Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Tahin’i Jehovah ireo izay maharitra
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia mahatsapa fitiavana lalina an’Andriamanitra ary mahatsiaro tena ho manana andraikitra amin’ny mpiara-belona aminy. Izany no manosika azy ireny hanao betsaka araka izay azo atao mba hahafahan’ny rehetra mandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 24:14). Izany no nahatonga ity vehivavy kristiana ho tapa-kevitra hitory tamin’ny miaramila sy ny fianakaviany nonina tao amin’ny tobin’ny tafika tao amin’ny faritaniny.
Isaky ny nanandrana niditra tao izy, dia nolavin’ilay kapiteny. Izao no notantarainy: “Tapa-kevitra àry aho ny hiteny tamin’ny kolonely lehiben’ny toby. Rehefa niteny tamin’ny telefaonina aho, dia tsy nety nampifandray azy tamiko ny mpitantsorany. Koa satria nonina tany ivelan’ny toby ilay kolonely, dia nanan-kevitra ny hitady azy any an-tranony aho, ary dia nataoko izany. Rehefa nanontany ahy ny fiaviako izy, dia soa ihany aho fa afaka namaly azy fa teraka tao amin’ny nosy lehibe indrindra amin’ny Fidji aho. Ho fanajana dia nihaino ny fangatahako izy; nilaza tamiko izy fa nandre firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nefa mbola tsy nangataka fanazavana ny amin’ny asan’izy ireo mihitsy. Fomba tsara nahafahako nanao fanambarana taminy izany, ka nanolorana boky fianarana Baiboly telo, izay noraisiny. Nomeny fotoana ho any amin’ny biraony aho ny talata nanaraka tamin’ny 9 ora maraina. Rehefa tonga tao amin’ny tranon’ny miaramila niaraka tamin’ny vehivavy kristiana hafa iray aho, ireo mpiambina, efa nampiomanina ny amin’ny hahatongavanay dia nampahafantatra anay fa nahazo nitory tao an-toby izahay. Hoy ilay kolonely taminay: ‘Hilaza amin’ny manamboninahitra rehetra aho fa tokony hamoha ny varavarana rehetra ho anareo izy ka na dia samy manana fivavahana hafa iray aza izahay, dia mety ho ny anareo no manambara ny Fanjakan’ny lanitra sy ny faran’izao tontolo izao.’
“Rehefa tonga izahay ny zoma, ny fiarakodian’ny tafika iray misy fanamafisam-peo dia nampanakoako izao hafatra izao nanerana ny toby: ‘Hisy vehivavy be taona roa hitety ny ato anaty tanàna androany. Manan-javatra hambara aminareo izy ireo; mba vohay àry ny varavaranareo ka henoy izy. Halaviro ny fiadian-kevitra amin’izy ireo na ny fankahalana azy.’ Tafajanona tao amin’io toby io izahay nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ary nahazara boky 100 sy gazety 200. Nahitam-bokatra ny andro niasanay, satria afaka nanao fiverenana mitsidika maro izahay ary nanomboka fianarana Baiboly maro be.”
Misy fitantarana mahaliana iray voarainay avy any amin’ny nosy hafa iray any Pasifika Atsimo nanombohana mpitory maharitra manokana nitory tsy ela izay ka nahitany fanoheran’ireo filohan’ny Fiangonana tafatambatra. Sarotra tamin’izy ireo ny nahita indray olona iray liana tamin’ny hafatra nentiny, noho ny filohan’ny vohitra nisy azy izay, rehefa niangavian’ny klerjy, dia nisakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hiditra. Tamin’ny fandalovan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia niverina izy ireo tamin’ny andro tsy naha-tao an’ilay filoha. Afaka nitsidika ilay olona niriny ho hita izy ireo ary nanao fanambarana tsara dia tsara taminy. Lasa nandeha izy ireo rehefa hitany nanatona ny lakana lehibe iray hita ho nisy tsy netinety ny milina taminy, satria nivoy azy ny mpandeha. Iza fa tsy ilay filoha no tao, saingy efa diso aoriana loatra izy ka tsy nahasakana ireo mpitory maharitra ireo tsy hanao ny fitsidihany. Rehefa tafaverina izy ireo, dia hoy ny anankiray taminy tamin’ny teny “pidgin” tamin’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Heveriko fa anjely angamba no nanimba ny maoterany.”
Tamin’izany fomba izany no nitahian’i Jehovah kristiana izay naharitra tamin’ny fanarahana ny baikony hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana” ity.