Jesosy Kristy: ilay Zanaka malalan’Andriamanitra
“Ary, injao! Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako.’ ” — MATIO 3:17.
1, 2. a) Fahamarinana tsotra dia tsotra inona no ampianarin’ny Baiboly momba an’Andriamanitra Tsitoha sy Jesosy Kristy? b) Inona no ampianarin’ireo antokom-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
JESOSY KRISTY dia natao batisa tamin’ny fandrobohana azy rehefa 30 taona. Raha vao nivoaka avy tao amin’ny rano izy, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17). Ilay feo dia ny an’Andriamanitra. Tao anatin’ny toe-javatra hafa, raha mbola nivavaka Jesosy, dia nanambara hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Taorian’izay dia re ‘avy tany an-danitra ny feon’Andriamanitra nanao hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” ’ — Jean 12:28.
2 Rehefa vakina ny fitantarana toy ireo, na dia ny ankizy iray aza dia hahatakatra fa ny fatorana mampiray an’ilay Andriamanitra Tsitoha amin’i Jesosy Kristy, dia ny an’ny ray anankiray amin’ny zanaka malalany, dia olona roa miavaka. Kanefa dia lavin’ireo antokom-pinoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany fahamarinana tsotra dia tsotra ao amin’ny Baiboly izany. Lazainy fa Jesosy Kristy no ilay Andriamanitra Tsitoha, persona faharoa mahaforona ny trinite, ary ny fanahy masina no fahatelo.
3. Inona no mampiseho fa miteraka fisafotofotoana ny fampianarana ny amin’ny Trinite?
3 Mandentika ireo mpino ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ao anatin’ny fisafotofotoana lehibe io fampianarana io; izany no iray amin’ireo antony ilazan’ny Firaketana katolika Vaovao (angl.) ny Trinite ho zava-miafina. Raha ny marina, dia sanganehana na dia ny tenan’ny klerjy aza. Izao no azo vakina momba izany ao amin’io firaketana io: “Ao amin’ireo seminera katolika, dia vitsy ny mpampianatra teolojia ny amin’ny trinite no tsy very hevitra tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana hafa tamin’izao fanontaniana izao: ‘Fa ahoana no itoriana ny Trinite?’ Ary raha famantarana ny tsy fahampian’ny fahazavana sasany ao an-tsain’ny mpianatra ilay fanontaniana, dia angamba famantarana ny tsy fahampian’ny fahazavana torak’izany ao amin’ireo mpampianatra azy ireny koa izany.”
4. Inona no fampianarana ofisialin’ireo Fiangonana ny amin’ny Trinite?
4 Io fampianarana mampikorontan-tsaina io dia fampianarana fototra ao amin’ny fivavahana katolika sy protestanta. Nanambara toy izao tokoa ny Firaketana katolika (angl.): “Ny Trinite dia teny entina manondro ny fampianarana fototry ny fivavahana kristiana (...). Koa araka ny filazan’ny fanekem-pinoan’i Athanase, “ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, kanefa tsy misy Andriamanitra telo fa Andriamanitra tokana ihany’.” Tahaka izany koa fa nandritra ny fitoriana tamin’ny tribonaly natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy, ny Eglizy ortodoksa dia nanambara hoe: “Ny fampianarana fototry ny kristianisma izay eken’ny kristiana rehetra, na inona na inona antokom-pinoany manokana, dia (...) ny Trinite, izany hoe ny finoana izay milaza fa misy Andriamanitra iray manana persona telo.” Hoy koa izy: “Ny kristiana dia ireo izay miaiky fa Kristy no Andriamanitra.” Avy eo dia manampy izy fa ireo izay tsy nanaiky ny Trinite dia tsy mba kristiana fa mpanohitra ny finoana.
5, 6. Nahoana no zava-dehibe ny hahalalana ny fahamarinana ny amin’ny Trinite?
5 Kanefa raha toa diso izany fampianarana ‘fototry’ ny fivavahana lazaina fa kristiana izany, raha toa lainga izany, ireo izay mandà izany no tena kristiana fa tsy mpanohitra ny finoana. Ireo izay manaiky izany kosa no mandà ny kristianisma fa tsy mpanohitra ny finoana. Ireo izay manaiky izany kosa no mandà ny kristianisma. Inona àry no hanjo azy ireo? Tsy hifaly amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireny: izany no asehon’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, “fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy.” Izao no vakintsika ao: “Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy, ary izay rehetra tia lainga sady mpandainga.”— Apokalypsy 1:1; 22:15.
6 Noho ny halehiben’ny finoana momba ny Trinite, dia tokony hofantarintsika ny niandohan’izany sy ny antony namoronana azy; iza marina no namorona azy; ary inona no heverin’ny teolojiana amin’izao andro izao ny amin’izany rehetra izany. Alohan’ny hirosoana lavidavitra kokoa anefa, dia aoka hojerentsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’izany raharaha izany. — 2 Timoty 3:16, 17.
Tsy ‘Andriamanitra Zanaka’, fa “Zanak’Andriamanitra”
7. Inona no asehon’ny famakiana tsy miangatra ny Baiboly momba an’i Jesosy?
7 Araka ny asehon’ny famakiana tsy amim-piangarana ny Baiboly, famakian-teny tsy misy fitompoan-teny fantatra ny amin’ny Trinite, Jesosy dia tsy nilaza velively fa izy no ilay Andriamanitra Tsitoha. Ohatra, ao amin’ny Jaona 3:16, dia izao no lazainy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana.” Andininy roa manaraka izany fotsiny dia milaza indray Jesosy fa “Zanakalahy Tokan’Andriamanitra” izy. (Jaona 3:18.) Rehefa niampanga azy ho niteny ratsy ny Jiosy, dia izao no navaliny azy ireo: “Moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: ‘Miteny ratsy hianao’, satria hoy Izaho: Zanak’Andriamanitra Aho?” (Jaona 10:36). Araka izany, dia tsy nilaza mihitsy Jesosy hoe ‘Andriamanitra zanaka’ izy, fa “Zanak’Andriamanitra” kosa.
8. Fanambarana inona no nomen’ilay kapiteny sy ireo izay niaraka taminy?
8 Rehefa maty i Jesosy, na dia ireo miaramila romana nanatrika teo aza dia nahalala fa tsy Andriamanitra izy: “Ny kapiteny sy ny fehiny izay niambina an’i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io. (Matio 27:54). Tsy nilaza izy ireo hoe: “Andriamanitra io lehilahy io”, na: “Andriamanitra Zanaka io lehilahy io”, satria Jesosy sy ny mpianany dia nampianatra fa Zanak’Andriamanitra izy, fa tsy ilay Andriamanitra Tsitoha izay nety ho naka endrik’olombelona.
9, 10. Fanaporofoana mahery inona no omen’ireo Filazantsara ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy Jesosy?
9 Araka ny fitantaran’i Matio, anankiray amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, rehefa natao batisa i Jesosy, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanamarina fa Zanany malala io (Matio 3:17). Nanao toy izany koa ireo mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly. I Marka ohatra dia nanoratra hoe: “Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.’ ” (Marka 1:11). Tahaka izany no azo vakina ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka: “Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: ‘Hianao no Zanako malalao; hianao no sitrako.’ ” (Lioka 3:22). Jaona kosa, izay nanao batisa an’i Jesosy tetsy andaniny dia nilaza hoe: “Ary nahita aho, ka dia nanambara fa izy [Jesosy] no Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:34). Ny tenan’Andriamanitra mihitsy sy ny mpanoratra ny Filazantsara efatra ary Jaona Mpanao batisa àry no nanambara mazava fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra. Ankoatr’izany, fotoana fohy tato aoriana, tamin’ny niovan’i Jesosy tarehy, dia nisy fisehoan-javatra nitovy tamin’izany: “Ary nisy feo [ny an’Andriamanitra] avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko. Izy no henoy.” — Lioka 9:35.
10 Tao amin’ireny andinin-teny rehetra ireny, moa ve nilaza Andriamanitra fa izy ihany no zanany, fa nanira-tena sy nankasitraka ny tenany ihany izy? Tsia, Andriamanitra Ray, ilay Mpamorona dia nilaza fa izy no naniraka ny Zanany, Jesosy, izay persona miavaka aminy, mba hanatanteraka ny Asany. Izany no antony ampiasana ny fitenenana hoe “Zanak’Andriamanitra” rehefa manondro an’i Jesosy, ao amin’ny Soratra grika kristiana iray manontolo. Tsy hita kosa na dia indray mandeha aza ny fitenenana hoe ‘Andriamanitra Zanaka’, mazava izany satria: Jesosy dia tsy ilay Andriamanitra Tsitoha, fa ny Zanak’Andriamanitra. Persona roa miavaka ireo, ary tsy misy mihitsy “zava-miafina” teolojika afaka hanafoana izany fahamarinana izany.
Ambony noho ny Zanaka ny Ray
11. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa Andriamanitra dia ambony noho izy?
11 Fantatr’i Jesosy fa tsy nitovy tamin’ny Rainy izy, fa teo ambany fahefany kosa tamin’ny zava-drehetra. Fantany fa Zanaka malala izay nanana fitiavana lalina ny Rainy izy. Izany no antony namerimberenan’i Jesosy matetika teny toy ireto: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho azy, afa-tsy izay hitany hataon’ny Ray.” (Jaona 5:19). “Fa tsy nidina avy tany an-danitra aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:38). “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’izay naniraka ahy.” (Jaona 7:16). “Izaho mahalala Azy [izany hoe Andriamanitra], fa izy no nihaviako, ka izy no naniraka Ahy.” (Jaona 7:29). Izay maniraka dia ambony noho izay nirahina, izay mpanompo. Andriamanitra no ilay naniraka, Jesosy ilay nirahina; fisiana roa miavaka ireo. Araka ny voalazan’i Jesosy, “ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.” — Jaona 13:16.
12. Fanorahana inona no manondro fa Jesosy dia eo ambany fahefan’ny Ray?
12 Ny hoe eo ambany fahefan’ny Ray izy, dia nasehon’i Jesosy mazava tao amin’ny fanoharana iray, izay anoharany an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny tompon’ny tanimboaloboka. Talohan’ny nandehanany tany an-tany hafa, dia nankinin’io tompon’ny tany io tamin’ny mpamboly ny tanimboalobony izay mampiseho miharihary ny klerjy jiosy. Tatỳ aoriana, rehefa naniry hampaka ny ampahany tamin’ny vokatry ny tanimboaloboka, tany amin’ireo mpamboly izy, dia naniraka mpanompo iray hankany amin’izy ireo; nikapoka ilay mpanompo anefa ireo mpamboly sady nampody azy maina. Nampaniraka tany aminy mpanompo faharoa àry izy, ka nitovy tamin’ny teo aloha ihany ny zava-niseho. Ny mpanompo fahatelo dia nentina ho an’iretsy talohany. Dia hoy ilay tompon’ny tany (Andriamanitra): “Haniraka ny zanako [Jesosy] malalako aho. Angamba hanaja azy izy.” Kanefa, hoy ireto mpamboly ratsy fanahy: “Ity no mpandova; andeha hovonointsika io mba ho antsika ny lova.” “Dia namoaka azy tany ivelan’ny tanimboaloboka izy ka namono azy.” (Lioka 20:9-16). Mampiseho tsara izany fanoharana izany fa nanaiky ny Ray i Jesosy, sady nirahin’ny Ray mba hanao ny sitrapon’ny Ray.
13. Fanambaran’ny Baiboly inona avy moa no manaporofo mazava fa Andriamanitra dia ambony noho Jesosy?
13 Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Tokony hino an’i Jesosy isika, satria tsy afaka ny tsy hahafantatra ny karazam-pifandraisana nananany tamin’ny Rainy izy. Ny tenan’ny apostoly Paoly koa dia nahalala tsara fa ambony noho Jesosy Andriamanitra; izany no antony nanambarany hoe: “Ny Zanaka [Jesosy] koa aza no hanaiky (...) an’Andriamanitra.” (1 Korintiana 15:28). Tao amin’ny 1 Korintiana 11:3 sahady izy dia nanoratra hoe: “Andriamanitra no lohan’i Kristy.” Niaiky i Jesosy fa teo ambany fahefan’ny Andriamanitra iray ambony noho izy ny tenany, rehefa nilaza tamin’ny mpianany fa: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” — Jaona 20:17.
14. Andinin-teny hafa inona avy ao amin’ny Baiboly moa no mampiseho fa Jesosy dia tsy ilay Andriamanitra Tsitoha?
14 Nanisy fitenenana ny amin’ny fahambonian’Andriamanitra Jesosy, rehefa nangataka tamin’ny renin’ny mpianany roa lahy, mba hahazoan’ireo zanany ireo mipetraka, ny iray ho eo amin’ny ankavanany ary ny iray ho eo amin’ny ankaviany, rehefa ho tonga ao amin’ny Fanjakany izy. Hoy ny navaliny azy ireo tokoa: “Ny hipetraka eo an-tànako ankavana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy ahy ny hanome izany.” (Matio 20:23). Raha Jesosy no ilay Andriamanitra Tsitoha, izany tombontsoa izany dia ‘ho azy ny hanome izany’ nefa ‘tsy azy izany’; an’ny Rainy no manapaka izay homena izany. Tahaka izany koa, rehefa nanonona ny faminaniana momba ny fiafaran’ny fandehan-javatra izy, dia nanambara izao: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marka 13:32). Raha toa ka Jesosy no ilay Andriamanitra Tsitoha, dia ho fantany izany, satria tsy ilay Andriamanitra mahafantatra ny zavatra rehetra izy, fa ny Zanak’Andriamanitra. Tsy fantany avokoa izay fantatry ny Rainy.
15. Rehefa nadiva ho faty izy, ahoana no nanehoan’i Jesosy fa nanaiky an’Andriamanitra izy?
15 Talohan’ny nahafatesany dia nasehon’i Jesosy fa nanaiky ny Rainy izy, rehefa nivavaka taminy hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:42). Iza no nivavahan’i Jesosy? Ny tenany ihany ve? Tsia, nivavaka tamin’ny Rainy any an-danitra izy. Izany no asehon’ireo teny mazava nolazainy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.” Avy eo, teo am-pialana aina, dia niantso izy nanao hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” (Marka 15:34). Tamin’iza no niresahan’i Jesosy? Tamin’ny tenany ve? Tsia, fa tamin’ny Rainy any an-danitra.
16. Ahoana no ampisehoan’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy fa tsy mety ho ilay Andriamanitra Tsitoha izy?
16 Nijanona efa ho telo andro tao am-pasana i Jesosy taorian’ny nahafatesany. Iza no nanangana azy? Tsy afaka nanangan-tena izy satria maty. Ary raha tsy maty izy, dia tsy ho afaka nandoa ny sorom-panavotana noho ny fahotan’i Adama; maty tokoa anefa izy ary tsy nisy intsony nandritra ny telo andro. Ny apostoly Petera dia milaza amintsika hoe iza no nanangana an’i Jesosy: “Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana.” (Asa. 2:24). Ilay ambony, ny Andriamanitra Tsitoha, no nanangana tamin’ny maty ilay ambany, Jesosy, ny Zanany malala. Aoka isika haka ohatra: rehefa nanangana an’i Lazarosy Jesosy, iza no lehibe kokoa? Jesosy, satria afaka nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy (Jaona 11:41-44). Tahaka izany koa rehefa nanangana an’i Jesosy Andriamanitra. Matoa afaka namerina an’i Jesosy ho amin’ny fiainana izy, dia satria lehibe noho izy.
17. Porofo hafa inona no manamarina fa tsy Andriamanitra Jesosy?
17 Koa satria noforonin’Andriamanitra Jesosy, dia tsy mety ho izy no Andriamanitra. Jereo ange ny fomba nandikan’i Benjamin Wilson ao amin’ny Emphatic Diaglott ny Apokalypsy tokoa faha-3, andininy faha-14: “Izao no lazain’ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina [Jesosy], ilay niandohan’ny famoronan’Andriamanitra.” Torak’izany koa no iresahan’ny Kolosiana 1:15, 16 an’i Jesosy: “Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany (...). Izy no nahariana ny zavatra rehetra sady ho Azy izany.” Noho izany, dia nahary mivantana ny Zanany tany an-danitra ilay Andriamanitra Tsitoha. Avy eo izy dia nahary ny zavatra hafa rehetra “tao aminy” na “tamin’ny alalany”, toy ny mpanao taozavatra mahay iray izay hampiasa olona anankiray mahay hanampy azy. Jesosy dia tsy anisan’ireny zavatra noforonina ‘tamin’ny alalany’ ireny, satria efa nahary azy Andriamanitra. Noho izany no iantsoana azy hoe “ny Lahimatoa”, ny “Zanakalahy tokana”. Rehefa lazaina fa lahimatoa ny zaza iray na zanakalahy tokana, dia tsy midika velively izany fa olona mitovy izy sy ny rainy, fa olona roa miavaka kosa no resahina, dia ny rainy sy ny zanany.
Ny fanahy masina: persona sa hery miasa?
18. Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy masina?
18 Ahoana izao ny amin’ny fanahy masina, izay lazaina fa persona fahatelo amin’ny Trinite, ary mitovy hery sy firafitra ary faharetana amin’ny Ray sy ny Zanaka? Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy ampiarahina amin’Andriamanitra sy Kristy mihitsy ny fanahy masina amin’ny fampisehoana azy ho toy ny mitovy amin’izy ireo. Araka izany, rehefa mitantara ny nanaovana batisa an’i Jesosy ny Marka 1:10, dia lazainy fa nidina nankeo ambonin’i Jesosy ny fanahy masina “tahaka ny voromailala”; tsy milaza izy fa naka endrik’olombelona izy. Ny fanahy masina nipetraka teo amin’i Jesosy dia tsy persona akory, fa ny hery miasan’Andriamanitra. Noho io hery avy amin’Andriamanitra io no nahafahan’i Jesosy nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty. Izao no vakina ao amin’i Lioka 5:17: “Ny hery lehiben’ny Tompo [Andriamanitra] dia tao aminy [Jesosy] mba hahasitranany.” (Diaglott). Tatỳ aoriana, tamin’ny Pentekosta dia nandray koa ny herin’Andriamanitra ireo apostoly mba hanasitranana ny marary sy hananganana ny maty. Moa ve tamin’izany tonga mpikambana tamin’ ”andriamanitra” sasany izy ireo? Tsia, fa nandray kosa avy tamin’Andriamanitra ary tamin’ny alalan’i Kristy, hery sasany izay hahafahany hanatanteraka zavatra tsy ho vitan’olombelona ao anatin’ny toe-javatra ara-dalàna izy ireo.
19. Nahoana no tsy mety ho ny persona fahatelo amin’ny trinite ny fanahy masina?
19 Ao amin’ny Efesiana 5:18 Paoly dia miresaka ny amin’io hery miasa io. “Aoka hofenoina ny fanahy” ianareo, hoy ny toroheviny. Tahaka izany koa, vakina ao amin’ny Asan’ny apostoly 7:55 fa Stefana dia “feno ny Fanahy Masina”. Ary tamin’ny Pentekosta ny mpianatr’i Jesosy rehetra dia “samy feno ny Fanahy Masina”. (Asa. 2:4.) Ny olombelona iray ve azo fenoina persona iray? Tsia, fa azo fenoina hery avy amin’Andriamanitra izy. Io fanahy masina io dia ny hery izay nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana izao rehetra izao. Araka ny Genesisy 1:2, “ny fanahin’[ny hery miasan’, MN ] Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.”
20. Fahitana inona azon’i Stefana moa, no mitondra porofo fanampiny ho antsika fa fampianaran-diso ny Trinite?
20 Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy, Stefana dia nahazo fahitana ny tany an-danitra: “nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra” izy. (Asa. 7:55.) Persona roa miavaka àry no hitany tany an-danitra: 1) Andriamanitra ary 2) Jesosy Kristy tafatsangana. Tsy resahina ao amin’izany fahitana izany ny fanahy masina, satria tsy persona fahatelo anisan’izay lazaina fa trinite izy io. Koa satria herin’Andriamanitra miasa ny fanahy masina, dia avy amin’Andriamanitra izy io, fa tsy fisiana miavaka amin’Andriamanitra akory. Izany no antony tsy nahitan’i Stefana afa-tsy persona roa.
21, 22. a) Inona no eken’ny firaketana ara-pivavahana iray ny amin’ny fanahy masina? b) Hevitra inona avy no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Izao no eken’ny Firaketana Katolika vaovao momba ny fanahy masina: “Mazava fa ny T[estamenta] T[aloha] dia tsy mihevitra ny fanahin’Andriamanitra amin’ny endriky ny persona iray, na amin’ny heviny ara-pilozofia tsotra fotsiny izany, na amin’ny heviny nandraisan’ny Hebreo ilay teny. Ny fanahin’Andriamanitra dia ny heriny fotsiny. Raha toa indraindray izy aseho ho toy ny miavaka amin’Andriamanitra, dia satria ny fofonain’i Iaveh dia miasa ivelan’ny tenany.” Mbola manampy io boky io hoe: “Ny ankamaroan’ireo andalan-teny ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia milazalaza ny amin’ny fanahin’Andriamanitra ho toy ny zavatra fa tsy toy ny persona iray; izany dia miharihary indrindra eo amin’ny fifanitsiana atao amin’ny fanahy sy ny herin’Andriamanitra.”
22 Ireo hevitra rehetra avy nodinihintsika ireo dia manaporofo fa ny Trinite, ilay fampianarana “fototra” ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia fampianaran-diso. Mazava ny Tenin’Andriamanitra ny amin’io hevitra io. Asehony tokoa fa Jehovah Andriamanitra dia Ray iray tia ary Jesosy Kristy dia Zanany malala, Zanaka iray izay tia loatra ny Rainy ka vonona hankatò azy hatramin’ny fahafatesana. Kanefa dia misy olona milaza fa ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Masina dia toa manohana ny Trinite; hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka àry ny sasantsasany amin’ireny andinin-teny ireny. Ho hitantsika koa hoe nahoana no tonga lehibe aoka izany io fampianarana io ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana ary inona no niandohany.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no ampianarin’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy Jesosy?
◻ Araka ny Soratra Masina, inona no fatorana mampiray ny Ray sy ny Zanaka?
◻ Manonòna andininy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly mampiseho ny fahambonian’Andriamanitra oharina amin’i Jesosy.
◻ Nahoana no tsy mety ho anisan’ny trinite iray ny fanahy masina?
[Sary, pejy 13]
Nanambara i Jesosy hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.”