Namonjy ny Codex Sinaïticus izy
NOLAZAINA fa ny Codex Sinaïticus no “boky malaza indrindra, mahavariana indrindra ary sarobidy indrindra”. Nahoana? Tsy noho ny taonany fotsiny, 1600 taona fara fahakeliny, fa noho izy io mahaforona tapany tena lehibe amin’ny lisitry ny soratanana amin’ny Baiboly ankehitriny. Toy izao ny tantara mahavariana ny amin’ny nahitan’i Tischendorf azy io indray, zara raha nisy taonjato iray mahery kely izay.
Teraka tany Saxe, any avaratr’i Eoropa, i Constantin von Tischendorf, tamin’ny 1815. Fony izy nianatra ny teny grika tao amin’ny oniversiten’i Leipzig, dia nahavery hevitra azy ny Fanakianana ambony ny Baiboly nataon’ny teolojiana alemana malaza izay nitady handrava ny fahamarinan’ny Soratra grika kristiana. Nanjary niaiky kosa anefa i Tischendorf fa hanamafy ny fahamarinan’ny teny ao amin’ny Baiboly ny fandinihana soratanana tamin’ny voalohany. Tapa-kevitra àry izy ny hanao manokana, fikarohana ao amin’ny soratanana fantatra rehetra, ka nanantena mihitsy aza izy ny hahita hafa amin’izany mandritra ny diany.
Tamin’izany, tamin’ny may 1844, rehefa avy nandany efa-taona nizahana tao amin’ireo fitehirizam-boky tsara indrindra tany Eoropa i Tischendorf, dia nankany amin’ny monasteran’i Sainte-Catherine, teo an-tendrombohitra Sinay, tany amin’ny 1400 metatra eo ambonin’ny ranomasina Mena. Tsy azo natao ny niditra tao amin’ny fitokanan’ny moanina saika voaro mafy raha tsy niakatra tao anaty sobika nahantona tamin’ny tady sy tamin’ny fandalovana teo amin’ny lavaka kely teo amin’ny rindrina.
Fiezahana novalian-tsoa
Nanome lalana an’i Tischendorf ireo moanina mba hanao fikarohana tao amin’ny fitehirizam-bokiny telo, nefa tsy nahita na inona na inona tao izy. Rehefa nivonona ny hiainga anefa izy, dia tsikariny izay notadiaviny: hoditr’ondry manify fanoratana niavosa tao anaty sobika lehibe, teo am-pidirana ho ao amin’ny fitehirizam-boky lehibe indrindra! Nanazava taminy ilay mpikarakara ny fitehirizam-boky fa natao hodorana ireo toy ny efa natao tamin’ny sobika feno roa hafa. Ankona i Tischendorf nahita teo amin’ireo hoditr’ondry manify, pejy 129 tamin’ny soratanana tranainy indrindra mbola tsy hitany mihitsy: fandikana ho teny grika, tapany amin’ny Soratra hebreo. Nomena pejy 43 tamin’izany izy fa tsy navela hitondra misimisy kokoa.
Tamin’ny 1853, dia niverina tao amin’ny monastera i Tischendorf, nefa tsy nahita tao afa-tsy tapany tamin’ny Genesisy voatahiry tao amin’ilay soratanana tamin’ny taonjato faha-4 koa. Nino mafy izy fa “tamin’ny voalohany io soratanana io dia nirakitra ny Testamenta Taloha manontolo, saingy nila ho simba tanteraka hatramin’ny ela be”. Ny soratanana feno, izay azo inoana fa tokony hahitana pejy 730, dia voasoratra tamin’ny sora-baventy amin’ny teny grika teo amin’ny “vélin”, hoditr’ondry na osy manify dia manify.
Enin-taona tatỳ aoriana, dia nitsidika fanintelony an’ireo moanina teo an-tendrombohitra Sinay i Tischendorf. Ny omalin’ny hiaingany, dia sendra naseho taminy, tsy ireo hoditr’ondry manify novonjeny avy tamin’ny afo 15 taona talohan’izay ihany, fa maro hafa koa. Tamin’ny fitambarany, tao dia nisy Soratra grika kristiana sy tapany tamin’ny fandikana ny Soratra hebreo ho amin’ny teny grika.
Nomen-dalana i Tischendorf hitondra io soratanana io ho any Caire, any Egypta, mba hanao kopia azy, avy eo dia handefa izany any amin’ny mpanjakan’i Rosia, ho fanomezana avy amin’ireo moanina. Amin’izao fotoana izao io soratanana io dia aseho ao amin’ny British Museum, eo akaikin’ny Codex Alexandrinus. Ireo 43 pejy nentina tatỳ aoriana dia voatahiry ao amin’ny fitehirizam-bokin’ny oniversite any Leipzig, any amin’ny Repoblika demokratika alemana.
Afaka ny ho velom-pankasitrahana an’i Tischendorf isika noho ny nanokanany ny fiainany sy ny fahaizany mba hikarohana soratanana tranainy amin’ny Baiboly, indrindra fa noho ny namonjeny ny Codex Sinaïticus malaza. Nefa ambonin’ny zavatra rehetra, dia isaorantsika Jehovah izay niahy ny amin’ny hiarovana ny Teniny tamim-pahamarinana toy izany mba hahasoa antsika.
[Efajoro, pejy 30]
Aoka hampiasaintsika ny Codex
Ny evan’ny Codex Sinaïticus dia ny litera hebreo א. Io Codex io dia manaporofo ny fahamarinan’ny soratanana amin’ny Baiboly vao haingana kokoa, teo amin’ny “papyrus”. Manampy ny mpandinika Baiboly ankehitriny koa izy io amin’ny famelana hahita ny toeran’ny fahadisoana kely tafatsofoka tao amin’ireo kopia tatỳ aoriana.
Izao ohatra no vakina ao amin’ny Jaona 1:18: “Tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra mihitsy; ilay andriamanitra tokana izay eo akaikin’ny Ray, eo an-tratrany, izy no nanazava azy.” Ao amin’ny fanamarihana iray, ny “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao”, fanontana amin’ny teny anglisy misy fanamarihana, dia manamarika fa ny Codex Sinaïticus mbamin’ny soratanana tranainy hafa dia manamarina ny dikan-teny hoe “ilay andriamanitra tokana” fa tsy hoe “ny Zanakalahy tokana”. Eo ambany amin’ny pejy, ny fanamarihana hoe אc dia mampitodika ho amin’ny fanamarihana nataon’ny mpanitsy ny Codex iray, fanamarihana manamarina ny famerenana ny mpanoritra anarana voafaritra ao amin’ny fitenenana hoe “ilay andriamanitra tokana”. Araka ny porofoin’io andininy io, dia mitana toerana tokana Jesosy Kristy.
[Sary, pejy 31]
Ny monasteran’i Sainte-Catherine eo am-pototry ny toerana mahazatra nisy ny tendrombohitra Sinay. [Sary kely:] Ny fitehirizam-bokiny amin’izao fotoana izao.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana Akaiky)
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana Akaiky)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Noho ny fanomezan-dalana amim-pitiavana avy amin’ny British Museum, Londres