Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
MBA hanazavana amin’ny alalan’ny sary ireo fitoviana sy fahasamihafana misy eo amin’ireo fomba fankalazana ny Noely eo amin’ny tatsinanana sy ny tandrefana, ity lahatsoratra ity dia aseho amin’ny endriky ny taratasy roa ifamalian’ny lehilahy japone iray sy ny namany anglisy iray. Ireo fanazavana voarakitra ao anatiny dia hanampy anao hamaly ny fanontaniana hoe: Tokony hankalaza ny Noely ve aho?
Ry Davida malala,
Indreo fa manomboka indray izy ireo. Mitarika ny vahoaka sahala amin’ny mpisorona manam-pahefana ireo mpivarotra. Ny dadabe Noely no lehiben’ny fankalazana. Atao marika amantarana ilay fety ireo hazo Noely. Mifanolotra mofomamy sy kilalao ny olona. Mampiely ny fivavahan’ny Noely ireo mpanao raharaham-barotra eto Japon. Tanteraka amin’ny fomba tonga lafatra ny iraka nampanaovina azy ireny hatramin’ny telopolo na efapolo taona izao. Japone maro be no nanaraka an’io “fivavahana” io — izany rehetra izany dia mandritra ny andro vitsivitsy isan-taona fara fahakeliny!
Nanaitra mafy ny fahalianako izany. Matetika aho no nanontany tena hoe nahoana ny Japone maro be toy izany, izay ny ankamaroany dia tsy kristiana no mankalaza fety “kristiana”. Oviana izy ireo no nanomboka nankalaza ny Noely amin’ny ambaratonga toy izao? Inona no miafina ao ambadik’izany rehetra izany?
Raha nanao fikarohana momba ny niandohan’ny Noely japone aho dia nahita tantara mahaliana: Natsume Sōseki, mpanoratra nalaza iray tamin’ny andro Meiji (1868-1912), dia nandefa avy any Angletera, ho an’i Masaoka Shiki, poeta nalaza, karatra iray nampiseho ny ravaka mahasodokan’ny Noely tany Londres tamin’ny faran’ny 1900. Namorona “haiku” anankiray mihitsy aza i Shiki, ny karazany fohy indrindra amin’ireo tononkalo japone, izay niresaka ny amin’ny fiangonana kely iray indray andron’ny Noely. Toa tsy mbola fantatra akory teto Japon io fety io tamin’ny faran’ny taonjato farany. Oviana àry ny Japone no nankalaza ny Noeliny voalohany?
Hahaliana anao angamba ny hahafantatra fa araka ny filazan’ny manam-pahefana sasantsasany, ny Noely dia nankalazaina tao amin’ny sekolin-jazavavy iray tao Ginza vao tamin’ny fahavalo taonan’i Meiji (tamin’ny 1875). Kanefa, araka ny The Christian Century, “ny fomba fanao fankalazana ny Noely dia tsy tena tafaorina teto Japon talohan’ny 1945”. Niseho izany rehefa nahita ireo fianakavian’ny miaramila amerikana sy ireo misionera nankalaza ny Noely ny Japone. Taorian’ny fahareseny tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, faharesena izay namela azy tao anatin’ny fahafoanana ara-panahy, ny Japone tamin’ny ankapobeny dia nila zavatra hampiononana azy.
Nanome fahafahampo an’izany filana izany ny Noely. Heverinao ange fa tsy nangataka andro ireo mpivarotra nandoka ireo varony amin’ny faran’ny taona tamin’ny fanararaotana ireo ravaky ny Noely. “Nanintona ny mpividy toy ny avy amin’ny hery majika” ireny, hoy Kimpei Shiba, mpanoratra tantara iray. Ary nanampy izy hoe: “Nitranga izany noho ireny ravaka ireny nanintona sy niteraka hafaliana.”
Nefa, ry Davida, noho ianao mipetraka aty Angletera, dia tsy fantatrao angamba fa efa nanana fahazarana nifanolotra fanomezana amin’ny faran’ny taona ny Japone taloha elan’ny nisehoan’ny fanomezana fanao amin’ny Noely teto amin’ity tany ity. Fahazoam-bola tsy ampoizina maimaimpoana foana ny Desambra ho an’ireo mpivarotra an-tsinjarany. Mandeha manao fandaniana feno hadalana ny olona fa matevina ny poketrany noho ireo valisoa omena amin’ny faran’ny taona. Kanefa, “izany rivo-piainana [amin’ny Noely] izany dia nametraka ao amin’ny olona toe-tsaina falifaly sy tia mandanilany foana sady namporisika azy hividy “osei-bo” [fanomezana fanao amin’ny faran’ny taona] bebe kokoa tsy toy ny mahazatra azy, hany ka nitoetra ny fahazarana mandravaka ireo varavaram-pitaratry ny trano fivarotana amin’ny Noely”, hoy ny fanazavan’Atoa Shiba.
Amin’izao fotoana izao, dia manaraka ny fihetsiketsehana ireo trano fivarotana lehibe sy ireo mpivarotra an-tsinjarany, noho ny faniriana handray tombony faran’izay betsaka avy amin’io “toe-tsain’ny Noely” io izay toa mahavokatra tsara aoka izany. Milatsaka manao ny fombafomba ireo mpanao kilalao sy mpanao mofo mba hanararaotana ilay fotoana. Rehefa desambra, any Kiddy Land, ilay fitohitohizan-trano fivarotana kilalao lehibe indrindra eto Japon, dia mitombo avo efatra heny ny zavatra lafo raha oharina amin’ireo volana hafa. Tombanana fa ny 5 ka hatramin’ny 10 isan-jaton’ny mofomamy rehetra atao isan-taona eto Japon dia izay azo antsoina hoe “mofomamin’ny Noely”.
Tsikaritro fa sosotra ny sasany noho ny fanjakan’ny filana tombony ara-barotra amin’ny Noely, eto Japon. Ny Daily Yomiuri, ohatra, dia manonona ny lehilahy Amerikana iray nonina hatramin’ny ela eto amin’ny taninay: “Nanaraka saiky ny ravaka rehetra amin’ny Noely ny Japone, nefa, tsy fantatro ny antony, tsy ao akory ny toe-tsaina amin’io fotoana ao anatin’ny taona io.” Ny tiany holazaina dia ny endriny ara-pivavahan’ny Noely.
Nanosika ahy hanomboka hanao fikarohana ny amin’ny lafiny ara-pivavahan’io fety io izany. Manizingizina ireo mpino fa andro nahaterahan’i Kristy ny Noely (ny 25 desambra). Tena gaga aho namaky tao amin’ny Encyclopédie des religions japonaises (japone) fa tsy voaporofo fa teraka ny 25 desambra i Jesosy. Milaza io hoe: “Na dia tsy fantatra aza ny daty marina nahaterahan’i Jesosy, ny Noely dia nankalazaina ny 25 desambra hatrany amin’ny taonjato fahatelo tany ho any (...). Io daty io dia mifanitsy amin’ny any akaikikaikin’ny andro fohy indrindra amin’ny ririnina, ary naka ny toeran’ny fety talohan’ny kristianisma momba ny fahaterahan’ny masoandro indray izy io.” Ny fahaterahan’ny masoandro indray hoe? Ninoako fa noheverina ho ny andro nahaterahan’i Jesosy ny Noely. Amin’izany, ahoana no ahafahan’ny kristiana tso-po mankalaza fety iray izay tany am-boalohany dia fankalazan’ny mpanompo sampy ny andro fohy indrindra amin’ny ririnina? Tsy fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Jesosy izy io fa fetin’ny fahaterahan’ny masoandro indray. Inona no anomezan’ny mpino tandrefana tsiny ny Japone ho tsy manana fandonan’ny fieritreretana loatra mankalaza fety “kristiana” iray, nefa ny tenan’izy ireo koa aza mitandrina karazam-panao toy izany indrindra?
Hahafaly ahy, ry Davida, raha toa ianao ka afaka hanome ho ahy valiny amin’ireo fanontaniana ireo, satria manakorontana be ny saiko izy ireo.
Ny namanao,
Ichiro
Ichiro malala,
Misaotra betsaka noho ny taratasinao nilaza ny toetoetry ny fetin’ny Noely atỳ amin’ny taninao. Tena mahaliana, ho anay Tandrefana, ny mahafantatra ny fomba ankalazan’ny Tatsinanana fety iray niandoha avy atỳ amin’ny taninay.
Raha tsorina, dia marina ny filazanao fa fetin’ny mpanompo sampy ny Noely. Rehefa mety ho boky filan-kevitra dia saiky hanamarina aminao avokoa fa maka ny fiandohany avy tamin’ny fetin’ny satiornaly an’ny mpanompo sampy izy io, fety romana iray ho fanomezam-boninahitra an’i Satiorna, andriamanitry ny fahavokarana.
Eny tokoa! Fa sahala amin’ny nampidiran’ny vahoaka Japone ny Noely ao anatin’ny fanabeazany ara-tsaina bodika sy shintoista, no nampifangaroan’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fetin’ny mpanompo sampy amin’ny lovantsofiny “kristiana”. Amin’ny heviny iray angamba izany dia mahaforona fahotana lehibe kokoa, satria mankalaza ny Noely ny Japone, amin’ny fandraisana azy ho toy ny fety vahiny, fa ny Tandrefana kosa mitandrina ny fetin’ny satiornaly an’ny mpanompo sampy amin’ny fanambarana azy ho Noely “kristiana”.
Raha ny tena marina, dia nisy fotoana, teto Angletera nandrarana ny fankalazana tsy ara-pivavahana sy ara-pivavahana ny Noely, toy ny fanao iray an’ny mpanompo sampy. Tamin’ny andro nanjakan’ny “puritains” (olona fatra-pitandrina izay rehetra noheveriny ho lalàn’Andriamanitra) no nitrangan’izany. Tao amin’ny zanatanin’ny helo-dranomasin’i Massachusetts, any Amerika Avaratra, ny “puritains” izay nandao an’i Angletera noho ireo zavatra ninoany dia nandrara ihany koa ny Noely ary nampandoa sazy an’izay rehetra nanaram-po tamin’ny firavoravoana nandritra io vanim-potoana ao anatin’ny taona io.
Nefa mino aho fa ilainao ny mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fifangaroana hafahafan’ny kristianisma sy ireo fivavahan’ny mpanompo sampy. “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”, hoy ny famporisihana nalefan’ny apostoly Paoly ao amin’ny II Korintiana 6:14-16. Avy eo, eo amin’ny 2 Kor 6 andininy faha-17, izy dia manonona ny bokin’Isaia (52:11 ho toy ny fampandrenesana): “ ‘Koa mivoaha eo amin’ny hianareo, ka misaraha aminy’, hoy Jehovah, ‘ary aza manendry izay zavatra tsy madio’.”
Moa ve ny tena misaraka amin’ny tsy mino raha mbola manohy mankalaza fety iray mandray ny fiandohany avy tamin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy? Nanosika kristiana tso-po maro be io fanontaniana io hanapa-patorana amin’ny lovantsofina sy tsy hankalaza ny Noely intsony. (Tena hahasoa anao ny hanokafanao ny Baiboly ao amin’ny Matio 15:3-6 sy ny hamakianao ireo tenin’i Jesosy voalaza ao.) Nefa misy antony maro hafa koa tokony hanilihana fety toy ireny.
Raha tsy ny 25 desambra i Jesosy no teraka, ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany amin’io daty io raha izany dia fisehoana ho mandainga. Araka ny nolazainao tao amin’ny taratasinao, ahoana no ahafahan’ny kristiana iray tia ny fahamarinana sy heverina ho marina, hamporisika ny lainga (Efesiana 4:25)? Na ahoana na ahoana, avy eo amin’ny daty anaovana azy mihitsy mankeo amin’ny tantaran’ny dadabe Noely, ny fetin’ny Noely dia tototry ny lainga. Ny kristiana anefa dia ampitandremana ao amin’ny Apokalypsy 22:15 fa “izay rehetra tia lainga” dia hanjavona ary tsy hahazo avy amin’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay.
Nahoana, raha izany no izy, ireo mihambo ho kristiana tandrefana no mankalaza ny Noely? Ny antony anankiray manosika azy ireny ho amin’izany dia ny filana tombony ara-barotra, sahala amin’ny atỳ amin’ny taninao ihany. Novakiko fa nitaraina tamin’ireto teny ireto ny minisitra batista iray avy any Etazonia: “Raha esorintsika aminy tanteraka ny lafiny ara-barotra, ny ankamaroan’ny olona dia hihevitra ny tenany ho tsy niaina ny Noely. Nefa raha esorina tanteraka aminy ny endriny ara-pivavahana dia tsy ho hitan’ny ankamaroan’olona akory ny fahasamihafana.” Tena marina ihany koa ireo teny ireo raha ny amin’i Angletera.
Ahariharin’ny Baiboly marina tokoa fa misy fifandraisana akaiky eo amin’ny filana tombony ara-barotra sy izay antsoiny hoe “Babylona Lehibe”. Rehefa avy nilazalaza ny fianjeran’io “Babylona Lehibe” io ny Tenin’Andriamanitra dia milaza (ao amin’ny Apokalypsy 18:2, 11-19) hoe: “Ary ny mpandranto amin’ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany (...). Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanan-karena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona.”
Fantatrao ve hoe iza i “Babylona Lehibe”? Iza no nitondra vola be dia be ho an’ireo “mpandranto amin’ny tany”, na atỳ Angletera na any Japon, tamin’ny fampielezana fampianaran-diso momba ny Noely? Moa ve tsy ireo fivavahana avy amin’ny finoana lazaina fa kristiana? Eny tokoa! Rehefa nianatra ny Baiboly aho, dia nianarako fa “Babylona Lehibe” dia mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ka anisany ny fivavahana lazaina fa kristiana.”
Inona no tokony hataontsika, araka ny hevitrao? Nanampy ahy hanao fanapahan-kevitra ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mifandray amin’i “Babylona Lehibe”. Novakiko izao didy ao amin’ny Apokalypsy 18:4 izao: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”
‘Ny fialana taminy’, izany hoe nandao ireo fivavahana mamporisika ny lainga, dia nitaky fihetsika feno fahatapahan-kevitra, raha ny amiko. Tsy mora tamiko ny nanapa-patorana tamin’ireo fombafomba rehetra mifamatotra amin’ny Noely. Atỳ izy io dia sady fetim-bahoaka no ara-pivavahana. Tsy maintsy nanangona ny herim-poko aho mba tsy hitovy amin’ny hafa. Niharihary ho famonjena lehibe ireo teny hitako tao amin’ny Ohabolana 29:25: “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.”
Izany rehetra izany, dia hitako noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao dingana toy izany koa ny Anglisy an’arivony maro: ‘Nivoaka avy tao amin’i Babylona Lehibe’ mbamin’ireo fomba amam-panaony rehetra amin’ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fankalazana ny Noely, izy ireny. Kanefa tsy milaza akory izany hoe tsy manome voninahitra an’i Jesosy Kristy izahay. Manome voninahitra azy izahay, tsy amin’ny fanehoana ny “toe-tsain’ny Noely” indray mandeha isan-taona monja akory, fa amin’ny fanehoana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy mandritra ny taona.
Veloma finaritra,
Davida
(Jereo ao amin’ny Efesiana 4:20-24; Filipiana 2:1-6; Kolosiana 3:1-14 hoe inona ny toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy iezahan’izy ireo ambolena. — Ny mpampanonta.)
[Teny notsongaina, pejy 4]
Ny mpivarotra dia sahala amin’ny mpisorona manam-pahefana. Ny dadabe Noely no lehiben’ny fankalazana.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Nanararaotra ny Noely ireo mpivarotra mba handokafana ireo varony amin’ny faran’ny taona.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Nanosika ahy hanomboka hanao fikarohana ny amin’ny lafiny ara-pivavahan’ny Noely izany.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Koa mivoaha eo aminy (...) ary aza manendry izay zavatra tsy madio.”
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Ny mpandrato amin’ny tany dia hitomany sy hisaona azy.”
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.”