Ny asa fitarihan’i Kristy amin’izao androntsika izao
“Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN ].” — MATIO 28:20.
1. Amin’ny heviny ahoana moa no azo ilazana fa nanankina ny “fananany” tamin’ireo mpianany Kristy?
TAMIN’NY fotoana handaozany azy ireo sy hiverenana ho any an-danitra, tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, Kristy dia “nanankina ny fananany” tamin’ireo mpianany. Ho tonga “iraka solon’i Kristy” àry izy ireo amin’ny fanohizana ny asa fitoriana natombony sy amin’ny fanitarana izany “hatramin’ny faran’ny tany”. Teo aloha, dia nomeny baiko izy ireo ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’. Moa ve isika manana porofo manamarina fa nihevitra ny fomba nanatontosan’ireo mpianany an’io asa nanirahana io izy? Izany dia izany tokoa. — Matio 25:14, MN; II Korintiana 5:20; Asan’ny apostoly 1:8; Matio 28:19, MN.
2. Inona no mampiseho fa nanara-maso akaiky ireo asan’ny kongregasiona tamin’ny taonjato I Kristy?
2 Enimpolo taona mahery taorian’ny niakarany, dia nasehon’i Kristy fa narahiny tamim-pitandremana ireo asan’ny kongregasiona kristiana teto an-tany. Tao amin’ny fanambarana nomeny ny apostoly Jaona, anisan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato I, dia nandefa hafatra izy ho an’ny kongregasiona fito tany Azia Minora. Izao no nambarany tamin’ny dimy tamin’izy ireny: “Fantatro ny asanao.” Afa-tsy izany koa, dia nasehony fa tsy nisy niafina taminy izay nitranga teo anivon’ireo roa hafa, dia ny an’i Smyrna sy ny an’i Pergamosy. Nanome fampaherezana sy torohevitra hentitra ho an’ny kongregasiona tsirairay avy izy. Tsy nisy aloky ny fisalasalana mihitsy fa ireny kongregasiona ireny dia nahalala hoe iza no Mpitarika azy niasa. — Apokalypsy 1:11; 2:1 ka hatramin’ny 3:22.
3. Natao ho an’iza moa raha ny marina ireo hafatra fito, ary inona no manaporofo izany?
3 Raha ny marina, ireo hafatra fito dia tsy natao ho an’ny kongregasiona fito tany Azia fotsiny. Ireo torohevitra tsara dia tsara sy ireo fampitandremana raketiny dia nihatra tamin’ny kongregasiona rehetra, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’ny fotoan’ny “Andron’ny Tompo” iainantsikaa. Ny mason’i Kristy, oharina amin’ny “lelafo”, dia tsy nitsahatra mihitsy ny nandinika izay mitranga eo anivon’ny “kongregasiona rehetra”. — Apokalypsy 1:10; 2:18, 23, MN.
Ny tompo sy ny mpanompony
4. Tamin’ny heviny ahoana moa Kristy no ‘nandeha ho any an-tany hafa’ sy niverina “nony ela”?
4 Rehefa avy nampitaha tena tamin’ny “olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy [nanankina taminy, MN ] ny fananany” Kristy dia izao no teny nanampiny: “Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ny volany.” (Matio 25:14, 19). Tamin’ny taona 33 Kristy dia “lasa ho any an-danitra” izay nipetrahany ‘teo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra’. (I Petera 3:22.) “Ary nony ela”, tamin’ny fotoana nanaraka ny nanendrena azy ho mpanjaka tamin’ny 1914, Kristy dia nanomboka ‘nanapaka teo amin’ny fahavalony’ tamin’ny fanjerana an’i Satana sy ireo demoniany teto an-tany (Salamo 110:1, 2; Apokalypsy 12:7-9). Taorian’izany, dia nikarakara ireo mpanompony izy. Tonga ny fotoana hampamoahana azy ireny. Mpitondra azy ireny niasa tsy mbola nisy toy izany Kristy.
5. Tamin’ny fotoana toy inona no natao ny fampamoahana, ary ahoana no namalian-tsoa ireo nahatoky?
5 Asehon’ny tantaran’ny olon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny fa tamin’ny 1918-1919 ny Tompo no nampamoaka ny sisa tamin’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy. Ny fanoharana ny amin’ny talenta dia manazava ny fomba tokony hanaovany izany. Ireny mpanompo ireny dia tokony hampamoahina isam-batan’olona ny amin’ny ho nampiasany ny fananany, “samy araka izay fahaizany avy” na fahafahany ara-panahy. Tamin’izany, ireo izay namokatra dia niditra tao amin’ny fifalian’ny Tompony izay nilaza tamin’izy ireo hoe: “Nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be.” — Matio 25:15, 20-23.
6. Nahaforona inona moa tamin’ny fitambarany ireny kristiana nahatoky ireny, ary inona no nankinin’ny Tompony tamin’izy ireo?
6 Hitan’ilay Mpanjaka nandray fiandrianana fa ireny kristiana voahosotry ny fanahy ireny dia iraka nahatoky sy naniry hanao mpianatr’i Kristy, Tompon’izy ireo. Tamin’ny fitambarany izy ireo dia fantatra ho ny “mpanompo” izay ny aminy no nilazan’ny Tompony hoe: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” — Matio 24:45-47.
7. a) Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe nitombo ny ‘fananan’i Kristy’ nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no mampiseho fa Mpitarika miasa koa Kristy ho an’ny “ondry hafa”?
7 Nitombo ny ‘fananan’i Kristy’ nanomboka tamin’ny 1914, fotoana nanomezana azy ny “fahefana hanjaka”; nanankinana fahefana lehibe kokoa sy andraikitra lehibe kokoa àry izy (Lioka 19:11, 12). Voalohany indrindra dia nanomboka nanangona ny sisa tamin’ireo “zanaky ny fanjakana” izy, dia ireo kristiana voahosotra 144 000 izay “navotana avy tamin’ny olona” mba ho tonga mpanjaka sady mpisorona miaraka aminy any an-danitra (Matio 13:38; Apokalypsy 14:1-4; 5:9, 10). Manaraka izany, araka ny porofoin’ny tantara, tamin’ny 1935 izy dia nanomboka nanangona “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”, izay ny aminy no nahatonga azy hilaza hoe: “Ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko.” (Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16). Izy tokoa no Ilay manangona ireny “ondry” ireny ary tonga Mpitarika azy ireny miasa. Azo atao ny manamarika fa ny dikan’ny teny grika ara-bakiteny dia hoe “ary ireo, dia ilaina [ho] ahy ny mitarika azy”. Ahoana no anaovan’i Kristy asa fitarihana ny ‘ondriny’ rehetra amin’izao andro izao?
Mpiandraikitra an-tanana ankavanan’i Kristy
8, 9. a) Inona moa no fahitana azon’ny apostoly Jaona? b) Nampiseho inona moa ireo fanaovan-jiro fito sy ireo kintana fito?
8 Ny apostoly Jaona, anisan’ny kolejy foiben’ny kongregasiona voalohany dia nahazo fahitana, ka tamin’izany izy dia “nahita fanaovan-jiro volamena fito; ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona (...) Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy”. Nanazava toy izao tamin’i Jaona i Jesosy Kristy: “Ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.” — Apokalypsy 1:12-20.
9 Ilay boky hoe “Alors sera consommé le mystère de Dieu” dia manao izao famoaboasana izao momba, an’io andinin-teny io: “Moa ve izany ‘anjely’ tsy hita maso? Tsia. Ny apostoly Jaona dia nahazo ny Fanambarana rehetra nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny alalan’ny anjelin’ny lanitra iray; koa tsy ho araka ny fandrindran-kevitra ny hieritreretana fa tokony hanoratra ho an’ny anjely monina any amin’ny faritra tsy hita maso izy. Tsy mila ireo hafatra nalefa ho an’ny kongregasiona fito tany Azia ireo anjely. Ny dikan’ny anaram-boninahitra hoe ‘anjely’ amin’ny heviny ara-bakiteny dia ‘iraka na mpitondra hafatra’. (...) Ireo kintana ara-panoharana fito ireo dia aseho ho eo an-tanana ankavanan’i Jesosy, ka mampiseho izany fa eo ambany fiambenany sy fitarihany izy ireny, ka ny ‘tanany ankavanana’ na fahefana ampiharina dia afaka mitarika azy ireny sy miaro azy. (...) Koa satria ireo ‘fanaovan-jiro fito’ hita tao amin’ny fahitana momba ny ‘Andron’ny Tompo’ mampiseho ny fitambaran’ireo tena kongregasiona kristiana eto an-tany hatramin’ny nanombohan’ny tena ‘Andron’ny Tompo’ tamin’ny 1914, ireo ‘kintana fito’ dia mampiseho ny fitambaran’ireo mpiandraikitra nateraky ny fanahy sy voahosotra, ireo ‘anjelin’ny’ kongregasiona ankehitrinyb.” — Pejy faha-108 ka hatramin’ny faha-111.
10. ‘Fananana’ mitombo inona moa no nankinina tamin’ny mpanompo?
10 Ireo mpiandraikitra voahosotry ny fanahy izay eo an-tanana ankavanan’i Kristy dia samy anisan’ny fitambaran’olona “mpanompo” izay notendreny hikarakara “ny fananany rehetra”. Koa satria ny tenan’ny Tompon’izany mpanompo izany nahazo andraikitra lehibe kokoa nanomboka tamin’ny 1914, “ny fananany rehetra” dia tokony hampiseho ho an’ny mpanompo, zavatra betsaka lavitra noho ny tamin’ny lasa. Voalohany indrindra, noho izy ireo “iraka solon’i Kristy”, ankehitriny ireo anisan’ny sisa dia ambasadaoron’ny Mpanjaka efa nandray fiandrianana iray mampihatra ny fahefany eo amin’ny Fanjakana voaorina iray (II Korintiana 5:20). Nahazo andraikitra izy ireny hitantana ny fananana ara-panahin’ny Tompo eto an-tany rehetra. Ilain’izy ireny ny miasa mifanaraka amin’ireo faminaniana izay tokony ho tanteraka manomboka amin’ny fiorenan’ilay Fanjakana, dia faminaniana mirakitra fanambarana mialoha ny amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity (...) amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona”. (Matio 24:14, MN.) Tena vao mainka tokony hanohy hanao “mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra” izy ireny, ka hanangona amin’izany “olona betsaka” tsy tambo isaina. (Matio 28:19, 20, MN; Apokalypsy 7:9.) Ireny “irin’ny firenena rehetra” ireny tokoa dia anisan’ny ‘fananan’i’ Kristy mitombo eto an-tany. — Hagay 2:7.
11. a) Mitarika inona ny fitomboan’io ‘fananana’ io? b) Iza moa no mitarika ny asa, ary amin’ny fomba ahoana?
11 Ny fitomboan’izany fananana izany dia mitarika asa bebe kokoa ho an’ny fitambaran’olona “mpanompo” ka nanokatra sahan’asa midadasika kokoa, satria mitatra ara-bakiteny amin’ny “tany onenana manontolo”. Izany koa dia mitaky trano lehibe kokoa ho an’ny foibe sy ireo sampana andaminana ny asa sy anontana pirinty ireo zavatra vita an-tsoratra ary izarana izany ho amin’ny fitoriana sy ny fianarana manokana. Toy ny tamin’ny taonjato I, io asa io dia tanterahina eo ambany asa fitarihan’i Jesosy Kristy izay, ara-panoharana, dia ‘eo afovoan’ny fanaovan-jiro’ na kongregasiona. Mitarika ireny kongregasiona ireny izy amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra voahosotry ny fanahy, izay tanany ara-panoharana ‘eo an-tanany ankavanana’. (Apokalypsy 1:13, 16.) Toy ny tamin’ny andron’ny kristianisma voalohany, dia misy antokon’ireny mpiandraikitra voahosotry ny fanahy ireny mahaforona ny Kolejy foibe hita mason’ny kongregasionan’i Kristy eto an-tany. Ny ‘tanana ankavanan’i Kristy’, dia ny fahefany miasa, no mitarika ireny lehilahy mahatoky ireny izay miandraikitra ny asan’ilay Fanjakana.
Noho ny fanahy masina
12, 13. a) Rehefa heverina amin’ny fitomboana lehibe hitan’ny asa, inona moa no fanontaniana mipetraka? b) Ahoana moa no ampiasan’i Kristy ny fanahy mba hanomezana ho an’ireo mpianany ny mpiandraikitra ilain’izy ireo?
12 Miisa ho telo tapitrisa mahery izao ny “ondry hafa” voalamina ho kongregasiona eo amin’ny 52 000; mazava àry fa mila fanampiana ny sisa voahosotra mba hikarakarana ny fananan’ny Tompo eto an-tany. 9 000 latsaka ny olona, anisan’izany ny vehivavy maro, mandray ny marika amin’ny Fahatsiarovana. Araka izany, dia tsy misy mpiandraikitra voahosotra iray akory aza isaky ny kongregasiona. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa Jesosy Kristy dia tsy mikarakara ireo kongregasiona tsy manana “kintana” mihitsy, na ‘anjely’ voahosotry ny fanahy?
13 Azo antoka fa tsy izany! Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia tamin’ny alalan’ny fanahy masina no nitarihan’i Kristy ny kongregasionany tamin’ny taonjato I. Amin’izao andro izao, dia ampiasainy ireo anisan’ny Kolejy foibe nateraky ny fanahy, mba hanendry mpiandraikitra fidina eo amin’ireo “ondry hafa”. Ireo dia tokony hanana toetra sahala amin’ny an’ireo mpiandraikitra voahosotry ny fanahy, dia toetra voatonona, ankoatra ny hafa, ao amin’ny I Timoty 3:1-7 sy ao amin’ny Titosy 1:5-9. Teo ambany fitarihan’ny fanahy masina no notononina ireo fepetra takina ireo. Ao amin’ny vavaka sy tarihin’ny fanahy masina no anolorana sy anendrena ireo loholona. Na dia tsy voahosotry ny fanahy aza ireny loholona ireny, dia mihatra mafy aminy koa ny torohevitr’i Paoly manao hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina.” — Asan’ny apostoly 20:28.
14. a) Ahoana moa no efa ahatanterahan’ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Isaia 32:1, 2 amin’izao androntsika izao? b) Milaza inona moa ny hoe tokony haneken’ny loholona rehetra ny ‘tanana ankavanan’i Kristy’?
14 Araka izany, ao amin’ny kongregasiona an’aliny maro, Jesosy Kristy Mpanjaka marina efa nandray fiandrianana dia mifidy eo amin’ireo “ondry hafa”, “mpanapaka” mba hiaro ireo mpanompony amin’ny rivotra, ny ranonoram-baratra sy ny fahamainana amin’ny heviny ara-panahy (Isaia 32:1, 2). Ireo loholona, na anisan’ny mpikambana voahosotra izy na anisan’ny “ondry hafa”, dia manahaka an’i Davida izay, taloha, dia nivavaka toy izao tamin’i Jehovah: “Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” (Salamo 143:10). Ary dia mihaino ny vavaka ataon’izy ireny Jehovah. Omeny azy ireny ny fanahiny amin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy, izay mampiasa amim-paharisihana an’io fanahy io mba hitarihana ireo mpianany. Mazava ho azy fa ny loholona rehetra dia tokony hanaiky ny ‘tanana ankavanan’i Kristy’, izany hoe ny fitarihany sy ny fahefany. Mampihatra izany fitarihana izany sy izany fahefana izany izy amin’ny alalan’ny fanahy sy ireo mpikambana nateraky ny fanahy mahaforona ny Kolejy foibe.
Noho ireo anjely
15. Fomba hafa inona koa moa no ampiasain’i Kristy mba hanaovana asa fitarihana ireo mpianany velona eto an-tany?
15 Nasehon’ny lahatsoratra teo aloha fa nampiasa ireo anjely i Jesosy mba hitarihan-dalana sy hanafahana ireo kristiana voalohany, ary hanampiana azy ireny eo amin’ny fitoriany. Ho araka ny fandrindran-kevitra ve ny hieritreretana fa tsy mampiasa azy ireny intsony Jesosy Kristy Mpanjakantsika efa manapaka mba hanaovana asa fitarihana ireo mpianany amin’izao andro izao? Tsia, tsy vitan’ny hoe tsy ho araka ny fandrindran-kevitra izany, fa hifanohitra amin’ny Soratra Masina koa.
16, 17. Inona moa no porofo manamarina ny fampiasan’i Kristy ireo anjely mba hijinja ny “zanaky ny fanjakana” sy mba hanangonana ny “ondry hafa”?
16 Tao amin’ny fanoharany ny amin’ny ahidratsy sy ny vary, dia nasehon’i Jesosy fa ny fijinjana dia tokony ho tonga amin’ny ‘fifaran’ny fandehan-javatra’ izay nanomboka tamin’ny 1914. Mandritra ny fijinjana, ireo “zanaky ny fanjakana” dia hosarahina amin’ny “zanak’ilay ratsy”. Iza no hampiasain’ny Tompo mba hiasa ao amin’io fijinjana io? Ny tenany mihitsy no milaza amintsika toy izao: “Ny mpijinja dia anjely.” Avy eo, dia hoy ny teny nanampiny: “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka.” (Matio 13:37-41). Eny, mampiasa anjely Kristy mba hiarovana ireo anisan’ny rahalahiny miaina eto an-tany.
17 Fa ahoana ny amin’ny “ondry hafa”? Mampiasa anjely ve Kristy mba hanangonana azy ireny? Izany indrindra! Izao no ambarany ao amin’ny fanoharany ny amin’ny ondry sy ny osy: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” (Matio 25:31, 32). Ao amin’io asa fanavahana io dia mampiasa ireo anjeliny Kristy. Toy ny nitarihan’ny anjely iray ny dian’i Filipo ho any amin’ilay eonoka etiopiana, dia toy izany koa fa amin’izao andro izao ny zavatra rehetra dia manaporofo fa mampiasa ireo anjeliny Kristy mba hitarihana ny dian’ireo Vavolombelony ho any amin’ny olona manana fon’ondry. Ary maro tamin’ireny olona ireny no nanaporofo fa vao avy nivavaka izy mba hahazoana fanampiana, raha nandondòna tao am-baravarany ny Vavolombelona iray. — Asan’ny apostoly 8:26, 27.
Fitokisana tanteraka ny fitarihan’i Kristy
18, 19. Miantoka inona ho antsika moa ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny taonjato I?
18 Tamin’ny taonjato I, ny toe-javatra niseho dia tsy nanome foana an’i Kristy fahafahana hampiasa ny kolejy foibe tany Jerosalema mba handaminana raharaha manokana. Fony tany avaratr’i Azia Minora i Paoly, nitokana sy tsy nahalala izay faritany tokony hosokafany hanaovana fitoriana, dia nomen’i Kristy toromarika tamin’ny alalan’ny fanahy izy (Asan’ny apostoly 16:6-10). Amin’izao andro izao, dia fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ireo anisan’ny rahalahiny rehetra tsy afaka mifandray vetivety amin’ny Kolejy foibe noho ny fanenjehana dia mandray soa foana amin’ny asa fitarihana ampiharin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanahy sy ireo anjely.
19 Nety ho sarotra tamin’ireo kristiana voalohany tamin’izany fotoana izany ny nahatakatra ny fanapahan-kevitra sasany nataon’ny kolejy foibe. Tsy isalasalana fa izany no nitranga fony Paoly naverina ho any Tarsosy na fony nasaina nankany amin’ny tempoly izy (Asan’ny apostoly 9:30; 21:23-25). Kristy mihitsy anefa no fototr’izany fanapahan-kevitra izany (Asan’ny apostoly 22:17-21; 23:11). Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny taonjato I, dia afaka matoky isika: izay rehetra mitranga amin’ireo mpianatr’i Kristy ka avelany hisy dia mifanaraka amin’ny fikasana ambony iray.
20. Inona moa no inoantsika mafy, ary vonona ny hanao inona isika?
20 Noho izany, rehefa mamaky ao amin’ny Baiboly isika fa Kristy no “Lohan’ny tena, dia ny fiangonana [kongregasiona, MN ]”, dia mino mafy isika fa tsy ataotao foana akory izany teny izany (Kolosiana 1:18). Fantatsika noho ny fanandraman-javatra fa tena Mpitarika Kristy ary manao asa fitarihana ireo mpanompony izy. Rehefa mamaky ny bokin’ny Asan’ny apostoly isika ka mahita ny fomba nitarihan’i Kristy ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’ny kristiana voalohany, dia tsapantsika fa manao toy izany izy amin’izao andro izao. Manana porofo isika fa mampiasa ny fanahy masina, ny anjely, ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” mbamin’ny Kolejy foibeny izy mba hanendrena loholona izay mahafeno ireo fepetra ara-panahy takina. Matoky ny asa fitarihan’i Kristy isika, ka tapa-kevitra ny hanohy ‘hilaza ny marina’ sy hitombo amin’ny fitiavana “amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy”. — Efesiana 4:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha irinao ny hahazo fanazavana feno kokoa momba ireo hafatra fito ireo sy ny fampiharana azy, dia mba jereo ilay boky hoe “Alors sera consommé le mystère de Dieu” (toko faha-7 ka hatramin’ny faha-14), navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Nitondra fanazavana fanampiny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jona 1972 (BI 4/72 p. 20), araka izao: “Rehefa niresaka ny amin’ny ‘anjely’ nasehon’ny kintan’ny lanitra iray i Jesosy Kristy Tompo nomem-boninahitra dia azo antoka fa tsy nanondro loholona, presbytera, mpiandraikitra na mpiandry manokana izy tamin’izany, fa tsy isalasalana ny nanondroany ny “fitambaran’ireo loholona” rehetra. (...) Ny “fitambaran’ireo loholona” (na presbytera) tany Efesosy dia tokony hanao toy ny kintana, amin’ny fanaparitahana fahazavana ara-panahy sy avy any an-danitra, ao anatin’ny kongregasiona nanendren’ny fanahy masina azy ho mpiandry.”
Aoka ho tadidiantsika ny ambangovangony
◻ Inona moa no manaporofo fa nanara-maso akaiky ireo asan’ny kongregasiona tamin’ny taonjato I Kristy?
◻ Iza moa no notendren’i Kristy hitandrina ny “fananany” rehetra ary inona moa izany ‘fananana’ izany?
◻ Mampiseho inona moa ireo kintana fito teo an-tanana ankavanan’i Kristy?
◻ Ahoana no ampiasan’i Kristy ny fanahy masina, ireo anjely sy ireo mpikambana voahosotra ao amin’ny Kolejy foibe mba hitarihana ny kongregasionany amin’izao androntsika izao?
◻ Nahoana moa isika no afaka matoky tanteraka ny fomba itarihan’i Kristy ny fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao?
[Efajoro, pejy 20]
Noho ny ady, ny fikomiana, ny fanenjehana ankarihary na ny fandraran’ireo manam-pahefana ofisialy, dia mety ho tsy afaka ny hanohy hanaraka ny fanompoam-pivavahana kristiana amin’ny fomba voalamina tanteraka ianao. Mety hisakana tsy handamina fivoriana lehibe ao anatin’ny faritry ny kongregasiona ny tarehin-javatra. Angamba ho tapaka vetivety ny fifandraisana amin’ny biraon’ny sampana ary ho toy izany koa ireo fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mety tsy haharay boky vaovao intsony ianao. Raha izany no mitranga, inona no tokony hataonao?
Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanarahana ny fanompoam-pivavahana madio ao anatin’izany toe-javatra sarotra izany. Tokony ho azo atao ny hianatra ny Baiboly isam-batan’olona. Mandrakariva, dia afaka mivory ao amin’ny tokantrano iray ny antokon-drahalahy vitsy mba hianatra ny Soratra Masina. Hampiasaina amin’izay ny Baiboly sy ireo boky nianarana taloha. Aoka ianao tsy ho very hevitra na hanahy be loatra. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia azo atao ny mifandray haingankaingana amin’ireo rahalahy tompon’andraikitra. Miezaka ny Kolejy foibe mba hahita fomba hifandraisana amin’ireo rahalahy.
Kanefa, na dia tafasaraka tanteraka amin’ny rahalahinao kristiana rehetra aza ianao, dia aza hadinoina fa tsy tafasaraka amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany akory ianao. — Organisés pour bien remplir notre ministère, pejy faha-167.
[Sary, pejy 17]
Eo afovoan’ireo kongregasiona amin’ny heviny ara-panoharana Kristy ary mitana ireo mpiandraikitra eo an-tanany ankavanana.