FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/7 p. 15-20
  • Matokia an’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Matokia an’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no mampihatra ny fitiavan-drahalahy
  • Ho tafita velona ireo izay matoky an’i Jehovah
  • Ho avy kanto
  • Manohana an’ireo mpanompony Jehovah
  • Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Jehovah ô! .⁠.⁠. Ianao no Itokisako”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Antoky ny Fiainana Sambatra ny Fitokisana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Afaka Matoky An’ireo Rahalahinao Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/7 p. 15-20

Matokia an’i Jehovah

“Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa. (...) Ary miravoravoa amin’i Jehovah hianao.” — SALAMO 37:3, 4.

1, 2. a) Inona moa no nitranga tamin’ny taonjato I tamin’ireo izy tsy natoky an’i Jehovah, ary inona no nitranga tamin’ireo natoky azy? b) Amin’izao androntsika izao, inona avy no fanontaniana azo apetraka momba ireo fivavahana?

TAMIN’NY taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nihambo ho nivavaka tamin’Andriamanitra ireo filoha ara-pivavahana, kanefa tsy natoky azy: nandika ny didiny izy ireny ary nanenjika ireo solontenany (Matio 15:3; Jaona 15:20). Noho izany, dia ‘navelan’i Jehovah ho lao ho azy ireo ny tranony’ (Matio 23:38). Tamin’ny taona 70, ny tafika romana dia nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, ka izany dia nitarika fahafatesan’ny maro be tamin’ireo filoha ara-pivavahana sy ny mpianatr’izy ireny. Voaro anefa ireo olona izay natoky an’i Jehovah, satria narahiny ny fampitandreman’ireo mpitondra teniny ka lasa nitady fialofana tany amin’ny toerana azo antoka izy ireny. — Matio 24:15-22; Lioka 21:20-24.

2 Amin’izao andro farany ho an’ny fandehan-javatra izao, moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina? Manaraka ny didiny sy manao ny sitrapony ve izy ireny, sa manahaka ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato I izay nafoin’Andriamanitra? Fivavahana inona, amin’izao androntsika izao, no afaka hanantena ny handray soa amin’ny fiarovan’Andriamanitra noho izy ‘matoky an’i Jehovah ka manao soa’? — Salamo 37:3.

Iza no mampihatra ny fitiavan-drahalahy

3. Nahoana moa Andriamanitra no tsy nitahy ny fiezahana ataon’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao mba hitondrana fiadanana?

3 Tsy ela izay dia nanambara ny papa Jean-Paul II fa “tandindomin-doza lehibe ny fahaveloman’ny olombelona rehetra”. Nosoritany “ny vokatra azon’ny antokom-pivavahana samihafa rehefa miray hina izy ireo mba hanandrana hisakana izany fandrahonana izany”. Sitrapon’Andriamanitra, hoy izy raha “miara-miasa” ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana ho amin’ny “fiadanana sy ny fampihavanana”. Kanefa, raha izany no sitrapony, nahoana moa Andriamanitra no tsy nitahy ny fiezahana nataon’izy ireo tamin’izany lafiny izany hatramin’ny taonjato maro? Satria ireny fivavahana ireny tsy tena mametraka ny fitokisany amin’ny fomba nomanin’Andriamanitra mba hanorenana ny fiadanana, dia: ny Fanjakany any an-danitra (Matio 6:9, 10). Tsy izany no ataony fa manohana ny politika sy ny adin’ireo firenena izy ireny. Noho izany, rehefa nisy ady, ny mpino tao amin’ny firenena iray dia namono mpino tao amin’ny firenena hafa iray, ary novonoiny aza ny sasany tamin’ireo mpiray finoana taminy. Araka izany, dia nisy katolika namono katolika, protestanta namono protestanta, ary toy izany koa tao amin’ny fivavahana maro hafa. Kanefa, afaka ny hifamono ve ny tena mpirahalahy ara-panahy sady hihambo ho manompo an’Andriamanitra?

4. Araka ny nolazain’i Jesosy, inona moa no marika ahafantarana ny fivavahana marina, ary nahoana no “didy vaovao” izany?

4 Nanorina ny marika ahafantarana ny fivavahana marina i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Noho izany, ireo izay manaraka ny fivavahana marina dia tokony hifankatia. Izany dia “didy vaovao”, satria hoy ny nambaran’i Jesosy: “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Vonona ny hamoy ny ainy noho ny mpianany i Jesosy; ary tokony ho vonona ny hanao toy izany koa ireo: tsy hanaisotra ny ain’ireo namany ao amin’ny finoana, fa hanao sorona ny ain’ny tenany raha ilaina izany. Tamin’izay heviny izay no vaovao io didy io, satria tsy lasa lavitra toy izany ny Lalàn’i Mosesy.

5. Ahoana moa, ao amin’ny Teniny, no ampisehoan’Andriamanitra fa tokony ho tafaray ao amin’ny fitiavana ireo tena mpivavaka aminy?

5 Izao no azo vakina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” (1 Jaona 4:20, 21). Noho izany fitiavana izany, ireo izay mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah dia mahita tena firaisan-tsaina iraisam-pirenena. Izao tokoa no nambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 1:10: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, (...) mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — Jereo 1 Jaona 3:10-12.

6. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no afaka milaza fa ‘afaka amin’ny ran’ny olona rehetra izy’?

6 Araka ny firaketana iray (The World Book Encyclopedia), dia 55 tapitrisa ny olona maty tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy mpikambana tao amin’ny fivavahana lehibe rehetra nandray anjara tamin’izany famonoana olona izany. Tsy nisy na dia iray aza tamin’izany ain’olombelona izany nesorin’ny vavolombelon’i Jehovah, satria ny vavolombelona nankatò ny baiko hifankatia ary tsy nety nandray anjara tamin’ny adin’ireo firenena. Maro tamin’izy ireny no nampijalina noho ny fialanalanany, nefa nandray ny tenin’ny apostoly Paoly izy ireny ka afaka nilaza hoe: ‘Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra izahay.’ — Asan’ny apostoly 20:26.

7, 8. Inona no nambaran’ny mpitondra fivavahana sasany ka mampiseho amin’izany fa niaiky ho mivesatra trosan-dra izy?

7 Ilay mpikarakara ara-pivavahana katolika anisan’ny antokon-tafika maharitra nandatsaka ny baomba ataomika tany Japon tamin’ny 1945 dia nanambara toy izao vao haingana: “Hatramin’ny taonjato 17, dia nampiseho ny ady ho mendri-kaja ny eglizy. Ataony izay hinoan’ny olona fa asa kristiana mendrika hohajaina izany. Tsy marina izany. Notaomina hanaraka hevitr’olona izahay. (...) Tsy nampianatra mihitsy ny amin’ny ady ara-drariny i Jesoa. Tsy nisy na inona na inona teo amin’ny fiainana na ny fampianaran’i Kristy mamela hihevitra fa raha mendrika hohelohina ny fampiasana baomba ataomika mba handevonana olombelona, dia tsy mendrika hohelohina ny fanaovana izany amin’ny alalan’ny napalma na ny fanipazana lelafo.”

8 Izao no azo novakina tao amin’ny gazety londoniana iray mivoaka isan’andro (Catholic Herald): “Ireo kristiana voalohany dia nanaja an-tsakany sy an-davany ny tenin’i Jesoa ary na dia hamoizany ny ainy aza izany, dia nolaviny ny filatsahana tao amin’ny tafika romana. Ho hafa noho izany ve ny Tantaran’izao tontolo izao raha nifikitra hatrany tamin’io fotopoto-pitsipika io ny Eglizy? (...) Raha toa, amin’izao andro izao, ka niara-nanameloka ny ady ireo Fiangonana (...), ary amin’izany ny mpikambana rehetra ao aminy dia mahatsiaro, sahala amin’ireo kristiana voalohany, fa tsy afaka ny hanao raharaha miaramila noho ny fieritreretana, dia hanjaka eto an-tany ny fiadanana. Fantatsika anefa fa tsy hitranga na oviana na oviana izany.”

9. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa nahafoy ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao Jehovah?

9 Nandika mafy ny lalàn’Andriamanitra àry ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Tsy nampiseho toky kokoa noho ny Fariseo izy ireny. “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” (Titosy 1:16). Noho izany, toy ny nahafoizany ny jodaisma mpihatsaravelatsihy tamin’ny taonjato I, dia toy izany koa fa amin’izao androntsika izao, dia nafoin’Andriamanitra ireny fivavahana ireny. — Matio 15:9, 14.

Ho tafita velona ireo izay matoky an’i Jehovah

10, 11. Inona moa no nataon’i Hezekia rehefa niaiky ny hanolorana an’i Jerosalema i Asyria, ary nihaika an’iza moa ilay mpitondra tenin’i Sankeriba?

10 Aza mametraka ny fitokisanao amin’ireo fanafodiny ampiasain’ny olombelona mba handamina ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao. Matokia kosa an’Ilay afaka mitana ny teny nataony (Josoa 23:14). Jereo, ohatra, ireo zava-nitranga tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no ambaran’ny Baiboly ny aminy: “Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy.” (2 Mpanjaka 18:3). Tamin’ny andron’i Hezekia, ilay Herim-panjakana asyriana nahery dia nitsangana hanohitra an’i Jerosalema. Tonga nitaky ny hanolorana an’i Jerosalema ny mpitondra tenin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. Izao no nambarany: “Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Hezekia hianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ny tànako izy tsy akory. Ary aza mety hampahatokin’i Hezekia an’i Jehovah hianareo.” — 2 Mpanjaka 18:29, 30.

11 Inona no nataon’i Hezekia? Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’Andriamanitra velona. (...) Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ny tànany, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.” — 2 Mpanjaka 19:15-19.

12. Ahoana no nihainoan’i Jehovah ny vavaka nataon’i Hezekia?

12 Ren’i Jehovah izany vavaka izany ka nirahiny ho any amin’i Hezekia Isaia mba hilaza taminy hoe: “Koa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mpanjakan’i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany ity.” Tsy maintsy nanangona tafika ve Hezekia mba hisetrana an’i Asyria? Tsia, tokony hametraka ny fitokisany amin’i Jehovah izy; ary izany no nataony. Inona no nitranga? “Dia avy ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana.” Afa-tsy izany koa, dia nosazina Sankeriba satria nihaika an’i Jehovah sy ireo mpanompony; tatỳ aoriana tokoa izy dia novonoin’ireo zanany lahy ihany. Araka izany, nifanaraka tamin’ny tenin’i Jehovah, dia tsy nisy zana-tsipìka nalefa hamelezana an’i Jerosalema mihitsy. — 2 Mpanjaka 19:32-37.

13, 14. Inona no tokony hataon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra mba hahatafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny?

13 Hisy fisehoan-javatra sahala amin’izany hitranga amin’izao androntsika izao. Ireo izay mitoky amin’i Jehovah dia ho tafita velona amin’ny famelezana sy ny fandravana izao tontolo izao. “Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy ho foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.” (Salamo 9:10). Na dia izany aza, alohan’ny handravana izao tontolo izao lozabe, dia manasa ny olona tso-po rehetra Jehovah mba hanatona azy hahitana filaminana. Ireo izay manaiky ny fanasany dia mahaforona “olona betsaka” “avy tamin’ny fahoriana lehibe” ary avy amin’ny firenena rehetra. Ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny ireny olona ireny satria matoky an’i Jehovah ary manompo azy “andro aman-alina”. — Apokalypsy 7:9-15.

14 Mamaly ny antso izay manakoako mihamafy hatrany maneran-tany ny “olona betsaka”, araka ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 2:2, 3, manao hoe: “Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah [ny fanompoam-pivavahana marina aminy] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra (...). Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” Hoy ny andininy faha-4: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”

15. Olona iza no mahatanteraka ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 2:2-4, ary inona no ataony amin’izany?

15 Amin’izao androntsika izao, olona iza no ‘manefy ny sabany ho fangady’? ‘tsy mianatra ady intsony’? tafaray ao amin’ny fitiavana tsy azo ravana amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy maneran-tany? farany, mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah ary manasa ny hafa hanao toy izany? Asehon’ny tantara amin’ny andro ankehitriny fa izany dia tsy mety afa-tsy ho ny Vavolombelon’i Jehovah, izay, sahala amin’i Hezekia, dia mitoky amin’i Jehovah amin’ny fony rehetra ka mampiseho ny fitokisany amin’ny fitandremana ny didiny.

Ho avy kanto

16, 17. Ho avy mahafinaritra inona no atolotr’i Jehovah ho an’ireo izay mametraka ny fitokisany aminy?

16 Manolotra ny ho avy kanto indrindra azo saintsainina ho an’ireo izay mametraka ny fitokisany aminy Jehovah. Rehefa hanolo ireo rafitry ny fitambaran’olona tranainy amin’ny vaovao izy, ny olona hiaina eto an-tany dia tsy hahatsapa tahotra, na fiahiahiana, na fahantrana, na tsy rariny, na heloka bevava. Tsy hisy intsony ady na fanalana zaza hanaisotra ny aina amin’ny olombelona. Mampanantena aza ny Apokalypsy 21:4 fa “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”.

17 Araka ny nampanantenain’i Jesosy, rehefa mandeha ny fotoana, dia ho tonga paradisa ny tany (Lioka 23:43, MN ). Ireo izay mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’io Paradisa io, satria ho foana ny fahafatesana. Ho tanteraka ny tenin’i Mika 4:4 manao hoe: “Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.” Hitanao sary an-tsaina ve ny tenanao miaina ao anatin’ny fitambaran’olona iray hahafahanao matoky ny olona rehetra? Nahoana no ho toy izany no izy? Satria, araka ny voalazan’ny Isaia 54:13, “ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao”.

18. Soa inona avy no raisin’ny olona izay matoky an’i Jehovah?

18 Kanefa, ny fitokisan’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro an’Andriamanitra dia mitondra soa ho azy ireny dieny izao. Ohatra, tsy mora voan’ny homamiadana amin’ny avokavoka kokoa ireo mpanompon’i Jehovah satria mankatò ireo lalàny sy fitsipiny momba ny paraky sy sigara. Noho izy ireny miaina ao anatin’ny faritra madio ara-pitondrantena, dia tsy mora maha-tandindomin-doza azy kokoa ny fielezan’ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy toy ny SIDA. Noho izy ireny tsy mampiasa zavatra mahadomelina, dia voaro izy ireny amin’ny aretina azon’ny mpitia zavatra mahadomelina maro amin’ny alalan’ny fitsindronana, dia aretina mety hanimba ny saina sy hitarika ho amin’ny fahafatesana. Noho ireo mpanompon’i Jehovah tsy manaiky ny fampidiran-dra, dia voaro tsara lavitra izy ireny amin’ny aretina entin’ny ra. Isan-taona, any Etazonia, ny anankiray amin’ireny aretina ireny, ny “hépatite virale” (karazana aretin’aty) dia mahafaty na manimba maharitra olona maherin’ny iray alina nandray ra.

19. Ahoana no hamonjen’i Jehovah ireo izay manompo azy, na dia maty amin’izao fotoana izao aza izy ireny?

19 Na dia maty noho ny fahanterany, ny aretina na ny voina aza ny sasany amin’ireo izay matoky an’i Jehovah, dia hamonjy azy ireny Jehovah. Hamelona azy ireny indray izy amin’ny alalan’ny fananganana ny maty. Izany no antony amporisihan’ny apostoly Paoly antsika ‘tsy hitoky amin’ny tenantsika, fa amin’Andriamanitra, Izay manangana ny maty’. — 2 Korintiana 1:9.

Manohana an’ireo mpanompony Jehovah

20, 21. a) Araka izay nitranga tamin’i Jesosy, karazam-panoherana inona moa no tokony hampoizintsika? b) Araka ny nataony tamin’i Jesosy, ahoana no iarovan’i Jehovah ireo mpanompony?

20 Tadidio fa ‘mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa izao tontolo izao’, dia eo amin’i Satana Devoly (1 Jaona 5:19). Noho izany, raha mitoky amin’Andriamanitra ianao, dia hanohitra anao Satana sy izao tontolo izao tapahiny; hanandrana hampanary finoana anao izy amin’ny fanaovana anao ho fihomehezana na amin’ny fanenjehana anao, toy ny nataony tamin’i Jesosy. Rehefa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy, “izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: (...) Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazo fijaliana. Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe: Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena (...); natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy.” — Matio 27:39-43.

21 Telo andro taorian’izany fisehoan-javatra izany, dia nanafaka an’i Jesosy Andriamanitra tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty. Ireo mpanaraby tao amin’ny taranaka tamin’izay kosa dia novonoina na nentin’ny tafika romana ho any amin’ny fanandevozana. Koa satria Kristy, amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra azy, hitarika ny fananganana ny maty, raha atsangana amin’ny maty ireny olona ireny, dia tsy maintsy hanaiky an’ilay nesoiny 2 000 taona talohan’izay! Eny, Jehovah dia miaro ireo mpanompony izay hilaza hoe: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?” — Salamo 56:11.

22. Ahoana no ambaran’i Jehovah ny amin’ireo izay matoky azy, ary ahoana no ambarany ny amin’ireo tsy matoky azy?

22 Izao no ambaran’i Jehovah ny amin’ireo mpanompony: “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.” Izao koa no lazainy: “Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony. Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa.” — Jeremia 17:5-8.

23. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay?

23 Amin’izao andro fanapahan-javatra izao àry dia ‘aoka isika hatoky an’i Jehovah ka hanao soa, dia honina amin’ny tany isika ka ho faly amin’ny fahamarinana. Ary aoka isika hiravoravo amin’i Jehovah, dia homeny antsika izay irin’ny fontsika’. (Salamo 37:3, 4.) Hohenoina anie ireo fangatahana hataonao, ankoatra ny zavatra hafa, dia ny fahazoana ny fiainana mandrakizay izay fanomezana, ao amin’izao tontolo izao vaovao sy marina ampanantenain’Andriamanitra, Ilay azontsika itokisana!

Famerenana

◻ Inona no tokony hotandreman’ireo izay matoky an’i Jehovah?

◻ Mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao?

◻ Nitondra soa inona ho an’i Hezekia ny fametrahany ny fitokisany tamin’i Jehovah?

◻ Ahoana no ahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4 amin’izao androntsika izao?

◻ Ho avy manao ahoana no ho hitan’ny olona izay matoky an’i Jehovah?

[Sary, pejy 17]

Nihaika an’i Jehovah ny mpitondra tenin’ny mpanjakan’i Asyria ary nitaky ny hanolorana an’i Jerosalema.

[Sary, pejy 18]

Ao amin’izao tontolo izao vaovao, dia hanana fiadanana sy filaminana tanteraka ny olona izay matoky an’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara