Mahalamina fahasahiranana ara-pianakaviana ireo torohevitra araka ny Baiboly
1, 2. a) Inona avy moa ireo antony mahatonga ny fianakaviana sasany hisaratsaraka? b) Nahoana moa ireo fahasahiranana hitan’ny fianakaviana misaratsaraka no tokony hitana ny sain’ny tsirairay avy (I Korintiana 12:26)?
“[NALEON’NY] vehivavy narian’ny vadiny, ny ankizy tsy nahazo lova, (...) toy izay hivadika amin’i Kristy”, hoy ny nosoratan’i Arnobe, kristiana tamin’ny taonjato faha-4a. Tamin’izany fotoana izany tokoa ny fanoherana ara-pivavahana tamin-kalozana nataon’ireo tsy mpino dia nampisaraka ireo fianakaviana. Nambaran’i Jesosy fa ‘izay tia ny mpianakaviny mihoatra noho ny tenany’ dia tsy mendrika azy. Misy “sabatra” miteraka fisaratsarahana àry ao amin’ny tokantrano sasany, satria latsaka kokoa ny fitiavan’ilay mpino ny ankohonany ary “ny ainy koa aza”. (Matio 10:34-37; Lioka 14:26.) Mbola misy ihany amin’izao androntsika izao ny fisarahana toy izany ao anatin’ny fianakaviana.
2 Na dia manao izay rehetra azony atao mba hiarovana ny fianakaviany aza ilay kristiana, ilay vady tsy mpino dia mety ‘tsy hanaiky hitoetra aminy [mihitsy]’ ka miteraka fisarahan-toerana na fisaraham-panambadiana izany (I Korintiana 7:12-16). Ny antony hafa iray mampisaratsaraka ireo fianakaviana dia hoe, amin’izao “fifaranan’ny fandehan-javatra izao”, dia atrehintsika ny ‘fihangatsiahan’ny’ fitiavana an’Andriamanitra sy ireo lalàny, anisan’izany ny momba ny fanambadiana (Matio 19:6, 9; 24:3, 12, MN ). Tany Etazonia, ny ara-kevin’ny fisaraham-panambadiana dia nitombo 236 isan-jato nandritra ny vanim-potoana teo amin’ny 1960 ka hatreo amin’ny 1980 monja. Rehefa heverina fa mpivady misaraka telo amin’ny dimy no manana zanaka, dia takatra ny fahasahiranana tsy maintsy setrain’ny tokantrano maro. Amin’ny ankapobeny, rehefa mianatra ny fahamarinana ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, dia mihatsara ny fiainam-pianakaviany, kanefa ny sasany nisara-panambadiana talohan’ny nahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah. Indraindray anefa, dia misy aza kristiana miafara amin’ny fisaraham-panambadiana raha tsy nampihariny tsara ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, tao an-tokantranony (Jaona 13:17). Koa satria hita izany zavatra izany, ahoana no azon’ny kristiana mahita tarehin-javatra toy izany itaizana ireo zanany ao amin’ny fitiavana an’i Jehovah?
Ny maha-zava-dehibe ny ‘hipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa’
3. Fijaliana inona no entin’ny fisaraham-panambadiana?
3 Teo amin’ny Isiraely, tamin’ny andron’i Malakia, ny lehilahy sasany dia nampiasa fitaka tamin’ny fisarahana tamin’ny vadiny. Ny ‘fitomaniana sy fisentoan’ireny’ vady nariana ireny, izay nitalaho ny fanampian’Andriamanitra, dia ‘nanarona ranomaso ny alitaran’i Jehovah’. (Malakia 2:13-16.) Mampanaintaina toy izany koa amin’izao androntsika izao ny fahatapahan’ny fanambadiana iray, na dia voamarina noho ny antony mafy orina araka ny Baiboly aza izany. Na dia voa mafy amin’izany aza ilay lehilahy sy ilay vehivavy, dia matetika ny zanaka no mijaly indrindra.
4. a) Inona no mampijaly ny zanaka rehefa misy fisaraham-panambadiana? b) Ahoana no azo anampiana ny zanaky ny tena?
4 Na dia mamarana tarehin-javatra manahirana aza ny fisaraham-panambadiana, indraindray ilay zanaka dia mahatsiaro fa mirodana ny fiainany manontolo. Noho izany antony izany, ilay vady mpino mitoetra amin’ny zanaka dia mila ny maneho fitiavana sy fahatakarana ny fihevitry ny hafa kokoa amin’izany toe-javatra izany. “Teo afovoany foana aho. Voazarazara aho”, hoy ny fanazavan’ny zazalahy iray izay ny rainy kristiana dia nahazo fisaraham-panambadiana nifanaraka tamin’ny Soratra Masina fony izy dimy taona. “Notanako tao amiko ny tena fihetseham-poko, hany ka nisy fotoana nahaketraka ahy.” Mba hanampiana ny zanakao hizaka fihetseham-po mafy toy izany, dia tokony ‘hipetraka eo amin’ny toerany ianao’ ka ‘ho feno fangoraham-po amim-pitiavana’. (I Petera 3:8, MN.) Mety hahatsiaro ho meloka ny zanaka iray ka tsy hiresaka intsony noho ny fieritreretana fa nisy tsy nety nataony nahatonga ny fisaraham-panambadiana. Koa tokony hohazavaina aminy amim-paharetana fa tia azy ianao ary tsy tompon’andraikitra amin’izany velively izy.
5. Nahoana moa ny kristiana iray no tokony hiezaka hiala amin’izay rehetra mety ho fankahalana ny vadiny taloha?
5 Mety hanjary hihoapampana ny fahatezerana eo amin’ireo ray aman-dreny, indrindra fa raha tafiditra amin’izany ny tsy fifanarahana ara-pivavahana. ‘Tsy hamaly ratsy ny ratsy na fanaratsiana ny fanaratsiana’ anefa ny kristiana, fa tokony hihevitra ny hahasambatra ny zanaka (I Petera 3:9). Tao amin’ny bokiny hoe Mitombo ao anatin’ny fisaraham-panambadiana (anglisy), dia izao no nambaran’i Linda Franke: “Ireo misara-panambadiana izay mifankahala dia mahatonga ho lehibe lavitra sy manimba koa aza ireo fahasahiranana tsapan’ny zanany. Mety tsy haniry hisetra famoizana ny iray amin’izy ireo ny zanaka, ka angamba tsy tena hanana fifandraisana amin’izy ireo avy. Tsy vitan’ny hoe ratsy tokoa ny “fialonana mirehitra sy ny fifampiandaniana”, fa mety hampanalavitra ireo zanakareo anareo (Jakoba 3:14, 16). Raha toa ny kristiana iray ka mandefa famelezana am-bava tsy voahevitra ny vadiny taloha tsy mpino, dia mety hampalahelo mafy ilay zanaka izany (Ohabolana 12:18). Raha mitohy ny fanoherana aorian’ny fisaraham-panambadiana, “raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo [mpino] amin’ny olona rehetra”. — Romana 12:18-21.
Arovy ny fon’ny zanakao
6. Rehefa nankinina taminy ny fitaizana ireo zanaka, mety ho latsaka ao amin’ny fahadisoana inona moa ny ray aman-dreny sasany?
6 Matetika, na dia aorian’ny anankinana ny fitaizana ilay zanaka amin’ny anankiray amin’ireo ray aman-dreny aza, dia mbola mety hisy fahasahiranana tsy maintsy setraina ihany. Izao no nambaran’ny sampana aostralian’ny Fikambanana Watch Tower: “Ny anankiray amin’ireo fahasahiranana lehibe indrindra dia ny fironan’ireo ray aman-dreny hampihena ny fiezahany rehefa nomena azy ny fitaizana ilay zaza (...). Na dia ny kristiana iray aza dia mety hanjary tsy hahita ny antony tena lehibe itiavany hitaiza ireo zanany, antony izay tokony ho ny hanaovana azy ireny ho tena mpanompon’i Jehovah.” Ilaina amin’izany ny hanaovana fiezahana mandrakariva. — Efesiana 6:4.
7. a) Nahoana moa no tokony hampianarina ny zanaka ny fanajana ilay vady tsy mpino? b) Ahoana no azo ampieritreretana ny zanaka iray ny amin’ny fitondrantena tsy kristiana asehon’ny vady taloha tsy mpino?
7 Mazava ho azy fa matetika ny fitsarana no manome zo an’ilay ray na reny tsy mitaiza ny zanaka, hitsidika azy ireny. Azo atao ve ny manaja an’io zo io sady miaro ny fon’ilay zanaka? Eny, ary ilay zanaka dia tokony haneho amin’ilay tsy mpino ny fanajana mety. Raha toa, mandritra ny fitsidihana, ka manaraka fitondrantena tsy kristiana ilay tsy mpino, dia tsy hanameloka azy ilay mpino, satria hameno fankahalana ny fon’ilay zanaka izany. Hohazavainy amin’ilay zanaka kosa fa nametra fitsipi-pitondrantena Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ka “samy hampamoahin’Andriamanitra [ilay Mpitsara farany] ny amin’ny tenany avy isika rehetra”. (Romana 14:12.) Asehoy mazava amin’ilay zanaka anefa fa tsy tokony hotahafina izany fitondrantena izany. Asehoy aminy amim-pahaiza-mandanjalanja fa be dia be tamin’ireo izay niaina araka ireny fitsipika ireny no niova tamin’ny farany, noho ny ohatra kristiana omen’ny zanaka iray na ny vady taloha. Amin’izany fomba izany, dia ho azon’ilay zanaka atao angamba ny mahatsiaro fanajana sasany an’ilay tsy mpino, na rainy izy io na reniny. Ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana dia tsy tokony hisakana ny olona nisara-panambadiana iray tsy hampihatra fitaomana tsara eo amin’ny zanany. Hataon’ilay kristiana izay hahatonga ny ‘fahaizany mandanjalanja ho fantatry ny olona rehetra’. (Filipiana 4:5, MN.) Inona anefa no tokony hatao raha toa ilay tsy mpino ka manandrana manimba ny fanabeazana kristiana omena an’ilay zanaka?
8. Ahoana no nampiomanan’ny vehivavy kristiana roa ireo zanany ho amin’ny fitsidihana ny vadiny taloha nanohitra?
8 Zava-dehibe ny hanomanana ny zanaka ho amin’ireny fitsidihana ireny. Ny reny kristiana iray, izay nanjary nivadi-pinoana ny vadiny taloha, dia nitantara toy izao: “Alohan’ny fitsidihana, dia niara-nianatra tamin’ireo ankizy aho mba hampieritreretana azy ireo ny amin’ny fomba niheveran’i Jehovah ny fitondrantenany. Alainay sary an-tsaina ny tarehin-javatra sasany. Hoy aho tamin’izy ireo: ‘Raha miteny zavatra toy izao na izao ny rainareo, ahoana no havalinareo?’ ” Ny vehivavy kristiana iray izay nangataka fisaraham-panambadiana ny vadiny noho izy tonga Vavolombelona, dia nanampy teny toy izao: “Talohan’ny handehanan’ireo [zanako zatovo roa] handany ny faran’ny herinandro niaraka tamin’ny rainy, dia nivavaka izahay mba hangataka tamin’i Jehovah homba azy ireo sy hanampy azy ireny hanao fanambarana aminy, indrindra fa amin’ny fitondrantena tsara.”
9. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny kristiana anarahana ny ohatra nomen’ny renin’i Mosesy?
9 Ny tsy mpino iray izay afaka mampiasa zo hitsidika dia mety hanandrana hanao izay hahazoana sitraka amin’ilay zanaka amin’ny fanolorana fanomezana marevaka azy, sy amin’ny fanomezana azy izao karazam-pialam-boly sy fahafinaretana andaniana be rehetra izao. Tsy isalasalana fa Jokebeda, renin’i Mosesy (sy Amrama, raha mbola velona izy), noho ny fahafantarana ny ho fiainan’ny zanany rehefa homena ny zanakavavin’i Farao izy, dia niezaka mba hamolavola ny fahaizany manavaka ny fahatsarana raha mbola niaraka taminy izy (Eksodosy 2:1-10). Na dia tao aza ireo fakam-panahy nasehon’ny “zava-tsoan’i Egypta”, dia nifidy ny hanaraka ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra i Mosesy. ‘Noheveriny’ fa tena harena ireo tombontsoany ara-panahy (Hebreo 11:23-26, MN ). Toy izany koa, ny kristiana dia tokony hanomana ireo zanany ho amin’ireny fakam-panahy ireny amin’ny fandinihana lahatsoratra araka ny Baiboly mampisongadina ireo harena ara-panahyb. Matetika ireo zanaka no mahatsikaritra, ao ambadiky ny fisehoana ivelany, ny antony manosika ilay manandrana mividy ny firaiketam-pon’izy ireo. — Ohabolana 15:16, 17.
10. Ao anatin’ny tarehin-javatra mihoapampana, inona avy no anton-javatra tokony hoheverina?
10 Amin’ny toe-javatra mihoapampana sasany, ireny fitsidihana ireny dia mety ho fandrahonana lehibe ho an’ilay zanaka. Tokony hatao amin’izay ny fanapahan-kevitra ny amin’izay mety raha atao amin’ny fieritreretana, ao amin’ny vavaka, ny maha-zava-dehibe ilay fandrahonana, ny fiarovan’ny lalàna, sy ny mety ho vokany raha lavina ny zo hitsidikac. Halaviro ny fanaovan-javatra tsy voahevitra izay mety hahatonga hisalasala ny amin’ny fahaizanao hikarakara ilay zanaka. — Galatiana 6:5; Romana 13:1; Asan’ny apostoly 5:29; I Petera 2:19, 20.
Manehoa “tena fahendrena”
11. Raha tsy mitaiza ny zanaka ilay kristiana, inona no tokony ho tsapany?
11 Inona no hataon’ny kristiana raha iray monja ny zony hitsidika? Ho voafetra ny fitaomany ilay zaza eo amin’ny lafiny ara-panahy satria tsy ao an-tranony intsony ilay zanaka (I Korintiana 7:14). Ohatra, tena azo inoana fa Abrahama patriarka nahatoky dia naniry ny hahatonga an’Isimaela zanany, toy izany koa Isaka, hanambady mpivavaka amin’i Jehovah. Nefa taorian’ny nandroahana an’i Isimaela mbola zatovo, sy Hagara reniny, Abrahama dia tsy nahasakana an’i Hagara tsy hanamboatra fanambadian’i Isimaela vehivavy Egyptiana, izay miharihary fa tsy nivavaka tamin’ny Andriamanitr’i Abrahama. — Genesisy 21:14, 21; 24:1-4.
12. a) Fiezahana manorina inona no tokony hataon’ilay kristiana tsy nasaina nitaiza ireo zanany? b) Ahoana no azon’ny kristiana iray ‘ampiasana ny fahendrena mba hahalavorary ny raharaha’?
12 Na dia voafetra aza ny fahafahana hanao izany, ilay kristiana tsy afaka nitaiza ny zanany dia afaka manao zavatra be dia be mba hanaovana izay hananany fitiavana lalina an’i Jehovah. Mba hahavitana izany, ilay kristiana dia tokony ‘hirakitra tena fahendrena sy fisainana mazava’. (Ohabolana 3:21.) Takina aminy tokoa ny fiezahana lehibe dia lehibe. “Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina [tsy misy vokany firy] izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.” (Mpitoriteny 10:10). Ohatra, mety hahita antony tsy hamelana anao hihaona amin’ilay zanaka ilay tsy mpino. Tsy tokony ho dodona ny hifanditra ianao, fa angamba hahazo vokatra tsara kokoa raha mampihatra ny Ohabolana 25:15, izay milaza toy izao: “Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, ary ny vava malefaka mahatapa-taolana.” Tsy mora akory ny maneho faharetana sy fahalemem-panahy rehefa esorina amin’ny tena tsy ara-drariny ny zon’ny tena. Ireo toetra ireo anefa dia mety hanalefaka na dia olona mafy toy ny taolana aza amin’ny fanoherany (jereo II Timoty 2:23-25). Azonao atao, ohatra, ny manalavitra ny fifandirana amin’ny fanaovana izay hahamarim-potoana sy amin’ny fanarahana ireo toromarika omen’ny vadinao taloha anao momba ny fomba fikarakarana ilay zanaka — raha tsy mifanohitra amin’ny Soratra Masina izany. Raha mampanahy anao ny hanaovany fanamarihana mampalahelo ny aminao, dia tadidio ny voalaza ao amin’ny I Petera 2:15 hoe: “Hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa.” Raha manome ohatra tsara ianao, dia ho hitan’ilay zanaka izay manana ny marina. — Ohabolana 20:7.
13. Ahoana no azon’ny kristiana iray anaovana fitsidihana mahasoa?
13 Mandritra ireo fitsidihana, dia miezaha mampiditra ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ny zanakao amin’ny fiaraha-mianatra aminy boky krisitana, rehefa azo atao izany, sy amin’ny fitondrana azy any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Na dia teren’ny lalàna henjana aza ianao, dia afaka miresaka amin’ny zanakao ny amin’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra ka mampiasa fomba hafa koa mba hanampiana azy ho tia an’Andriamanitra (Romana 1:19, 20; Matio 6:28-30). Hain’i Jesosy ny namantatra ny fetran’ny herin’ireo mpihaino azy. ‘Nanambara ny teny taminy, araka izay hainy nohenoina’ izy. (Marka 4:33, 34.) Noho izany, ankoatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny foto-kevitra ara-panahy lehibe, dia manomàna fanaovan-javatra mampandroso hafa, ohatra, amin’ny fiarahana amin’ny namana tsara, mitovy taona amin’ilay zanaka indrindra (Ohabolana 13:20). Miaraha mandray soa amin’ny fotoam-pialam-boly tsara amin’ny fanaovana izany ho zavatra mahafinaritra. Mampihara fifehezana amin’ny antonony, ho fanehoam-pitiavana izany (Ohabolana 13:24). Indraindray anefa, dia mahatsiaro ho tototry ny fahasahiranana ny tena, satria tonga daholo izao karazam-panorisorenana rehetra izao. Ahoana no hiaretana izany?
Miantehera amin’i Jehovah
14. Inona no toky omen’ny Salamo 37:23, 24 antsika?
14 Izao no nolazain’i Davida ny amin’izay ‘ankasitrahan’i’ Jehovah ny fomba fiainany: “Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.” (Salamo 37:23, 24). Ny kristiana iray miady amin’ny fahasahiranana hitan’ireo fianakaviana voasaratsaraka tokoa indraindray dia mety ho “lavo” noho ny fatiantoka, ny fahadisoam-panantenana, ny fahavoazana ara-pitsarana na ara-bola, kanefa tsy ‘hikarapoka’ tanteraka izy — eo amin’ny lafiny ara-panahy. Na, araka ny andikan’ny Baibolin’i Darby azy: “Raha lavo izy, dia tsy miongana tanteraka.” Nahoana? Satria Jehovah manolo-tanana hamonjy azy amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ireo mpivavaka aminy feno fitiavana. — Jakoba 1:27.
15, 16. Ahoana no nanohanana olona sasany manana fianakaviana voasaratsaraka?
15 Ny vehivavy kristiana iray izay ny vadiny taloha nanohitra dia nomen-dalana hitaiza ireo zanany roa kely, dia nanambara toy izao: “Rehefa tsy hitako tanteraka izay hanaovana ilay raharaha, dia tena nianatra niantehitra tamin’i Jehovah aho. Nianatra nanaiky izay avelany hisy aho ka tsy nanandrana nitarika ny zavatra araka izay tiako hanaovana azy. Tsy vita ny fianarana, ary mafy izany.” Ampiasain’io vehivavy kristiana io araka izay azony atao anefa ny zony hahazo fitsidihana, ka mahita fampaherezana izy, tsy avy amin’ny vadiny vaovao, mpiandraikitra kristiana mahatoky, ihany, fa avy amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona koa.
16 Ny vadin’ny vehivavy kristiana iray taloha nivadi-pinoana dia nitaiza ireo zanaka nandritra ny volana maromaro, nifanohitra tamin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Namboraka ny tao am-pony toy izao io vehivavy io: “Ketraka aoka izany aho ka nihevitra fa hianjera. Ny hany zavatra nisakana ahy tsy ho very saina nandritra izany fotoana rehetra izany dia ny fitoriana.” Ny zanany vavy, fito taona tamin’izay fotoana izay, dia niorina tsara nanaraka an’i Jehovah; imbetsaka aza izy no nokapohin-drainy satria tsy nety namaky bokin’ny mpivadi-pinoana natolony azy. Rehefa niverina tany amin-dreniny izy, dia tapa-kevitra ny mbola hifikitra kokoa ihany amin’i Jehovah. Sahala amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah hafa, io vehivavy kristiana io sy ny zanany vavy dia nahita ny fahatanterahan’ny Salamo 54:2-7, manao hoe: “Andriamanitra ô, henoy ny fivavako (...). Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo [Jehovah, MN ] no Mpanohana ny fanahiko (...). Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra Izy.” Eny, afaka miantehitra amin’ny fanohanan’i Jehovah isika. — I Korintiana 10:13.
17. Ao anatin’ny fianakaviana voasaratsaraka iray, ahoana no azo anampiana ny zanaky ny tena, ary inona no mety ho valisoa noho izany?
17 Koa raha voasaratsaraka ny fianakavianao, dia hevero ny fihetseham-pon’ny zanakao. Hatanjaho amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra ny fony. Raha anankiray monja ny zonao amin’ny fitsidihana, dia manehoa “tena fahendrena” amin’ny fampiasana izany tsara araka izay azo atao. Matokia; ny Tenin’Andriamanitra afafy ao amin’ny fo mora mandray, dia misy heriny lehibe (I Tesaloniana 2:13). Mendrika ny fiezahanao rehetra tokoa ny fahitana ny zanakao manomboka ho tia an’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fanoherana ireo mpanompo sampy, boky II, toko faha-5.
b Jereo “Zava-kendrena tsara dia tsara ho an’ny tanora” ao amin’ny nomerao tamin’ny 15 novambra 1985 amin’ity gazety ity, sy “Que pensez-vous des biens matériels?” ao amin’ilay boky hoe “Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c Any Etazonia, ohatra, ny lalàna momba ny fisaraham-panambadiana dia mirakitra izao teny izao: “Ny olona iray tsy navela hitaiza ny zanany dia manana zo ara-drariny hahazo fitsidihana, raha tsy hoe mihevitra angaha ny fitsarana, aorian’ny fihainoana ny tenin’ny vavolombelona, fa izany zo izany dia hahatandindomin-doza ny fahasalamana ara-batan’ilay zanaka na hanimba mafy ny fitomboany ara-piraiketam-po.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no azon’ny kristiana mahazo mitaiza ny zanany iarovana ny fon’io?
◻ Ahoana no hanampian’ny “tena fahendrena” ny kristiana iray izay indray mandeha monja no manana zo amin’ny fitsidihana?
◻ Inona no toky omena ao amin’ny Salamo 37:23, 24, ary ahoana no anatanterahan’i Jehovah an’io fampanantenana io?
[Sary, pejy 29]
Ampiasao ny zonao hahazo fitsidihana mba hampianarana ny fahamarinana ny zanakao, nefa manomàna koa fanaovan-javatra mahasoa hafa.