Mahasoa amin’inona ny vavaka?
RAMBONDANITRA maro no nifafy tany atsimon’ny faritany Ontario any Kanada, tamin’ny zoma 31 may 1985. Very hevitra izato mpitondra fivavahana monina ao amin’ny vohitra Grand Valley, raha nahita ireo rivotra nimaona nanongotra ny tafon-tranony. Araka ny filazam-baovao, dia “hitany nifampitantana tao anatin’ireo herin’ny natiora niriotra ny antambo sy ny fahagagana”.
Antambo nahatsiravina tokoa mantsy izany ho an’ny havana aman-tsakaizan’izy roa matin’ireo rambondanitra ireo sy ho an’ny tra-boina mihoatra ny arivo niferinaina noho ireo tafio-drivotra mpandrava ireo. Fa ireo kely sisa tsy matiny na somary voaratra fotsiny dia miantso kosa ny nahatafitany velona hoe, fahagagana. Anisan’ireny Ron sy ny mpiara-miasa aminy. Ny segondra vitsivitsy monja nialoha nisy nampiomana azy dia ampy hialofany tao amin’ny faritra matanjaka kokoa amin’ilay trano misy ny birao fiasany. Hoy Ron, rehefa avy nitantara ny fomba mahatalanjona nahavotsotra azy roa tsy ho faty: “Nino an’Andriamanitra aho teo aloha, fa izao kosa dia azoko toky fa misy izy.”
Nisy nilaza indray mandeha fa, eo anatrehan’ny loza, dia ‘vitsy dia vitsy, raha mba misy akory aza, ny tsy mino an’Andriamanitra’. Raha misy koa ny fotoana, dia olona maro tokoa amin’izay no mibabababa mangata-piarovana na fitsimbinana.
Ny alahady 21 jolay 1985, tany Sidney, any Aostralia dia maherin’ny zato ireo lehilahy sy zaza amim-behivavy nivory mba hanompo an’Andriamanitra tao amin’ity Efitrano Fanjakana iray. Rehefa avy nihira dia nisy vavaka notononina ho an’ny kongregasiona. Efa namelabelatra ny lahateniny miorina amin’ny Baiboly nandritra ny 15 minitra ny mpandahateny no injay nisy baomba nipoaka nandrava an’io fivoriana nandry fahizay io. Naratra mafy ny mpandahateny sady maty ny lehilahy iray nipetraka teo amin’ny laharana voalohany ka olona nihoatra ny 40 no tsy maintsy nampidirina hopitaly.
[Efajoro/Sary, pejy 3]
Mitondra fiovana ve ny mivavaka?
Ireo fisehoan-javatra roa ireo — “ireo herin’ny natiora niriotra” sy ny nataon’olona mpanao heloka bevava — dia mampanontany tena raha misy antony ny mivavaka. Mba misy vokany ve izany? Mahasoa amin’inona ny vavaka?