FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/5 p. 3-4
  • Iza no nanoratra ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no nanoratra ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Notarihin’ny fanahy masina’ — Tamin’ny fomba ahoana?
  • Ireo olona nampiasain’Andriamanitra
  • ‘Notarihin’ny Fanahy Masina Izy Ireo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ahoana no Nanomezan’Andriamanitra Tsindrimandry mba Hanoratana ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Iza no Nampanoratra ny Baiboly?
    Mifohaza!—2007
  • Ny Baiboly — Boky Tsy Manam-paharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/5 p. 3-4

Iza no nanoratra ny Baiboly?

“TOTOTRY ny fifanoheran-javatra ny Baiboly, hoy ny fanantitranteran’ny olona be fisalasalana. Ambonin’izany, dia mampita filozofian’olombelona izy. Noho izany, ahoana no hanekena fa izy io dia mpitari-dalana azo antoka ho an’ny fiainantsika?”

Mitovy hevitra amin’izany ve ianao? Moa ve ianao mihevitra ny Baiboly ho boky iray mampiseho hevitr’olombelona tsy tanteraka fotsiny? Izany no eritreretin’ny mpitondra fivavahana sasany. Ilay lehilahy Soisa atao hoe Karl Barth, teolojiana protestanta efa maty ankehitriny, dia nanoratra tao amin’ny bokiny hoe Kirchliche Dogmatik (Ireo hevitra inoan’ny Eglizy) hoe: “Na dia ny olona toa an’ireo mpaminany sy ireo apostoly aza dia mety ho nanao fahadisoana tamin’ny fiteniny am-bava na nosoratana.” Marina aloha fa ny fitantarana fisehoan-javatra iray ihany nataon’ny mpanoratra maromaro dia mety hisehoan’ny tsy fitoviana sasany eo amin’ny fifidianana ny teny nampiasaina. Ao amin’ireo faritra samy hafa amin’ny Baiboly koa dia mety hahitana fanambarana izay, raha tsy dinihina tsara, dia toa mifanipaka tanteraka. Kanefa, marina tokoa ve fa fifanoheran-kevitra ireny? Moa ve ny Baiboly boky iray nosoratan’olombelona fotsiny? Raha ny marina, iza no nanoratra azy?

Tsotra ihany ny valiny: “Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona.” Ahoana anefa no nahafantarany izay holazaina sy izay hosoratana? Ny apostoly Simona Petera, izay vao avy notononintsika ny teniny, dia manazava manaraka izany fa izy ireny dia niteny “araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy”. — 2 Petera 1:21.

Ny tena marina dia hoe manantitrantitra imbetsaka ny Baiboly fa “tenin’Andriamanitra” izy. Mamapahatsiaro izany hevitra izany in-176 ireo andininy 176 ao amin’ny Salamo faha-119 fotsiny! Raha ny tena izy, izay rehetra nanoratra boky iray dia tia ny mampahafantatra fa izy no nanoratra azy; ary hita miharihary anefa fa tsy mba nanao toy izany ireo mpanoratra ny Baiboly. Tokony ho an’i Jehovah ny voninahitra rehetra; bokiny izy io, fa tsy azy ireo. — Jereo 1 Tesaloniana 2:13; 2 Samoela 23:2.

‘Notarihin’ny fanahy masina’ — Tamin’ny fomba ahoana?

Tamin’ny fomba ahoana no “nitondran’ny fanahy masina” ireny olona ireny? Ny valiny dia hita ao amin’ny taratasy iray nalefa ho an’i Timoty, kristiana tamin’ny taonjato voalohany: “Ny soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.” Ny teny hoe “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” dia dikan’ny teny grika hoe théopneustos, izay midika ara-bakiteny hoe “notsofin’Andriamanitra”. Andriamanitra dia nampiasa ny heriny miasa tsy hita maso, ny fanahiny masina, mba “hitsofana” ireo heviny ao an-tsain’ireo mpanoratra. Araka izany àry, dia Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny Baiboly, ilay namorona azy. Ny eritreriny no nitarika ny fanoratana azy io, tsy misy hafa amin’ny lehibe iray mangataka ny mpitantsorany mba hanoratra taratasy ho azy. — 2 Timoty 3:16.

Toy izany koa, fa azo atao ny manao fampitahana amin’ny hoe “notsofin’Andriamanitra” sy ny fomba fitenin’ny Baiboly hoe ‘notarihin’ny fanahy masina’. Amin’ny heviny ahoana? Ny teny grika nadika hoe “notarihina” dia ampiasaina mba hiresahana sambo iray natosiky ny rivotra any amin’ny hitsin-dalana iray (jereo Asan’ny apostoly 27:15, 17). Araka izany, sahala amin’ny sambo lay mandroso noho ny rivotra, ireo mpanoratra ny Baiboly dia nihevitra, niteny sy nanoratra teo ambany fahefan’Andriamanitra, notarihin’ny fanahiny masina toy ny hoe “mitsoka” teo amin’izy ireo izy.

Ireo olona nampiasain’Andriamanitra

Ireo mpanoratra ny Baiboly dia tsy manolotra ho antsika afa-tsy tsipirian-javatra kely ihany momba ny tantaram-piainany. Tsy nanome laza ny tenany izy ireny fa niezaka hatrany kosa hanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fijanonana ho ambany noho izy. Fantatra ihany anefa fa ny sasany tamin’izy ireny dia mpanao raharaham-panjakana ambony, mpitsara, mpaminany, mpanjaka, mpiandry ondry, mpiompy sy mpamboly na mpanjono — lehilahy 40 tamin’ny fitambarany. Araka izany, na dia hafatr’Andriamanitra aza ny Baiboly dia manome hafanana, karazan-javatra ary toetoetra tena an’olombelona.

Mpanotra ny Baiboly maro no tsy nifankahalala akory; ny sasany aza velona tao anatin’ny elanelan-taonjato maro. Faran’izay samy hafa ny toetoetrany sy ny fanandraman-javatra hitany, toy izany koa ny fari-piainany ara-tsosialy sy ny fahaizany. Na mbola tanora anefa ireny lehilahy ireny na efa be taona tamin’ny fotoana nanoratany, ny asany dia mahaforona fitambarany mifandray tanteraka. Nifampitohitohy tao anatin’ny vanim-potoana nisy 1600 taona teo ho eo ny fanoratana ny Baiboly. Ary izay mandinika amim-pitandremana an’io boky io dia mahita fifandrindrana manaitra ao anatiny; ahitana marina taratry ny hevitry ny Loharano iray ihany izy io, na dia ao aza ny hamaroan’ny mpanoratra azy.

Moa ve izany tsy tokony hanosika antsika ‘hitandrina mafimafy kokoa’ ny tenin’ny Baiboly, dia io boky mahatalanjona io? Moa ve isika amin’izany tsy ho afaka hanatsoaka hevitra sahala amin’i Petera, izay nanoratra hoe: “Ary mbola azontsika antoka tsara kokoa ny hafatra nambaran’ireo mpaminany. Hanao tsara ianareo raha mihaino tsara izany, satria toy ny jiro mazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany.” — Hebreo 2:1; 2 Petera 1:19, La Bible en français courant.

Ahoana anefa ny amin’ny fanantitranterana ilazana fa mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly? Marina ve izany? Inona no havalinao?

[Efajoro, pejy 4]

“Izany ka boky tsy manam-paharoa! Mihoatra lavitra noho izay raketiny, dia mahatalanjona ahy ny fomba fampisehoany hevitra, izay ny teny dia saiky manjary zavatra iray voajanahary toy ny hazo, ny voninkazo, ny ranomasina, ny kintana, ny olombelona mihitsy aza. Mifantsitsitra izy, mikoriana, mamirapiratra, mihomehy, tsy fantatra hoe ahoana, tsy fantatra hoe nahoana, hita ho voajanahary tanteraka aoka izany ny rehetra. Tena Tenin’Andriamanitra tokoa izy io, mifanohitra amin’ireo boky hafa izay tsy ahitana afa-tsy soritry ny fahendren’olombelona.” — Fanamarihana momba ny Baiboly nosoratan’i Heinrich Heine, poeta sy mpanao gazety alemana tamin’ny taonjato faha-19.

[Sary, pejy 4]

Tsy misy hafa amin’ny sambo lay iray atosiky ny rivotra, ireo mpanoratra ny Baiboly dia ‘notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra’.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara