FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/2 p. 14
  • “Varahina maneno sy kipantsona mikarantsana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Varahina maneno sy kipantsona mikarantsana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Halimo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tena Ilaina ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Araho ny Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny fanalahidin’ny fivavahana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/2 p. 14

“Varahina maneno sy kipantsona mikarantsana”

Iza no maniry oharina amin’ny tabataba be fotsiny? ‘Raha tsy manam-pitiavana aho, hoy ny apostoly Paoly, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana.’ (1 Korintiana 13:1). Vao avy nanamarika ny ilàna hampiasana ireo fanomezana manokana nomen’ny fanahy masina ho fanasoavana ny kongregasiona kristiana amin’ny fitambarany i Paoly. Raha tsy ampy fitiavana ny kristiana iray, ny avonavona sy ny fireharehana dia mety hampitovy azy amin’ny tabataba mampaharenina izay hampandositra ny mpiara-belona aminy fa tsy hanintona azy ireny. — Jereo 1 Korintiana 12:4-9, 19-26.

Mora foana amintsika ny maka sary an-tsaina ny amin’ny kipantsona anankiray mikarantsana eo akaikintsika, fa ahoana kosa ny amin’ilay fanoharana hafa nataon’i Paoly dia ny: “varahina maneno” (khalkos êkhôn amin’ny teny grika)? Io fitenenana io dia nadika tamin’ny hoe “doboka manako” ao amin’ny Baibolin’i Chouraqui. Mifanaraka amin’izay nosoratan’i William Harris tao amin’ny revio iray (Biblical Archeology Review), ny teny hoe êkhôn dia avy amin’ny fototeny mitovy amin’ny teny malagasy hoe “ako” ary noho izany dia manisy fitenenana ny amin’ny hoe manako na maneno. Kanefa dia manampy toy izao io olona io ihany: “Ny teny hoe khalkos dia nentina nanondro fitaovana maro be namboarina tamin’ny fifangaroan’ny varahina sy ny metaly atao hoe “étain”, fikambanana metaly antsoina hoe alimo na “airain”: fiadiana, antsy, vilany salasala, fitaratra, vola madinika ary na dia latabatra kely mihitsy aza. Tsy misy na inona na inona anefa manaporofo fa nentina hilazana zava-maneno io teny io.” Fanazavana inona àry no atolony?

Nanonona ny bokin’i Vitruvius, mpanao maritrano iray velona tamin’ny taonjato voalohany alohan’ny fanisan-taona iraisana izy. Tao amin’ireo soratra nataony dia nandinika momba ny toetry ny fandrenesana feo tao amin’ireo teatira naorina tamin’ny fitaovana toy ny marbra i Vitruvius. Tantarainy fa nampiasaina ny fitaovana antsoina hoe êkhéia izay namboarina manokana mba hampanako ny feo. Izany dia tavy maneno vita amin’ny alimo, izay napetraka tany aorian’ny toerana fijerena fampisehoana mba hanamafisana na hamerenana ny feo. Taonjato iray teo ho eo talohan’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny kongregasion’i Korinto, dia nentina tany Roma ny tavy avy tany amin’ny teatira korintiana iray izay nisy nandroba.

Platon kosa dia toa nanohatra ny mpandahateny sasany tsy misaina tamin’ny tavy vita amin’ny alimo, mikarantsana foana. Izany dia mifanaraka amin’izao hevitra nolazain’i Shakespeare izao: “ny tavy tsy misy na inona na inona no manao tabataba be indrindra.” Angamba i Paoly nieritreritra ny amin’ny zavatra mitovy amin’izany, rehefa niresaka momba ireo izay nampidera ny fanomezana manokana azony, nefa tsy nanana ny lehibe indrindra tamin’izany dia: ny fitiavana. Ireny olona ireny dia nanao tabataba be, kanefa dia ivelany ihany izany. Mitovy kokoa amin’ny feo maranitra sy mikorontana izy ireny fa tsy amin’ny feon-kira manintona. Ary ianao? Moa ve ny asa ataonao sy ny teninao atosiky ny fitiavana, sa kosa ianao “varahina maneno sy kipantsona mikarantsana”?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara