Nankasitraka azy ireo ny mpitsabo iray
Rehefa nasaina hanavao ny famandrihany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ny mpitsabo iray any Francfort, any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina dia nampiaraka tamin’ny vola fanavaozana ny famandrihany ireto andalan-tsoratra vitsivitsy ireto:
“Talanjona foana aho afaka maharay amin’ny vidiny ambany tokoa toy izao, lahatsoratra tsara dia tsara sy mahavariana maro karazana ka ny ankamaroany dia tsy voafetra ho amin’ny faritra ara-pivavahana. Na dia voafetra aza ny fotoana mampahalalaka ahy, dia matetika aho no mandany ireo takarivako hamakiana ny gazetinareo, amim-pilaminana rehefa mipetraka ao amin’ny trano fandraisam-bahiny. Mbola misaotra indrindra ihany noho ny fiezahanareo.”
Nahoana raha mba mandray anjara koa amin’izany vakiteny tsara dia tsara izany ianao? Azonao atao ny mandray ireo gazety sarobidy anankiroa ireo amin’ny famenoana sy amin’ny famerenana ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! aho. Arotsako ny vola 23 920 FMG (fiaramanidina).