Misy mpiasa manana fahavononana tsara miasa amim-paharisihana any Eoropa
HATRAMIN’NY ela izay, ny voan’ilay Fanjakana dia nafafy tany Eoropa. Tonga amin’ny fotoam-pijinjana isika ankehitriny. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mangataka amin’ny Tompom-bokatra mba handefa mpiasa, nefa koa izy ireo dia mirotsaka an-tsitrapo mba handray anjara amin’ny fomba feno kokoa amin’ny asany. Hita tokoa fa mihamaro hatrany izy ireo no manao ny asan’ny mpitory maharitra. — Mat. 9:37, 38.
Alemaina: Nandrasana fatratra tokoa ireo fivoriambe tamin’ny 1985, nefa izy ireny dia nihoatra ireo fanantenana rehetra. Noraisin’ireo rahalahy tamin-kafanam-po lehibe ireo boky Comment raisonner à partir des Ecritures sy ny La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?, ary koa ny fanontana nohatsaraina tamin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao miaraka amin’ireo fanamarihany 125 000. Tsy nohadinoin’izy ireo ny naneho ny fankasitrahany.
Indray andro, ny lehilahy be taona iray dia nahazo ny boky Hiaina mandrakizay tamin’ny Vavolombelona iray izay nitory teny an-dalana. Taorian’izay, ilay rahalahintsika dia nitsidika azy tany an-tranony. Raha vao afaka efatra herinandro monja, dia nametraka taminy izao fanontaniana izao ilay lehilahy: “Inona no tokony hataoko mba handaozana an’i ‘Babylona Lehibe’?” Rehefa nangataka ny hamonoana ny anarany tao amin’ireo lisitry ny Fiangonana izy, ilay vehivavy izay nandray azy dia niteny taminy hoe: “Te-hiala amin’ny Fiangonana ve ianao, amin’izao taonanao izao?” Io lehilahy 82 taona io dia namaly azy hoe: “Mbola tsy nandre firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy angaha ianao?” Ilay vehivavy nandray azy dia nianina tamin’ny fanampiana hoe: “Ankehitriny dia takatro ny zavatra rehetra”. Roa volana tatỳ aoriana dia nandray anjara tamin’ny fitoriana izy.
Belzika: Eo amin’izao tontolo izao maherisetra dia olona maro no nifindran’ny toe-tsaina tia fikomiana. Nisy mpivady mpitory maharitra nanampy lehilahy mpitia zavatra misy alikaola iray izay tia miady hitafy ny toetra vaovao (Efes. 4:23, 24). Mba hahazoana manao ireo fiovana ilaina eo amin’ny fiainany, io lehilahy io dia tsy maintsy nanao tena ady tao anaty tao. Indray hariva, dia lavo izy. Niditra tao amin’ny trano fisotroana iray izy, dia nisotro ary saika nanapoaka korontana. Rehefa tonga tany an-tranony izy, dia nanala ny fony tamin’ny famakiana latabatra iray sy seza maromaro. Nanandrana nandrovitra Annuaire iray mihitsy aza izy. Tsy tiany intsony ny hihaino ny fahamarinana; nahatsiaro tena ho tsy mendrika izy. Nefa noho ny fampaherezana nomen’ireo mpitory maharitra, dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona izy. Sarotra taminy koa ny nitsahatra tsy nifoka; nefa dia vitany ny nanimba tanteraka ireo sigarany ary tatỳ aoriana dia ny pipany. Nitondra fiovana tamin’ny fomba fiakanjony koa izy. Fiovana toy inona re izany! Hatramin’ny baitsany, dia mpitory maharitra mpanampy tsy tapaka izy.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)