Ny taranaka misy ahy: tsy manam-paharoa sy manana tombontsoa ambony!
Nosoratan’i Melvin Sargent
AMIN’IZAO ANDRO IZAO, dia betsaka ny tanora teraka tao anatin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1896 anefa dia vitsy no nanana izany tombontsoa izany. Fony aho mbola kely, dia nampianatra ahy ny reniko mba hatahotra an’i Jehovah amin’ny fomba tsara sy hahatakatra ny vidin’ny soron’ny Zanany mba hanavotana antsika. Ny tenako àry dia anisan’ny taranaka tsy manam-paharoa sy manana tombontsoa ambony, efa elaela nisiana mba hahitana tamin’ny 1914 ny fanombohan’ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy, nefa angamba mbola somary tanora ka tsy ho velona rehefa hifarana izany amin’ny Haramagedona. — Matio 24:3, 33, 34.
Fiaingana tsara
Fony mbola zaza aho dia nahazo fanabeazana voamariky ny firaiketam-po sy ny fitiavana. Indraindray anefa izany fanabeazana izany dia nifono endriny sasany mety hoheverina fa mafy loatra amin’izao andro izao. Indray andro aho dia niara-nilalao tamin’ny zazalahy iray lehibe noho izaho izay, tsitapitapitr’izay dia nanomboka nampiasa teny vaovao tanteraka tamin’ny sofiko. Nandre ny resakay anefa ny reniko. “Teny ratsy tsy tokony hoteneninao mihitsy izany”, hoy izy tamiko, nampiasa teny maro mba hampahafantarana ahy ny amin’izany! Tsapako anefa fa izany fifehezana izany dia avy amin’ny fiheverany feno fitiavana, ary tsaroako ho nanontany tena aho hoe nahoana ny renin’i Jimmie no tsy nifehy azy. Moa ve tsy tena ampy fitiavana azy izy?
Izahay no nahaforona ny hany fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah tao Jewell County, any amin’ny Fanjakan’i Kansas. Tsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny raiko, kanefa nanana hatsaram-po izy nitarika niaraka taminay zanany, fampianarana Baiboly. Eva no voalohany, nanarakaraka azy Walter, zokiko enina ambin’ny folo volana. Isan-kariva, dia tsy maintsy nanampy tamin’ny fanasana lovia izahay. Raha nahita fialan-tsiny matetika i Walter mba hialana tamin’izany, izahay sy Eva kosa dia nanararaotra ireny fotoana isan’andro ireny mba hiresahana fahamarinana momba ny Baiboly; nifono soa àry ilay asa tsy mahafinaritra. Tatỳ aoriana, dia voamariko matetika fa ny olona izay nandositra ny andraikiny teo amin’ny fiainana dia very tombontsoa maro. Anisan’ireny i Walter, satria tatỳ aoriana dia niala tamin’ny fahamarinana izy.
Nanome vokatra tsara ny fanabeazana anay, indrindra fa ny 4 aogositra 1912, andro nandehananay sy Eva, nifoha talohan’ny vao mazava ratsy, enina ambin’ny folo kilaometatra tamin’ny kalesy kely mba handraisana ny fiarandalamby mankany Jamestown. Tany, ny mpivavaka mandeha lavitra iray, izany hoe Mpianatra ny Baiboly mpitety faritany, dia nandalo, ka hanatrika ny fivorianay voalohany tany ivelan’ny tranonay niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly izahay. Andro nanaovana batisa anay koa io andro io.
Na dia vao enina ambin’ny folo taona monja aza aho, dia nanontany an’ilay rahalahy mpandeha lavitra aho raha afaka ny ho tonga minisitra manontolo andro, na “colporteur” araka ny nilazana azy tamin’izany fotoana izany. Nanoro hevitra ahy izy mba hanoratra any amin’ny Fikambanana Watch Tower, kanefa noho izaho mbola nilaina tao an-trano, dia tsy maintsy niandry tamim-paharetana aho. Teo am-piandrasana ny hahafahako àry, dia nampiasa ny fotoana nahalalaka ahy aho mba hanampiana tsy tapaka ireo Mpianatra ny Baiboly tao Jamestown hizara trakitra tao amin’ireo tanàna sy ny manodidina azy 75.
Nanao fanambarana koa aho tamin’ny toe-javatra niseho hafa. Rehefa voantso tao an-tanàna noho ny raharaha ny tompon-tranonay ka nonina tao an-tranonay andro vitsivitsy, dia nametrahako trakitra iray izay azo antoka fa nanamarika azy izy. Nody tany an-tranony, tany Iowa anefa izy, ary tsy hitako nandritra ny telopolo taona. Rehefa hitako indray izy, dia tonga advantista ka tsy nahaliana azy ‘ny fivavahako’. Nitady olona mba hikarakara fananana anefa izy ka, noho ny tsy nahitany “kristiana marina” nitokisany mihitsy tao amin’ny fivavahany, dia nanatona ahy izy. Ny karama narotsany ho ahy dia nanampy ahy hijanona ho minisitra manontolo andro nandritra ny taona maromaro. Fampisehoana mahafinaritra ny voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 11:1 izany: “Atsipazo eny ambonin’ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.” Na izao tenin’i Jesosy izao koa: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.
Zavatra tsapa tsy hay hadinoina
Tamin’ny 1913 no nanatrehako fivoriambe voalohany. Nanaitra ny saiko ny nahita fanaovana batisa mpianatra vaovao 41 ary nahazo fampaherezana koa aho rehefa nieritreritra fa noho ny fandrosoako (vita batisa hatramin’ny folo volana aho) dia nanana fanantenana ny ho afaka hahazo ny “toetran’i Kristy” talohan’ny 1914, mba hahazoana antoka ny amin’ny ‘fiantsoana sy ny fifidianana ahy’. Ny zavatra hafa koa nanaitra ny saiko mafy, dia ny nahitana ribà mena sy mavo be dia be. Hazavaiko ny teniko: Ireo “colporteurs” nitady namana dia nitondra ribà mena, ary izay rehetra naniry hiaraka amin’izy ireny dia nitondra mavo.
Tamin’ny fivoriambe taona 1914, dia nanatrika ny fandefasana ny Photo-Drame de la création aho, ary hitako akaiky kokoa ny rahalahy Russell: fisehoan-javatra roa ho ahy. Nahay nandray olona tamin-kafanam-po tokoa ny rahalahy Russell ary nampiseho faniriana marina ny hampita hevitra mampahery tamin’ireo mpihaino azy. Nahatakatra ny fihevitry ny hafa izy ary vonona ny hihaino ireo izay tonga mba hamelabelatra taminy ny zavatra nitana ny sainy. Tsy nirehareha loatra anefa izy ka hoe tsy ho afaka hankamamy vazivazin-jatovo rehefa nisy fotoana nety tamin’izany. Indray takariva, dia nizara fandaharana momba ny Photo-Drame aho raha nandalo haingana dia haingana teo anoloako izy. Mody tsy nahalala azy aho ka nanolotra fandaharana iray ho azy. Saika hanohy ny diany izy, avy eo dia niverina sy nisaotra ahy sady nihomehy ka nampiseho tamiko fa takany ny vazivazy.
Farany, teo amin’ny faha-21 taonako, dia afaka nanomboka ny asan’ny “colporteur” aho. Nitohy efa ho hatramin’ny telo taona Ny Ady Lehibe Voalohany. Nitondra valizy sy tahirim-boky ary 30 dôlara tao am-paosy aho ka nitodi-doha ho any Nebraska niaraka tamin’i Ernest Leuba, namako be taona noho izaho, izay efa niasa taona maromaro tamin’ny naha-“colporteur”. Nisy andro niarahanay nandany fotoana nahafinaritra, tamin’ny fotoana hafa dia tsy nahafinaritra loatra. Ohatra, indray andro, dia tianay ny hampiasa fomba haingana mba hizarana boky. Nampanonta karatra izahay ho fanomezana ho an’ny olona fahafahana handinika maimaimpoana mandritra ny roa andro ny boky Le mystère accompli miaraka amin’ny fahafahana hividy izany aminay amin’ny sarany 60 cents amin’ny fitsidihanay manaraka. Indray maraina, dia nampindrana boky folo avy toy izany izahay. Rehefa afaka roa andro, dia olona fito no nividy tamiko ny azy ireo, fa anankiray monja tamin’i Leuba: nitory tao amin’ny faritany iray tena katolika izy. Mba hahafahana mahazo indray ny anankiray tamin’ireo bokiny, dia voatery niteny tamin’ny pretran’ilay paroasy izy satria tonga tao an-tranony. Tsy ela dia nifanaraka izahay fa tsy dia tsara manao ahoana ny fomba haingana nampiasainay ka aleo mandany fotoana misimisy kokoa hiresahana amin’ny olona.
Mazava ho azy fa kely dia kely ny vola nanananay; raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy maintsy nampiasa fahakingana izahay indraindray mba hanaovana fitsitsiana. Izany no nataonay rehefa nifindra ho any amin’ny faritany vaovao iray izahay, dia ho any Boulder, any Colorado. Nividy karatra iray izahay mba hahafahana ho tonga hatreo amin’ny fijanonana voalohany manarakaraka ny sisin-tanin’i Nebraska, avy eo dia nividy hafa iray izahay ho amin’ny tapany sisa amin’ny dia amin’ny fiarandalamby manaraka. Ny fandehanana avy amin’ny fanjakana iray mankao amin’ny hafa tokoa dia lafo kokoa noho ny fandehanana ao anatin’ireo sisin-tany, izay roa cents isaky ny maily (eo amin’ny 1 609 m). Tsy nianina tamin’ny fitsitsiana izahay fa nanararaotra izany fijanonana izany mba hanomezana fanambarana tampotampoka.
Ireo fahasahiranana vokatry ny ady sy dingana vaovao
Tonga teo amin’ny 1918 izahay, ary tena niditra tao amin’ny ady tokoa i Etazonia. Nisy tafiotram-panoherana ankarihary nipoaka ho fanoherana ireo Mpianatra ny Baiboly ary nampiseho ny tsy fitovian’ny saro-tahotra tamin’ireo tsy toy izany. Ny rahalahy sasany teo amin’ny taona fiantsoana ho miaramila, na dia tsy nety nanao izany aza noho ny feon’ny fieritreretana, dia nanaiky hanao asa ara-tafika tsy miady.
Rehefa nisoratra tamin’ny fanisana aho, dia nangataka fanafahana tamin’ny raharaha miaramila noho ny maha-minisitra ara-pivavahana. Araka ny fiheverako, dia mafy orina ny antony nomeko, ary nahemotra ny fiantsoana ahy ho miaramila mba handinihana indray ny amiko. Hafa noho izany ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ka nolaviny ny fangatahako. Nahatonga ahy ho afaka ny hijanona tao anatin’ny fahafahana anefa izany fampihemorana izany, satria teo anelanelan’izany dia tonga ny vanin-taom-pijinjana, asa nitana ny toerana voalohany nahatonga hanome ahy fampihemorana mandra-pahavitako izany, tao amin’ny toeram-pambolen’ireo ray aman-dreniko. Farany, dia noferana ho tamin’ny 15 novambra ny fiantsoana ahy. Vita ny 11 ny ady. Efatra andro no tsy nahatafiditra ahy tany an-tranomaizina.
Tsy afaka mora toy izany akory ny hafa izay nijoro mba hitana ny fialanalanany kristiana. Tafahaona tamin’ny anankiray tamin’izy ireny aho tamin’ny fivoriambe iray tany Denver. Nanazava tamiko ny antony naha-sola azy izy ka nitantara ny fomba namatoran’ny vahoaka nirehitra fatratra azy teo amin’ny hazo iray ka nandrarahany “goudron” mafana teo ambony lohany. “Ny ratsy indrindra dia ireo vehivavy.” Taorian’izany, hoy ny fanazavany taminay, dia tsy maintsy noharatana tanteraka ny lohany mba hanalana ny “goudron”. Avy eo, dia nitsiky be izy ka namarana ny tantara keliny tamin’izao teny izao: “Tsy ho tiako mihitsy ny tsy handalo tamin’izany.”
Noho izy ireo tsy naniry hanaiky lembenana mihitsy, ny sasany tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower dia nampidirina an-tranomaizina tsy ara-drariny. Tamin’ny 1919 anefa, raha mbola babo foana izy ireny, dia voafidy indray ho amin’ny raharaha notanany teo anivon’ny Fikambanana, ary izany dia na dia tao aza ny fanandraman’ireo mpivadi-pinoana haka ny toerany. Ireo rahalahy tsy nivadika dia nandray izany fifidianana indray izany ho mariky ny fankasitrahan’i Jehovah. Feno fifaliana izy ireo, nampaherezin’ny fahazoana ny fanahy masina indray, ka tapa-kevitra tsy nisy toy izany hanao dingana vaovao tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy hanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ny klerjy izay tsy niaro ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanomboka nanapaka izay rehetra mety ho fifamatorana tamin’i Babylona Lehibe izy ireny.
Niditra hiady àry i Etazonia nanomboka tamin’ny 6 aprily 1917 ary, ny 24 febroary 1918, ny rahalahy Rutherford dia nanonona voalohany ilay lahateny nampihetsi-po nitondra ny lohateny hoe “Olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”.
Mitondra fiovana ireo taona
Nandritra ny fito taona izahay sy Lydia Tannahill dia nitana fifandraisam-pisakaizana nefa tamin’ny fifanoratana fotsiny. Avy eo, tamin’ny 1921, rehefa avy nandinika ilay raharaha tao amin’ny vavaka izahay, dia noheverinay fa tsaratsara kokoa ny mandray ho anay ny fandeferana nataon’i Paoly izay na dia nanoro hevitra ny hijanonana ho mpitovo aza dia nilaza fa “izay manome ny maha-virijina azy ho amin’ny fanambadiana dia manao tsara”. (I Korintiana 7:38, MN.) Fanomezan’i Jehovah ny fanambadiana ary loharanom-pifaliana lehibe. Tsy ela anefa dia nisy zava-nanahirana nitranga. Ny fandehananay matetika dia nanaitra ny fanaintainan’ny ratra taloha tao an-damosin’i Lydia. Fa ny foko kosa, na dia nahatoky sy tia aza izy, dia niadam-piasa; araka ny filazan’ireo mpitsabo, izany dia “fo sasatra”. Tsy ampy ra àry aho. Reraka izahay sy Lydia. Notoroana hevitra izahay mba hiova toetr’andro sy hampihena ny fandehananay isan’andro. Tsara dia tsara ny “caravane” nanananay ka afaka nanaraka an’io torohevitra io izahay, ka noho izany dia nandany ny volana septambra 1923 teny an-dalana ho any Kalifornia.
Noho izaho anisan’ny taranaka iray nanana tombontsoa, dia nahita fahasambarana aho nanaraka ny fandrosoan’ny fandaminana hita mason’i Jehovah tao anatin’ireo taona. Teo aho rehefa nosantarina ny fizarazarana an’i Los Angeles ho faritany ho an’ny tsirairay rehefa natomboka ny fitoriana ny alahady, ary rehefa nandray ny anaranay vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’ny 1931. Toy inona moa ny fifaliana tamin’ny 1932 sy 1938, rehefa natao ireo fanovana niantoka ny fanendrena loholona tamin’ny fomba teokratika fa tsy demokratika intsony! Nahafaly ny nahazoana fanazavana ny amin’ny raharaha sarotra toy ny amin’ny fialanalanana sy ny fahamasinan’ny ra.
Na dia tsy nanao ny asan’ny “colporteur” intsony aza aho tamin’ny 1923, dia nitana fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra foana. Araka izany, tamin’ny 1943 dia azo nisaina ho anisan’ny mpitory maharitra mihamaro isa hatrany indray aho. Tamin’ny 1945 aza dia nanana fifaliana aho tonga mpitory maharitra manokana, dia asa notanterahiko nandritra ny sivy taona mandra-pamelin’ny ‘foko sasatra’ ahy indray. Hatramin’ny 1954, dia mpitory maharitra mandavantaona aho.
Naharitra 48 taona ny fanambadiako an’i Lydia. Avy eo, tamin’ny 1969, dia nahazo anjara raharaha vaovao i Lydia, dia lova “voatahiry any an-danitra” ho azy ary antenaiko horaisina koa amin’ny fotoana mety (I Petera 1:4). Na dia tsy niteraka mihitsy aza izahay dia mpivady filamatra araka ny iantsoan’ny maro azy. Nampalahelo ahy mafy izany famoizana izany, kanefa afaka nandresy izany aho tamin’ny fiasana foana ho an’ny tombontsoa teokratika. Tatỳ aoriana aho dia nanambady an’i Evamae Bell, anabavy fantatro hatramin’ny ela ary nanana fanandraman-javatra lehibe tamin’ny asan’ny mpitory maharitra. Namako nahatoky nandritra ny telo ambin’ny folo taona izy, avy eo dia maty koa izy.
Ny taranaka misy ahy: tsy manam-paharoa amin’ny karazany
Indraindray dia misy manontany ahy hoe: “Inona no nanamarika anao indrindra tao amin’ny fahamarinana?” Namaly tsy nisy fisalasalana aho hoe: “Ny nanatrehana tato anatin’ny taranaka misy ahy, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly nosoratan’olona nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra sy nanolo-tena ho azy, taonjato maro lasa izay.”
Maro amin’ireo niara-belona tamiko, mazava ho azy fa tany ivelan’ny fandaminan’i Jehovah, no niseho ho tsy misy hafa amin’ny nampahitan’ny Photo-Drame de la Création azy mialoha tamin’ny 1914: tia vola, fahafinaretana sy voninahitra. Fa izahay izay ao anatin’ny fandaminan’ny Tompo kosa, dia niezaka izahay mba hanintona ny sain’izy ireny ho amin’ny hafatra fiainana amin’ny fomba mety hisy rehetra: fitenenana fohy manaitra, pejy manontolo maro fampahafantarana ny maro, radiao, fiarakodia misy fanamafisam-peo, fônôgrafy, fihaonambe, filaharana mandeha an-tongotra mitondra soratra fampahafantarana ny maro, ary mpitory mihamaro hatrany mandeha isam-baravarana. Noho io asa io, dia nisy fiavahana teo amin’ny olona: etsy an-daniny, dia ireo izay manohana ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina, ary etsy an-kilany ireo izay manohitra izany. Izany no nambaran’i Jesosy ho an’ny taranaka misy ahy! — Matio 25:31-46.
Hatreo amin’ny fitepoany farany, ny ‘foko sasatra’ efa antitra dia tsy hitsahatra ny hiemponempom-pankasitrahana noho ny tombontsoa ananako, dia ny ho anisan’ny taranaka iray tsy manam-paharoa. Tsy hitsahatra ny hiemponempom-pifaliana izy eo anoloan’ny fahasambarana ananako ankehitriny mahita endrika an-tapitrisany maro hazavain’ny tsiky tsy hisy hanamaloka azy intsony mihitsy.
[Sary, pejy 23]
Melvin sy Lydia Sargent, mpitory maharitra tamin’ny 1921.
[Sary, pejy 24]
Melvin sy Evamae Sargent tamin’ny 1976.