FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 31
  • Raràna ny ankizy tsy hanatrika ireo fivoriana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raràna ny ankizy tsy hanatrika ireo fivoriana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Avy amin’ny vavan’ny ankizy iray
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 31

Raràna ny ankizy tsy hanatrika ireo fivoriana?

‘NY ZAZAKELY sy ny ankizy dia tsy tokony hoentina na oviana na oviana any amin’ny tranon’Andriamanitra.’ Toy izany ny fihetseham-pon’i Adam Clarke, mpanazava malaza ny hevitry ny Baiboly. Kanefa izy dia nandefitra tamin’ny reny mahantra izay ‘tsy nanana na iza na iza hikarakara ny zanany amin’ny fotoana tsy maha-eo azy’. Ny reny toy ireny dia azo navela hitondra ireo zanany tany am-piangonana “na dia nanelingelina ny kongregasiona, sy ny mpitondra fivavahana sasany aza, ny mandre ankizy iray mitomany”.

Clarke dia nanorina ny fiheverany manohitra ny ankizy tamin’ny andalan-teny ao amin’ny Baiboly hita ao amin’ny Nehemia 8:2, izay amakiana toy izao: “Dia nentin’i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’izay rehetra efa mahahaino.” Kanefa ny fandraisana hevi-teny toy izany dia mifanohitra amin’ny toe-tsain’ny Deoteronomia 31:12 manao hoe: “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika (...) [mba] hihainoany sy hianarany.” — Jereo koa ny II Timoty 3:15.

Rehefa jerena izany, tamin’ny fandaminan’i Nehemia an’io fivoriana io, dia toa tsy miseho ny hoe tao an-tsain’i Nehemia ny hanilika na iza na iza. Fa ny zava-nokendren’ilay fanasana kosa dia tsy isalasalana fa ny hampiditra an’ireo “efa mahahaino”, mba hamporisihana ny fandraisana anjara feno! Endrey fa tsy ho ara-dalàna ny fangatahana an’ireo ray aman-dreny hamela ireo zanany tsy ho voakarakara!

Mahaliana fa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia amporisihana hitondra ireo zazakeliny sy zanany any amin’ny fivoriana kristiana. Marina fa indraindray izany dia mety hiteraka fanelingelenana madinika sy fihenjanana sasany ho an’ny ray aman-dreny. Nefa ny ray aman-dreny kristiana dia manao ny fiezahana rehetra mba hamolavola ireo zanany hipetraka amim-pilaminana. Rehefa mandeha ny fotoana, ireo zanany kely dia ‘ho ampy fahatakaran-javatra mba hihaino’ ary handray ny filazalazana manome fiainana. — Hebreo 10:24, 25.

Avy amin’ny vavan’ny ankizy iray

IREO ray aman-drenin’i Mia, zazavavy iray telo taona, mpikambana amin’ny Fiangonana Neerlandey Nohavaozina any Afrika Atsimo, dia teo am-pitadiavana olona iray mba hikarakara an’i Mia amin’ny fotoana maha-any am-piasana azy ireo. Naniry hanao izany ny Vavolombelona iray nefa nilazany ireo ray aman-dreny fa isan’andro izy dia nampianatra ireo zanany manokana avy amin’ny Baiboly. Neken’ireo ray aman-dreny fa azo hampidirina amin’izany i Mia. Nianatra ny amin’ny Paradisa nampanantenain’i Jehovah i Mia ary tia izay nianarany. Rehefa efa-taona izy dia nanda tsy hanatrika fampakaram-bady iray tao am-piangonana, tamin’ny filazana hoe: “Dada a, Babylona Lehibe izany.”

Rehefa enin-taona izy dia nanontanian’ilay mpitondra fivavahana hoe an’ny fiangonana inona izy. Hoy izy hoe, “Vavolombelon’i Jehovah.” “Ary ireo ray aman-dreninao?” “Mbola Neerlandey Nohavaozina izy, nefa tsy ho ela dia ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.” Nanohitra tamim-pahatezerana ilay mpitondra fivavahana hoe: “Aza kasikasihina ny oloko!”

Ankehitriny i Mia dia fito taona ary sambatra tonga tao amin’ny fahamarinana fony izy telo taona. Ireo ray aman-dreniny dia naneho ny faniriany hatao batisa.

[Loharanon-kevitra]

Tsy hita ao amin’ny anglisy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara