FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/1 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy lany andro akory izy ireny
  • ‘Fitsarana mafimafy kokoa’
  • Ahoana no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra?
  • Ianaro sy Ampianaro ny Fitondran-tena Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mahazo Fitahiana Izay Tia Manolo-tena
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Voavonjy Noho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoa, fa Tsy Noho ny Asa Ihany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/1 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy lany andro akory izy ireny

Hatramin’ny ela be, dia maro no manohana fa lany andro sy tsy azo ampiharina ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba ny fiainana andavanandro. Nisy fandinihana natao vao haingana anefa nitarika mpitsabo hihevitra indray ny hasarobidin’ny torohevitra ao amin’ny Baiboly momba ny fanaovan-tsoa amin’olona.

Araka ny voalazan’ilay gazety atao hoe American Health, dia nanantitrantitra ny mpitsabo roa fa “mety hisy vokany tsara eo amin’ny fo, ny fiarovan-tena voajanahary sy ny toe-batana amin’ny ankapobeny ny fanaovan-tsoa”. Tany Michigan, ny antokon’ny mpitsabo hafa iray dia nanao fandinihana nahafaoka folo taona mba hamerana hoe tamin’ny ahoana ny fifandraisana ara-tsosialy no nisy heriny teo amin’ny fahasalamana. Gaga izy nahita fa ny fanaovana asa an-tsitrapo eo anivon’ny fitambaran’olona dia mampitombo be dia be ny antsalan’ny halavan’ny androm-piainana sy ny hery.” Nasehon’ny fandinihana fa tsapa indrindra izany vokany izany eo amin’ny lehilahy: ireo izay tsy mba hitondra fanampiana ho an’olona mihitsy dia avo roa heny sy tapany ny mety hahafatesany mandritra ilay vanim-potoana noheverina noho ireo izay nanao asa an-tsitrapo fara faharatsiny indray mandeha isan-kerinandro.

Tany Kalifornia, dia nitantara ny mpitsabo iray fa nasainy nifanasa lamba ny marary roa nifankahala. Izany dia niteraka fihenan’ny “cholestérol” tamin’ny tenany sy fanaintainana tao amin’ny tratra.

Taonjato maro lasa izay, dia nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly mba ‘hananatra ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova’ fa “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra”. Nampahatsiahy ny kristiana hebreo koa izy mba tsy hanadinoan’izy ireny ny “hanao soa sy hiantra”. Inona no antony? “Voninahitra sy laza ary fiadanana (...) ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara”, hoy izy any an-toeran-kafa. Eny, fantatry ny kristiana marina hatramin’ny ela be fa ny fampiharana izany torohevitra izany dia mitondra soa, na eo amin’ny lafiny ara-batana na eo amin’ny lafiny ara-panahy. — 1 Timoty 6:17, 18; Hebreo 13:16; Romana 2:10.

‘Fitsarana mafimafy kokoa’

Ireo anisan’ny Synoda jeneralin’ny Fiangonana anglikana dia tonga vao haingana tao anatin’ny tarehin-javatra nahasakodiavatra. Niray hevitra izy ireo mba hanohana ny “fampianarana mahazatra” mahakasika ny fahadiovana sy ny fahatokiana”. Kanefa, rehefa nanipy hevitra ilay pretra atao hoe Tony Higton ho an’ny Synoda, momba ny hoe ny klerjy dia tokony ho “faka tahaka amin’ny lafiny rehetra mahakasika ny fitondrantena, anisan’izany ny amin’ny lahy sy vavy, vao azo atokana na ho afaka hanohy ny asany” dia nolavina io fanoloran-kevitra io. Inona no antony? Ny Sampan-draharaha momba ny filazam-baovao eokiomenika dia mitantara fa ireo anisan’ny Synoda dia nahita fa “somary mafy loatra” io fanoloran-kevitra io ka “araka ny filazan’i Michael Baughen, evekan’i Chester, izany dia hitarika avy hatrany fanesorana ny eveka rehetra sy ny anisan’ny klerjy hafa koa”.

Novan’ny Synoda ny fanoloran-kevitr’i Higton mba hananarana fotsiny ny kristiana rehetra, “indrindra fa (...) ireo tompon’andraikitra kristiana”, hanana fitondrantena, faka tahaka “amin’ny lafiny rehetra mahakasika ny fitondrantena, anisan’izany ny amin’ny lahy sy ny vavy”. Araka ny nolazain’ny Sampan-draharaha momba ny filazam-baovao, dia nolavin’ny Synoda ny hevitra hoe hampihatra “fifehezana mety” amin’ireo anisan’ny klerjy fantatra fa meloka ho nanana fitondrantena tsy mendrika momba ny lahy sy ny vavy.

Na dia toa ‘mafy loatra’ aza izany fandaharam-pifehezana izany araka ny hevitry ny mpitondra fivavahana maro amin’izao androntsika izao, dia milaza mazava toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Korintiana 5:13). Tian’Andriamanitra ny hanaovan-javatra amin’ny fomba hentitra ho an’izay rehetra manao ratsy sy tsy mibebaka, mba hiarovana ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ara-panahin’ny kongregasiona kristiana. Mety indrindra ny mampihatra ny fifehezana amin’ireo tompon’andraikitra kristiana, satria izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.” — Jakoba 3:1.

Ahoana no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra?

“Ny vokatra azon’ny mpanao fanatanjahan-tena iray dia mety hampiharihary ny halalin’ny fitiavany an’Andriamanitra.” Marina ve io fanambarana nataon’i Wes Neal, prezidàn’ny IAP (Institut pour la perfection athlétique) tao amin’ny revio Christianity Today io? Araka ny filazan’ny IAP, fanaovan-draharaha ampiasain’ny Fiangonana evanjelika mba “hanamasinana ny fanatanjahan-tena misy fifaninanana”, ireo mpanao fanatanjahan-tena dia tokony hanome, eny am-panaovan-javatra, hery sahala amin’ny nampiasain’i Jesosy mba “hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy”. Nanoratra io revio io fa izany hevitra izany dia tonga foto-kevitra be mpanaraka ao amin’ny “fivavahan’ny efitrano fiakajoana” arahin’ireo anisan’ny Fiangonana evanjelika. Ilay lahatsoratra dia miresaka ny amin’ny mpilalao baolina amerikana mahay izay “nanisy vokovoko hosodoko teo amin’ny kirarony sy ny fehin-tanany fanatanjahana mba hampisehoana fa nilalao noho ny fikendrena ny hanome voninahitra an’i Kristy izy”.

Azo atao ve anefa ny milaza fa manome voninahitra an’Andriamanitra ny tena rehefa mandray anjara amin’ny fifaninanana na ny fanatanjahan-tena mahery vaika tokoa? Sarotra ny hino izany! Izao no azo vakina ny amin’izany ao amin’ny revio Psychology Today: “Ny karazana fifaninanana mihitsy dia manery an’ilay mpanao fanatanjahan-tena hitady vetivety ny tombontsoany manokana mba hahazoana fandresena.” Milaza anefa ny Baiboly fa ‘tsy tokony hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa’ ny kristiana. (Filipiana 2:3, 4.) Manome voninahitra an’Andriamanitra ny kristiana marina amin’ny fanaovana ny sitrapony, fa tsy ny azy ireo. — Jereo Isaia 58:13, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara