FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahimeleka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Doega
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Abiatara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Samoela, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Nahoana i Davida no ninia nanao izay hampahita loza an’i Ahimeleka, ka izany dia nitarika ny fahafatesan’io mpisoronabe io, araka ny fiaikena nataony ao amin’ny I Samoela 22:22?

Raha ny marina, ny I Samoela 22:22 dia tsy milaza hoe fantatr’i Davida mialoha fa ny nataony dia hitarika ny fahafatesan’i Ahimeleka. Izao no ambaran’io andininy io: “Ary hoy Davida tamin’i Abiatara [zanak’i Ahimeleka]: Fantatro androtriny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ny tarana-drainao [Ahimeleka].”

Nandositra teo anoloan’i Saoly mpanjaka nisafoaka i Davida ka tonga tany Noba nisy an’i Ahimeleka mpisoronabe. Angamba mba tsy hahatonga an’ilay mpisoronabe tsy hahatsiaro ho voatery hilaza ny fahatongavany tamin’ny mpanjaka, dia tsy nahariharin’i Davida taminy ny tena antony niaingany avy tany Jerosalema. Voamarika anefa ny fandalovany tao Noba. Nahita an’i Davida ilay Edomita atao hoe Doega ka rehefa avy eo dia nilaza tany amin’i Saoly nisafoaka.

Tsy misy na inona na inona ao amin’ny fitantarana anefa manaporofo fa efa fantatr’i Davida mialoha ny naha-tao an’i Doega. “Nisy anankiray (...) teo tamin’izany andro izany voahazona teo anatrehan’i Jehovah, Doega” (I Samoela 21:8). Azo inoana fa gaga i Davida, raiki-tahotra mihitsy aza, rehefa nahatsapa fa io lehilahy tsy nanana fotopoto-pitsipika io dia nahita azy niaraka tamin’i Ahimeleka. Efa natao anefa izay natao. Tsy afaka nanova na inona na inona anefa i Davida na nisakana ny vokatra nahatsiravin’ny fahatezeran’i Saoly tany Noba teo amin’ilay mpisoronabe sy ny mpisorona maro be hafa, ary teo amin’ny zaza amam-behivavy sy ny biby. — I Samoela 22:9-19.

Amin’ny fitadidiana ao an-tsaina izany, dia hevero indray ny teny mampiseho alahelo nataon’i Davida tamin’i Abiatara, izay afa-nandositra an’io famonoana olona io: “Fantatro androtriny ihany fa tao Doega Edomita...” Azontsika raisina toy izao ny hevitr’i Davida: ‘Fantatro tamin’io andro io, raha vao voamariko fa nahita ahy niaraka tamin’i Ahimeleka i Doega...’ Diso aoriana loatra anefa. Tao tsy nampoizina mihitsy i Doega ary nahita maso ny nihaonan’i Davida sy ilay mpisoronabe. Nanatsoaka hevitra avy hatrany tamin’izany i Davida fa hampahafantarin’i Doega an’i Saoly izany. Izany no antony niaikeny taty aoriana teo anatrehan’i Abiatara fa somary nahatsiaro ho meloka izy na dia tsy nivantana aza no naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famonoana olona nanaraka izany. Nanery an’i Abiatara hijanona miaraka aminy i Davida, satria natoky izy fa nitari-dalana azy sy niaro azy Jehovah. — I Samoela 22:22, 23.

◼ Mety ve ny hiarahan’ny rahalahy roa na telo mandroboka olona amin’ny batisa kristiana?

Raha ny ara-dalàna dia minisitra lehilahy iray monja no ilaina mba hanao batisa olona.

Na dia tsy manome fitsipika aza ny Baiboly amin’ny fomba fanaovana ny batisa kristiana, dia afaka manatsoaka fianarana avy amin’ireo fitantarana raketiny isika. Ahitana fianarana indrindra ny batisan’i Jesosy tamin’ny rano.

Mitantara toy izao ny Baiboly: “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona [Mpanao batisa] izy mba hataony batisa.” (Matio 3:13). Mariho fa voalaza hoe “hataony” fa tsy “hataon’izy ireo”. Tsy milaza na aiza na aiza ireo Filazantsara hoe nisy nanampy an’i Jaona tamin’ny batisan’i Jesosy. Raha ny marina, dia toa tsy nisy mpijery mihitsy, satria tamin’ny voalohany, dia i Jaona irery no nanondro an’i Jesosy ho “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29, 33, 34.) Araka izany, ny batisan’i Jesosy dia manome ohatra faka tahaka ny amin’ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano, nefa mahatonga hino koa fa lehilahy mpanompon’Andriamanitra iray ihany no tokony hanao ny batisa.

Angamba nisy vavolombelona iray na maromaro fony Filipo nanao batisa ilay ionoka etiopiana tao amin’ny “rano”, kanefa i Filipo irery no nanao an’io batisa io (Asan’ny apostoly 8:36-39). Ireo fitantarana batisa hafa voalaza ao amin’ny Baiboly koa dia tsy mampiseho hoe nisy mpanompon’Andriamanitra niaraka roa na telo mba handentika olona iray tao anaty rano, avy eo dia hamoaka avy ao io rahalahy vaovao na io anabavy vaovao io. Tsy isalasalana anefa fa tamin’ny toe-javatra maro dia nisy mpijery na vavolombelona nanatrika ireo batisa.

Mazava ho azy fa araka ny fandehan’ireo taona, dia nisy tarehin-javatra manokana niseho tsy maintsy noheverina mba hanaovana batisa olona sasany. Ohatra, rehefa riaka mahery sy mampidi-doza ny hany rano azo ampiasaina, mba tsy hahitan-doza, dia mety ho fahendrena kokoa raha rahalahy roa no miara-manao batisa. Na koa, ny toe-batan’ny mpilatsaka hatao batisa iray, toy ny hoe malemy na fahasalamana tena tsy tsara, dia mety hitaky ny hisian’ny rahalahy mihoatra ny iray hanao batisa. Izany toe-javatra izany anefa dia maningana ary tokony hatao amin’ny famelana hotarihin’ny fahendrena. Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fitsipika ankapobeny, dia lehilahy iray ihany no mandroboka ilay mpilatsaka hatao batisa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara