Ireo vavaka mahazo valiny
HATRIZAY nisiana olombelona dia nisy koa faniriana hifandray amina hery ambony kokoa. Misy soratsoratra natao tany Egypta fahagola izao ahitana vavaka. Nisy tamin’ireny natao hoenti-miantso na midera andriamanitra iray ary ny sasany kosa hoenti-manonona ny toky omena karazana andriamanitra. Zavatra fahita tao amin’ny fiaraha-monina grika tamin’ny taonjato fahavalo talohan’ny fanisantaonantsika ny tsanta sy salamo ary vavaka ara-pomba. Tao amin’ny tontolo romana izay nanompoana karazana andriamanitra maro be dia tsy maintsy nofidina tamim-pitandremana tokoa izay andriamanitra tiana hivavahana.
Na amin’izao andro diavintsika izao aza dia mbola endrika iraisan’ireo fivavahana lehibe eo amin’izao tontolo izao ny vavaka. Samy mampiasa azy matetika na ny bodista na ny hindoa, na ny jiosy na ny silamo ary na ireo anisan’ny fiangonana lazaina fa kristiana. Na dia fanao mahazatra eo amin’ireo fivavahana amin’ny taonjato faha-20 aza ny vavaka dia mbola maro ihany ireo mpivavaka maniry valiny no mivanàka eo anatrehan’ny endriny tsy tambo isaina.
Ny mivavaka fotsiny ve dia ampy?
Noho ny endriny samihafa isehoan’ny vavaka toy izany, tsy ampy fotsiny ve ny mivavaka amin’ny fomba toy izao na toy izao mba ho voavaly? Misy mihevitra fa tsy dia misy antony loatra izay fanonona an’ilay vavaka raha mbola madio fo sy “mino” fotsiny ilay manao azy. Inona no hevitrao ny amin’izany? Rehefa tsy mifanaraka hevitra eo amin’ny fomba fivavaka àry ny olona dia aoka havelantsika eo ny hevitr’olombelona fa izay lazaina ho fahefana ambony kokoa no hodinihintsika.
Fahefana toy izany, dia ny Baiboly, no niavian’ny fanazavana eto amin’ireto pejy manaraka. Izy io dia mampianatra antsika fa tsy ampy ny mivavaka fotsiny mba ho voahaino amim-pankasitrahana.
Ny hazavain’ny Baiboly:
Amin’iza no tokony havantana ny vavaka
Nahoana no misy vavaka tsy mahazo valiny.
Izay azo angatahina amim-bavaka.
Inona no fepetra tokony hofenoin’ilay mivavaka?
Tsy maintsy maneho finoana aloha ilay mivavaka, ka izany dia tsy midika fotsiny hoe mino fa misy Andriamanitra sady mpahare vavaka (Hebreo 11:6). Fa asongadina kosa ny finoana toy izany rehefa miezaka hiaina mifanaraka amin’ireo filamatry ny rariny nosoritan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Izay no nohantitranterin’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, rehefa nilaza izy hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — Matio 7:21.
Toy izao no nosoratan’Isaia, mpaminany hebreo, ny amin’ny olona sasany izay tsy ho voavaly vavaka: “Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho [Jehovah Andriamanitra]; feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). Koa na toy inona fisesiny na toy inona fidedadedany àry dia tsy ho re ny vavak’ireo izay tsy manaja ny fahamasinan’ny aina.
Nahoana no matetika tsy voavaly ny vavak’ireo “mpino” sasany?
Tsy ampy ho antsika ny ho mpino fotsiny mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra ka hihainoany ny vavaka ataontsika. Na olona minomino mora foana aza manao ny tenany ho mpino. Ny finoana mafy orina dia tsy maintsy vokatry ny fahalalana marina izay tsy azo raha tsy amin’ny fianarana ny Baiboly. Sady tsy maintsy hita mivaingana eo amin’ny asany koa ny finoana. “Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty koa ny finoana, raha tsy misy asa.” — Jakoba 2:26.
Isan’andro vaky eo amin’ny fiainany no iheveran’izay tena mpino tokoa an’Andriamanitra fa tsy rehefa misy mahaporitra fotsiny vao dodona mivavaka. Tsy maintsy misy asa vitany koa hampiharihariany ny finoany, dia asa marina izany, indrindra fa ny fanambarana ny finoany amin’ny hafa.
Fomba ahoana no tokony hivavahana?
Tsy tokony ho fombafomba fotsiny na hovakina ny vavaka. Tsy tokony hahitana koa visavisa miverimberina heverina hampandaitra azy kokoa. Ny vavaka dia tsy tokony hatao be renty na hokendrena hanaitra ny sain’ny sasany. Nilaza ny heviny ny amin’ny fomba fivavaka tsara sy ny fandrika tokony hosorohina Jesosy raha nanome izao torohevitra tsara dia tsara izao: “Raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ny olona azy. (...) Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.” — Matio 6:5-7.
Tsy misy toe-batana manokana ilaina mba hihainoan’Andriamanitra antsika. Fa ny fihetsika sy ny fitenin’ilay mivavaka kosa dia tokony ho voamariky ny fanetre-tena sy ny fanajana.
Amin’iza moa no tokony havantana ireo vavaka?
Ampiasain’ny epistily ho an’ny Hebreo ny fitenenana hoe: “manatona an’Andriamanitra”. (Hebreo 11:6.) Fa Andriamanitra iza moa izany? Na dia maro aza ireo andriamani-tsandoka vitan’ny olona, dia tsy misy afa-tsy tokana ihany no Andriamanitra tsitoha (1 Korintiana 8:5, 6). Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra tsitoha ao amin’ny Baiboly (Salamo 83:18). Koa satria izy no Mpamorona ny zavatra rehetra, dia rariny raha izy irery no amantanana ny vavaka ataontsika. Nohazavain’i Jesosy Kristy tsara tamin’ireo mpianany ny tokony hivavahany amin’ilay “Rainay Izay any an-danitra”. (Matio 6:9.) Na oviana na oviana Jesosy dia tsy nampianatra azy ireo hivavaka amin’izy tenany na amin’i Maria reniny na amin’iza na iza hafa koa. Kanefa dia takin’Andriamanitra ankehitriny ny hanekentsika ny toerana tanan’ilay Zanany sy ny hamantanantsika ny vavaka ho Aminy amin’ny anaran’i Jesosy. Izany no nilazan’i Jesosy tamin’ireo mpianany hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” — Jaona 14:6.
Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra àry dia tsy maintsy avantana amin’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka ataontsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia Andriamanitra no tokony hivavahantsika amin’ny anaran’i Jesosy.
Zavatra inona no azo angatahina amim-bavaka?
“Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” Izany fanomezan-toky mila tsy ho azo inoana izany no hita ao amin’ny 1 Jaona 5:14. Fa voamarikao ve ny fepetra miaraka aminy hoe “araka ny sitrapony”? Eny, raha maro loatra ireo vavaka tsy nahazo valiny dia satria ireo nanonona azy tsy nitady hahalala ny sitrapon’Andriamanitra aloha. — Ohabolana 3:5-7.
Mba hanomezana modely harahin’ireo mpianany dia nampianarin’i Jesosy azy ilay vavaka fantatra tsara ankehitriny amin’ny anarana hoe: “Rainay Izay any an-danitra”. (Matio 6:9-13.) Na dia tsy nataony ho famisavisa ho fombam-pivavahana aza izy io dia manome antsika kosa ny laharam-pahamendrehana marina. Eo amin’ny voalohan-toerana ny anarana sy ny fikasan’Andriamanitra. Manaraka izay vao ny ilaina ara-batana sy ny famelan-keloka ary ny fanafahana amin’ny fakam-panahy avy amin’ilay ratsy. Ny fitenenana hoe “Rainay” dia mety hanampy an’ilay mpivavaka mba hahatsiaro eo amin’ny teniny an’ireo fianakaviany, nefa koa ny hafa rehetra izay mitady sitraka amin’ilay Mpamorona. — Asa. 17:26, 27.
Tokony hanao ahoana ny halavan’ny vavaka?
Tsy feran’ny Baiboly ny halavan’ny vavaka. Azo atao fohy kely na mangina mihitsy aza izany. (Nehemia 2:4; 1 Samoela 1:12, 13). Azo atao somary lava ihany koa izany. Indray mandeha Jesosy dia “naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina”, araka ny azo heverina, mba hangataka ny fanampiany eo amin’ny fifidianana an’ireo apostoliny roa ambin’ny folo (Lioka 6:12). Arakaraka ny hilana azy àry izany no halavan’ireo vavaka henoin’Andriamanitra.
Tena voavaly tokoa ny vavaka
Ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro ny amin’ireo vavaka novalian’Ilay “Mpihaino vavaka”, Jehovah Andriamanitra (Salamo 65:2). Ahitantsika ohatra miavaka ao amin’ny toko faha-18 amin’ny bokin’ny Mpanjaka Voalohany mitantara ny “fisedrana vavaka” tamin’ny andron’ny mpaminany Elia. Tamin’ny taonjato voalohany ireo mpianatr’i Jesosy dia nahazo valim-bavaka niaraka tamin’izay: “Rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.” — Asa.. 4:23-31.
Anisan’ireo fitantarana maro raisin’ny mpamoaka an’ity gazety ity ny an’ireo lehilahy sy vehivavy na antitra na tanora teo anatrehan’izay nahaporitra azy. Nanome toky azy ny fomba nivahan’ny olany fa nohenoana tamim-pankasitrahana tokoa ny vavaka nataony.
Indro ny fitantarana zazalahy monina an-dohasaha an-dakiran’i Soisa akaikin’ny sisintany italiana: “Efa lasa tafahoatra ny tsy fahafahako nahita vahaolana [amin’ny fiainana] hany ka tokana monja no niriko: ny ho faty. (...) Dia nataoko izay hany tonga tao an-tsaiko. Nivavaka aho hoe: ‘Ry Andriamanitro tsy fantatro ô, tsy maintsy misy ianao ary tsy maintsy ho Andriamani-pitiavana. Ampio aho! Tsy arako intsony. Ampio aho mba hahita izay marina.’ ” Andro vitsivitsy taorian’izay, indro nisy mpivady tanora vavolombelon’i Jehovah nandondòna teo am-baravarany. Nanomboka fianarana ny Baiboly rizareo ary dia lasa vavolombelon’i Jehovah izao izy ankehitriny.
Nisy ramatoa mpanampy ny mpitsabo niferinaina noho ny vadiny nanitsakitsaka azy ary nisarahany izao. Indray andro io vehivavy tena mpino lalina io dia nitalaho tamin’Andriamanitra ka niangavy Azy mba hampahafantatra raha mba misy ihany fikasany mendrika hosahanina. Ny tolakandron’io ihany dia nisy vavolombelon’i Jehovah eo am-pitoriana isan-trano tonga nandondòna teo am-baravarany. Nampandrosoiny ireo ary nametrahany fanontaniana maro ka faly izy nihaino ny valin-teny omen’ny Soratra Masina. Tsy ela taorian’izay io mpanampy ny mpitsabo io dia tonga mpitory ny “vaovao tsara” koa ka hitarika fampianarana ny Baiboly. — Matio 24:14.
Nisy vavolombelon’i Jehovah teo am-pamakiana Ny Tilikambo Fiambenana tao anaty fiarakodiany no injay nisy nanakenda azy tampotampoka. Nafana ny vavaka nataony tamin’i Jehovah. Dia tsy nihetsika intsony ilay nitady hamono azy ary namotsotra ny fangejany tsikelikely. Nalefan’ilay vavolombelona ny fiarany sady nataony veloma ilay olon-tsy fantatra izay nijajirika fotsiny toa lasa vato teo am-povoan’ny arabe teo.
Eto amin’ity tontolo ibosesehan’ny fisalasalana tsy an-kijanona ity, dia ahoazoan’ireo izay tia an’Andriamanitra sy ny fahamarinana toky tokoa ny antoka fa henoin’i Jehovah Andriamanitra ireo vavaka avantana aminy amin’ny fanelanelanana marina sy ny fomba tsara ary ny toe-po aman-tsaina ara-dalàna. Tsy vitan’ny hoe hihaino ny vavaka hataon’ireny Ilay Andriamanitra Tsitoha fa hamaly azy tsy diso ihany koa mifanaraka amin’ny sitrapony sy amin’ny andro hofinidiny.
[Efajoro, pejy 4]
Ireo endri-bavaka samihafa
Ity misy topimaso manatsikera an’ireo endri-vabaka samihafa fanao ankehitriny.
Matetika no misy vavaka fototra fampiasan’ireo hindoa ho enti-miarahaba ny iray amin’ireo andriamanidahy sy vavy 330 tapitrisa lazaina fa ivavahany ka nanorenany tempoly 10000. Fa matetika no be renty ireo vavaka hindoa izay miseho amin’ny endriny roa: ny dinika lalina (dhyana) sy ny dera (stotra). Atao ho zava-dehibe tokoa ny fanononana mafy an’ireo vavaka ireo.
Ao amin’ireo monastera bodista sy taoista izay sinoa fiaviana, dia misy filazam-bavaka tsy tapaka intelo isan’andro (ny maraina be sy ny mitataovovonana ary ny hariva). Eo am-panenoana lakolosy kely no fanonona izany vavaka izany. Ireo mpisorona bodista rehefa mivavaka dia mampiasa sapile misy voa 108. Misy koa amin’ireo mpino mampiasa sapile mba hanisana ny vavaka ataony.
Ho an’ireo silamo tia vavaka, ny endrika mitana ny toerana ambony indrindra eo amin’ny fanompoam-pivavahany, dia ny vavaka fanao isan’andro (salat). Indimy isan’andro no tsy maintsy anononan’ilay mpino an’io vavaka io sady mitodika any Lameka any Arabia.
Amin’ireo vavaka jiosy dia misy notsoahina mivantana avy amin’ny Baiboly, indrindra avy amin’ny Salamo. Misy vavaka sasany nasosoka raby samihafa.
Maro samihafa azo ifidianana ireo vavaka eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana: eo ireo vavaka atao tsianjery sady manisa voan-tsapile, eo koa ireo vita an-tsoratra ary eo ireo vavaka amin’endrika teny vitsivitsy tononina araka ny asesiky ny fo.
[Sary, pejy 7]
Voavaly ireo vavak’i Jesosy. Mety ho toy izany koa ny anao.