FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/1 p. 22-24
  • Ireo nosy Caïmans ... Tsy ao anatin’ny fotoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo nosy Caïmans ... Tsy ao anatin’ny fotoana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Sokatra, jiolahin-tsambo sy fandrosoan’ny fanaovan-taozavatra
  • Mpitsidika hafa dia hafa
  • Nandre ny vaovao tsara ireo mponin’ny nosy
  • Tsy nahomby ny fanoherana tao Caïman Brac
  • Tsy navelan’i Jehovah ho any ivelany izy ireo
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/1 p. 22-24

Ireo nosy Caïmans ... Tsy ao anatin’ny fotoana

AZO ATAO ny milomano ao amin’ny ranony manga sy tony, mizaha ireo vakivakin-tsambo mandry any amin’ny fanambanin’ny ranomasina na mitsidika any koa, fiompian-tsokatra iray. Aiza àry? Any amin’ireo nosy Caïmans voaforon’i Caïman Lehibe, Caïman Kely ary Caïman Brac.

‘Fa aiza moa izany nosy Caïmans izany?’ hoy angamba ianao. Tsy hahagaga mihitsy ny fanontaniana toy izany; kely aoka izany tokoa izy ireo ka mahalana vao hita eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao. Ary rehefa hita eo izy ireo dia teboka kely telo very ao amin’ny tapany andrefana amin’ny ranomasin’i Caraïbes no mba mampiseho azy, any amin’ny 240 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Miami, any Floride.

Tamin’ny 1503 no nahitan’i Christophe Colomb tamin’ny diany farany tany India andrefana, ny nosy Caïman Brac sy Caïman Kely (tsy nahita mihitsy an’i Caïman Lehibe tokoa i Colomb) ary nantsoina hoe Las Tortugas (Ny Sokatra) izy ireo noho ny soka-dranomasina be dia be tao amin’ireo nosy ireo sy ny manodidina azy. Tamin’ny 1670, noho ny fanekena tany Madrid, dia nomen’i Espaina an’i Grande-Bretagne ireo nosy ireo ka mbola zanataniny ihany hatramin’izao.

Sokatra, jiolahin-tsambo sy fandrosoan’ny fanaovan-taozavatra

Tamin’ny andron’ny lain-tsambo, ireo nosy Caïmans dia seranam-pitodiana kely sarobidy tokoa ho an’ireo sambo lehibe namakivaky ny ranomasina Caraïbes. Ny sokatra maitso hita be dia be tany dia nanjary loharanon-kena vao vita ho azy ho an’ireo tantsambo liana aoka izany. Nohanina lena ny sokatra, na nohamainina, na nasiana sira mba haondrana, ka nanome “protéines” mampahatanjaka nandritra ny dia naharitra.

Nanana toetra nampiavaka hafa iray koa tsy takona afenina anefa ireo nosy ireo. Nanintona tantsambo hafa tena lehibe ny toe-taniny iva sy ireo seranany voaro tsara. Nisy lehiben-tsambo mpiady sy jiolahin-tsambo nalaza, tahaka an’i Sir Henry Morgan sy Edward Teach, fantatra tamin’ny anarana hoe Volombava Mainty, nanao azy ho fierena na faritra famelezana ireo sambom-barotra. Isan-taona, ny fety iray nomena anarana hoe Herinandron’ny Jiolahin-tsambo, fisehoan-javatra niavaka tao anatin’ny taona ho an’ireo mponin’ny nosy, dia natao ho fahatsiarovana io pejin’ny tantara niavaka tokoa io.

Kanefa, rehefa nihavitsy ny sokatra ka nosoloana etona ny lain-tsambo, dia tsy nijanona firy intsony tao amin’ireo nosy Caïmans ny smbo. Afa-tsy izany koa, satria vitsy ny mponina nanana fandefasana radiao, dia tsy nahazo fifandraisana ireo nosy ireo ka hadinon’ny olon-kafa rehetra teo amin’izao tontolo izao, hany ka nanjary nomena ny anaram-bositra hoe “nosy tsy ao anatin’ny fotoana”.

Nanomboka nisy fiovan-javatra anefa tao anatin’ireo taona 60. Tafavoaka avy tao amin’ny fanadinoana azy ireo nosy Caïmans mba ho tonga anankiray tamin’ireo toerana nisy vola fantatra indrindra, noho ny vokatra mitambatra avy amin’ny fandaharam-pametraham-bolany sy ny lalàny amin’ny fandoavan-ketra ary ny fisehoan’ny fifandraisana amin’ny any lavitra betsaka tokoa. Jona 1987 no nanamarika ny fisokafan’ny banky faha-500 tany amin’ny nosy Caïmans. Nampandroso ny fizahan-tany koa izany fiaingana vaovao izany. Gaga ny sampan-draharaha momba ny fizahan-tany nanisa mpitsidika 8 244 tamin’ny 1966. Tafakatra ho 430 000 io isa tamin’ny 1986, ka nahatonga ny fizahan-tany ho fidiram-bola faharoa ao amin’ireo nosy, manarakaraka avy hatrany ny asa momba ny vola. Nisy sokajin’olona hafa nihevitra akaiky an’ireo nosy ireo koa anefa.

Mpitsidika hafa dia hafa

Ny Vavolombelon’i Jehovah izay mandatsaka am-po ny faminanian’i Jesosy manambara fa hotorina any amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, dia tsy namela ireo nosy Caïmans (Matio 24:14). Vao tamin’ny 1929, i Patrick Davidson, izay nanara-maso ny asa fitoriana tany Jamaïque, dia nankany Caïmans Lehibe. Na dia tao aza ny fanoherana, dia afaka namafy voan’ny fahamarinan’ilay Fanjakana vitsivitsy izy.

Niverina i Patrick Davidson tamin’ny 1937, kanefa nilaina ny hiandrasana ny 1950 vao hahatety tanteraka an’i Caïmans i Aleck Bangle narahin’ny misionera hafa iray. Nizara zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly an-jatony maro izy ireo tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy ary nilaza fa nahita olona malemy fanahy nanaiky hifanakalo hevitra sy dodona ny hahare ny vaovao tsara.

Nandre ny vaovao tsara ireo mponin’ny nosy

Nampian’ny mpitory manontolo andro hafa ireo misionera ka nanohy ny fiezahany tamim-paharetana sy fahavononana. Tamin’ny 1959, dia nisy mpitory 12 nahaforona antokony kely ary dia naorina ny kongregasiona iray. Wilbert Sterling no anisan’ireo mponin’ny nosy voalohany nanaiky ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsaroany tsara tokoa ny fotoana tsy maintsy nitetezan’ilay antokon’olom-bitsy Vavolombelona an-tongotra ny faritany. Amin’izao fotoana izao, rehefa jamba sy eo amin’ny fahavalopolo taonany ny rahalahy Sterling dia mbola loholona ao amin’ny kongregasionan’i Georgetown ihany.

Nitahy ny fiezahana tamin-jotom-po nataon’ireny mpitory ilay Fanjakana voalohany ireny Jehovah. Miisa ho 60 izao amin’ny antsalany ny mpitory, amin’ny mponina 17 000. Mponin’ny nosy maro be ankehitriny no mahafantatra fa miavaka amin’ny fanompoam-pivavahany miorina amin’ny Baiboly ny Vavolombelona.

Araka izany, ny vehivavy iray niasa tao amin’ny hotely dia nahita Vavolombelona nitory isan-trano indray andro. Nanatona izy ary nanontany azy izay tokony hatao mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah. Namaly azy ilay mpitory fa tokony hahazo fahalalana marina an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany izy, avy eo dia hampihatra izany (Jaona 17:3). Nanaiky ny hianatra Baiboly any an-tokantrano àry io vehivavy io. Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny.

Tamin’ireo izay nanaiky ny fahamarinana, dia nisy hafa firenena maro tonga nanorim-ponenana tao amin’ireo nosy Caïmans na nivahiny tao noho ny asany. Izany no nanosika vehivavy kristiana iray haneho ny faniriany hahita kongregasiona misy teratany maro kokoa. Tao amin’ny vavaka nataony, dia nangataka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy hahita olona avy ao amin’ny nosy Caïmans haniry hianatra Baiboly. Tsy ela dia tafahaona tamin’ity vehivavy tanora efa nanana ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy ka nanomboka fianarana niaraka taminy. Rehefa afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niala tamin’ny fivavahany io vehivavy io, nanomboka nanatrika ireo fivoriana sy nampahafantatra ny hafa izay nianarany. Rehefa afaka herintaona, dia natao batisa mba ho Vavolombelon’i Jehovah izy.

Nisy fampandrosoana lehibe indray ny asa fitoriana rehefa tonga tao Caïman Lehibe ny mpivady misionera izay nitarika fianarana Baiboly maro tany an-tokantrano ka nandatsaka fototra ho amin’ny fitomboana ho avy.

Tsy nahomby ny fanoherana tao Caïman Brac

Any amin’ny 140 kilaometatra any avaratra atsinanan’i Caïman Lehibe no misy ny nosy Caïman Brac. Indraindray dia nisy misionera sy mpitory manontolo andro hafa tonga avy any Caïman Lehibe mba hitory ny vaovao tsara tamin’ireo mponina eo amin’ny 1700. Somary nisy fihenjanana tsapa anefa tamin’ny 1986.

Nisy mpivady niasa noho ny fanekena nataony tao amin’io nosy io, nanomboka nianatra Baiboly ka nandroso hatreo amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Tamin’izany fotoana izany, ny Vavolombelona roa avy any amin’ny nosy hafa dia tonga mba hanorim-ponenana koa tao Caïman Brac. Izany fitomboan’ny asa tao amin’ilay nosy izany dia niteraka fankahalan’ny olona sasany, izay nanandrana nitaona ny biraon’ny fifindram-ponenana avy any an-tany hafa mba hanafoana ny fahazoan-dalana hiasa an’izy mivady vao vita batisa. Tsy nahomby anefa ny fanandramana nataon’izy ireo, satria ny tompon’andraikitra tamin’io asa io tao Georgetown (Caïman Lehibe), dia nampahafantatra fa raha nampalahelo an’ireo fahavalo ara-pivavahan’ny Vavolombelona ny asan’izy ireo, dia ampy fotsiny ny miady amin’izany amin’ny mba fitetezana isan-trano koa. Hatramin’izay dia tsy nisy fankahalana an-karihary ny Vavolombelona intsony.

Tsy navelan’i Jehovah ho any ivelany izy ireo

Azo antoka fa Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe, dia tsy namela ireo nosy Caïmans sy ny mponina ao aminy, tsy ho ao anatin’ny fikasany. Nataony kosa aza izay hahatonga ny vaovao tsara hotorina ao amin’ireo nosy kely ireo, araka izao faminanian’Isaia izao: “Hianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany.” — Isaia 42:10.

Afaka mifaly ireo nosy Caïmans satria tsy noheverin’i Jehovah ho “tsy ao anatin’ny fotoana”.

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

Ranomasin’i Caraïbes

CAÏMAN KELY

CAÏMAN BRAC

[Sarintany]

CAÏMAN LEHIBE

[Sarintany]

CUBA

CAÏMAN KELY

CAÏMAN LEHIBE

CAÏMAN BRAC

JAMAÏQUE

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara