Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Santatry ny voninahitr’i Kristy ao amin’ny Fanjakany
TENY an-dalana nankany Kaisaria-Filipo, dia niato Jesosy ka nampianatra olona maro sy ny apostoliny. Nanambara taminy zavatra mahazendana izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.”
‘Inona àry no tiany holazaina?’ hoy ny fanontanian’ny mpianany. Tokony ho herinandro tatỳ aoriana, Jesosy dia nitondra an’i Petera sy Jakoba ary Jaona ho any an-tendrombohitra avo. Alina angamba ny andro satria ta-hatory ny mpianatra. Raha mbola nivavaka Jesosy, dia niova teo anatrehan’izy ireo ny tarehiny. Nanomboka namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary ny fitafiany dia nanjelanjelatra tahaka ny hazavana.
Avy eo dia niseho ny olona roa, naseho ho “Mosesy sy Elia”, izay nanomboka niresaka tamin’i Jesosy ny amin’ny ‘fialany izay tanterahina any Jerosalema’. Izany fialana izany dia tsy isalasalana fa ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fananganana azy. Araka izany, io resadresaka io dia manaporofo, mifanohitra amin’izay nirin’i Petera, fa Jesosy dia tsy tokony handositra ny fahafatesana mampietry hampiharina aminy.
Izao dia mahatsiaro tena tsara ny mpianatra ka talanjona nijery sady nihaino ny zava-niseho. Na dia fahitana aza izany, dia toa tena nisy tokoa ka nanomboka nandray anjara tamin’izany Petera. Hoy izy: “Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika. Koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto, ny anankiray ho anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia.”
Raha mbola niteny izy, dia nisy rahona mazava nandrakotra azy ireo, ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako; izy no henoy.” Ary nony nandre ilay feo ny mpianatra, dia niankohoka. Jesosy kosa nilaza taminy hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra.” Nitsangana àry izy ireo, ary tsy nahita olona afa-tsy Jesosy intsony.
Ny ampitson’iny, raha mbola nidina avy tany an-tendrombohitra izy, Jesosy dia nandidy azy ireo hoe: “Aza milaza amin’olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.” Ny fisehoan’i Elia tao amin’ilay fahitana, dia nahatonga ny mpianatra hanontany hoe: “Nahoana ary no ilazan’ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?”
“Efa tonga sahady Elia, hoy Jesosy, nefa ny olona tsy nahafantatra azy.” Jaona Mpanao-batisa, izay nanana anjara asa tahaka ny an’i Elia, no nolazainy tamin’izany. Jaona dia nanomana ny lalana ho amin’ny fahatongavan’i Kristy, tahaka ny nataon’i Elia ho an’i Elisa.
Fahitana mampahery tokoa moa izany ho an’i Jesosy sy ny mpianatra! Toy ny santatry ny voninahitr’i Kristy ao amin’ny Fanjakany izany. Ny mpianatra dia nahita tokoa “ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany”: izany indrindra no nampanantenain’i Jesosy herinandro talohan’izay. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia hanoratra Petera fa ‘hitan’ny masony ny fiandrianan’i Kristy raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izy ireo’.
Ny Fariseo dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy, izay hanaporofo fa izy tokoa no ilay nambaran’ny Sarotra masina, dia ilay nofidin’Andriamanitra mba ho mpanjaka. Tsy nomena azy ireo izany famantarana izany. Ny mpianatr’i Jesosy akaiky kosa dia navela hahita ny fiovan-tarehiny, izay nanamafy ireo faminaniana momba ny Fanjakana. Izany no antony hanoratan’i Petera atỳ aoriana hoe: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika.” Matio 16:28 ka hatramin’ny 17:13; Marka 9:1-13; Lioka 9:27-37; 2 Petera 1:16-19.
◆ Ahoana no nahitan’ny sasany an’i Kristy avy amin’ny Fanjakany, talohan’ny hanandramany fahafatesana?
◆ Tao amin’ilay fahitana, inona no noresahin’i Mosesy sy Elia ary Jesosy?
◆ Nahoana no nampahery tokoa ny mpianatra io fahitana io?
[Sary, pejy 9]