Ireo zavatra faniry any atsinanana
Taloha ela be, Jehovah dia nanambara mialoha fa “ireo zavatra faniry avy any amin’ireo firenena” dia hampidirina ho ao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana aminy (Hagay 2:7, MN ). Ankehitriny, izany “zavatra faniry” izany dia mirohotra sy mitombo isa na any atsinanana na any amin’ny faritra hafa maro eo amin’izao tontolo izao.
BIRIMANIA: Na dia voatery nanao dia an-tongotra henemana mahery any amin’ny faritra avo 10 800 ka hatramin’ny 2 400 metatra ambonin’ny ranomasina aza ny rahalahy maro tany amin’ny faritra iray mba handehanana hamonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nasehony fa tena mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy tokoa izy (Matio 5:3, MN ). Maro no tonga roa andro mialoha ny fanombohan’ny fandaharana, nefa avy hatrany izy ireo dia naniry hahafantatra raha mety hisy lahateny iray amin’iny takariva nahatongavany iny ihany. Dia nalamina ary ny fivoriana iray. Isaky ny harivan’ny fivoriambe, aorian’ireo fandaharana, ireo rahalahy dia nangataka ireo mpiandraikitra mpitety faritany mba hanao lahateny hafa sy hitantara zavatra hita teny am-pitoriana taminy.
Mety hanana fihetsika tsara na dia ny mpanenjika sasany aza rehefa omena fahafahana handre ny Tenin’Andriamanitra. Ny zanakalahy roa an’ny mpitory maharitra manokana iray, 10 sy 7 taona dia tsy mitsahatra mahita fanorisorenana avy amin’ireo mpiara-mianatra aminy satria izy ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nalaina ny kasiketiny, norovitina ny akanjony na nofenoina pentin-dranomainty, nangalarina ny bokiny, ary indraindray aza dia nokapohina mihitsy izy ireo. Niresaka izany tamin’ny mpampianatra ny ray aman-dreniny ary dia notenenina ireo meloka. Nefa dia mbola nanohy nampijaly ireo Vavolombelon’i Jehovah kely ihany izy ireo. Indray andro, ilay zokiny dia nanapa-kevitra ny hitondra tany an-tsekoly ny “Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly” ary hampiasa izany mba hitoriana amin’ireo namany. Na dia ireo mafy loha sy maditra indrindra aza dia nihaino azy ary tonga namany. Aoka izany ny fahagagan-dray aman-dreniny nahita ny zanany nody indray hariva niaraka tamin’ny zazalahy dimy nampijaly azy. Hatramin’izay ireo kristiana tanora roa ireo dia namaky tsy tapaka amin’ireo namany ny “Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly”.
INDIA: Mba hiatrehana ny zavatra ilaina amin’ny fitomboana teokratika any amin’io tany io, dia nanjary nilaina maika ny hamitana ny Efitrano Fanjakana sy ny trano vaovaon’ny sampana ao Lonavla. Natao tamin’ny volana janoary ny fitokanana.
Rehefa ela nanatrehana fianarana Baiboly notarihina tao an-tokantranon’ny mpifanolobodirindrina taminy ny vehivavy hindoa iray dia nanomboka nankafỳ ny fahamarinana. Araka ny fandehan’ny fotoana, dia fantany fa Jehovah no Andriamanitra marina, nefa natahotra izy sao ren’ny vadiny ny amin’izany “fivavahana vaovao” izany. Tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa, rangahy vadiny dia nandray ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly tany amin’ny namany iray izay niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hainy koa ny nanavaka ny tena feon’ny fahamarinana. Nefa, natahotra ny hiteny tamin’ny vadiny izy satria tena mpanaraka fomba ara-pivavahana be io ary tao an-tranon-drizareo dia nisy sampy maro. Indray andro dia hitany teo ambony farafara ny bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Moa ve misy Andriamanitra iray izay miahy antsika?. Koa satria fantany ny fiavian’io bokikely io dia avy izy dia nanontany ny vadiny hoe: “Taiza no nahazoanao ity bokikely ity?” Dia sady menamenatra ravehivavy no nanazava taminy. Tena nentanin-kafaliana tokoa rangahy vadiny. Tsy ela izy ireo dia niara-nianatra ny Baiboly tao an-tranony, niaraka tamin’ireo zanany telo sy ny reniben’ireo.
ISIRAELY: Nisetra onjam-pankahalana lehibe ireo rahalahintsika tany amin’ny faritra maro tao amin’io tany io. Tamin’ny voalohany ireo Jiosy nirehitra mafy dia nianina tamin’ny fanoratana teny fanarabiana teo amin’ny tranon’ny sampana. Nefa taty aoriana io trano io dia tonga lasibatry ny fihetsiketsehana mahery vaika sy ny fanandramana handoro mihitsy. Nisy nametraka baomba mihitsy aza tao amin’ny fidirana. Nisy fiaraha-milahatra ho fanoherana natao indroa isan-kerinandro izay nandraisan’ny olona mirehitra fatratra ara-pivavahana tokony ho 400, somorina sady miakanjo mainty. Ataon’izy ireo izay rehetra azony atao mba hampitahorana ny rahalahy sy ireo olona tso-po izay manatrika ireo fivoriana. Matetika izy ireo no miandry azy ireny eo am-piravana, rehefa mivoaka ny efitrano. Nefa na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy nihena ny isan’ny mpanatrika ary dia matanjaka hatrany ny toe-tsain’ny kongregasiona.
Inona no vokatra naterak’izany toe-javatra izany? Nanjary ren’ilay tany manontolo ny firesahana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fotopoto-pinoany tamin’ny alalan’ny filazam-baovao. Solontenam-panjakana maro no nanaovana fanambarana. Olona maro liana ta-hahafanta-javatra no tonga teny amin’ny sampana mba hametraka fanontaniana sy haka zavatra vita an-tsoratra. Olona maro nitsetra no afaka nihaino ny vaovao tsara tamin’ny sofina liana. Ny amin’ireo rahalahintsika kosa dia vao mainka izy ireo tapa-kevitra ny hitoetra ho miorina tsara hatrany. — Fil. 1:12-14.
LIBAN: Tsy hita ao amin’io tany io mihitsy ny filaminana, ary tsy hay koa hoe amin’ny fomba ahoana izany no mety hihatsara ao anatin’izao fandehan-javatra izao. Na dia izany aza, ny rahalahy rehetra dia tapa-kevitra hatrany ny hanohy hanompo an’i Jehovah amin’ny fony rehetra, ary amin’izany izy dia mahazo ny fanampiany sy ny fiarovany.
Tamin’ny aprily dia 22 isan-jato amin’ireo mpitory no mpitory maharitra manokana, mandavantaona na mpanampy. Izao no soratra nalefan’ny loholona iray: “29 taona izay no nahalalako ny fahamarinana, nefa dia vao voalohany izao no nanaovako ny asan’ny mpitory maharitra. Mientan-kafaliana aho amin’izany.”
Tao anatin’ny laharan’ny mpitory maharitra mpanampy dia nahitana raim-pianakaviana iray manan-janaka efatra, vao vita batisa tsy ela ka sady manambady tsy mpino no manan-java-manahirana ara-pahasalamana. Nandritra ny volana nanompoany tamin’io asa io dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly telo tamim-behivavy mifanolobodirindrina aminy izy. Ambonin’izay koa dia mbola nisy valisoa hafa tsy nampoiziny. Koa satria saika isan’andro izy dia niresaka fahamarinana tamin’ny vadiny foana, dia naneho fahalianana io ary dia nanomboka namonjy ireo fivoriana niaraka taminy.
THAILANDE: Any amin’io tany io toy ny any an-tany hafa maro dia mitombo isa hatrany ny mpitory maharitra mpanampy. Mitantara toy izao ny soa noraisiny tamin’io fanompoana io ny anabavy iray: “Tsy dia manana toe-pahasalamana tsara loatra aho. Matetika aho no tsy maintsy nihinam-panafody vao nahita tory. Hatramin’ny nanaovako nitohy ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy anefa dia hitako ho nihatsara kokoa aho. Tsy mila fanafody fampatoriana intsony aho. Ampy ahy fotsiny ny mandro alohan’ny hatoriana. Ny fandehanako an-tongotra amin’ny isan-trano fotsiny dia manampy ahy hahita tory kokoa, ary tsy resahina intsony ny tombontsoa ara-panahy izay mahatonga ahy ho sambatra kokoa.”
TIORKIA: Nandalo fotoan-tsarotra tokoa tamin’ny taon-dasa ireo mpanompon’Andriamanitra any amin’io tany io. Tamin’ny desambra 1984, dia nohelohin’ny Fitsarana miandraikitra ny Filaminam-panjakana ny rahalahy 23 ka nampangaina ho ‘nanandrana nanangana fandaharana teokratika tany Tiorkia’. Tokony ho herinandro tatỳ aoriana, dia nisy valo koa nosamborina tany Izmir. Ny antokony voalohany dia nafahana sy novotsorana tamin’ny volana jona 1985, ny faharoa kosa telo volana tatỳ aoriana.
Teo anelanelan’izany kosa dia nihamafy hatrany ny fatoram-pitiavana nampiray ireo kristiana. Koa satria nanana ankohonana hovelomina ireo Vavolombelona nigadra, dia naneho fitiavana azy ny hafa tamin’ny fikarakarana izay nilain’izy ireny ara-nofo. Nisy aza fanampiana azo avy tamin’ireo rahalahiny avy any an-tany hafa.
Araka ny nambaran’i Jesosy dia hanjary fanambarana ny fanenjehana (Matio 10:18). Ny taratasy nalefan’ireo rahalahy avy any an-tany hafa dia nahatonga mpanao raharaham-panjakana tiorka maro ho voatery handinika ny momba ny toerantsika. Tetsy an-daniny, ny lahatsoratra an-gazety dia nahatratra olona izay tsy isalasalana fa tsy ho nandre mihitsy firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba hafa. Eny fa na dia tany amin’ireo tranomaizina aza dia mbola voatory foana ny vaovao tsara.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)