Ahoana no handresena ireo fahasahiranana eo amin’ny fiainana?
Tamin’ny taona lasa, ny mpampianatra iray any Bignona, any Sénégal, atsy Afrika andrefana, dia namoy ny tranony tao amin’ny hain-tanana. Izao no nosoratany ho an’ny sampan’ny Fikambanana:
“Ny mampanahy ahy, dia ny namoizana tao amin’ny hain-trano, boky sarobidy tokoa ho ahy, hoy ny fanazavany, indrindra fa ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti sy Tout finit-il avec cette vie?. Tsy nampanahy ahy loatra ny amin’ny fitafiako sy ny tranoko, fa tsy foiko kosa ireo boky ireo! Sarobidy amiko mihoatra noho izay rehetra nafoiko izy ireo. Aza fady mba valio haingana araka izay azo atao aho ary lazao ahy ny fomba azoko anoloana azy ireo. Feno fahasahiranana ny fiainana; mila torohevitra karazan’ireny isika mba handaminana azy, mba hanampiana antsika hanao fanapahan-kevitra tsara sy mba hitondrantsika tena amin’ny fomba tsara.”
Sahala amin’io mpampianatra io, dia olona maro no mihevitra ireo boky roa ireo ho sarobidy. Ny boky Votre jeunesse sy Tout finit-il avec cette vie? dia naely hatraiza hatraiza maneran-tany, ny voalohany 22 tapitrisa mahery, ary ny faharoa 20 tapitrisa mahery. Mba hahazoana ireo boky sarobidy ireo, dia ampy ny mameno sy mandefa ny tapakila eto ambany, miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 600 FMG na 120 ariary.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, ny boky mifono baoritra roa 192 pejy, mitondra ny lohateny hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti sy Tout finit-il avec cette vie?. Ampiarahiko ny vola 600 FMG na 120 ariary.