FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/9 p. 21-23
  • Niaiky ny amin’ny fitiavan’i Jehovah izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niaiky ny amin’ny fitiavan’i Jehovah izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Porofon’ny fitiavan’i Jehovah
  • Kami, rehefa ela ny ela!
  • Hanao Ahoana ny Fiainana Raha Tsy Misy Ampondra?
    Mifohaza!—2006
  • Fitoriana Ampahibemaso
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
  • Tahin’i Jehovah ireo izay maharitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Inona no Hataoko fa Miady Saina Aho?
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/9 p. 21-23

Niaiky ny amin’ny fitiavan’i Jehovah izy ireo

ONJA avo no nikapokapoka ilay sambo azon’ny tafiodrivotra nahatahotra. Rehefa 14 andro no niadiany tamin’ny tafiodrivotra mahery, dia very fanantenana ny tantsambo sy ny mpandeha rehetra. Izy rehetra afa-tsy iray monja, izay tsy nisalasala fa hamonjy azy Jehovah, satria mbola nanakoako tao an-tsofiny ihany ireto teny mampahery ireto: “Aza matahotra, ry Paoly!” Tao anatin’ireo ora nisehoan-java-tsarotra nanaraka izany, dia rendrika ilay sambo, ary tonga soa aman-tsara teny amin’ny an-tanety ny rehetra. Teo indray koa, dia rariny raha niaiky ny amin’ny fitiavan’i Jehovah ny apostoly Paoly. — Asa. 27:20-44.

Ary ianao, miaiky ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra ve ianao? Amin’izany, dia zava-dehibe ny hianarana mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra sy ny hampiasana ny fahalalana azo mba hanatanjahana ny hafa. Kanefa, mba hiaikena tanteraka ny amin’ny fitiavan’i Jehovah, dia tena tokony hiainanao ireo fanambarany amin’ny fahatsapana ny ataony ho anao. Raha nisy olona hanamarina an-tsitrapo izany, dia ity mpiandraikitra mpitety faritany izay, tany amin’ireo toerana avo boliviana, dia nahatsapa, tahaka ny maro, ny fiheveran’i Jehovah.

“Tao amin’ny faritanin’i Oruro aho, hoy ny fitantarany, ary tokony ho any amin’ny kongregasiona iray tany Kami. Mba hahatratrarana an’io tanàna misy mineraly io, dia nilaina ny handehanana 100 kilaometatra teo amin’ny lalana mideza sy miolakolaka izay miakatra hatrany amin’ny 46000 metatra indraindray ary mety hampidi-doza tokoa, indrindra fa amin’ny fotoan’ny orana. Matetika no midina any amin’ny — 10oC na latsaka aza ny maripana (température).

“Nandalo mba haka ahy amin’ny môtôny ny rahalahy iray, Aníbal, ary dia niainga tamin’ny 6 ora maraina izahay, vonona ny hanao dia haharitra adiny dimy. Koa satria avy ny orana hatramin’ny niainganay, dia nanery anay hijanona ny fotaka, satria niavosa teo anelanelan’ny kodiarana sy ny arofotaka, ary tsy afaka niainga indray izahay raha tsy rehefa avy niasa mafy nanaisotra izany. Nitaingana tao an-damosin’i Aníbal aho, ary nanandrana niaro ny kiraroko sy ny pataloako; tsy ela anefa dia vonto tanteraka aho ka najanoko tamin’izao.

Porofon’ny fitiavan’i Jehovah

Hatramin’ny adiny enina no nandehananay rehefa niletsy ny maotera raha mbola niakatra fiakarana mideza izahay, ary nanomboka nanao dia nihemotra izahay. Nidina avy hatrany izahay ary nanao izay rehetra azonay natao mba hitanana ilay milina mavesatra izay nikorisa tao anaty fotaka, nefa tsy nisy vokany. Endrey ny alahelom-ponay, rehefa nahita ilay izy nanjavona tao amin’ny tevana, eo amin’ny zato metatra ny halaliny! Avy eo dia niova ho fahatalanjonana ny fahaverezan-kevitray rehefa nijery tany ambany izahay: tafajanona teny antenantenan-dalana ilay milina rehefa nianjera. Na dia tao aza izany rehetra izany, dia tsy ho afaka hampakatra azy tsy misy fanampiana mihitsy izahay.

“Lasa ny ora maro ary tsy nanana fanantenana firy ny hahita olona ho avy eo amin’io lalana sarotra aleha io izahay. Avy eo, dia niseho ny lehilahy iray, niaraka tamin’ny ampondra sy lama. Rehefa nahita ny toeranay izy, dia nilaza toy izao tamin’ny teny “quechua”: ‘Eny, manana tady vitsivitsy aho.’ Rehefa avy eo dia nafatony tamin’ny ampondra sy ilay milina ny tady hoditra, avy eo dia nidina hanosika ny milina izahay raha mbola namporisika ilay ampondrany hitarika ilay lehilahy. Farany, rehefa voatsindrona imbetsaka ilay ampondra, dia nitarika ary niakatra indray teo amin’ny arabe, izahay, tsemboka aoka izany. Mba hisaorana an’ilay mpanisy soa anay, dia nomenay anankiray tamin’ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly izy. Faly aoka izany izy ka tiany ny hanome anay ho takalony, tamin’ny ovy nentiny!

“Niainga ny maotera; velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa izahay! Rehefa lasa lavidavitra anefa ny maotera dia nanomboka nipoapoaka. Nanapa-kevitra ny hiditra tao amin’ny trano fisotroana kafe nitokana àry izahay. Koa satria ilay tompon-trano nanontany anay hoe ho aiza izahay, dia nolazainay taminy izay ary notantarainay ny fahadisoam-panantenanay. ‘Afaka mampindrana anareo “bougie” iray sy fitaovana vitsivitsy aho’, hoy izy. Akory ny hatalanjonanay, dia izahay izay nahafantatra fa tao amin’io toerana io dia nampiahiahy na dia ny namana aza, mainka ka hoe vahiny! Fa raha ny amin’ilay maotera nahazo “bougie” vaovao, dia nihodina tsara indray izy.

“Rehefa nanomboka nilatsaka ny alina, dia velom-panahiana aho, satria nahangoly ny ranjoko ny fanaikitry ny hatsiaka. Avy eo, rehefa niaka-piakarana izahay, dia namadika anay indray ilay maotera. Niara-nanosika ny môtô teo amin’ny 3 kilaometatra izahay mirahalahy tamin’ny fampiasana ny fampandehanana azy. Koa satria tsy nisy azo natao, dia nipetraka izahay, trotraka, teo amoron-dalana. Mba tsy ngoly intsony aloha ny ranjoko! Sahirana sy very hevitra aoka izany izahay mirahalahy. Inona no hataonay? Niala sasatra kely izahay, avy eo dia nanandrana niainga indray. Handeha ve ny maotera?

“Oadray! hagagana re izany, nandeha ilay izy. Avy indray kosa anefa ny orana, ka teo amin’ny fiakarana nanaraka dia nihizina indray ny maotera. Teo amoron-dalana indray izahay, fa tamin’io indray mitoraka io dia tao anaty ranonorana nivatravatra. Nijanona kelikely izahay, avy eo dia namerina ny asa indray, tsy nanam-pinoana firy — kanefa dia nandeha ilay izy! Tsy ela taorian’izany, dia tonga teo amin’ny faritra avo indrindra tamin’ny lalanay izahay. Maivamaivana aho, satria nihevitra anakampo fa na dia manary anay aza ilay maotera, dia ho azonay atao ny handeha amin’izao amin’ny “roue libre” hatrany Kami. Tamin’izay anefa no nijanona tao an-tanan’i Aníbal ny sakana (frein)! Nitsambikina avy eo amin’ny toerako avy hatrany aho, nihazona mafy ny fitoeran’entana ary nanatsatoka ny tongotro tamin’ny tany raha mbola nanohy nisosa izahay. Tsy nihetsika izahay tamin’ny farany tamin’izany. Indroa no mbola namely anay toy izany ihany ilay môtô.

Kami, rehefa ela ny ela!

“Tamin’ny 3 ora maraina no tonga tany Kami izahay rehefa ela ny ela. Naharitra 21 ora ny dianay. Ho sarotra aminay ny hahita ireo rahalahy, satria vao voalohany izao no nahatongavako. Koa nanomboka nandondòna tao amin’ny varavarana vitsivitsy izahay, nefa hoy ny navaly anay: ‘Mandehana mandeha any! Efa matory izahay!’ Rehefa maromaro ny valin-teny toy izany dia niteny anakampo aho fa ny tsara indrindra tokony hatao dia ny miala sasatra eo ambany loha tafon-trano sy miandry ny maraina mba hitadiavana ireo rahalahy. Nitorovoka teo amin’ny tany aho ary renoky ny torimaso. Rehefa nahiratro ny masoko, dia olona maro no nanodidina ahy. Nitsangana aho, ary nanatona ny lehilahy fonentana iray mba hamihina mafy ahy. Ny rahalahinay hitan’i Aníbal ireo! Nihetsi-po aoka izany aho tamin’izay fotoana izay ka tsy nahaloa-peo.

Tsy nandany fotoana ireo namanay fa nitondra ny entanay, anisan’izany ilay môtô feno fotaka izay nentin’ny rahalahy iray ho ao an-tokotaniny. Noraisina tao an-tranon’ny mpivady tso-piaina aoka izany aho; nanao ny “pollera” mampiavaka, zipo maromaro mifanosona, ilay vehivavy. ‘Eto amin’ny fandrianay ianao no hatory’, hoy izy ireo. Nanda aho, satria tsy tiako hatory amin’ny tany izy ireo, indrindra fa satria bevohoka ilay vehivavy. Tena tsy niova hevitra anefa izy ireo.

“Tamin’ny 8 ora aho no tafafoha tamin’ny torimaso; nandondòna teo am-baravarana izy ireo. ‘Vonona ho amin’ny fitoriana ireo rahalahy’, hoy izy ireo tamiko. Nahitana soritry ny fanantenana sy ny fankasitrahana aoka izany ny endriny, hany ka tsy nisy azoko natao afa-tsy ny niala avy teo am-pandriana na dia teo aza ny fangotsokotsoky ny tenako, mba hanombohana hiasa. Ary herinandro nampahery re izany! Rehefa niaraka tamin’ireo rahalahy teny amin’ny fanompoana aho, dia safononoky ny hafaliana sy ny hafanam-po tanteraka izy ireo. Mbola tsy takatro tsara kokoa toy izany mihitsy ny tena ilàna ireo fitsidihan’ny mpiandraikitra, na dia tao aza ny zavatra rehetra nitranga taminay; toy ny “ranovelona ao amin’ny tany karankaina” izany. — Isaia 32:2.

“Ny ampitso, dia nankany amin’ny vohitra iray izahay, ka tany ny pastora evanjelika dia nandrahona ny hanakorontana ny fivorianay rehefa tonga aho. Taorian’ny lahateny, dia tonga niarahaba ahy araka ny fomba bolivianaa ny zazalahy tomady iray tamin’ny filazana hoe: ‘Manana ny fahamarinana ianao, ry rahalahy!’ Rehefa nanontany aho hoe iza io lehilahy io, dia izao no navaly ahy: “Ny pastora.’

“Vetivety loatra dia tapitra ny fivahiniana tany Kami, ary tonga ny fotoana hiaingana. Namboarin’ireo rahalahinay ilay môtô ary nosasany ny fitafianay feno fotaka rehetra. Rehefa niresaka ny amin’ilay lehilahy nampindrana fitaovana anay izahay, dia gaga izy ireo, satria nalaza ho saika tsy nanampy na iza na iza mihitsy izy io. Taorian’ny fifamihinana sy fifandraisan-tanana mafy, dia nitodi-doha hody izahay, ary tonga tany amin’ilay lehiben’ny trano fivarotan-kafe niseho ho tsara fanahy taminay. Naverinay taminy izay azy rehetra ary dia nanontany azy toy izao izahay: ‘Ohatrinona no tokony haloanay?’ ‘Tsy misy, hoy ny navaliny. Nahafaly ahy ny nanampy anareo!’

“Rehefa afaka adiny dimy ka tafaverina tany Oruro izahay, dia nisaintsaina ny amin’ny maha-zava-dehibe ny tsy hiraviravian-tanana sy ny fomba lehibe nikarakaran’i Jehovah anay. Nanaitra ny sain’i Aníbal aoka izany ny zava-nitranga taminay, hany ka nihiaka toy izao izy: ‘Mbola ho tiako tokoa ny hamerina iny!’ Ary izany no nataony, satria izy nitondra mpiandraikitra mpitety faritany hafa tamin’ny môtôny, hatrany Kami sy tany amin’ny toeran-kafa. Eny, nanana antony mafy orina mba hiaikena kokoa ihany ny amin’ny fitiavan’i Jehovah izahay.” — Nataon’i Ricardo Hernández, mpiandraikitra ny fizaran-tany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny fiarahabana araka ny fomba boliviana: fandraisan-tanana miaraka amin’ny pai-damosina, avy eo dia famihinan-tanana indray.

[Sary, pejy 23]

Ilay lalana miolakolaka mamakivaky ny tendrombohitra hatrany amin’ny tanànan’i Kami misy mineraly.

Mankany Kami mamakivaky tendrombohitra.

Mety ho sarobidy ny ampondra rehefa misy zavatra mahadodona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara