‘Ny anankiray amin’ireo boky miavaka indrindra’
Boky inona àry no noeritreretin’ilay Neo-Zelanday izay nampiasa an’io fitenenana io? Lazainy ao amin’ny taratasiny izany: “Faly daholo izahay rehetra naharay an’io boky io izay azo antoka fa ny anankiray amin’ireo miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’ny fanontana amin’ny andro ankehitriny, dia ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?.
“Raha vao eo amin’ireo pejy voalohany indrindra, dia miharihary fa nisy fikarohana natao mba hanoratana an’io bokim-pahalalana miavaka io. Ny famelabelarana mazava sy fohy ny foto-kevitra tsirairay avy dia nanosika, fara faharatsiny anankiray amin’ireo mpahay siansa tao amin’ny foibem-paritray momba ny fikarohana ara-pambolena miankina amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fanjonoana, hamaky an’io boky io nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”
Azonao atao koa ny mahazo an’io boky misy andinindininy io izay manazava ny fomba nisehoan’ny fiainana sy ny maha-zava-dehibe izany ho amin’ny ho avy. Ampy ny mameno sy ny mamerina ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba alefaso amiko, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy, ilay boky mifono baoritra 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1 500 FMG.