Ny andro farany: fotoam-pijinjana
“Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’olona nipetraka teo ambonin’ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.” — Apokalypsy 14:14.
1. Inona avy moa no toetra mampiavaka ny taonjato faha-20 mahatonga azy ho fotoana tsy mbola nisy toy izany mihitsy?
HO nisamboaravoara tokoa ny taonjato faha-20: ho nahita ady lehibe nahatsiravina roa ny olombelona; tany maro no ho nohozongozonin’ny tolom-piavotana; ho nahatonga fahoriana tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny Tantara ny mosary; ny fivadibadihana ara-toe-karena, ny heloka bevava, ny fandotoana sy aretina mahatahotra mandrahona ny fahasambaran’ny tsirairay avy. Tao anatin’izany fotoana izany ny olombelona dia nahita fahombiazana teo amin’ny lafiny ara-tsiansa. Moa ve tsy nifehy ny herin’ny ataoma izy? Nandeha teny amin’ny volana aza izy. Raha ny marina, dia tsy mbola nisy toy izany ny androntsika eo amin’ny lafiny maro. Misy anefa fisehoan-javatra iray, ny lehibe indrindra tamin’ny androntsika, izay raha ampitahaina aminy ny hafa rehetra dia tsinontsinona.
2. Fisehoan-javatra inona nolazain’i Daniela ara-paminaniana no tokony hitranga amin’izao androntsika izao?
2 Io fisehoan-javatra tena hafa dia hafa io dia noresahin’i Daniela mpaminany mialoha tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Jereo ny nitantarany izany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” — Daniela 7:13, 14.
3. a) Iza moa “ny Fahagola”, ary inona no nomeny ho an’ilay “toy ny zanak’olona”? b) Iza moa io “toy ny zanak’olona” io, ary ahoana no nandraisan’ireo filoha ara-pivavahana jiosy ny valin-tenin’i Jesosy ny amin’io raharaha io?
3 “Ny Fahagola”, dia Jehovah Andriamanitra. Hitan’i Daniela tao amin’ny “rahon’ny lanitra” izy, izany hoe tao amin’ny faritra ara-panahy tsy hita maso; ary nomeny ho an’izay “toy ny zanak’olona” ny fiandrianana. Iza moa izany? Namaly an’io fanontaniana io i Jesosy tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, fony izy niseho teo anatrehan’ny Synedriona. Rehefa nandidy azy ny mpisoronabe mba hilaza tamim-pianianana na izy no Kristy na tsia, dia namaly tamim-pahasahiana i Jesosy tamin’ny fampiharana tamin’ny tenany ny faminanian’i Daniela manao hoe: “Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.” Tsy nanaiky ilay Mpanjaka voafidin’i Jehovah ny mpisoronabe fa niampanga azy ho niteny ratsy; taorian’izany ireo filoha ara-pivavahana jiosy dia nanery an’i Pontio Pilato mba hanameloka an’i Jesosy ho faty. — Matio 26:63-65; 27:1, 2, 11-26.
4. Oviana moa Jesosy no nandray ny satroboninahi-piandrianana, ary na dia tao aza ny fanoherana inona?
4 Tsy nahomby ny fanandraman’ny Jiosy hanao izay tsy hahatanterahan’ireo tenin’i Jesosy ireo; natsangana tamin’ny maty tokoa izy ary niakatra ho any an-danitra, ka niandry ny fotoana tokony hanomezan’i Jehovah azy ny Fanjakana (Asan’ny apostoly 2:24, 33, 34; Salamo 110:1, 2). Tonga io fotoana io tamin’ny 1914. Ny zavatra rehetra dia mampiseho fa tao anatin’ireo volana faramparany tamin’io taona io i Jesosy dia nandray avy tamin’ny “Fahagola” ny satroboninahi-piandrianana ary nanomboka nanjaka (Matio 24:3-42). Teraka teo afovoan’ny fanoherana mafy dia mafy ilay Fanjakana. Kanefa, na ireo filoha ara-pivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany, na ny hery mitambatr’ireo firenena, na dia Satana sy ireo demoniany koa aza dia tsy nahasakana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra (Salamo 2:2, 4-6; Apokalypsy 12:1-12). Tamin’ny fotoana voatendrin’i Jehovah, tamin’ny 1914, dia nanakoako noho izao hira izao ny lanitra: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15). Nanomboka tamin’io daty io ny olombelona dia miaina ao anatin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ratsy. — 2 Timoty 3:1.
Fotoam-pijinjana
5. a) Iza moa, araka ny faminanian’i Daniela, no tokony hanompo ilay mpanjaka vao nandray fiandrianana? b) Inona moa no fahitana mampiseho an’i Jesosy vao nandray satroboninahitra, azon’ny apostoly Jaona?
5 Araka ny faminanian’i Daniela, rehefa handray ny satroboninahiny i Jesosy, dia ‘hanompo Azy ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny’. Ahoana no netezan’izany, satria ny olombelona amin’ny fitambarany tsy manaiky ny fiandrianany? Ny fahitana manaitra iray, nomena ny apostoly Jaona, dia mamaly an’io fanontaniana io. Tantarain’i Jaona amintsika izay hitany: “Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’olona nipetraka teo ambonin’ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.” (Apokalypsy 14:14). Eto, toy ny tao amin’ny fahitan’i Daniela, dia hita ho mipetraka eo ambonin’ny rahona i Jesosy; antsoina hoe “tahaka ny Zanak’olona” izy. Manao satroboninahi-piandrianana izy; tsy tehi-piandrianana anefa no eny an-tanany, fa antsin’ny mpijinja. Nahoana?
6. Nandidy an’ilay Mpanjaka vao nandray fiandrianana mba hanatanteraka asa inona moa Jehovah?
6 Manohy ny teniny toy izao i Jaona: “Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’Ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; masaka dia masaka ny vokatry ny tany.” Na dia Mpanjaka aza i Jesosy, dia manaraka foana ireo toromarik’i Jehovah, izay monina ao amin’ny “tempoly”. Noho izany, satria Jehovah nandidy azy mba hanatanteraka asa fijinjana mandritra izao andro farany izao, dia mankatò izy. ‘Naroson’i Jesosy tamin’ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany”. — Apokalypsy 14:15, 16; Hebreo 9:24; 1 Korintiana 11:3.
7. a) Inona moa no atao hoe “vokatry ny tany”? b) Tamin’inona no nanomboka ny fijinjana?
7 Inona moa ny “vokatry ny tany”? Izany dia ireo olona izay mivoaka avy eo amin’izao tontolo izaon’i Satana mba hanompo an’i Jehovah sy ny Mpanjakany. Ny fijinjana dia nanomboka tamin’ny fanangonana ny sisa amin’ireo 144 000 izay hiara-hanjaka amin’i Jesosy any an-danitra (Matio 13:37-43). Ireo dia mahaforona “ny Isiraelin’Andriamanitra” ary “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”. ‘Navotana avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra’ izy ireny. (Galatiana 6:16; Apokalypsy 14:4; 5:9, 10.) Amin’izany no anombohan’ny olona avy amin’ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra” manompo an’i Jesosy Mpanjaka.
8. a) Tokony ho tany amin’ny taona firy no azo eritreretina fa vita ny fanangonana ireo anisan’ny sisa farany? b) Araka ny fahitan’i Jaona hafa, mitohy amin’ny fanangonana inona moa ny fijinjana?
8 Tsy izay ihany anefa. Ny fahitan’ny apostoly Jaona hafa iray dia mampiseho amintsika ny farany amin’ireo 144000 eo am-panisiana tombo-kase azy (Apokalypsy 7:1-8). Rariny tokoa ny hiheverana fa ny fanangonana izany sisa izany dia azo lazaina hoe vita tany amin’ny 1935. Milaza amintsika i Jaona fa hitany nanaraka izany ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”. (Apokalypsy 7:9-17.) Noho izany, dia mitohy ny fijinjana, ary olon-kafa maro be avy amin’ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra” no manomboka manompo an’i Jesosy Mpanjaka.
9. Iza moa izany vao tonga izany, ary faminaniana hafa inona no nanambara ny fanangonana azy ireny atỳ “am-parany”?
9 Mifaly mialoha ireny vao tonga ireny rehefa mieritreritra ny hoe hiaina mandrakizay eo amin’ny tany iray voaova ho paradisa, ary izany dia eo ambany fahefan’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah (Salamo 37:11, 29; 72:7-9). Nisy fitantarana ara-paminaniana hafa koa nanambara ny fanangonana azy ireny. Isaia, ohatra, dia naminany fa “any am-parany” dia hirohotra hanatona ny tranon’i Jehovah ireo firenena (Isaia 2:2, 3). Araka ny faminanian’i Hagay, dia hohozongozonina ireo firenena, ary ‘tokony hiditra ireo zavatra faniry avy amin’ny firenena rehetra’. (Hagay 2:7, MN.) Zakaria dia niresaka ny amin’ny “folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra” izay hiaraka amin’ny olon’Andriamanitra (Zakaria 8:23). Afa-tsy izany koa, ny tenan’i Jesosy mihitsy dia naminany ny amin’ny fanangonana “olona betsaka” rehefa nilaza hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” — Matio 25:31-33.
10. a) Amin’ny fomba ahoana moa no anangonana ny “vokatry ny tany”? b) Olona iza ihany moa no miara-miasa amin’ny anjely amin’izany?
10 Eny, dinihina lalina amin’izao andro izao ny olombelona rehetra, ary avahana amin’ny “osy” ny “ondry”. Ahoana no anatanterahana io asa io? Ao amin’ny fahitan’i Jaona, ny “vokatry ny tany” dia ampiarahina amin’ny hafatra mahery ambaran’ny anjely. Nanambara “vaovao tsara mandrakizay” ny anjely iray; ny anankiray hafa nanambara ny fianjeran’i “Babylona Lehibe”; ny fahatelo nampitandrina tamin’ny fanompoana ny “bibi-dia”, na fandehan-javatra ara-politikan’i Satana (Apokalypsy 14:6-10). Marina fa tsy tena nisy nandre ny feon’izy ireny, kanefa nisy olona nahatoky nanambara hafatra izay nifanitsy tamin’ny hafatra nentin’ireny anjely ireny (Matio 24:14; Isaia 48:20; Zakaria 2:7; Jakoba 1:27; 1 Jaona 2:15-17). Mazava àry fa ireo hafatra nankinina tamin’ny anjely dia aelin’ny mpitondra teny olombelona izay manao zavatra eo ambany fitarihan’ny anjely. Arakaraka ny fomba fandraisany ireny hafatra ireny no andaharana ny olona ho anisan’ny “ondry” na ho anisan’ny “osy”. Tao anatin’ny taonjato faha-20, dia ny Vavolombelon’i Jehovah irery no niara-niasa tamin’ny anjely tamin’io asa tena lehibe io.
11. Amin’ny ahoana moa no zava-dehibe ny fampielezana izany hafatra izany?
11 Ny fampielezana izany hafatra izany no asa mahadodona indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao. Tsy misy mihitsy fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-politika na ara-tsiansa, na toy inona na toy inona fiovana lehibe entiny, ho zava-dehibe toy izany. Asehon’ireny hafatra ireny tokoa ny hoe amin’ny fomba ahoana no hahalamina ny zava-manahirana ny olombelona rehetra ary ambarany ny famonjena mandrakizay ny olombelona izay tsy hivadika hatrany. Afa-tsy izany koa, ary ity no zava-dehibe indrindra, izany dia mahakasika ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah.
Filazana asa isan-taona
12, 13. Manomeza isa vitsivitsy notsoahina avy amin’ny filazana asa isan-taona, mampiseho fa efa voangona ny vokatra betsaka.
12 Noho izany antony izany, isan-taona ny Vavolombelon’i dia dodona ny hamaky ny filazana ny asan’ny fandaminan’i Jehovah, ary tsapany amim-pihetseham-po fa mitahy hatrany ny asa tontosain’izy ireny Jehovah. Ny filazana asa momba ny 1987, aseho ao amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15, dia mampiseho fa, tamin’ny taona lasa, dia faran’izay narisika ireo anjely sy ireo mpiara-miasa aminy olombelona.
13 Re ny vaovao tsara tany amin’ny tany 210, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ren’ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra” mety ho tratra amin’izao androntsika izao (Marka 13:10). Afa-tsy izany koa, dia 3 395 612 ny isan’ny mpitory be indrindra, isa tsy mbola hita mihitsy teo amin’ny tantaran’ny kristiana, niara-nanao an’io asa io. Manaitra ny saina mihitsy aza ny isa avy tany amin’ny tany sasany. Tany Etazonia, ohatra, dia tratra ny tampon’isan’ny mpitory 773 219. Ny tany roa hafa, Brésil sy Mexique dia nanamarika tampon’isan’ny mpitory 216 216 sy 222 168, ary ny enina hafa koa, Allemagne, Grande-Bretagne, Italie, Japon, Nigéria sy Philippines, dia nilaza tampon’isan’ny mpitory mihoatra ny 100 000. Afa-tsy izany koa, ny tany be mponina aoka izany sasany dia tsy ahitana afa-tsy mpitory an’arivony vitsivitsy monja, na latsaka aza. Tena zava-dehibe koa ny asan’ireny fanahy mahatoky ireny, izay miezaka hampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana ao anatin’ny toe-piainana sarotra. — Matio 5:14-16.
14. Karazan’olona manao ahoana moa no angonina ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah?
14 Mazava ho azy fa tsy ny fitomboana fotsiny akory no mahaliana ireo mpanompon’Andriamanitra, fa ny hoe ny mpianatra vaovao rehetra izay tonga manatevin-daharana ny fandaminana dia “zavatra faniry” eo imason’ny Mpamorona. Maro ny olona izay, fahiny, dia ‘nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana rehetra’ hitan’izy ireny tao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana (Ezekiela 9:4). Ary noho izy ireny maniry hampianarina ny lalan’Andriamanitra dia mirohotra izy rehetra manatona ny “tendrombohitr’i Jehovah”. (Isaia 2:2, 3.) Eo amin’izao tontolo izao ratsy sy fatra-pitia ny zavatra ara-nofo, dia ataon’i Jehovah izay hahatonga olona ana hetsiny maro isan-taona hiharihary ho “zavatra faniry” ho Azy. Izany dia porofo lehibe ny fitahiany ny olony.
Fotoana tokony hanaovan-javatra
15. a) Midadasika ve ny faritany tokony hitoriana? b) Inona moa, araka ny fahitan’i Jaona, no asan’ny “olona betsaka”?
15 Asa tokony hatao maika dia maika tokoa ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Voalohany indrindra, dia satria midadasika ny faritany ary tokony hambara amin’ny “firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra” ny “vaovao tsara”. (Apokalypsy 14:6.) Ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia olona avy amin’ny “firenena rehetra” no avahana ho “osy” sy “ondry”. Endrey ny halehiben’izany asa izany! Soa ihany fa ny “olona betsaka” hitan’i Jaona tamin’ny fahitana dia midera an’Andriamanitra “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny”. (Apokalypsy 7:15.) Tamin’ny taona lasa, ny “olona betsaka” mbamin’ny kristiana voahosotry ny fanahy dia nanaraka an’io fahitana io tamin’ny fanokanana 739 019 286 ora tamin’ny fitambarany, ho amin’ny fitoriana. Io isa io, mila hihoatra ny azo saintsainina, dia mampiseho maneran-tany, ara-keviny 18 ora mahery isam-bolana isaky ny mpitory. Ampitahao amin’ny 12 ora vita zara raha nisy folo taona izay io ara-keviny io, dia ho azonao an-tsaina ny fitomboana hitan’ny fitoriana amin’io lafiny io. Aiza ho aiza ny ara-kevin’ny vitanao raha oharina amin’ny ara-keviny maneran-tany?
16. a) Amin’ny fomba tsara dia tsara ahoana moa no ‘itoriana mafy’? b) Kristiana firy moa no nandray anjara tamin’io asa io tamin’ny taona lasa?
16 Mariho koa ny tampony vaovao amin’ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona sy mpanampy: 650 095. Asehon’io asa io fa betsaka kokoa ny isan’ny mpitory maharitra tamin’ny taona lasa noho ny isan’ny mpitory, 25 taona lasa monja izay. Anisan’ireny mpitory maharitra ireny ve ianao? Raha izany no izy, dia nampiharinao tamin’ny fomba tsara dia tsara ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Mitoria ny teny, mazotoa.” (2 Timoty 4:2). Nahoana no tsy mitsinjo ny ho mpitory maharitra mandritra ny iray volana fara fahakeliny ao anatin’ny taom-piasana 1988?
Fitomboana tsinjo
17. Inona avy no isa mampiseho fa tsara dia tsara ny fahatsinjovana fitomboana?
17 Tena tsara dia tsara ny fahatsinjovana fitomboana. Tamin’ny taona lasa, dia fampianarana Baiboly any an-tokantrano 3 005 048 no natao, ary ny mpianatra ny Baiboly tsirairay avy dia “zavatra faniry” mahery. Afa-tsy izany koa, dia olona 8 965 221 no nanatrika ny Sakafon’ny Tompo tamin’ny aprily 1987. Tamin’ireo mpanatrika, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroany, ny sasany dia vao haingana no liana ny Tenin’Andriamanitra: noraisina tamin-kafanam-po izy ireny, ary mamporisika azy ireny izahay hanohy amin’ny fandrosoany tsara dia tsara; ny hafa koa efa nanatrika imbetsaka ny Fahatsiarovana, ka izany dia toa mampiseho fa mankasitraka ny fiarahana amin’ny Vavolombelona izy ireny, nefa tsy mahatsiaro fa mila ny hiditra lavitra kokoa.
18. Araka ny faminanian’i Jesosy sy Zakaria, inona no fepetra tokony hofenoina mba hahatongavana ho anisan’ireo ‘ondrin’i Jehovah?
18 Mendri-piderana ny fahalianana asehon’ireny olona ireny ho an’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Aoka hotadidiantsika anefa fa, tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, ny “ondry” mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia ireo olona izay nanampy ireo rahalahin’i Kristy sy niara-niasa tamin’izy ireny (Matio 25:34-40, 46). Tao amin’ny faminanian’i Zakaria, ny “folo lahy” — mampiseho isa feno ny folo — dia nanambara tsy nisy fepetra hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Tsy vitan’ny hoe miseho ho sakaiza fotsiny ireny olona ireny: ‘mihazona’ ny olon’Andriamanitra izy ireny ka miaraka aminy, manokana ny fiainany ho amin’ny asan’ny Andriamaniny. Mba hahafenoana izany fepetra izany amin’izao androntsika izao, dia ilaina ny ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah tsy misaraka aminy.
Mihafohy ny fotoana
19, 20. a) Araka ny fahitana azon’i Jaona, inona no hitranga rehefa ho avy nampidirina ny “vokatry ny tany”? b) Inona amin’izay no hiafaran’izay rehetra tsy hanaiky an’i Jesosy Mpanjaka?
19 Ny antony faharoa mahatonga ny fijinjana ho asa ilaina maika dia maika, dia satria ho tapitra tsy ho ela izany (Matio 24:32-34). Inona no hitranga hanaraka izany? Araka ny fahitana azon’i Jaona, dia “nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra. Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony. Ary naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”. — Apokalypsy 14:17-19.
20 Rehefa ho avy nampidirina ny “zavatra faniry” nojinjaina, dia tsy hisy antony tokony mbola hisian’izao tontolo izao ratsy tranainy intsony. Ho nofoanana “ny voaloboky ny tany”, dia ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany. Amin’izay, na dia ireo mpanohitra an’i Kristy aza dia ho voatery hiaiky ny amin’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Izao no nosoratan’i Jaona: “Indro Izy [Jesosy] avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 1:7; Matio 24:30). Ho tanteraka amin’izany ny teny nataon’i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy tena anisan’ny “nandefona Azy” tokoa. (Matio 26:64.) Mazava ho azy fa tsy hatsangana amin’ny maty akory ireny mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy ireny mba “hahita” an’i Jesosy (Matio 23:33). Kanefa, izay rehetra maneho toe-tsaina tahaka izany ka mandà ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah dia ho voatery hiaiky ny aminy rehefa ho tonga handringana ireo firenena ao Hara-Magedona izy. — Apokalypsy 19:11-16, 19-21.
21. Nahoana moa ireo mpanompon’Andriamanitra no tokony tsy hikely soroka hiaraka amin’ny anjely?
21 Eny, voakasika ny fahatafitana velon’ny olombelona tsirairay avy, ary manana andraikitra mavesatra hiara-hiasa amin’ireo anjely isika; kanefa, tombontsoa toy inona moa ny antsika! Enga anie isika tsy hikely soroka hatrany miaraka amin’ireo anjely ka hiezaka hitady ny olona rehetra manana fon’ondry, dia ireo “zavatra faniry” an’i Jehovah, alohan’ny hahavitan’ny fijinjana!
Hazavao
◻ Inona moa hatramin’izao no fisehoan-javatra lehibe indrindra tao anatin’ny taonjato faha-20?
◻ Inona moa ny “vokatry ny tany”, ary ahoana no anangonana izany?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo toetra mampiavaka ny ‘ondrin’i’ Jehovah?
◻ Asehon’ny filazana asa isan-taona ve fa mitahy ny fijinjana Jehovah?
◻ Nahoana moa no asa ilaina hatao maika dia maika ny fitoriana?
[Tabilao, pejy 12-15]
RAPAORO MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PIASANA 1987
(Jereo ny gazety)