Tsy miraharaha ny fampitandremana izy ireo ary maka fanahy an’Andriamanitra
“Na dia hatreny hakitrokely aza ny rano, dia tsy nety nandositra izy ireo.” — El País, Colombie.
IO LOHATENY tao amin’ny gazety kolombiana iray mivoaka isan’andro io dia nampiharihary ny anankiray amin’ireo antony naha-maro ny maty, tamin’ny loza aman’antambo tany Armero, tamin’ny novambra 1985. Nivadi-po noho ny firarahan’ny lavenona sy ny fisondrotry ny onibe i Dora Elisa Rada Esguerra, mpandray telefaonina tany Armero, ka tapa-kevitra ny handositra. Avy eo dia nampahafantariny an’ireo mpiara-miasa taminy tao amin’ny foibe fa nananontanona ny loza. Tatỳ aoriana, dia voatery nanazava toy izao izy: “Hitan’izy ireo ny rano izay (...) nikoriana mafy, mafy dia mafy, kanefa na dia tamin’izany aza dia tsy nihetsika izy ireo.” Nandositra niala tao amin’ilay tanàna nahita loza i Dora.
Ireo mpandray telefaonina hafa dia maty niaraka tamin’ny 21 000 teo ho eo, niharam-pahavoazana noho ny fota-bolikano miharo ranomandry sy vato nivarimbarina nanaraka ny fidinana amin’ny volikano Nevado del Ruiz. Anisan’izany, dia tao ny ben’ny tanàna sy ny ankamaroan’ny polisy, porofo fa saika tsy nisy olona nihevitra ho zava-dehibe ny fandrahonana, raha tsy rehefa diso aoriana loatra.
Nahoana no tsy nandositra izy ireny?
Nialohavan’ny fambara sy fampiomanana ilay loza aman’antambo. Nahoana no tsy nihevitra izany ny mponina maro tokoa tany Armero? Voalohany indrindra, dia diso aoriana vao tonga ireo fampiomanana ofisialy, rehefa namely ny tanàna ny loza. Talohan’izay dia nilazana ny mponina mba ho tony hatrany, fa mety hisy tondra-drano angamba, kanefa tsy dia ho mafy loatra izany. Tsy hita intsony anefa ilay tanàna, voafafan’ny rindrim-potaka mahafaty nararak’i Lagunilla.
Azo inoana fa tsy tian’ny sasany ny handao ny tranony sy ny fananany, noho ny fahatsapana fa tsy ho ela dia hitsofoka ao ny mpandroba. Tsy diso hevitra izy ireny. Nisy mpandroba vitsivitsy matin’ny miaramila. Taorian’ny loza aman’antambo, rehefa niverina tao amin’ny fonenany safotry ny rano ny sisa velona vitsivitsy, dia nahatsapa fa nopotehina tamin’ny tifi-basy ireo hidin-trano ary nentina ireo zavatra sarobidy. Tsy tafaverina tany an-tranony mihitsy anefa ny ankamaroan’ny mponina. Ary tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy nilaina ny hitadiavana ilay trano.
Nihevitra angamba ny hafa fa handray anjara mba hamonjena azy ireny Andriamanitra sy Maria Virijina. Azo atao ara-drariny ve anefa ny manampo fa amin’izao andro izao Andriamanitra dia manao zavatra ho an’ny sasany rehefa misy loza aman’antambo araka ny natiora? Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, nahoana ny sasany no tokony hotsimbinina amin’ny fandraisan’Andriamanitra anjara fa ny hafa kosa ho faty?
Misy fototra mafy ve mahatonga ho afaka hino fa azo atao ny ho velona noho ny fahagagana, noho ny fiarovan’Andriamanitra manokana? Ohatra, moa ve ny mpamily fiarakodia iray afaka matoky ny “anjely mpiambina” azy na ny “olo-masina” tiany indrindra? Betsaka loatra ny katolika tso-po nitondra medain’i “masindahy” Christophe, maty teny amin’ny arabe ka tsy azo inoana izany. Na koa, moa ve ny kristiana iray tokony hino fa manana ny fiarovan’Andriamanitra manokana izy rehefa mandeha amin’ny fiaramanidina, na mandray anjara amin’ny fanatanjahan-tena mampidi-doza iray? Mety ve ny hakana fanahy an’Andriamanitra amin’ny fomba fijery toy izany?
Tsy fohy ny tanan’i Jehovah
Ny Soratra Masina dia manampy antsika hahita fa, ao anatin’ny tarehin-javatra sasany, dia mety handray anjara ho fanohanana ireo mpanompony Jehovah Andriamanitra, rehefa voakasika ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana na rehefa tandindomin-doza ny kongregasionany. Manome toky antsika toy izao Isaia mpaminany: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare.” — Isaia 59:1.
Ny Baiboly dia mitantara toe-javatra ahitana mazava fa namelatra ny tanany Jehovah mba hiarovana ireo apostoly. Mba hahazoana sitraka tamin’ny Jiosy, dia nampanao an-tranomaizina voambina tsara ny apostoly Petera i Heroda mpanjaka. Nivavaka mafy ho azy anefa ny kongregasiona tany Jerosalema. Inona no vokany? Tonga mba hanafaka an’ilay apostoly tao an-tranomaizina ny anjelin’i Jehovah. Petera koa aza dia talanjona noho izay hitany. Tamin’ny farany dia takany izay nitranga ka hoy izy: “Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo [Jehovah, MN ] efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tànan’i Heroda.” — Asa. 12:1-11.
Fantatra ao amin’io fitantarana io koa fa Heroda dia efa nampamono ny apostoly Jakoba, rahalahin’i Jaona. Navelan’i Jehovah hisy izany fahafatesana ho maritiora izany. Noho izany, dia miharihary fa raha manana fahefana hiaro sy hanafaka antsika Jehovah, indraindray kosa dia avelany hanaraka ny fandehany ny fisehoan-javatra, ka avelany amin’izany ny sasany amin’ireo mpanompony mahatoky hampiseho ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana raha ilaina izany. Marina loatra ireto tenin’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy ireto: “Kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN ], ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.” — Jakoba 4:14, 15; jereo Joba 2:3-5.
Zavatra iray no azo antoka, rehefa mitranga ny loza aman’antambo araka ny natiora sy ny voina, dia mihatra amin’ny olombelona rehetra koa ity fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly ity: “Ny fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy nampoizina, MN ] dia samy mahazo ny rehetra.” (Mpitoriteny 9:11). Ary na dia mety aza ny mivavaka mba hahazoana fanampiana sy fiarovana amin’ny fotoam-panenjehana, dia ilaintsika ny miaiky fa “izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina”. — 2 Timoty 3:12.
Fahaiza-mitsara zavatra
Marina fa taloha Jehovah dia nanao zavatra mba hiarovana ny olony, ohatra, rehefa namonjy ny Isiraely tany Egypta sy tamin’ny tafik’i Farao izy. Ho fieboeboana anefa ny hieritreretana fa Andriamanitra dia tsy maintsy miaro ny kristiana amin’izay entin’ny “fotoana sy ny fisehoan-javatra tsy nampoizina” na amin’ny vokatry ny tsy fitandremana. Ny taratasin’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Roma izay angamba ny sasany tonga maritiora tao amin’ny kianja filalaovana, dia mifamatotra amin’io raharaha io: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony [ny hahay hitsara zavatra, MN ] araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo.” (Romana 12:3). Izao no lazain’ny Testamenta Vaovao nataon’i Kuen: “Aza mihevitra be loatra ny fahaizanareo.”
Amin’izao androntsika izao, ny torohevitra ambara eo dia mbola azo ampiharina foana, na dia ao anatin’ny toe-javatra hafa aza. Raha mihevitra ny kristiana iray fa afaka mamily fiarakodia tsy amim-pitandremana na eo ambany herin’ny alikaola izy nefa ho afaka amin’ny loza satria hoe miaro azy Andriamanitra, moa ve izy maneho ‘fahaiza-mitsara zavatra’? Sa kosa ‘mihevitra be loatra ny fahaizany’ izy? Afa-tsy izany koa, raha mahatandindomin-doza ny fiainan’ny olon-kafa izy, azo atao ve ny milaza fa tena ‘tia ny namany tahaka ny tenany’ izy? — Matio 22:39.
Inona izao no holazaina rehefa manorina tanàna any amin’ny faritra be horohorontany, na akaikin’ny volikano, dia loza miafina nefa tena misy? Maneho fahaiza-mitsara zavatra ve ny tena amin’izany? Ohatra tsara dia tsara indrindra ny amin’io raharaha io ny volikano kolombiana Nevado del Ruiz. Araka ny voalazan’ilay gazety mivoaka isan’andro hoe El País, tamin’ny 1982, ny fandinihana nataon’ilay mpanao mari-trano atao hoe César Zárate dia nampiharihary fa efa nanafotra an’i Armero i Lagunilla taloha ary mbola tsy manana fitaovam-piarovana ihany ilay tanàna. Fantatra koa fa hatramin’ny 1570 dia inenina no nipoaka i Nevado del Ruiz. Araka ny fanazavan’ny tantara, ilay volikano dia manana fihodinkodinam-piasana tsy tapaka miovaova eo anelanelan’ny 140 taona sy 9 volana, sy 110 taona sy 2 volana.
Herinandro vitsivitsy talohan’ny loza aman’antambo tany Armero, ny nomerao nivoaka alahady tamin’ny gazety kolombiana El Tiempo dia nahazo izao filazana izao izay nanantitrantitra tamin’ny fomba hentitra hoe: “Ny tondradrano hanaraka (...) dia hitranga any antenantenan’ny novambra amin’ity taona ity. Efa tsapa ny famantarana mampiavaka: setroka mivoaka avy amin’ny vavan’ny volikano ‘Arenas’; oran-davenona sy gaza mivoaka; fandotoana ny rano sy ny vokatra; fofona mankaloiloy; (...) firohondrohona avy any anatin’ny volikano tamin’ny 11 septambra; fiempoana tsikelikely hita amin’ny ranomandry manarona. (...) Noho izany, dia tonga ny fotoana hanaovan-javatra.”
Tsy navoaka mihitsy ilay lahatsoratra. Noheverina angamba fa hampitahotra tsy amin’ny antony ny mponina izany. Tatỳ aoriana ny talen’ny El Tiempo dia nihevitra izany fanapahan-kevitra izany ho anisan’ny “tsy fitsinjovana ny ho avy, tsy fahatakaran-kevitra avy hatrany sy finoana amin-kabadoana fa tsy misy na inona na inona mety hitranga”.
Araka ny nanampoizana azy indrindra anefa, dia nanapoaka ny tampony i Nevado del Ruiz, tamin’ny 13 novambra 1985. Olona maherin’ny 20 000 no maty tany Armero, an’arivony maro hafa tany Chinchiná sy tany amin’ireo tanàna teny amin’ny manodidina. Anisan’ireo maty ny Vavolombelon’i Jehovah sy olona niara-nianatra tamin’izy ireny 41. Ny sasany nanana hevitra tsy nety, dia ny hitady fialofana tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo ambany. Voafaoka sy niara-tototra taminy izy ireny. Soa ihany fa nisy Vavolombelona hafa afaka nankeny amin’ny toerana avo kokoa ka afa-nandositra ny loza.
Miharihary fa mety ny ho hendry rehefa voa. Azo atao anefa ny manatsoaka fianarana avy amin’io tantara mampangitakitaka io fara faharatsiny.
Taloha
Ny Baiboly dia manome ohatra ny amin’ny olona izay tsy niraharaha ny fampitandremana mety na nieritreritra fa ‘tsy nety ho tonga tamin’ny andron’izy ireo izany’ na tao amin’ny faritra nisy azy. Porofon’izany ny hita tamin’i Lota. Rehefa nododonana izy mba handositra hiala avy tao Sodoma sy Gomora, dia nampiomana ireo vinantolahiny tamin’izao teny izao izy: “Miaingà, mialà amin’ity tanàna ity; fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity.” Ahoana no nandraisan’ireo izany? “Nataon’ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy” i Lota. Tsy naharitra anefa ny “vazivazy”. Nalatsak’i Jehovah tamin’ireo tanàna ratsy voatokana ho amin’ny fandravana ireo ny afo sy solifara. Maty niaraka tamin’ireo mponina ratsy fitondrantena tao amin’io faritra io ireo vinantolahin’i Lota. Fa raha ny amin’ny vadiny, dia azo inoana fa nisalasala izy rehefa nandositra an’i Sodoma. ‘Niherika teo ivohony [ivohon’i Lota] izy ka tonga vongan-tsira nitsangana’. — Genesisy 19:12-26.
1 900 taona mahery lasa izay, dia nanambara i Jesosy fa hiharan’ny fandravana mahatsiravina ilay Jerosalema taloha. Nomeny ny andinindininy hentitra momba ny fisehoan-javatra hialoha ny fandravana ilay tanàna: “Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.” Avy eo dia nilaza izao fampitandremana izao izy: “Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” — Lioka 21:20-24.
Rehefa nanodidina an’i Jerosalema ny tafika romana tamin’ny taona 66 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia fantatr’ireo kristiana tao an-tanàna tamin’izany ny famantarana nomen’i Jesosy. Avy eo, rehefa toa ho azony ny fandresena tanteraka, dia nanapaka tsy hita antony ny fanaovana fahirano niaraka tamin’ny miaramilan’ny jeneraly Cestius Gallus. Izany no fotoana nandrasan’ireo kristiana: nandositra nankany ampitan’i Jordana izy ireo. Tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia niverina ny Romana, notarihin’ny jeneraly Titus, ary nandrava an’i Jerosalema. Jiosy ana hetsiny maro nijanona tao amin’ilay tanàna voaheloka no maty nandritra ny fanaovana fahirano sy ny ady.
Marina fa tamin’ireo toe-javatra roa ireo dia nanome fampiomanana Andriamanitra. Hita anefa fa olom-bitsy monja no nihevitra ny hafatra ka noho izany dia tafavoaka soa aman-tsara. Tsy niraharaha izany mihitsy ny ankamaroan’olona. Tsy tian’izy ireny ny hihevitra ho zava-dehibe ny fampitandreman’Andriamanitra.
Amin’ny fomba ahoana no mety hakana fanahy an’Andriamanitra?
Na dia ireo loza aman’antambo araka ny natiora aza dia matetika no misy famantarana mialoha — ny tantaran’ilay faritra, famantarana vao haingana na foto-javatra ara-tsiansa — izay mampiseho fa tena mety hisy ny loza ao anatin’ny elanelam-potoana voatondro. Angamba mora voan’ny tondra-drano ny faritra iray. Amin’izay ny olona iray mahalala ny mety hatao dia tokony handanjalanja ny anton-javatra rehetra mba hanapahan-kevitra raha ilaina ny hifindrany fonenana ary raha mety ho vita izany zavatra izany. Mazava ho azy fa tsy azo atao ny hilaza mialoha ny fotoana sy ny toerana hitrangan’ny loza aman’antambo araka ny natiora rehetra. Azo atao anefa ny mihevitra ny lalàn’ny ara-keviny sy izay manelanelana amin’ilay fotoan-tsarotra raha mitranga ny zavatra ratsy indrindra. Tsy fahendrena anefa ny hanantenana fiarovana manokana avy amin’Andriamanitra. Izany dia ho fakana fanahy azy amin’ny fomba tsy anomezan-dalana sady tsy fahendrena.
Amin’ny heviny hafa anefa, dia manasa antsika Jehovah mba hizaha toetra azy. Tamin’ny andron’i Malakia mpaminany ny Isiraely dia naka fanahy an’Andriamanitra tamin’ny fomba naharikoriko tamin’ny fanolorana ho azy teo amin’ny alitara, fanatitra ratsy karazana. Tamin’ny fanaterana mofo voaloto sy biby mandringa, dia nasehon’ny Isiraelita fa nanamavo ny latabatr’i Jehovah izy ireo. Tamin’ny alalan’i Malakia, dia nanasa azy ireny hiverina sy hanitsy ny fitondrantenany Jehovah. “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao an-trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” — Malakia 3:10.
Eny, raha ny amin’ny fitahiana ara-panahy, dia afaka ‘mizaha toetra’ na mitsapa ny fahatokian’i Jehovah isika. Raha katsahintsika aloha ny Fanjakany sy ny fahamarinany, amin’izay, araka ny nolazain’i Jesosy, dia ‘hanampy ny zavatra hafa ilaina’ rehetra. Izao koa no nolazain’i Jesosy: “Mangataha [hatrany, MN ] dia homena hianareo; mitadiava [hatrany, MN ], dia hahita hianareo; dòndòny [hatrany, MN ], dia hovohana hianareo.” Raha misy olona tsy tanteraka manome fanomezana tsara ho an’ny zanany, “tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy [mifanaraka amin’ny sitrapony, MN ]”! — Matio 6:33; 7:7-11; 1 Jaona 5:14.
Ankehitriny, dia alefa amin’ireo firenena ny fampiomanana: Madiva hanomboka ny asa famaliany izay rehetra mahaforona ny fandehan-javatr’i Satana i Jehovah (Apokalypsy 16:14, 16; 18:20). Olona malina an-tapitrisany maro no mihevitra io hafatra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah io ary misaraka amin’izao tontolo izao mba hilahatra eo anilan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Miala amin’ny fikambanana ara-politika sy ara-pivavahana ratsy izy ireny dieny tsy mbola diso aoriana loatra (Apokalypsy 18:4). Amin’ny fanaovana toy izany, dia miomana izy ireny mba hiaina mandrakizay, eo ambany fanapahan’i Kristy, ao amin’ny tany ho tonga Paradisam-pahamarinana. Mihaino izany fampiomanana izany ve ianao? — 2 Petera 3:13; Titosy 1:2.
[Sary, pejy 21]
Diplaoma hita tao amin’ny sisan-javatra rava tany Armero: fahatsiarovana mangidy ny olona an’arivony maro izay tsy nihaino ny fampitandremana.
[Sary, pejy 22]
Ahitana taratry ny fahendrena kristiana anananao ve ny fahazaranao rehefa mamily fiarakodia?
[Sary, pejy 23]
Tsy misy na inona na inona tafajanona intsony tamin’i Armero, afa-tsy io toerana foana mitokana io. Olona 20 000 mahery no namoy ny ainy tao.
Mampiseho ny loza namely an’i Armero ireo vakivakin-javatra ireo.