FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 30
  • Balama: tantara sa angano?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Balama: tantara sa angano?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 30

Balama: tantara sa angano?

ARAKA ny bokin’ny Nomery ao amin’ny Baiboly, Balama, zanak’i Beora, dia mpaminany izay nikarama (Nomery, toko faha-22 ka hatramin’ny faha-24). Hita ao amin’ny boky valo samy hafa ao amin’ny Baiboly ny anarany, ka anisan’izany ny taratasy nosoratan’i Petera sy Joda. Velona tamin’ny taonjato faha-15 alohan’ny fanisan-taona iraisana i Balama, tao amin’ny lohasaha ambony amin’ny Eofrata. Nanakarama azy i Balaka, mpanjakan’i Moaba, satria tiany ny handre azy hanozona ny firenen’Isiraely. Olona ara-tantara ve anefa i Balama sa noforonin’ny Jiosy fotsiny?

Araka ny tantarain’ny Revio momba ny arkeolojia araka ny Baiboly (anglisy), septambra/oktobra 1985), dia nisy arkeology niasa tao amin’ny lohasaha antenantenany amin’i Jordana nahita zavatra niavaka nanamarina fa tena nisy tokoa i Balama. Nanao fikarohana tany Tell Deir Alla, any avaratr’ilay ony antsoin’ny Baiboly hoe Jakoba izy ireo, raha nahita silaka plasitera nisy soratra semitika tranainy. Tao anatin’izao taona faramparany izao, ireny sila-javatra ireny dia nasiana daty tamim-pitandremana, nangonina sy novakina nananosarotra.

Manazava ilay mpanao fikarohana frantsay atao hoe André Lemaire fa ireny sila-javatra ireny dia nanaovana fitsapana hahalalana ny datiny amin’ny “radiocarbone” ka nanambara hoe: “Araka izany fitsapana izany, ireo soratra dia natao tokony ho tany akaikin’ny taona 800 alohan’ny fanisan-taona iraisana, latsaka na mihoatra 70 taona eo ho eo.” Ary inona no tantarainy? Araka ny fanambarana indray nataon’Atoa Lemaire, dia izao nolazain’ny soratra ankoatra ny zavatra hafa (ireo tarehintsoratra ao anatin’ny fononteny mahitsy dia solon’ny tapany tsy teo):

“1. Soratra momba an’i [Ba]lama, [zanak’i Beo]ra, ilay lehilahy mpaminanin’ireo andriamanitra. Indreo fa tonga tao aminy tamin’ny alina ireo andriamanitra ka [niresaka] taminy 2. araka ireo te[n]y ireo, ary niteny tamin’i [Bala]ma, zanak’i Beora izy ireo (...) ary nitomany izy 4. mafy ary nanatona azy ny vahoakany ka nila[za] tamin’i Balama, zanak’i Beora hoe: ‘Nahoana no mifady hanina ianao ary nahoana no mitomany ianao?’ ”

Miharihary tokoa fa ny famakiana an’io soratra io dia nety ho hain’ny vahoaka, tokony ho 2 800 taona izay, satria ireo andalan-tsoratra ireo anisan’ny soratra lavalava ihany teny amin’ny rindrina. Na dia misy banga aza amin’ny soratra, Balama dia voatonona mazava. Na dia teo amin’ny fitonjato taona taty aorian’ny fisehoan-javatra tantarainy aza ireo soratra ireo, Balama dia miharihary fa nekena ho olona ara-tantara sy mpaminany.

Ireo soratra teo amin’ny rindrina ireo dia akaiky kokoa an-jatony taona maromaro ireo fisehoan-javatra voalaza ao amin’ny Baiboly noho ireo soratra tranainy indrindra ananantsika amin’izao tontolo izao. Porofo amboniny izany fa milaza fitantarana mendrika itokisana ny tantara tranainy ny Baiboly. — II Timoty 3:16, 17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara