FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/3 p. 3-4
  • Ny Noely, andro fety ho an’ny Tatsinanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Noely, andro fety ho an’ny Tatsinanana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny noely — Nahoana izy io no malaza aoka izany any Japana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Midika ho Inona ho Anao ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/3 p. 3-4

Ny Noely, andro fety ho an’ny Tatsinanana

AO AMIN’NY faritany fanaovana raharaham-barotra sy ny trano fivarotana lehibe rehetra dia tsy ahitana afa-tsy hazo Noely makadiry, hazavana mirenty ary sila-damba lavalava kely miloko isan-karazany. Mampanakoako hiran’ny Noely ireo fanamafisam-peo, ary manosika ny olona hanao fandaniana ireo fampandrenesana. Lehilahy sy vehivavy maro mitafy fitafian’ny dadabe Noely no mivezivezy eny an-dalambe manolotra fanomezana ho an’ny mpandalo amin’ny endrika toa be fiahiana. Moa ve io fisehoan-javatra io mitranga any amin’ny tany “kristiana” iray? Tsy izany velively, any Japon no isehoan’io, any izay latsaka ny iray isan-jaton’ny mponina ao aminy no milaza tena ho avy amin’ny kristianisma.

Mitovitovy fomba amin’izany koa, eo amin’ny nosy Taïwan manakaiky azy, dia “kristiana” maro ary koa mpikambana maro ao amin’ny fivavahana hafa no mankalaza ny Noely amin’ny fanaranam-po amin’ny fifanakalozam-panomezana araka ny fanaon-drazana. Ao amin’ireo fikambanam-poko sinoa any Malaisie, ny tsipoapoaka dia manome vidiny hafa ihany koa an’ireo fifaliana miaraka amin’io fety “kristiana” io.

Nahoana no mankalaza ny Noely ireny olona ireny? Moa ve mino an’io fety io izy ireny? Sa kosa ireo fikoranana azo hararaotina avy aminy no inoany? Asehon’ny zava-mitranga fa ny “mihinana, misotro ary milalao” no raharaha ampahatsiarovin’ny fetin’ny Noely azy ireny. Maro no manaraka ny “kristianisma” ny 24 sy 25 desambra, nefa miverina amin’ny fivavahany — bodisma, shintoisma, taôisma na hafa — ny ampitson’iny ihany. Ahoana àry no mety hahatonga olona maro nahazo fampianarana ara-pivavahana samy hafa toy izany handray anjara amin’ny fety “kristiana” iray?

Rehefa nanontaniana ny zazalahy kely Japone iray raha nino ny dadabe Noely izy, dia namaly izy hoe: ‘Mino ny dadabe Noely aho satria manome kilalao be dia be ho ahy izy.’ Ahitana tsara taratry ny toe-tsain’ny Tatsinanana maro ny valinteniny: “Manàna saina mivelatra. Aza henjana loatra raha ny momba ny fivavahana. Raha afaka mahazo zavatra avy amin’izany ianao, dia hararaoty izany. Nefa tano eo amin’ny toerany ihany izany mba tsy hisalovanany eo amin’ireo endri-piainanao hafa.’

Toy izany mihitsy no fiheveran’ny Tatsinanana: nampiseho mazava tsara izany ny famotopotorana nataon’ny gazety japone lehibe iray mivoaka isan’andro. Ny anankiray amin’ireo fanontaniana napetraka dia hoe: “Eto Japon, dia mahazatra ny mahita olona iray mandray anjara amin’ireo fety ara-pivavahana samihafa toy ny omiyamairi [fety shintoista fankalazana ny fitan’ny ankizy ho amin’ny taonan’olon-dehibe], ohigan [fomba amam-panao ara-pivavahana bodista atao indroa isan-taona ho fahatsiarovana ny maty] ary ny Noely. Heverinao ve fa azo melohina izany fitondrantena izany? 19 isan-jaton’ny olona nanontaniana monja no namaly hoe eny. Eny fa na dia teo amin’ireo izay mihambo ho kristiana aza dia 60 isan-jato no nihevitra fa tsy misy mihitsy maharatsy ny itandremana ireo fetin’ny fivavahana hafa.

Mahatonga fisehoan-javatra ara-pivavahana iray manokana izany toe-tsaina izany: betsaka no milaza ho manaraka fivavahana maromaro indray miaraka. Araka ny filazan’ny Birao japone momba ny raharaha ara-tsaina, dia niisa ho 207 080 000 tamin’ny fitambarany ny mpikambana ao amin’ireo antokom-pivavahana tamin’ny faran’ny 1982, nefa ny isan’ny mponina any Japon dia tafakatra ho 118 600 000 monja, araka ny fanombatombanana tamin’io taona io ihany. Midika izany fa tafakatra ho 170 isan-jaton’ny isan’ny mponina ny fitambaran’ny isan’ireo mpikambana amin’ny fivavahana any Japon!

“Tsy mety hisy izany!”, hoy angamba ny ho fihiakan’ny sasany, avy amin’ny mpanaraka fivavahana amin’Andriamanitra tokana. Ahitana fifanoheram-pitondrantena ara-pivavahana mitovy amin’izany koa anefa eo amin’ny fomba fankalazan’ny Tandrefana ny Noely. Ahoana izany? Ary raha toy izany no izy, moa ve ny tenanao mihitsy tokony hankalaza ny Noely?

[Sary, pejy 3]

Fitambaran’ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny fivavahana maro any Japon: 207 080 000.

Fitambaran’ny isan’ny mponina any Japon: 118 600 000.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara