FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/7 p. 4-7
  • Ahoana no hamantarana an’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no hamantarana an’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly: ilay bokin’Andriamanitra
  • Aoka hanana fahalalana lalina an’Andriamanitra isika
  • Mampifanakaiky antsika amin’Andriamanitra ny famakiana ny Baiboly
  • Ny soa lehibe azo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra
  • Inona no Hanampy Anao ho Lasa Naman’Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza moa Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?
    Manatòna An’i Jehovah
  • Tsy Manan-tsahala Ireo Toetran’Andriamanitra
    Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/7 p. 4-7

Ahoana no hamantarana an’Andriamanitra?

MINO ny sasany fa misy hatraiza hatraiza Andriamanitra, misy azy eny amin’ny kintana sy planeta, eny amin’ny avana, eny amin’ny elatry ny vorona, ao amin’ny singan’ahitra iray. Nefa ny Baiboly dia mampianatra fa Andriamanitra dia Persona iray, monina amin’ny toerana voafaritra iray. Solomona mpanjaka hendry dia nanambara tao amin’ny vavaka iray tamin’Andriamanitra hoe: “Dia henoy any an-danitra fonenanao”. Ary ny boky araka ny Baibolin’Isaia dia milaza ireto teny notononin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ireto manao hoe: “Ny lanitra no seza fiandrianako”. — I Mpanjaka 8:49; Isaia 66:1.

Na dia tsy hita ao amin’ny zavatra noforoniny aza ny tenan’Andriamanitra, ny endriky ny maha-izy azy dia hita taratra ao amin’izany. Nanantitrantitra izany hevitra izany ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 1:20: “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao; fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” Nanoratra toy izao koa Davida mpanao salamo: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tanany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” — Salamo 19:1, 2.

Asandrato ny masonao amin’ny alina feno kintana ka saintsaino vetivety ny amin’ny fahendrena sy ny hery goavana nilaina mba hamoronana sy hampaharetana izao rehetra izao (jereo Isaia 40:26). Ny famoronana dia tsy azo lavina fa loharano tsy mety ritra raha ny amin’ny fanomezana filazalazana momba ny maha-Izy an’Andriamanitra. Sady tsy ho takatry ny olona tanteraka na oviana na oviana ny fanambarana makotroka ataony momba ireo fomba sy ireo toetran’ny Mpamorona. Mampahatsiahy antsika toy izao tokoa mantsy ny bokin’i Joba: “Indro, ireny dia vao sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary ny siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy!” (Joba 26:14). Hoy ny ohabolana tranainy soedoa iray: ‘Ny tompony dia lehibe noho ny asany.’ Raha toa àry ka manambara fahalehibeazana, fahendrena ary hery ny zavatra noforonina, dia tokony mbola ho lehibe kokoa, hendry kokoa ary mahery kokoa ihany Andriamanitra.

Ny Baiboly: ilay bokin’Andriamanitra

Araka izany, dia manolotra ho antsika filazana maro momba an’Andriamanitra ny famoronana. Kanefa, moa ve afaka mampahalala anao ny anaran’Andriamanitra ny fandinihana ny famoronana? Hasehony anao ve hoe fikasana inona no miafina ao ambadiky ny famoronana na hoe nahoana ny Mpamorona no mamela ny faharatsiana hisy? Mba hahalalana ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia tsy ampy ny mandinika ny zavaboary hita mason’Andriamanitra. Soa ihany fa nataony izay hiraketan’ny Baiboly filazana ny aminy.

Na aiza na aiza ao amin’io boky io, Andriamanitra dia tsy aseho ho toy ny saina tsy azo tsapain-tanana sy tsy azo faritana na toy ny hery iray misy amin’ny toerana rehetra. Ao amin’ny Asan’ny apostoly 3:19, (MN ), dia misy firesahana ny amin’ny “person’i Jehovah”. Rehefa natsangany tamin’ny maty Jesosy Kristy zanany, dia niditra tany an-danitra tokoa izy, hoy ny fanamafisan’ny Baiboly, mba hiseho “eo anoloan’ny person’ [ara-bakiteny, ny “tarehin’ ”]Andriamanitra”. (Hebreo 9:24, Kingdom Interlinear.) Rehefa niresaka ny amin’Andriamanitra na nivavaka taminy Jesosy, dia tsy nanao azy na oviana na oviana ho Hery lehibe, Saina tsy misy fetra na anarana hafa manjavozavo. Mifanohitra amin’izany, nantsoiny matetika ho toy ny Rainy any an-danitra izy, fitenenana izay ahatsapana ny halalin’ny fifandraisana mampifamatotra azy amin’Andriamanitra. — Matio 5:48; 6:14, 26, 32.

Noho izany, Andriamanitra dia tsy “Zavatra” tsy fantatra, fa Persona iray manana anarana. Hoy ny Salamo 83:18: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Marina, fa ny Baiboly dia manome koa ho an’Andriamanitra anaram-boninahitra na mpamaritra anarana toy ny hoe: “Tsitoha”, “Mpanjaka tsy manan-taloha”, “mpamonjy”, “Mpiandry”, “Fahagola”, “mpitandrina”, “Mpampianatra lehibe”, “Mpanao lehibe”, “Vatolampy”. (Rota 1:20; I Timoty 1:17; Isaia 43:11; Salamo 23:1; Daniela 7:9, 13, 22; I Petera 2:25; Isaia 30:20; 54:5; Deoteronomia 32:4.) Nefa, ireo teny ireo dia mampiharihary endriny hafa amin’ny maha-izy an’Andriamanitra, toy ny maha-tsitoha azy, ny fiahiany feno fitiavana ny vahoakany sy ny fahendreny tsy hita lany.

Koa satria Persona iray Andriamanitra, dia manana zavatra tiana, zavatra ankahalaina ary na dia fihetseham-po koa aza izy. Ambaran’ny Baiboly fa tia ny olony Andriamanitra (I Mpanjaka 10:9), mifaly amin’ny asany izy (Salamo 104:31), mankahala ny fanompoan-tsampy izy (Deoteronomia 16:22) ary malahelo noho ny faharatsiana izy (Genesisy 6:6). Ambonin’izany, ao amin’ny I Timoty 1:11, dia antsoina hoe “Andriamanitra finaritra” izy.

Aoka hanana fahalalana lalina an’Andriamanitra isika

Tsy azo lavina, fa tsy misy sain’olombelona ampy fahalehibeazana afaka hitahiry ny fanambarana rehetra momba ny maha-izy an’Andriamanitra. “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’ ” (Romana 11:33, 34). Nefa, amin’izay manana finoana, Andriamanitra dia tena misy tokoa tahaka ny fisian’ny olona hafa iray. Ambaran’ny Baiboly fa “niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa”, toy ny hoe tena teo akaikiny Jehovah (Genesisy 6:9). Ankoatr’izany, dia tena nisy tokoa Andriamanitra tamin’i Mosesy hany ka ‘toy ny nahita Izay tsy hita izy’. (Hebreo 11:27.) Ary ambara ho toy ny “sakaizan’Andriamanitra” Abrahama. — Jakoba 2:23.

Marina tokoa aloha, fa nampahafantatra ny tenany manokana tamin’i Noa sy Abrahama ary Mosesy Andriamanitra. ‘Raha mba niseho tamiko tamin’izany fomba izany Andriamanitra, hoy angamba ny sasany, dia tena ho nisy ho ahy koa izy.” Nefa aza hadinoina fa tsy nanana ny Baiboly teo am-pelatanany ry Noa sy Abrahama ary Mosesy. Tsy nahafantatra an’i Jesosy Kristy na ireo faminaniana am-polony maro notanterahiny izy ireo, ka noho izany dia tsy nahalala izay rehetra nampahafantarin’i Jesosy Kristy momba an’Andriamanitra. Tao anatin’ireo toe-javatra ireo dia nilaina sady nety ny nampahafantaran’Andriamanitra mivantana ny tenany tamin’izy ireo.

Ankehitriny kosa anefa, dia ananantsika ny Baiboly ka azontsika atao ny mandinika taonjato maro nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Ananantsika ny fitantaran’ny Filazantsara, izay mamelabelatra ny fiainana, ny asa ary ny tenin’i Jesosy Kristy. Paoly anefa dia manambara hoe: Fa ao amin’ny tenany [Kristy] no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra.” (Kolosiana 2:9). Eny, afaka mahalala an’Andriamanitra akaiky kokoa isika, noho izay azon’ireo patriarka natao tamin’ny androny. Moa ve izany tsy manonitra be dia be ny hoe tsy nampahafantarany ny tenany mivantana tamintsika?

Mampifanakaiky antsika amin’Andriamanitra ny famakiana ny Baiboly

Amakiantsika toy izao ao amin’ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” Azontsika atao ny manatona an’Andriamanitra amin’ny famakiana ny Baiboly. Ahoana anefa no fomba hanaovana an’izany? Etsy an-daniny, amin’ny famakiana tapany iray amin’ny Baiboly isan’andro, dia ho hitanao ireo endrika vaovao mampiavaka ny maha-izy an’Andriamanitra. Mandritra ny famakianao teny, dia miatoa tsy tapaka ka manontania tena hoe: ‘Inona no nianarako momba an’Andriamanitra tao amin’ity andinin-teny ity?’ Etsy an-kilany, dia azonao atao ny mivavaka amin’Andriamanitra mba hanomezany anao ny fanahiny ho “mpananatra”, mba hahazoanao ny heviny sy mba hanatonanao azy. — Jaona 14:26.

“Tsapako fa nahazo fahalalana tsara kokoa ny amin’ny maha-izy an’i Jehovah aho”, hoy ny nambaran’ny vehivavy kristiana iray, izay namaky ny Baiboly iray manontolo. Nanaraka ny fampianaran’ny Sekolin’i Gileada izy, Sekoly ianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, izay mampiofana misionera ary mandefa azy manerana izao tontolo izao. Inona moa no fomba ampiasaina mba hianarana ny Baiboly ao amin’io sekoly io? Manazava toy izao ny iray amin’ireo mpampianatra: “Niara-nianatra ny Baiboly iray manontolo izahay. Nandinika pejy 10 ka hatramin’ny 15 izahay isan’andro, raha mbola (...) nanao fikarohana [ny mpianatra] rehetra mba hanatsara kokoa ihany ny resadresaka. Eo anoloan’ny andininy sarotra iray, dia dinihinay 1) ny teny manodidina, 2) ireo toe-javatra niseho tamin’ny nanoratana azy, 3) ny hevitry ny teny fototra sasany ao amin’ilay soratra. Nanontany tena foana izahay hoe: ‘Inona no ampahafantarin’izany anay momba an’i Jehovah sy ny toetrany? Nahatsapa izahay fa nisy zavatra foana izay nanome filazalazana ho anay momba ny maha-izy azy.”

Na dia tsy manana tombontsoa hanatrika ny fampianarana momba ny Baiboly omen’io sekoly io aza ianao, ny sasany amin’ireo fomba fianarana ireo dia mety hahasoa anao sy ny fianakavianao koa. Ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fahazarana mandinika toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isan-kerinandro ao amin’ireo fivorian’ny kongregasionany. Nahoana moa raha manaraka an’io fandaharam-pamakian-teny ao amin’ny Baiboly io miaraka amin’ny fianakavianao? Ankoatr’izany, ny Fikambanana Watch Tower dia mamoaka boky izay manamora ny fanaovana fikarohana, toy ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible et Les Saintes Ecritures — Traduction du monde nouveau, izay ny fakan-teny ao aminy dia manampy anao hahatakatra ireo andalan-teny sarotra ao amin’ny Soratra masinaa. Ny famakiana ny Baiboly tsy tapaka dia afaka mampitombo be dia be ny fahalalanao ny maha-izy an’i Jehovah.

Azonao atao koa ny mifidy ny hianatra tapany iray ao amin’ny Baiboly izay tena ankafizinao manokana. Ohatra, raha miantefa amin’ireo andininy 17 amin’ny Salamo 86 ny safidinao, dia hahita fara fahakeliny endrika 15 amin’ny maha-izy an’Andriamanitra ianao: tsara izy, mamela heloka, be hatsaram-po, vonona ny hihaino vavaka, tsy misy tahaka azy amin’ireo andriamanitra, Mpamorona tsy manan-tsahala, Mpitondra manana fiandrianana, Mpanao lehibe zava-mahagaga, Mpanafaka amin’ny fahafatesana, mamindra fo, miantra, mahari-po, be fahamarinana, Mpamonjy sady Mpampionona. Ho azonao atao ve ny hametra zava-kendrena tsara kokoa noho ny fanandramana hahafantatra ny Mpamorona anao?

Ny soa lehibe azo amin’ny fahalalana an’Andriamanitra

Ny lokan’ny fiainana mandrakizay, zava-kendrena farany, dia iray monja amin’ireo soa azontsika amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra (Jaona 17:3). Anisan’ireo soa ireo, dia aoka hotononintsika ny fahazoantsika namana iray izay mikarakara antsika isan’andro sady tsy miovaova toy ny vatolampy iray (Salamo 18:31). Rehefa nahatsiaro ho voahodidin’ny fahavalo sy novesaran’ny zava-manahirana maro i Davida mpanjaka, dia tsapany fa Andriamanitra no hany famonjena azy. Noho izany, dia nilaza toy izao izy: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary izy hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.

Ianao koa, dia afaka manana fifandraisana amin’Andriamanitra toy izany, raha tahiny maka fotoana mba hianarana hahafantatra azy. Tsy sarotra loatra izany. Manaova fiezahana mba hamaky ny Teniny. Aoka ianao hifanerasera amin’ny olona izay mampiseho amin’ny fiainany fa mahalala an’Andriamanitra, sahala amin’ireo izay nanome anao ity gazety ity. Mivavaha amin’i Jehovah, satria tsy hery iray tsy manana ny maha-izy azy akory izy, ka hanampina ny sofiny amin’ny fiantsoanao. Andriamanitra velona “mpihaino vavaka” izy. Ary “raha mitady azy hianao, dia hahita azy”. — Salamo 65:2; I Tantara 28:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ireo Index des publications de la Société Watch Tower dia hanampy anao hahita hoe aiza ny andinin-teny toy izao na izao no hazavaina ao amin’ireo boky fanaovana fikarohana ireo.

[Sary, pejy 5]

Nampahafantatra ny tenany manokana tamin’i Noa sy Abrahama ary Mosesy Andriamanitra.

[Sary, pejy 7]

Loharanom-panazavana tsy mety ritra ny amin’ny maha-izy an’Andriamanitra ny zavatra noforonina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara