FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/3 p. 25-27
  • Ny toeran’ny hira ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny toeran’ny hira ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah, Andriamanitra iray tia hira
  • Ny hira talohan’ny andro kristiana
  • Ny hira tamin’ny andro kristiana
  • Aoka isika hampiasa araka izay farany azo atao hira teokratika
  • Afaka mandroso daholo isika rehetra
  • Soa maro be
  • Mihirà Amin’ny Fo!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ny Toeran’ny Mozika eo Amin’ny Fanompoam-pivavahana Ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny hira
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/3 p. 25-27

Ny toeran’ny hira ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina

AZONAO atao ve ny maka sary an-tsaina izao tontolo izao iray tsy misy hira? izao tontolo izao iray tsy handrenesana intsony ireo feo miverimberina falifalin’ny ankizy, na ny kalom-boronkely malefaka? izao tontolo izao iray tsy handrenesana intsony ny fipentsompentson’ny “pie” na ny fitokelaka an-tendan’ny “kookaburra”? Soa ihany fa tsy hisy mihitsy ny izao tontolo izao toy izany. Ny fieritreretana ny amin’izany anefa dia mampisongadina ny anankiray amin’ireo fanomezana maro nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona: ny hira.

Jehovah, Andriamanitra iray tia hira

Nahoana ny hira no mitondra fahafinaretana sy fifaliana? Aoka holazaintsika aloha fa ny tenan’i Jehovah mihitsy dia mankamamy ireo hira fiderana ataon’ny zavaboariny. Hitanao sary an-tsaina ve ny fotoana nihobian’ny anjely rehetra rehefa nandinika ny hasoan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra teto an-tany izy ireny? Na koa, tamin’ny alim-pararano nahaterahan’i Jesosy zaza, hitanao sary an-tsaina ve ny tenanao mitsangana eo afovoan’ny mpiandry ondry, sondriana noho izao hira noventesin’ny anjely maro be izao: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra?” — Lioka 2:13, 14; Joba 38:7.

Nasehon’i Jehovah fa tia hira izy tamin’ny fampidirana izany tao amin’ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ny Isiraely. Nasehony indray ny fatorana mafy nampiray ny hira sy ny fivavahana madio rehefa nanome fahitana ny Apokalypsy ho an’ny apostoly Jaona izy. Tao amin’ny fisehoan-javatra ara-paminaniana iray, dia nisy rodobe tena lehibe voaforon’ny feo 144 000, niventy hira vaovao, hira mahafinaritra, teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. — Apokalypsy 14:3.

Ny hira talohan’ny andro kristiana

Ny fahambonian’Andriamanitra sy ireo zava-mahatalanjona nataony dia nanosika ireo mpanompony eto an-tany koa hiventy hira fiderana. Eritrereto ny fientanam-po nateraky ny hira teo amin’ny Isiraelita taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga avy amin’ny fanandevozana egyptiana. Nipararetra ny fon’i Mosesy mbamin’ny Isiraelita hafa raha mbola nampanakoako ny hiram-pandresena nampahatsiahy izay nataon’i Jehovah tamin’i Farao sy ny tafiny izy ireo. — Eksodosy 15:1-21.

Tao amin’ny tohin’ny tantaran’ny Isiraely dia tonga ilay andro nanan-tantara izay, teo ambany fitarihan’i Davida mpanjaka, tsy maintsy nametrahana ny fiaran’ny fanekena tao amin’ny lay natsangana manokana mba hampialofana azy. Fisehoan-javatra re izany! Hira miavaka, nefa koa mozika ampiarahina aminy mampihetsi-po, no nampitombo laza an’io andro io. — 1 Tantara 16:4-36.

Koa satria tia mozika sy nahay nitendry harpa i Davida, dia vao mainka nampitomboiny ny toeran’ny mozika sy ny hira teo amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ao amin’ny Salamo 33:1, 3 izy dia mamporisika amin-kafanam-po ireo mpivavaka amin’i Jehovah mba hihira mafy sy amin’ny fo rehetra, fiderana an’Andriamanitra. Izao no teniny: “Mihobia ho an’i Jehovah hianareo, ry olo-marina; (...) mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.”

Ny hira tamin’ny andro kristiana

Teo am-piandohan’ny andro kristiana, ny hira dia nitana toerana lehibe koa teo amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Niara-nihira tamin’ireo apostoliny i Jesosy taorian’ny sakafo hariva noraisiny talohan’ny nahafatesany (Marka 14:26). Tany an-tranomaizina ry Paoly sy Silasy dia nihira mafy aoka izany, hany ka nandre azy ireo ny olona rehetra (Asan’ny apostoly 16:25). Nitovy hafanam-po tamin’i Davida ny apostoly Paoly raha ny amin’ny hira. Namporisihany matetika koa ny kristiana hafa mba hihira fiderana ho an’i Jehovah. — Efesiana 5:18, 19; Kolosiana 3:16.

Manana toerana lehibe koa ny hira eo amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana amin’izao androntsika izao. Tamin’ny 1905 dia navoaka ilay boky hoe Hymnes de l’aurore du Millénium. Nambara toy izao ny amin’ireo hira 333 tao, teo amin’ny pejy voalohany amin’io boky io: “Fitambaran-tsalamo sy hira ara-panahy voafantina izay hanampy ny olon’Andriamanitra hihira ho an’ny Tompo, kalo ao am-pony.”

Avy eo, tamin’ny 1928, dia navoaka ny fihirana nasiana fanitsiana nahitana hira 337, nitondra ny lohateny hoe Cantiques de louanges à Jéhovah. Nanambara toy izao ny sasin-teniny: “Ireto hira ireto dia mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mety ho azo ankehitriny.” Kanefa, raha mbola nandeha ireo taona ka nitombo ny fahazavan’ny fahamarinana, dia hita fa ny sasany tamin’ireny hira ireny dia nahitana soritry ny hevitra nindramina avy amin’ny fivavahan-diso. Ambonin’izany, dia horaisina amim-pifaliana ny hira mety hamporisika hitory ny vaovao tsara, satria nosoritana bebe kokoa ny amin’ny fanambarana ampahibemaso. — Matio 24:14; Hebreo 13:15.

Nivoaka tamin’ny 1944 ny Recueil de cantiques pour le service du Royaume, izay nirakitra hiran’ilay Fanjakana 62. Roa amby roapolo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1966, dia natonta tamin’ny teny anglisy (tamin’ny teny frantsay tamin’ny 1969) ilay boky hoe “Chantant et vous accompagnant de musique dans votre coeur”. Izy io dia nirakitra fihiranan’ilay Fanjakana 119 izay nanisy fitenenana ny amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana sy ny fanompoam-pivavahana kristiana, anisan’izany ny asa fanambarana sy fiderana atao ho an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy.

Efa ho roapolo taona hafa no lasa, taona nitomboan’ny fahazavan’ny fahamarinana hatrany (Ohabolana 4:18). Tsapa indray fa nilaina ny fihirana vaovao. Noho izany antony izany, tamin’ny 1986 dia natonta ny fihirana hoe Louons Jéhovah par nos chants. Izy io dia mirakitra hiran’ilay Fanjakana 225, izay ny tonony sy ny feony dia mpanompon’i Jehovah avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany daholo no namorona azy.

Aoka isika hampiasa araka izay farany azo atao hira teokratika

Ny sary eo amin’ny pejy roa eo amin’ny faran’io fihirana vita farany io dia manosika antsika hampiasa amin’ny fomba feno, hira teokratika amin’ireo fivoriantsika kristiana. Ireo mpihira tao amin’ny tempoly aseho eo, lehilahy efa nanao fanazaran-tena, dia miharihary fa mampakatra ny hirany ho any amin’Andriamanitra amin’ny fo rehetra sy amin’ny feo avo. — 1 Tantara 25:7.

Afaka mihira amin’izany fomba izany isika amin’ireo fivoriantsika kristiana, amin’ny vava misokatra tsara sy amin’ny fo rehetra. Tsy manao izany anefa ny rehetra eo amintsika. Angamba ny hambom-po no manaisotra amintsika ny fifaliana hihira ho an’i Jehovah tsy mahatsiaro ho sakodiavatra, na manao ahoana na manao ahoana toetry ny feontsika. Na mety hiahy be loatra ny amin’izay heverin’ny olona manodidina antsika ny amintsika isika. Nahatsiaro ho sakodiavatra toy izany i Mosesy, tsy rehefa nihira izy, fa rehefa niteny. Ny teny nolazain’i Jehovah taminy dia tsy isalasalana fa hanampy antsika raha misalasala ny hihira isika satria tsy mpihira za-draharaha. Nanontany an’i Mosesy toy izao i Jehovah: “Iza moa no nanao ny vavan’ny olona (...)? Tsy Izaho Jehovah va?” (Eksodosy 4:11). Azo antoka fa hihaino antsika amim-pifaliana mihira fiderana ho azy amin’ny feo avo Jehovah, na manao ahoana na manao ahoana fahaizana nomeny antsika amin’io lafiny io.

Eritrereto koa ny hamafin’ny hira nataon’i Paoly sy Silasy tany an-tranomaizina. Tsy nahatsiaro ho sakodiavatra velively izy ireo, ary tsy nisy mozika nampiarahina tamin’ny feony, ary tsy nanana fihirana akory aza izy ireo. Alao sary an-tsaina ny fisehoan-javatra: “Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.” (Asa. 16:25). Nanaraka fianaran-kira ve Paoly sy Silasy? Tsy voatery ho izany. Nirin’izy ireo alohan’ny zavatra rehetra anefa ny hihira amin’ny feo avo sy amin’ny fo rehetra! Ary isika, inona no ahintsika voalohany indrindra rehefa mihira fiderana isika?

Afaka mandroso daholo isika rehetra

Mendrika ny hoheverina ity torohevitr’i Davida mpahay mozika ity: “Mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.” (Salamo 33:3). Izany no antenain’i Jehovah avy amin’ny mpanompony rehetra: ny hanaovany ‘araka izay farany azony atao’, tsy mihoatra na latsaka. Raha manao toy izany isika, dia hitahy ny fiezahantsika Jehovah. Hahafaly antsika, ary hahagaga antsika mihitsy aza indraindray fa tsy maintsy handroso isikaa.

Ireto misy fanipazan-kevitra azo ampiharina mety hanampy anao handroso eo amin’ny hira: Miezaha mihaino matetika ireo Hiran’ilay Fanjakana vao haingana indrindra, ireo mozika amin’ny “cassettes” na amin’ny disika, raha manana izany ianao. Hitan’ny sasany ho mahasoa sady mahafinaritra ny mihira fihirana ao an-tranon’izy ireo na rehefa mivory miaraka amin’ny Vavolombelona hafa vitsivitsy izy ireo. Ao amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, dia zava-dehibe ny handefasana ampy fahamafisana ny mozika ampiarahina mba handrenesan’izay rehetra mihira izany. Amin’izay dia mora amin’izy ireny kokoa ny manaraka ny feony ary matoky kokoa izy. Tsy hianina amin’ny filazana ny nomeraon’ny fihirana fotsiny ilay manasa ny mpanatrika hihira; homeny ny lohateny ary hasehony aza angamba ny toetra mampiavaka azy.

Mamporisika ireo zanakao ve ianao mba hihira ny fihiranan’ilay Fanjakana amin-kafanam-po sy amin’ny fony rehetra? Ao amin’ny fianakaviana iray, rehefa amporisihina ny ankizy hanao ireo hira amin’ny fo rehetra amin’ny fahazoana ny tonony, dia matetika no hita fa manamora ny fandrosoany ara-panahy izany.

Soa maro be

Ireo izay mihira amin’ny feo avo sy amin’ny fo rehetra dia mandray soa maro be avy amin’izany. Miditra bebe kokoa ao amin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso izy ireny. Ireo izay eo akaikiny dia voatarika hihira mafimafy kokoa rehefa mandre azy ireny mihira tsy mahatsiaro ho sakodiavatra. Mandray soa avy amin’izany koa ny kongregasiona manontolo, satria mamindra ny faharisihana hihira.

Afa-tsy izany koa, ny hira ventesina mafy dia fanambarana tsara ho an’ny olona izay manatrika ireo fivoriana voalohany. Manaitra ny sain’ny mpandalo sy ny olona monina eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana ny hasoan’ireo hirantsika, araka ny azo antoka fa tsapan’ireo mpigadra nandre an’i Paoly sy Silasy. Ny sasany aza naneho faniriana ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’ny fahamarinana rehefa avy nandre fihirana ny anankiray amin’ireo hirantsika.

Ambonin’ny zavatra rehetra, raha mandroso eo amin’ny lafin’ny hira isika, dia hampiakatra fiderana kanto any amin’i Jehovah, Ilay niandohan’ny mozika sy ny hira izay, mihoatra noho ny olona rehetra, dia mendrika ny hoderaina amin’ny alalan’ny hira.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Amin’ny voalohany dia mety ho sarotra amintsika ny mihira ny sasantsasany amin’ireo hira vaovao, kanefa rehefa ho haintsika izany, dia mety ho anisan’ireo tiantsika indrindra izy ireny. Araka izany, fony vao nivoaka ilay fihirana teo aloha, dia tsy tian’ireo Vavolombelona tao amin’ny tany iray ny faha-88, “Fandehanana tsy mivadika”. Tamin’ny farany anefa dia tonga ny hira tian’izy ireo indrindra izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara