Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra, iza no tena azo ametrahana ny fitokisana?
“Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” — SALAMO 146:3.
1. Inona moa no mampiavaka ny androntsika? Inona àry no ilaintsika?
REHEFA natahotra isika fony mbola zaza, dia nitady fampiononana sy fiarovana teo anilan’ireo ray aman-drenintsika izay feno fiheverana antsika. Eny, natoky azy ireny isika. Na dia tonga olon-dehibe aza isika, dia mbola mila olona azontsika itokisana, indrindra fa amin’izao androntsika izao izay itrangan-javatra mahatahotra aoka izany. Ny gazety alemana mivoaka isan’andro iray dia nilazalaza ny tarehin-javatra ankehitriny tamin’izao teny izao: “Mahita tahotra tsy mbola nisy toy izany mihitsy izao tontolo izao.” Tsy tapaka, dia misy mpanao raharaham-panjakana, mpanao gazety sy mpandinika hafa manambara ny fanahiany eo anoloan’ny fahamafisan’ny fahasahiranana hitan’ny olombelona.
2. Ahoana moa no naminaniana ny amin’ny tahotra sy ny tsy fisian’ny fitokisana mampiavaka ny androntsika?
2 Izany fanambarana izany dia mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy nilazany mialoha fa ny androntsika dia ho voamariky ny ‘fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany’. (Lioka 21:25, 26.) Nilaza mialoha ny Baiboly fa ao anatin’ny “andro farany” diavintsika, dia ‘hisy andro sarotra sy tsy mora setraina’, ka ny olombelona dia ‘ho tia tena, tsy mahatoky, mpanendrikendrika sy mpamitaka’. Asehon’ireo fitenenana ireo fa ny androntsika dia tokony ho voamariky ny tsy fisian’ny fitokisana lehibe eo amin’ny olombelona. — 2 Timoty 3:1-4.
Very ny fitokisana
3. Inona moa no mampiseho fa madiva ho faty ny fitokisana amin’izao androntsika izao?
3 Eo amin’ny tontolo iray anjakan’ny tahotra, dia tena mila olona azontsika ametrahana ny fitokisantsika tokoa isika, olona mahatoky sy vonona ny hanampy antsika. Olona be dia be anefa no diso fanantenana noho ireo nametrahany ny fitokisany. Izao no azo novakina tao amin’ny gazety mivoaka isan’andro iray: “Tsy matoky intsony ny ankamaroan’ny zavatra naorim-bahoaka ny olona.” Ny tsy itokisana indrindra dia ireo mpitondra ara-politika sy ireo mpanao raharaham-barotra. Nitombo koa ny tsy fisian’ny fitokisana eo anivon’ny fianakaviana, ka mampiseho izany ny habetsahan’ny fisaraham-panambadiana. Any amin’ny tany sasany dia iray isaky ny fanambadiana telo ny fisarahana, ary indraindray aza fisarahana iray isaky ny fanambadiana roa. Ao amin’ny tany iray manokana, dia fanambadiana vaovao fito amin’ny folo no latsaka ny folo taona ny faharetany. Araka izany àry, dia madiva ho faty ny fitokisana ary manome toerana ho an’ny fiahiahiana. Noho izany dia tsy mahalana hatramin’izao no andrenesana olona mihiaka hoe: “Tsy matoky na iza na iza intsony aho!”
4. Inona moa no vokatry ny tahotra eo amin’ny tanora maro?
4 Ny tsy fifampitokisana lehibe manjaka ankehitriny eo amin’izao tontolo izao dia avy amin’ny hoe miaina amin’ny fotoana maharaiki-tahotra indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona rehetra isika. Ain’olona maherin’ny zato tapitrisa no nafoy tamin’ireo ady lehibe roa sy ny ady hafa am-polony maro tato anatin’ny taonjato faha-20. Amin’izao androntsika izao, ireo fiadiana noklehera dia manome ho an’ny olona fomba hanafoanana izay rehetra mety ho fiainana eto an-tany. Mahazo ny tanora koa aza ny tsy fisian’ny fitokisana. Izao no azo novakina tao amin’ny revio ara-pitsaboana iray: “Mihamaro ny ankizy, na dia eo amin’ireo madinika tokoa aza, matahotra ny fandrahonan’ny loza aman’antambo noklehera.” Araka ny voalazan’ny gazety kanadiana iray mivoaka isan’andro, dia tsapa fa “ny fisalasalana, ny alahelo, ny fahasosorana sy ny fahatsapana tsy fananan-kery” dia mahazo tanora maro. Hoy ny zazalahy iray: “Tsy mahatsiaro tena ho voaron’ny olon-dehibe izahay, izay fotsiny. Angamba izahay ho tonga ny taranaka be fisalasalana indrindra tamin’izay rehetra nisy.”
5. Inona no ho nolazain’ireo tsy manan-tsiny inidrindra sy tsy voaro indrindra amin’ny zaza raha afaka niteny izy ireny?
5 Afa-tsy izany koa, ny zaza hafa, raha mba afaka niteny izy ireny, dia ho nanan-kolazaina betsaka ny amin’ny fahatsapana fa tsy arovan’ny olon-dehibe. Ny asianay fitenenana dia ireo matin’ny fanalana zaza alohan’ny hahaterahany. Tombanana ho 55 tapitrisa eo ho eo isan-taona ny isany maneran-tany. Endrey izany hakanosana eo anoloan’ireny solontena tsy manan-tsiny indrindra sy tsy voaro indrindra eo amin’ny olombelona ireny!
6. Ahoana no ampitomboan’ny fanaovana heloka bevava ny fiahiahian’ny olona amin’izao androntsika izao?
6 Nitombo ny fiahiahiana noho ny karazan-tahotra hafa mihatsapan’ny olona amin’izao androntsika izao: ny tahotra ny hiharam-pahavoazana noho ny fanaovana heloka bevava. Be dia be izao no manao tahaka ity vehivavy iray izay matory miaraka amin’ny basipoleta ao ambany ondana. Nanambara toy izao ny vehivavy hafa iray raiki-tahotra: “Mahatsiravina (...). Rehefa mieritreritra aho fa tsy mba nanidy mafy ny varavarany mihitsy ny renibeko!” Izany no antony nahafahana namaky toy izao tao amin’ny sasin-tenin’ny gazety iray mivoaka isan’andro any Porto Rico: “Isika no migadra”; eny, ao ambadiky ny varavarantsika mihidy mafy. Marim-pototra tanteraka izany tahotra izany. Any Etazonia ohatra, dia vehivavy iray amin’ny telo no mety hisy hamely ao anatin’ny fiainany. Nanamarika ny minisitry ny Fahasalamana fa “eo amin’ny efatra tapitrisa ny Amerikana iharam-pahavoazana isan-taona noho ny herisetra lehibe: famonoana olona, fisavihana, vehivavy kapohina, fampijaliana ankizy, fanaovana an-keriny”. Fahita any amin’ny tany maro ny fanaovana heloka bevava toy izany, ka izany dia vao mainka manimba ny fifampitokisan’ny olona.
7. Nahoana moa no miteraka fiahiahiana ny fahasahiranana ara-toe-karena?
7 Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, dia mahita fahantrana ny ankamaroan’olona. Vitsy no mieritreritra fa hisy hamoaka azy avy amin’izany tarehin-javatra izany. Nanambara ny filoham-panjakana iray fa tao amin’ny anankiray amin’ireo provansa ao amin’ny taniny, dia zazakely 270 amin’ny 1 000 no maty ao anatin’ny taona voalohany ahavelomany. Trano iray amin’ny zato monja no manan-drano. Mampahafantatra ny fitondram-panjakan’ny tany hafa iray fa 60% amin’ny ankizy ao aminy no tsy manana ny ilaina ary ankizy nariana fito tapitrisa no “voatokana hohamavoin’ny hafa, tsy hahita fianarana mihitsy, tsy hahay hiaraka amin’ny fitambaran’olona na hanana asa”. Toa hoe 5 000 000 ny isan’ny tanora tsy manam-ponenana any Etazonia — misy mihevitra fa ambony lavitra noho io ny tena tarehi-marika. Ahoana no mety hananan’ireny tanora ireny fitokisana ny ray aman-dreniny, ny fitambaran’olona, ny lalàna sy ny filaminana, na ny fampanantenan’ireo mpitondra?
8. a) Amin’ny heviny ahoana moa no ahafahana milaza fa rahonana ny tsy fihilangilanan’ny tany manan-karena sy ny toe-karena maneran-tany? b) Tena azo atao ve ny matoky ireo manam-pahaizana manokana mba handaminana ireo zava-manahirana ara-toe-karena?
8 Mahakasika na dia ireo tany manan-karena aza ny fahasahiranana ara-toe-karena. Ny isan’ny fametraham-bola amerikana nahita fatiantoka tao anatin’izao fotoana faramparany izao no maro indrindra hatramin’ny fahasahiranana tamin’ny 1929. Izao no nosoratan’ny mpandinika toe-karena iray: “Ny vokany farany, dia fandaharam-pametraham-bola azo antoka fa marefo ankehitriny toy ny tao anatin’ireo taona 20”, ireo nialoha ny fahasahiranana. Ny mpandinika iray dia niresaka ny amin’ny “fahantomoran’ny ranonorambaratra handrava”. Nilaza toy izao ny hafa iray: “Ny fanahiana dia avy amin’ny hoe tsy fandrahonana intsony ireo fahasahiranan’ny fandehan-javatra iraisam-pirenena, fa zavatra tena misy.” Azo atao ve ny mametraka ny fitokisana amin’ireo mpandinika toe-karena mba hamoahana ireo firenena avy amin’izany tarehin-javatra sarotra izany? Izao no nambaran’ny anankiray tamin’izy ireny: ‘Mahatsinjo zavatra maharaiki-tahotra aoka izany ireo mpandinika toe-karena, hany ka fisafotofotoana indrindra no aterany.’
Fiheverana tsy marim-pototra fa hihatsara ny zavatra
9. a) Inona no niafaran’ny fiheverana fa hihatsara ny zavatra, nananana teo am-piandohan’ny taonjato? b) Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy ho naniry mihitsy ny hanao sonia ny tahirin-kevitra naorin’ny Firenana mikambana tamin’ny 1945?
9 Endrey ny tsy fitovian’izany amin’ny fiheveran’izao tontolo izao fa hihatsara ny zavatra rehefa tonga ny taonjato faha-20! Toa nisy fiadanana nanjaka hatramin’ny am-polony taona maro tamin’izay, ka noheverina fa hahatratra tampony vaovao ny fiadanana sy ny fanambinana. Tamin’ny 1914 anefa, dia nanapaka izany fanantenana izany ny Ady lehibe voalohany. Tamin’ny 1945, taorian’ny ady lehibe iray mbola nahafaty olona maro kokoa ihany, dia nosoniavina ny fitsipika itondrana ny Firenena mikambana. Naorin’ireo firenena ny volavolan-kevitra ny amin’izao tontolo izao aorian’ny ady izay hanjakan’ny fiadanana sy ny fanambinana ary ny rariny. Izao no azo novakina vao haingana tao amin’ny fandinihana iray: “Ny tahirin-kevitra farany dia nosoniavin’ny tany 51 nampiseho ny kontinanta rehetra, ny firazanana rehetra ary ny fivavahana rehetra.” Fivavahana iray anefa no tsy nanana solontena ary tsy naniry ho toy izany: ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatr’ireo tokoa fa ny fampanantenam-piadanana sy fanambinana ary rariny noraketin’io tahirin-kevitra io dia tsy hotanterahin’ireo firenena na fivondronan’ireo firenena toy ny Firenena mikambana.
10. Oharina amin’ny nofinofy nampamirapiratin’ny Firenena mikambana tamin’ny 1945, inona moa no zavatra tena misy atolotr’izao tontolo izao ankehitriny?
10 Nilaza toy izao koa ny fandinihana voatonona eo ambony: ‘Efapolo taona atỳ aoriana, dia toa mety ny hampitahana ny zavatra tena misy amin’ny tarigetra. Mampieritreritra ny vokany. Izao tontolo izao tsy mijoro tsara kokoa, tsy azo antoka kokoa, ary herisetra mitombo, izany no zavatra tena misy. Tsy mitsahatra ny mitombo ny isan’ireo tsy ampy sakafo sy rano, tsy manam-pialofana, tsy mahazo fikarakarana ara-pitsaboana sy fianarana. Tsy izany no tsinjon’ny nofinofy tamin’ny 1945.’ Nanampy teny toy izao io fandinihana io: ‘Efapolo taona lasa izay, dia nivondrona ireo firenena mba hanaovana izay tsy hisian’ny olona eo amin’izao tontolo izao hahita tahotra na fahasahiranana intsony. Kanefa, ny zavatra tena misy atolotr’izao tontolo izaon’ireo taona 80 antsika dia ny an’ny fahantrana mahatsiravina mianjady amin’ny ampahefatry ny olombelona fara fahakeliny. Mahafaty olona 50 000 isan’andro amin’ny ara-keviny ny mosary.’ Maherin’ny enina lavitrisa ariary isan’ora anefa no lanin’ireo firenena amin’ny antony ara-tafika.
11. Mendrika itokisana ve ireo fampanantenan’olombelona momba ny izao tontolo izao tsaratsara kokoa?
11 Rehefa nahatsapa izany zavatra mampalahelo izany isika, afaka matoky ny olombelona ve isika rehefa mampanantena ny handamina izany zava-manahirana izany izy ireo, raha mbola nanana taonjato maro mba hanaovana izany? Ny fampanantenan’izy ireny dia nanomezany toky tahaka ireto tenin’ny kapitenin-tsambo lehibe iray ireto: “Tsy hitako izay tokony hoe haharendrika ny sambo [lehibe] iray amin’ny andro ankehitriny. (...) Nihoatra izany dingana izany ny fanamboaran-tsambo.” Namboraka toy izao tamin’ny mpandeha iray ny anankiray tamin’ny tantsambo: “Na dia ny tenan’Andriamanitra aza dia tsy ho afaka hanao izay haharendrika ity sambo ity.” Rendrika anefa io sambo io, ny Titanic, tamin’ny 1912, ary olona 1 500 no ringana tamin’io fahavakian-tsambo io. Tamin’ny 1931, ny Fikambanam-panabeazam-pirenena amerikana dia nanambara fa, noho ny fampianarana, dia ‘hadiva ho foana ny fanaovana heloka bevava alohan’ny 1950’. Tamin’ny 1936, dia nanoratra toy izao ny mpanao gazety anglisy iray: ‘Hatrany amin’ny 1960 any, dia tsy hovidim-bola ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fonenana.’ Tsy heverinao ve fa mifanohitra amin’izany fampanantenana izany ny zavatra tena misy?
Ilay azo itokisana tanteraka
12. Persona iza moa no azontsika itokisana tanteraka, ary mpitari-dalana inona no nomeny antsika?
12 Araka izany, eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra, dia tena mila izay azontsika ametrahana ny fitokisana isika, ary tsy mety ho olombelona izany. Namorona fahasahiranana ho an’ny tenany ny olona, ka tsy afaka mihoitra irery avy amin’izany. Ny Persona azo ametrahana ny fitokisana tanteraka dia ilay Mpamorona ny olombelona. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra tokoa hoe nahoana izao tontolo izao no ao anatin’izany tarehin-javatra izany, inona no hiafaran’izany, sy izay hataon’ny tenany ny amin’izany. Ambonin’izany, dia naharihariny izany fahalalana izany tamin’ny fampanoratana azy tao amin’ilay boky nomeny ho mpitari-dalana, dia ny Baiboly. Araka izany, dia izao no azo vakina ao amin’ny 2 Timoty 3:16, 17: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”
13. Inona moa no takatry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny Baiboly?
13 Mariho ny herin’io fanambarana io. Manitsy izay diso ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra; asehony amintsika izay marina; ataony izay hahatonga antsika ho ampy fahaizana tanteraka; manome antsika fitaovana tonga lafatra ho amin’izay tsara izy. Marina fa be dia be ny olona tsy manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra, kanefa tsy izany no hita amin’ny Vavolombelon’i Jehovah (1 Tesaloniana 2:13). Takatsika fa ilay Mpamorona izao rehetra izao, nanao ny fitambaran-javatra mahagaga voaforon’ny vahindanitra an-davitrisany maro sy ny kintana an-davitrisany lavitrisa maro, dia manana ny fahaizana ilaina mba hahavitana boky. Ananany koa ny fahefana hiahy ny amin’ny hiarovana io boky io tsy hiova mba hahasoa ireo izay mikatsaka ny fahamarinana. — 1 Petera 1:25.
14. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mifanaraka tanteraka amin’ny tarehin-javatra ankehitriny ny Baiboly?
14 Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’ny fitokisana mety hananana eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra? Milaza zavatra mifanaraka tanteraka amin’ny tarehin-javatra ankehitriny izy io. Manambara araka ny marina toy izao ny Jeremia 10:23: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Manome izao fampitandremana mety izao ny Salamo 146:3: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”
15. Inona moa no torohevitra omen’ny Baiboly antsika momba ny fitokisana?
15 Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hametraka ny fitokisantsika amin’ny tenantsika koa aza, satria olombelona tsy tanteraka isika (Romana 5:12). Izao no ambaran’ny Jeremia 17:9: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.” Manome izao fampitandremana izao koa ny Ohabolana 28:26: “Izay matoky ny fony dia adala; fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.” Aiza no mety hahitana ny fahendrena izay hahatonga antsika ho afa-miala? Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 9:10: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra tokoa, dia ny fahendren’ny Mpamorona ihany no afaka mitari-dalana antsika. Noho izany antony izany, dia manome antsika izao torohevitra izao ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”
Izay heverin’Andriamanitra ny amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao
16. Sahala amin’ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy, inona moa no heverin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao amim-pahadisoana?
16 Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia mahatonga antsika ho afaka hanalavitra ny fahadisoan-kevitra mampidi-doza narahin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, izay mihevitra fa ny maha-anisan’ireo fivavahana azy fotsiny dia mahatonga azy ho marina. Ny toe-tsain’ireny fandaminana ireny dia toa voalazalaza ao amin’ny Lioka 18:9 manao hoe: “Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay natoky tena ho marina.” Nisaotra an’Andriamanitra ny Fariseo iray satria hoe tsy mba mpanota, fa nitalaho taminy kosa ny mpamory hetra iray, tamin’ny filazana hoe: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany [ilay mpanota] nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray [ilay Fariseo]; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.” — Lioka 18:10-14.
17. Ahoana moa no fiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan’ny olona izay manao tahaka ny Fariseo?
17 Tsy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra ilay Fariseo, satria nihevi-tena ho marina araka ny fiheverany manokana; kanefa tsy toy izany no fijerin’Andriamanitra ny zavatra (Matio 23:25-28). Ilay mpanota nanetry tena kosa dia sahala amin’ny olona resahin’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 66:2: “Izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.” Tsy ‘nangovitra noho ny tenin’i Jehovah’ ireo filoha ara-pivavahana jiosy: tsy niraharaha izany mihitsy izy; nanao izay tiany izy ireo, sady nieritreritra fa nankasitraka azy Andriamanitra. Nilaza taminy toy izao anefa i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.
18. Ahoana moa no hitsaran’Andriamanitra ireo fivavahana izay mihambo ho manompo azy, nefa ny manaraka ireo lalàny?
18 Ireny filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato I ireny dia tsy nametraka ny fitokisany tamin’Andriamanitra fa tamin’ny lovantsofiny izay nandika ireo lalàn’Andriamanitra (Matio 15:3, 9). Izany no antony nilazan’i Jesosy taminy hoe: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:38). Tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nandringana azy ireny ny tafika romana ary nandrava ny renivohi-pireneny, Jerosalema, sy ny tempoliny, ka izany dia nampiseho miharihary fa nafoin’Andriamanitra ny fivavahana jiosy. Toy izany koa amin’izao andro izao. Ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia mivavaka amin’Andriamanitra araka ny fiheveran’ny tenany, izay tsy mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra. Araka izany, dia tsy ny sitrapon’Andriamanitra no ataon’izy ireny, fa ny azy; tsy miraharaha lalàna àry izy ireny eo imason’Andriamanitra (Titosy 1:16). Noho izany antony izany no nahafoizan’Andriamanitra azy ireny; ho hita ny porofo rehefa handrava azy ireo firenena, toy ny nandravan’ny tafika romana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana. — Jereo Apokalypsy, toko faha-17, 18.
19. Inona avy moa no fanontaniana azo apetraka momba ireo fivavahana?
19 Mafy loatra ve izany fanambarana ho fanoherana ireo fivavahana izany? Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa hamely tsy ho ela ireny fandaminana ireny ny fitsaran’Andriamanitra? Inona no tokony hataon’ny fivavahana iray mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra? Misy zavatra ara-tantara efa nitranga taloha ve manamarina fa miaro ireo izay mitodika amim-pahatsorana any aminy sy manaiky ireo lalàny i Jehovah? Mamelabelatra ny amin’ireo raharaha ireo ny lahatsoratra manaraka.
Famerenana
◻ Inona moa no mahatonga ny fiahiahiana manjaka amin’izao androntsika izao?
◻ Nahoana moa no tsy marim-pototra ny fanantenan’izao tontolo izao fa hihatsara ny zavatra?
◻ Persona iza moa no azontsika itokisana tanteraka, ary inona no mpitari-dalana nomeny antsika?
◻ Nahoana moa isika no tsy tokony hatoky ny tenantsika na ny olombelona hafa?
◻ Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 13]
Nihevi-tena ho marina ilay Fariseo, dia nitalaho ny famindrampon’Andriamanitra tamin-panetren-tena kosa ilay mpanota.
[Sary, pejy 15]
Melohin’Andriamanitra ireo fivavahana tsy manao ny sitrapony, toy ny nanamelohany ny jodaisma tamin’ny taonjato I fony nandrava an’i Jerosalema ny tafika romana.