Ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-83 amin’i Gileada: tena fety
“MIDERÀ an’i Jehovah, fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony.” (Salamo 136:1). Toy izany, tamin’io fararano io, ny faniriana tamim-pahatsorana nananan’ireo olona 4 391 izay nanatrika ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-83 amin’i Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Nody sady faly ny tsirairay rehefa vita ny fandaharana, izay nahitana lahateny, zavatra hita tamin’ny fitoriana sy tantara araka ny Baiboly. Nitranga tamin’ny 6 septambra 1987 izany, tao amin’ny Efitrano kanto fanaovana fivoriambe any Jersey City, teatira Stanley taloha.
Rehefa vita ny hira fanokafana, John Booth, anisan’ny Kolejy foibe, dia nanonona vavaka ary taorian’izany ny prezidà, Albert Schroeder, anisan’ny Kolejy foibe koa, dia niarahaba tonga soa aman-tsara ny rehetra sy ny tsirairay avy tamin’io fety io. Avy amin’ny tany dimy ireo mpianatra 24; ho any amin’ny toerana valo samy hafa izy ireo. Nasehon’ny rahalahy Schroeder fa olona matoky ireo mpanompon’i Jehovah, satria ny finoan’izy ireo dia miorina amin’ny fahamarinana tanteraka. Fantany, ohatra, fa Jehovah no Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao ary ny Teniny, ny Baiboly Masina, dia marina tanteraka. Izany dia fifanoheran-javatra manaitra amin’ny filozofian’olombelona izay miankina amin’ny fivadibadihana sy ny fiheverana fotsiny.
Ny mpandahateny voalohany dia Martin Poetzinger, avy ao amin’ny Kolejy foibe, izay nandany sivy taona tany amin’ny toby fitanana nazia. Ny foto-kevitry ny lahateniny dia hoe “Iza no ametrahanao ny fitokisanao?” ary ny andinin-teny fototra dia ny Ohabolana 3:5, 6. Nasehony an’ireo mpianatra fa ilaina ny mametraka tanteraka ny fitokisana amin’i Jehovah sy ny fandaminany hita maso, ka miseho ho mendrika itokisana. Fanorenana fotsiny ny fampiofanana azon’izy ireo tao Gileada; hatramin’izao izy ireo dia tokony hanorina eo ambonin’izany, amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny Efesiana 5:15, 16. ‘Mandrosoa hatrany, hoy ny fananaran’ny rahalahy Poetzinger azy ireny. Hahita ireo fahasahiranana mampiavaka ny asa misionera ianareo: ny fiteny, ny toetr’andro, ny sakafo, ary ny maro hafa koa; kanefa raha matoky an’i Jehovah ianareo, dia afaka hahalamina izany rehetra izany. Ny fitiavana ny hafa no fanalahidin’ny fahombiazanareo. Ny fampaherezana rehetra dia avy amin’i Jehovah; ny fanakiviana rehetra dia avy amin’i Satana.’
Ny mpandahateny faharoa, Eldor Timm, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, dia nanao lahateny nifototra tamin’ny 2 Korintiana 13:5: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia.” Raha vitany ny fanadinana an-tsoratra, hoy ny fanazavany, dia fantatry ny mpianatra fa misy fitsapana maro hafa miandry azy ireny any amin’ny faritaniny. Hiankina amin’ny fomba hisetrany izany ny fahombiazan’ny ataony. Tokony handositra ny fieboeboana izy ireny amin’ny fanarahana izao torohevitra izao: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12). Tsy hitsahatra ny handroso izy ireo raha mitana toe-tsaina tsara.
Nanaraka izany, Joel Adams, anisan’ny Komitin’ny birao mikarakara ny asa fitoriana dia namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Aoka ianareo hisaina tahaka an’i Jesosy, mihevera manokana ny hafa”. Toy inona ny ohatra navelan’i Jesosy tamin’io lafiny io! Ny Filipiana 2:3-5 dia manipika ny tsy fitadiavany tombontsoa ho an’ny tena sy ny fanetren-tenany faka tahaka. Raha miteraka fisedrana ho antsika ny olona sasany noho ny tsy fahalavorariany na ny tsy fahampian’ny fahamalinana, dia aoka isika hanao fiezahana manokana mba hanehoana hatsaram-po amin’izy ireny. Nandritra ny fianarana tao Gileada, dia nisy fiheverana be dia be an’ireo mpianatra; anjaran’izy ireny izao ny miahy toy izany ny hafa. Ny misionera mahazo vokatra indrindra dia ireo mihevitra ny olona, izany hoe ny fanaony, ny fiteniny, ny zavatra ilainy, ets.
Avy eo ireo mpianatra dia nahazo fampaherezana avy amin’i Lloyd Barry, anisan’ny Kolejy foibe izay misionera nandritra ny taona maro. Ny foto-kevitry ny lahateniny dia hoe “Mihirà ho an’i Jehovah”, araka ny Salamo 96:1. Tia ny mihira ny olon’i Jehovah. Nohazavain’ny mpandahateny fa mifandrindra amin’ny fifaliana ny hira, ka noho izany antony izany no namporisihany ny mpianatra tsy hanary mihitsy ny fifaliany hitondra ny fahamarinana amin’ny hafa. ‘Raha tsy maintsy mianatra fiteny vaovao ianareo, hoy ny toroheviny, dia ataovy amin’ny fonareo rehetra izany raha vao eo am-boalohany. Hanandrana hanakivy anareo, hanao izay hanembonanareo ny tany niaviana, hamafy tsy fifanarahana eo amin’ny laharanareo ny Devoly. Aza omena toerana mihitsy izy!’ Noraisin’ny rahalahy Barry ho ohatra ny amin’ny “zokiny indrindra amin’ireo misionera”, Edwin Skinner, any India hatramin’ny 60 taona, izay, eo amin’ny faha-93 taonany dia mbola manao andro feno ihany. Araka ny filazan’ny rahalahy Skinner, ny fanalahidin’ny fahombiazana ho an’ny misionera iray dia ao amin’ity filamatra ity: “Ny fanetren-tena no tokony hananana indrindra!”
Taorian’izany fiheverana izany, dia novakin’ny mpitari-draharaha ny telegrama maro be fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ireo mpianatra. Ireny hafatra ireny dia avy any Bolivie, Canada, Equateur, Espagne, Honduras, Suède sy Trinité.
Jack Redford, anankiray amin’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada, dia nanohy tamin’ny foto-kevitra hoe “Ataovy izay haha-sakaizan’i Jehovah anao hatrany”. Voalohany indrindra, dia nasainy nomarihina fa sekoly ara-barotra be dia be no manolotra fampiofanana mahatonga ho afaka hahita fahombiazana eo amin’ny raharaha amin’ny fitadiavana sakaiza sy amin’ny fananana fitaomana eo amin’ny hafa. Mba hahatongavana ho misionera, dia nianatra nanao izay hahazoana tombontsoa mampiseho fitiavan-tena anefa, fa mba hahatongavan’izy ireny ho sakaizan’Andriamanitra. ‘Fiainana feno fahafoizan-tena ny fiainanareo, hoy ny mpandahateny. Nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. Tsy misy fifaliana na fahafahampo lehibe kokoa noho ny fanampiana olona ho tonga sakaizan’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona afaka manome voninahitra kokoa ny zavaboary iray noho ny fisakaizana amin’Andriamanitra. Ampahafantarin’ny Jakoba 2:23 antsika fa tonga sakaizan’i Jehovah Abrahama satria nino azy. Niainga ho any an-tany hafa tsy niherika izy; ianareo koa, ry misionera, aza miherika, fa jereo eo anoloanareo kosa ireo fitahiana hoentin’izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra.’
Ulysses Glass, mpampianatra ao Gileada sady mpitantsoratry ny sekoly, dia mba namelabelatra kosa ny foto-kevitra hoe “Ny fianarana farany”. Nianaran’ireo mpianatra, hoy ny fanamarihany, fa misy lafiny kely maro ireo lalàn’i Jehovah ary mitaky fiezahana be dia be. Ho ohatra, dia tononiny ireo andinindininy maro karazana amin’ny toromarika momba ny fanatitra natolotra tamin’ny andro fanavotana, sy ny biby maro be nilaina tamin’io andro io (Levitikosy toko faha-16). Nidera ireo mpianatra ny rahalahy Glass noho izy ireo naneho fankasitrahana lalina sy nampiseho fa ny toe-tsainy dia voalazalaza tsara ao amin’ny Salamo 145:7: “Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy sy hihoby ny fahamarinanao.” Tao amin’ny famaranan-teniny, dia notononiny koa ny Ohabolana 3:5-7, ka namporisika ny misionera tsirairay avy izy ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fony rehetra’.
Farany, ny rahalahy Frederick Franz, izay prezidàn’ny Sekolin’i Gileada sy ny Watch Tower Bible and Tract Society eo amin’ny faha-94 taonany, dia nanao ny lahateny farany tamin’ny maraina. Izany dia fampahatsiahivana ny tantaran’ny Fikambanana nanomboka tamin’ny prezidà voalohany, Charles Russell, ka hatreo amin’ny fanorenana ny Sekolin’i Gileada. Ny rehetra dia mankasitraka ny lahateniny mahery sy mampiseho hafanam-po. Taorian’izany, ireo mpianatra 24 dia naharay ny diplaomany sy fanomezana vitsivitsy, avy eo ny anankiray tamin’izy ireny dia namaky taratasy iray nanambaran’ny mpianatra tamin-kafanam-po tamin’ny Kolejy foibe sy ny fianakavian’ny Betela ny fisaorany noho ny fanampiana nentin’izy ireo ho azy ireny.
Taorian’ny fiatoana naharitra ora roa teo ho eo, dia nitarika fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina i Phil Wilcox, anisan’ny komitin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana Watchtower, ka ireo mpianatra 24 no namaly ny fanontaniana. Avy eo dia anjaran’ny mpianatra ny nampiseho ny fandaharany: famerenana indray tarehin-javatra tena niainana rehefa nanao fanambarana tao New York izy ireo ny alarobia tolakandro, dia asa tafiditra tao amin’ny fampiofanana azy ireo. Nanao fampisehoana velona momba ireo fahasahiranana azony nantenaina fa ho hita any amin’ny faritaniny koa izy ireo.
Farany, dia namita tamin’ny fomba nahafinaritra ny fandaharana, ny fampisehoana tantara araka ny Baiboly nanaovana fitafiana nifanentana tamin’izany. Tao amin’ny fizarana roa nolalaovin’ny mpianatra, dia nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny androntsika, tamin’ny fampitahana azy tamin’ny fotoam-pitsarana hafa taloha. Tamin’ny 4 ora sy fahefany tolakandro io andro nahafinaritra io dia nifarana tamin’ny fanaovana ilay fihirana hoe “Ny fandrosoan’ilay teokrasia” sy vavaka nataon’i Milton Henschel, ao amin’ny Kolejy foibe.
[Sary, pejy 23]
Ireo nahazo diplaoma avy ao amin’ny kilasy faha-83 amin’i Gileada, Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower
Ao amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy atỳ aoriana ary ireo anarana, tononiny avy any ankavia miankavanana: 1) D. Melin; M. Goode; M. Ramos; N. Chan; A. Hermanson; D. Dagostini. 2) E. David; A. DiPaolo; D. Neiman; J. Shephard; M. Foster; R. Ramos. 3) W. Foster; D. Melin; D. Fristad; L. White; F. Dagostini. 4) D. Neiman; S. Ness; D. Shephard; J. Goode; K. White; L. Hermanson.