FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/7 p. 3
  • Persona tena misy tokoa ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Persona tena misy tokoa ve Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Manao Ahoana Izany Andriamanitra Izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manerana Izao Rehetra Izao ve Andriamanitra?
    Mifohaza!—2005
  • Ahoana no hamantarana an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Iza moa Andriamanitra?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/7 p. 3

Persona tena misy tokoa ve Andriamanitra?

“TSY MAINTSY misy Andriamanitra iray”, izany no novakina tao amin’ny Daily Express tamin’ny 14 aogositra 1981. Nitantara ny amin’ny toa fiovam-pinoan’ny manam-pahaizana roa fanta-daza io gazety io. Nahazo io finoana vaovao io izy ireo rehefa avy nahatsapa ny tena tsy fetezana ara-matematikan’ny fipoiran’ny fiainana ho azy. Nefa inona no tian’ireo mpino vaovao ireo holazaina amin’ny hoe “Andriamanitra”? Nanambara toy izao io gazety voalaza etsy ambony io: “Andriamanitra, araka ny hevitr’izy ireo, DIA izao rehetra izao.”

Raha mino an’Andriamanitra ianao, ahoana moa no fiheveranao manokana azy? Heverinao ho toy ny saina tsy voafaritra iray koa ve izy, hery iray tsy hita maso nefa misy hatraiza hatraiza, “Zavatra” lehibe iray? Sa mihevitra azy ho toy ny Persona voafaritra tsara iray sy manan-tsaina ianao?

Sarotra amin’ny sasany ny misaintsaina an’Andriamanitra ho toy ny Persona iray. Mety hanana fihetseham-po mihitsy aza izy ireo fa ny fiheverana azy ho toy izany, dia mampidina azy amin’ny laharan’ny olombelona tsotra, mampietry azy amin’ny endrika omen’ny ankizy ny Mpamorona, dia toy ny antidahy iray misy volombava fotsy sy lava, manao akanjo misy satroka ary mipetraka eo ambony rahona iray; na koa, amin’ny endriky ny lehilahy antitra iray nofosana sy matanjaka mihevaheva eny amin’ny rivotra, izay nasehon’i Michel-Ange tamin’ny sary sokitra malazany mandravaka ny ati-tafon’ny trano fiangonana kely Sixtine.

Marina fa amin’ny fandrenesana ny teny hoe “persona” dia angamba mieritreritra avy hatrany olombelona iray isika. Ohatra, Le Grand Robert de la langue française dia manome heviny ny teny hoe “persona” ho “olona iray amin’ny karazana olombelona”. Nefa manome koa izao heviny izao izy: ‘olona iray noho izy manana fieritreretana, fitohizan’ny fiainana ara-tsaina, ary amin’ny ara-pitondrantena, ny fahafahana manavaka ny tsara amin’ny ratsy’. Azo atao àry ny mihevitra ara-drariny fa Andriamanitra dia Persona iray, nefa tsy mampiseho azy amin’ny endrik’olombelona iray.

‘Nefa inona no mampiavaka izany, hoy ny fanoheran’ny sasany, raha heverina ho toy ny hery tsy azo tsapain-tanana iray na toy ny Persona iray Andriamanitra?’ Ary, raha toa Andriamanitra ka tsy inona fa hery iray, “Zavatra”, tsy milaza ve izany fa ny fiainan’olombelona koa dia tokony ho toy izany, araka ny fandehan’ny milina iray? Amin’izay ny olona dia tsy ho inona fa “foto-javatra iray”, kojakoja iray anaty milina lehibe iray. Mifanohitra amin’izany, raha toa Andriamanitra ka Persona manan-tsaina iray, moa tsy misy heviny kokoa ve ny fiainana? Raha ny tena izy, izany dia manokatra ho antsika fahafahana hanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra, tsy amin’ny fifandraisan’ny “foto-javatra” roa, fa amin’ny persona roa.

Tena miharihary, fa hirina tokoa ny hanana fifandraisan’ny samy persona amin’Andriamanitra. Nefa ahoana aloha no fomba hahafantarana fa Andriamanitra dia Persona iray? Ary raha toy izany izy, ahoana no ahafahana manana fifandraisana aminy? Aoka hojerentsika izay azon’ny Baiboly ampahafantarina antsika momba an’io foto-kevitra io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara