FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/9 p. 8-9
  • Nanasitrana jamba hatry ny fony vao teraka i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanasitrana jamba hatry ny fony vao teraka i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanasitranana lehilahy iray teraka jamba
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Niady Hevitra Tamin’ilay Lehilahy Jamba Taloha ny Fariseo
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mikiry tsy hino ny Fariseo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/9 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Nanasitrana jamba hatry ny fony vao teraka i Jesosy

NIAFINA i Jesosy ary nandositra ny Jiosy izay nanandrana nitora-bato azy raha mbola tao amin’ny tempoly izy. Tsy nandao an’i Jerosalema anefa izy. Rehefa nandeha tao an-tanàna tamin’ny andro sabata izy sy ny mpianany dia nahatazana jamba hatry ny fony vao teraka. Nanontany azy toy izao ny mpianany: “Raby ô, iza no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?”

Nino angamba ny mpianatra, sahala amin’ny raby sasany, fa nety ho nanota ny olona iray raha mbola tany an-kibon-dreniny. Namaly azy ireo tamin’izao teny izao anefa i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy.” Tsy avy amin’ny fahadisoana manokana nataon’ny tenany na nataon’ny ray aman-dreniny ny fahajamban’io lehilahy io. Ny fahotan’i Adama, lehilahy voalohany no nahatonga ny olombelona rehetra ho tsy tanteraka, ka noho izany dia mety ho voan’ny takaitra toy ny fahajambana hatrany an-kibon-dreny, izay hampiasain’i Jesosy mba hampisehoana ny asan’Andriamanitra.

Nasehon’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny hanatanterahana izany asa izany tsy misy hataka andro. “Isika tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.” Tsy ho ela dia ho faty i Jesosy ary halevina ao amin’ny fasana maizina iray tsy hahafahany hanao na inona na inona intsony. Tamin’izay fotoana izay anefa dia mbola nanazava izao tontolo izao ihany izy.

Rehefa avy nanonona ireo teny ireo i Jesosy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rorany. Napetany teo amin’ny mason’ilay jamba izany ka hoy izy taminy: “Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama.” Nankatò azy ilay lehilahy, ka tamin’izay izy no nanomboka nahita voalohany teo amin’ny fiainany! Toy inona moa ny fifaliany teny an-dalana hody!

Talanjona ny manodidina sy ireo izay nahalala azy. “Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? hoy izy ireo nifanontany. “Izy ity”, hoy ny navalin’ny sasany. Tsy nety nino kosa anefa ny hafa. “Tsia, fa tahaka azy ihany”, hoy izy ireo. Izao anefa no nambaran’ilay lehilahy: “Izaho no izy.”

Nanontany azy toy izao ny olona: “Ahoana no nahiratan’ny masonao?”

“Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.”

Nanontany azy izy ireo hoe: “Aiza moa izany lehilahy izany?”

“Tsy fantatro”, hoy ny navaliny.

Nentin’ny olona teo anatrehan’ireo filohany ara-pivavahana, dia ny Fariseo, izao ilay lehilahy jamba taloha, ka nanontany azy koa ireo ny amin’ny fomba nahitany indray. Hoy ny fanazavan-dralehilahy: “Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.”

Raha ny marina dia tokony hiara-hifaly tamin’ilay mpangataka sitrana ankehitriny ireo filoha ara-pivavahana! Tsy izany anefa no nitranga fa nanameloka an’i Jesosy izy. “Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany”, hoy izy ireo. Inona no anton’izany fanantitranterana izany? “Satria tsy mitandrina ny Sabata Izy.” Nanontany tena toy izao kosa anefa ny sasany tamin’ny Fariseo: “Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany?” Koa nisy fisarahan-kevitra teo amin’izy ireo.

Dia nanontany an’ilay lehilahy izy ireo hoe: “Ahoana no ilazanao Azy, fa [dia ilay, MN ] nampahiratra ny masonao Izy?”

Hoy ny navalin’io: “Mpaminany Izy.”

Tsy nety nino azy ny Fariseo. Nino mafy izy ireo fa nifanaraka mangingina io lehilahy io sy Jesosy mba hamitaka ny vahoaka. Mba hampahazava an’io raharaha io, dia niantso ny ray aman-drenin’ilay mpangataka izy mba hanontaniany azy. Jaona 8:59; 9:1-18.

◆ Nahoana no jamba io lehilahy io, nefa tsy avy amin’ny inona izany?

◆ Inona moa ny alina tsy ahafahan’iza na iza miasa?

◆ Nanao ahoana ny fihetsik’ireo izay nahalala an’io lehilahy io rehefa nahita azy sitrana?

◆ Nahoana moa no nisara-tsaina ireo Fariseo ny amin’ny nahasitranan’io lehilahy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara