FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/10 p. 32
  • “Tokony hisy fanomezana valisoa noho io boky io”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tokony hisy fanomezana valisoa noho io boky io”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/10 p. 32

“Tokony hisy fanomezana valisoa noho io boky io”

Voaray avy any New Jersey, any Etazonia izao taratasy manaraka izao:

“Tompoko,

“Tsy ela izay, dia nahazo fahafinaretana aho namaky ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Sendra hitako tany am-piasana izy io, tao amin’ilay efitrano nanomanako ny taratasy halefa. Nahavariana ahy ara-bakiteny izy io. Mendrika hoderaina ny olona izay nahavita an’io boky tsy manam-paharoa io. Midera azy ireny amim-pahatsorana aho, ary tsy mba toetrako ny manao teny fiderana tsy misy antony.

“Manana zanakavavy kely roa mahafatifaty iraika ambin’ny folo taona sy fito taona izay mianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra aho. Matoky aho fa ho sarobidy amin’izy ireo tokoa io boky io. Ambonin’izany, izy io dia voasoratra mazava tsara tokoa amin’ny sora-baventy; tonga lafatra izy io ho an’ny raiko be taona. Tokony hisy fanomezana valisoa noho io boky io satria mahafinaritra aoka izany ireo sary miloko ao anatiny ary araka ny fanaon’ny mpampianatra ny namoronana azy. (...) Aza fady mba lazao amiko ny hoe aiza ary amin’ny fomba ahoana no hanafarana azy io. Ho tiako ny hahazo telo aminy; andefaso taratasy fanafarana vitsivitsy aho ary lazao haingana araka izay azo atao ny vidiny.”

Afaka mahazo anankiray amin’io boky mahafinaritra io ianao; amin’izany dia fenoy sy avereno ny tapakila eto ambany, amin’ny fampiarahana aminy ny vola 1 500 FMG.

Aza fady mba alefaso amiko tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy ilay boky 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Indro alefako ny vola 1 500 FMG amin’ny adiresin’ny Fikambanan’ny mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, Antananarivo 101.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara