‘Tokony hisy lalana tsy dia mampidi-doza kokoa mampitohy an’i Bangkok amin’i Birmanie!’ Naradratra ny tongotro sady kotsan’ny hatsembohana aho, nefa ny nahiko indrindra dia ny mety hifanenanay amin’ny iray amin’ireo tigra, na bera mainty na elefanta izay fantatray fa fahita matetika tao anatin’ity ala mikitroka ity — tsy resahina intsony ny amin’ny bibilava misy poizina. Nahoana anefa izahay sy Frank Dewar no nanao izany dia mety hahitan-doza izany?
Samy misionera tany Thaïlande izahay mirahalahy, ary nandre izahay fa hisy fivoriambe haharitra telo andro hatao any Rangoon (Birmanie) ny 26 ka hatramin’ny 28 novambra tamin’io taona 1938 io. Ny fidiram-bola kely nanananay dia nanery anay hampiasa ny fomba fitaterana mora indrindra mba hankanesana any Rangoon avy ao Bangkok. Izany no nahatonga anay hamakivaky an-tongotra 80 kilaometatra tao anaty ala mikitroka.
Niala tao Bangkok tamin’ny fiarandalamby izahay ny 16 novambra. Avy eo, dia nandray fiarambahoaka kely iray izahay ka nita an’i Ping tamin’ny lakambe, avy eo dia nanomboka dia an-tongotra naharitra tao anaty ala mikitroka. Rehefa avy nandinika ela ny sarin-tany i Frank, dia nifidy lalana iray izay toa azo andehanana tamin’ny farany. Tsy nanaraka arabe izahay, fa lalan-kely tery masaky ny mpandeha an-tongotra ary nanaraka ny hitsin’ny taribin-telefaonina tamin’ny ankapobeny.
Soa ihany fa ny hany biby hitanay dia ireo rajako maro teny ambony hazo. Nanolotra fahitana tsy nampoizina feno hatsarana nanaitra ireo voninkazo “orchidées” kanto sady mandrobona. Rehefa nihamaloka ny andro ny tolakandro, dia nifanontany izahay raha toa ka fahamalinana ny hatoriana anaty ala mikitroka. Tsy nitovy velively tamin’ny ambanivohitra aostralianina izay nahafahako nandry matetika teny an-tsaha izany. Afa-tsy izany dia nampitandremana izahay ny amin’ireo mpampiditra entana an-tsokosoko izay nolazaina fa nanendaka sady nampijaly mihitsy ny mpandeha aza.
Nivadi-po izahay rehefa nifanehatra tampoka tamin’ny antokon-dehilahy nanana endrika masiaka sady samy nitondra antsy lava teny am-balahany. Nasainy nijanona izahay ka nanontany izay alehanay izy ireo. Rehefa nolazainay fa hamonjy fivoriambe kristiana any Rangoon izahay, dia hita ho tsy nino izy rehefa nijery anay, nefa nanohy ny lalany izy ireo, tsy nanao na inona na inona anay.
Vetivety taorian’izay dia nifanena tamin’ny tovolahy roa izay nanana endrika mahafinaritra kokoa izahay. Tamin’ireo teny vitsivitsy mba fantatray amin’ny fiteny thaï, dia nanakarama azy izahay mba hitondrany anay hatrany Birmanie. Rehefa latsaka ny alina dia tonga teo am-pototry ny hazo lehibe anankiray izahay. Azo natao ny nianika hatreo amin’ny toerana marin-tampona vita tamin’ny hazo namboarina teny amin’ny rantsany, tamin’ny alalan’ny tohatohatra. Teo izahay efa-dahy no nandany ny alina.
Ny ampitso hariva dia tonga tao amin’ny vohitra kely iray izahay ary afaka natory teo an-davarangan’ny trano iray faran’izay tsotra indrindra. Ny andro fahatelo dia tonga tao amin’ny vohitr’i Mae Sot izahay, teo an-tsisin-tanin’i Birmanie. Teo amin’io toerana io no nandoavanay ny karaman’ireo mpitari-dalana anay sy nifanaovanay veloma.
Rehefa avy nita ny ony izahay ka niditra tao Birmanie, dia nandray fiarambahoaka kely, izay nanaraka lalana iray tany an-tendrombohitra, avy eo dia niondrana an-tsambo tao Moulmein. Nanao ny tapany farany tamin’ny dianay nankany Rangoon izahay, tamin’ny fiaradalamby, fomba fitaterana hitanay ho nampiala sasatra tokoa taorian’ny dia an-tongotra nandreraka nataonay. Naka herinandro ny fitambaran’ny dianay nefa novalian-tsoa ny fiezahana rehetra nataonay satria afaka nandray soa avy tamin’ny fiarahana ara-panahy tamin’ireo kristiana rahalahinay izahay. Porofo fanampiny izany fa nomen’i Jehovah fahafahampo tamin’izay nilaiko rehetra aho. Nefa aoka hotantaraiko aminao ny fomba nahatonga ahy tany Thaïlande.
Nahatsapa aho fa nila zavatra ara-panahy
Teo am-piovana ny fiainana sy ny fomba fanao tamin’ny fotoana nahaterahako tany Aostralia andrefana, tamin’ny 1910. Ny Ady Lehibe voalohany izay nipoaka tamin’ny 1914 dia nanafaingana ny fiovana. Toa mbola hitako foana ny reniko nanoratra ho an’ny raiko izay lasa niady tany Eoropa, na dia vao fito taona teo ho eo aza aho tamin’izany fotoana izany. Hoy izy tamiko indray andro: “Fantatrao fa ny Baiboly dia manambara fa hisy ady sy filazana ady.” Tsy nanome ahy fanazavana hafa izy, nefa liana hahafantatra mihoatra noho izany aho.
Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny desambra 1934, rehefa niverina an-tsoavaly ho any amin’ilay toeram-piompiana sy fambolena niasako aho dia nifanena tamin’ny mpiara-mianatra tamiko taloha ka nilaza tamiko izy fa nisy Vavolombelon’i Jehovah avy tany Perth nandalo tao aminy vao haingana. Nandray boky vitsivitsy tamin’izy ireo ny ray aman-dreniny, nefa nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hamaky ireny. Koa satria aho liana hahafanta-javatra, dia nahazo ny boky Fiainana tamin’ny alalany.
Nanazava be ny alina nangatsiaka ny diavolana, ka afaka namaky ny lohatenin’ny toko tsirairay avy tamin’ny sora-baventy aho teny ambony soavaliko. Rehefa tonga tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena aho dia nanohy ny vakiteniko nohazavain’ny jiro solitany. Tamin’io alina io no nianarako voalohany fa manana anarana manokana Andriamanitra: Jehovah. Fifaliana toy inona moa ny ahy nahafantatra koa fa nanana fikasana kanto ho an’ny tany izy, dia ny hahatonga ny tany ho paradisa indray andro any ka ao dia hiaina sambatra ny olombelona mankatò! Tsy misy isalasalana mihitsy: namaly ny fanontaniako rehetra io boky io.
Tiako indrindra raha ny ray aman-dreniko no voalohany hiresahako izay vao hitako. Nonina tany amin’ny toerana kely fiompiana sy fambolena tany amin’ny 140 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ny nisy ahy izy ireo. Nanao izany dia iray andro sy tapany izany an-tsoavaly àry aho. Rehefa nanazava izay nianarako tamin-dreniko aho dia akory ny fahatairako nandre azy niteny fa nianatra boky manazava ny Baiboly toy ireny koa ny tenany. Herinandro tato aoriana, teny an-dalana lava fodiana dia nieritreritra lalina aho satria noho ny fianarako dia takatro fa tsy mangataka antsika mba hahazo fahalalana sy finoana fotsiny Andriamanitra. Fantatro izao fa ny kristiana marina iray dia tokony hanaraka an’i Jesosy Kristy ka hanompo manokana an’i Jehovah amin’ny fitoriana amin’ny mpiara-belona aminy. Noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hanandrana handray anjara amin’izany asa izany isaky ny faran’ny herinandro.
Nivoha ny varavarana iray ho an’ny asa mahavariana
Mba hanomezana fanambarana any amin’ny faritra any ambanivohitra izay nisy ahy, dia nividy Ford T novana ho fiara kely fitaterana entana aho. Rehefa avy nampiditra tao ny momba ny fandriana sy fitaovana vitsivitsy aho dia lasa nitsidika ireo tompon’ny toeram-piompiana nandritra ny tolakandro manontolo ny asabotsy. Avy eo dia nandany ny alina tao anaty fiara aho ary nanohy nitory isaky ny toeram-piompiana ny alahady maraina. Lasa nody tany amiko aho avy eo, teo am-piafaran’ny tolakandro.
Tamin’ny aprily 1936 dia nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa aho tamin’ny fivoriambe nahavory olona vitsy nalamina tao Perth. Ny anankiray tamin’ireo lahateny natao tamin’io fotoana io dia nanamafy ny amin’ny fanompoana manontolo andro na ny asan’ny mpitory maharitra. Satria niaiky aho fa tsy nisy andraikitra araka ny Baiboly nanakana ahy tsy handray anjara amin’io asa lehibe io, dia niditra tao amin’ny laharan’ny mpitory maharitra aho tamin’ny desambra 1936.
Tamin’io volana io ihany, Arthur Willis sy Bill Newlands, mpitory maharitra roa za-draharaha dia tonga tamin’ny fiara azo itondrana entana tao Perth. Nandao an’i Sydney, tany amin’ny morontsiraka atsinanana izy, sivy volana talohan’izay ary nitety an’i Aostralia mba hanao fanambarana. Toy inona moa ny hafaliako nahazo fanasana avy amin’ny Fikambanana mba hiaraka amin’izy ireo nandritra ny fiverenany! Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fampiofanana nomeny ahy.
Fandehanana namakivaky ny lemak’i Nullabor
Ny anarana hoe Nullabor dia midika hoe “tsy misy hazo”. Nifanentana tsara tamin’ny lemaka karankaina tsy nisy hazo, izay nivelatra tany amin’ny tapany atsimon’i Aostralia izany. Tany antenantenan’ireo taona 30, ny lalana narahinay, sahabo ho 1 600 kilaometatra, dia ratsy izaitsizy.
Isaky ny alina dia nandry teny amin’ny farafara azo afindrafindra izahay, mazàna eny an-kalamanjana. Mahalana vao misy orana ary azo lazaina fa tsy misy ando mihitsy ao amin’ity tapany amin’ilay tany ity. Teo ambanin’ny kintana mipendrampendrana amin’ny alina mazava dia matetika aho no nieritreritra an’ireto teny fanokafana ny Salamo faha-19 ireto: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.”
Ny lalamby namakivaky ny lemak’i Nullabor, hono, no nanome ny tsipika mahitsy lava indrindra teo amin’izao tontolo izao: 480 kilaometatra tsy misy fiolahana mihitsy. Faly izahay afaka nanao fanambarana tao amin’ireo vohitra kely nanaraka izany lalamby izany ary koa tamin’ireo olona nipetraka tany amin’ny toeram-piompiana ondry. Nidadasika tokoa ny tanànan’ny olona tany amin’io faritr’i Aostralia io. Tsaroako fa ny anankiray taminy dia nanana velarana maherin’ny efatra arivo kilaometatra toradroa. Ny trano fonenana dia tany amin’ny 80 kilaometatra tany ho any avy teo amin’ny vavahady fidirana!
Farany dia tonga tany Katoomba, tany amin’ny Blue Mountains, teo andrefana kelin’i Sydney, izahay mba hanatrika ny Fahatsiarovana izay nankalazaina ny 26 martsa 1937. Nahafinaritra sady nitondra soa be dia be tamin’ny ara-panahy ny asa fitetezam-paritany nataonay, nefa nahafinaritra tokoa ny nijanona kelikely teo anivon’ny kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra.
Nandray ny marika sa tsia?
Tamin’io fotoan’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1937 io, dia nisy foana fisafotofotoana sasany momba ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16.) Nihevitra ny sasany fa ny finoana sy ny zotom-po nasehon’ny kristiana iray dia nanondro na nahazo ny fiantsoana ho any an-danitra izy na tsia. Noho izany, tahaka ny Vavolombelona hafa maromaro dia nandray ny marika aho tamin’io taona io. Ny taona nanaraka, dia nanontany tena indray tahaka ahy ny mpitory maharitra maromaro raha tokony handray ny marika izy ireo.
Tao anatinay dia nanantena ny hiaina eto an-tany voaova ho paradisa izahay, nefa betsaka no nihevitra fa ny zotom-ponay sy ny fanompoanay amin’ny maha-mpitory maharitra dia nanaporofo fa voahosotry ny fanahy izahay. Nampisava ny fisalasalanay tamin’ny fotoana nety Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany teto an-tany. Ny tolakandro hanaovana ny Fahatsiarovana dia voarainay Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 martsa 1938 (nivoaka tamin’ny teny frantsay ny 15 may 1938). Ny lahatsoratra lehibe tamin’io gazety io nitondra ny lohateny hoe “Ny andian’ondriny” dia namakafaka tamin’ny antsipiriany ny Jaona 10:14-16. Faly tokoa izahay nahazo valiny mazava tamin’ireo fanontanianay!
Nasehon’io lahatsoratra io ny fomba mahery niasan’Andriamanitra tamin’ireo mpanompony fahiny tamin’ny alalan’ny fanahiny, ka nahafahan’izy ireny nanao asa mahagaga taloha elan’ny nanolorana ny fanantenana ho any an-danitra ho an’ny olona. Dia tahaka izany koa amin’izao androntsika izao, Andriamanitra dia mampitoetra ny fanahiny eo amin’ireo mpanompony nanolo-tena izay notolorany fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Velom-pankasitrahana àry izahay nahatakatra ny fahasamihafana misy amin’ny hoe ateraky ny fanahy masina sy ny hoe hatanjahan’io fanahy io ihany mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.
Fanasana mba “haniry” tombontsoa hafa
Ny fitsidihan’ny prezidan’ny Fikambanana Watch Tower, ny rahalahy Rutherford, sy ny fivoriambe natao tao amin’ny Sports Ground tany Sydney dia fisehoan-javatra roa hafa nanamarika ny taona 1938. Tamin’ny fivoriambe, dia nasaina nampahafantatra ny tenany ireo mpitory maharitra vonona handeha hitory any Birmanie sy Malaisie ary Siam (Thaïlande ankehitriny) sy Java (Indonésie ankehitriny). Faly izahay sy Hector Oates ary Fred Paton nalefa tany Birmanie.
Talohan’izay aho dia tsy mbola niala mihitsy teto Aostralia. Nefa tsy ampy roa volana tatỳ aoriana dia teny ambony sambo aho, niaraka tamin’ny mpitory maharitra hafa, sambo nitondra anay ho any amin’ny faritaninay vaovao. Niala tao Singapour izahay ny 22 jona 1938 ary i Bill Hunter izay efa mpitory maharitra tao amin’io tany io no nitsena anay. Sady toa hafahafa no nahaliana anay ny zava-drehetra, hatramin’ny fitafiana sy ny fomban’ny mponina tao amin’io nosy io ka hatramin’ny fiteniny izay tsy azonay mihitsy.
Ny rahalahy Hunter dia nanolotra telegrama ho ahy avy any Aostralia, izay nanova ny toerana halehako: tsy ho any Birmanie indray aho fa ho any Malaisie. Fred Paton sy Hector Oates kosa dia tokony hanohy ny diany ho any Birmanie tsy niaraka tamiko. Faly aho nandre fa hiara-miasa amin’ny misionera roa nahita fanandraman-javatra ny tenako: Kurt Gruber sy Willi Unglaube. Samy teratany avy any Allemagne izy mirahalahy, nefa nitory tany Malaisie efa hatramin’ny elaela.
Rehefa nandany telo volana tany Malaisie aho, dia nasaina hankany Thaïlande. Niaraka tamiko tany Willi Unglaube ary koa Frank Dewar izay efa misionera tao amin’io tany io. Tonga tany tamin’ny fiaradalamby izahay tamin’ny septambra 1938. Rehefa nahazo trano itoerana vonjimaika izahay dia nanomboka nitory. Niseho ho tia fihavanana sy naharitra taminay, izay nanana fahasahiranana hianatra ny fiteniny mahalaza hevitra tsara ny mponina tany Thaïlande.
Fivoriambe iray nampirisika tokoa tany Rangoon
Avy any Bangkok, tany Thaïlande, no nanaovanay ny dia nandreraka voalazalaza teo am-piandohan’ity fitantarana ity, mba hankanesana any Rangoon, any Birmanie. Vao voalohany no nandaminana fivoriambe tao amin’io tany io, ary olona arivo mahery no tafangona tao amin’ny Lapan’ny tanàna kanto mba hihaino ny lahateny ampahibemaso. Voatery nohidiana ny varavarana satria tsy nisy toerana intsony. Koa satria tsy nisy afa-tsy Vavolombelona vitsivitsy tao Birmanie sy tany amin’ireo tany nanodidina, ny ankamaroan’ireo mpanatrika dia olona namaly ny fanasana natao tamin’ny alalan’ny taratasy an’arivony maro talohan’ny fivoriambe.
Tena nampirisika anay teo amin’ny lafiny ara-panahy iny fivoriambe iny, dia izahay izay misionera tany amin’ny faritany nitokana. Taorian’io fivoriana io anefa dia niverina nody tany Thaïlande izahay, fa tamin’ity indray mandeha ity dia nanaraka lalana tsy nanahirana kokoa, izay tsy nanery anay hamakivaky an-tongotra ny ala mikitroka.
Ny ady sy ny fanafihan’ny Japone
Nankany Azia Atsimo Atsinanana ny rahomaintin’ny ady. Nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tafika Japone rehefa nanafika an’i Thaïlande izy. Notanana tao amin’ny toby iray avokoa ny Britanika sy ny Amerikana ary ny Neherlanday nandritra ny ady. George Powell, mpitory maharitra iray izay nandao an’i Singapour mba hamonjy anay tao Bangkok dia natao an-tranomaizina niaraka tamiko. Niara-nandany telo taona sy valo volana izahay tao amin’ilay toby.
Nandritra ny figadranay dia tsy afaka nahazo boky na hafatra avy tamin’ny Fikambanana mihitsy izahay. Nefa afaka nanamarina ity fampanantenana nataon’ny mpanao Salamo ity izahay: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.” — Salamo 145:14.
Fiverenana teto Aostralia
Niverina teto Aostralia aho tamin’ny 1945 rehefa nifarana ny ady. Ny sakafo tsara sy ny toe-piainana nahafinaritra kokoa dia nampody ny fahasalamako ka afaka nanao indray ny asan’ny mpitory maharitra aho. Avy eo, tamin’ny 1952 dia notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany ny tenako, ary nahita fifaliana aho nandritra ireo 22 taona nanaraka nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany. Tamin’ny 1957 dia nampakatra an’i Isabell, izay efa mpitory maharitra nandritra ny 11 taona aho ary niara-nanohy ny asan’ny fizaran-tany izahay.
Noho ny toe-pahasalamana, dia nanomboka nahatsapa fahasahiranana izahay tamin’ny fifindran-toerana mandrakariva. Noho izany, tamin’ny 1974, dia nipetraka teto Melbourne izahay mba hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Indraindray dia mbola mitsidika kongregasiona sasantsasany aho, satria mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana aho. Vao haingana koa dia nahazo ny tombontsoa hampianatra tao amin’ny anankiray amin’ireo sekoly nalamina ho an’ny mpitory maharitra aho. Manohana ahy foana amim-pifaliana amin’ireny asa rehetra ireny ny vadiko. Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah aho nanohy nanome fahafahampo tamin’izay nilaiko rehetra hatramin’izao izaho efa 78 taona izao.
Rehefa mitodika ny lasa aho, dia mieritreritra matetika ny amin’ny fomba nampiofanan’i Jehovah sy nanampiany anay na dia teo aza ny fahadisoanay, sy nanitsiany anay mba hanadiovana anay sady hanaovana anay ho mpanompo tsaratsara kokoa. Tadidiko ireo tarehin-javatra izay nanampian’Andriamanitra ahy hendresy fisedrana izay tsy ho zakan’ny herin’ny olona fotsiny ihany. Ireny fahatsiarovana ireny dia manatanjaka sady mampahatsiahy ahy foana fa Jehovah dia nanome fahafahampo ahy tokoa tamin’izay nilaiko rehetra.
[Sary, pejy 10]
Sarin’i John Sewell sy Isabell vadiny, nalaina vao haingana.
[Sary, pejy 12]
Fitoriana tany Nullarbor.