“Afaka tamin’ny tsy finoako an’Andriamanitra aho!”
“Tafahaona tamin’ny vehivavy mpampianatra pôlônezy aho, hoy ny fitantaran’ny misionera iray tany Senegaly (Afrika). Nanao fifanakalozan-kevitra naharitra izahay ka tamin’izany dia niezaka namaly ireo fanontaniany maro aho.” Tsy naniry handray ny boky fianarana Baiboly natolotro azy izy tamin’ny fanoherana hoe: “Tsy mino an’Andriamanitra aho. Tsy mahaliana ahy velively io boky io.” Noraisiny anefa ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?.
“Rehefa niverina aho tamin’ny herinandro nanaraka, hoy ilay misionera nanohy ny teniny, dia nilaza tamiko tamim-pahataitairana aoka izany izy fa voavakiny manontolo ilay boky Création. Rehefa nanipy hevitra taminy aho mba hiara-mandinika an’io aminy, dia izao no navaliny ahy: ‘Tsy mila mianatra an’io boky io intsony anie aho e! Voavakiko manontolo izy io, ary nanova tanteraka ny fomba fiheverako: afaka tamin’ny tsy finoako an’Andriamanitra aho! Ho tiako izao ny hianatra ilay boky menamena natolotrao ahy tamin’ny voalohany, mbamin’ny Baiboly.’ ”
Mahalala olona tsy mino an’Andriamanitra misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly ve ianao? Nahoana no tsy tolorana anankiray amin’ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? izy? Ampy ny mameno sy mamerina ny tapakila famaliana eto ambany, miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1500 FMG monja.
Aza fady mba alefaso amin’ity adiresy ity, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, anankiray amin’ny boky 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, miaraka amin’ny taratasy manazava fa fanomezana avy amin’i... (ny anaranao) ity. Indro arotsako ny vola 1500 FMG amin’ny adiresin’ny Fikambanan’ny mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B. P. 511, Antananarivo 101.