Tezao ny zanakareo mba hamboleny fitiavam-pivavahana
“Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” — OHABOLANA 22:6.
1. Inona no tokony ho voatohina mba hitaizana tsara ny zanaka iray, ary nahoana?
NY MPANAN-TALENTA iray amin’ny sirika izay tia ny hahatongavan’ny zanany lahy ho trapezista dia nahamarika fa sarotra tamin’izy io ny niakatra teo ambonin’ny tsoram-by. “Raha tianao ny mandefa ny fonao ho eo ambonin’ny tsoram-by, hoy ny fanipazan-kevitra nataony, dia tsy maintsy hanaraka ny tenanao.” Toy izany koa, ny ray aman-dreny izay ‘mitaiza’ ny zanany mba hahatonga azy hamboly fitiavam-pivavahana, dia tokony hanetsika ny fony. Sarotra indrindra izany mandritra ny fotoana maha-zatovo. — Ohabolana 4:23.
2. Nahoana moa ny fotoana maha-zatovo no vanim-potoana sarotra, ary ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany zatovo?
2 “Nandritra ny taona maro, dia tsy sarotra tamiko ny namantatra izay nitranga tao amin’ny lalina indrindra tamin’ireo zanako lahy, hoy ny kristiana alemana iray, kanefa nisy fiovana haingana toy ny tselatra raha vantany vao nandalo ny taonan’ny fahamaotiana izy ireo.” Ao anatin’ny vanim-potoana fiampitana mialoha ny taona maha-olon-dehibe, dia misy heriny eo amin’ny fon’ny zatovo iray ny faniriana vaovao sy manaitaitra avy amin’ny fiovana eo amin’ny lafiny ara-batana sy araka ny “hormone”. Matetika loatra ny zatovo no manimba ireo taona ireo amin’ny fanaovana fahadisoana izay mampanaintaina ny vokany. Na dia Joba nahatoky aza dia nitaraina noho ny vokatry ny ‘heloky ny fahatanorany’. (Joba 13:26.) Ireny fihenjanana amin’ny lafiny ara-pihetseham-po ireny dia mety hiteraka “alahelo ao am-pon’ny” zazalahy. Milaza ny Ohabolana 12:25 fa izany dia “mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy”. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao noho ny fifampiresahana tsara ao anatin’izany taon-tsarotra izany?
Fifampiresahana amin’ny fo mivelatra
3, 4. a) Tamin’ny ahoana moa ny fomba nanoroan’i Eliho hevitra an’i Joba no hafa noho ny an’ireo ‘sakaizan’ilay’ patriarka telo? b) Inona no misakana tsy hifamboraka ny ao am-po?
3 Aoka hojerentsika ny hoe tamin’ny ahoana ny fomba fanoroan’i Eliho hevitra no hafa noho ny an’ireo ‘sakaizan’i’ Joba telo. Izany dia hampiseho mazava amintsika izay mety hanatsara na hanimba ny fifampiresahana. Raha nangatsiaka foana ireo mpanoro hevitra telo hafa ka tsy niaiky mihitsy ny fahadisoan’ny tenany, Eliho kosa dia nahay nihaino. Hoy izy: “Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra tahaka anao ihany; eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.” Namporisika an’i Joba ‘hamaly’ izy, hamela ny fony hiteny ka tsy hatahotra (Joba 33:5-7). Nefa kosa raha niseho ho nahatakatra sy nampahery an’ilay patriarka ireo ‘sakaizan’i’ Joba telo, raha nihaino izy ireo, dia nanana hevitra nitompoana ihany. Koa niangavy azy ireo tamin’izao teny izao i Joba: “Masìna hianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.” (Joba 13:6). Nanangana fefy teo anelanelan’izy ireo sy Joba izy tamin’ny fomba firesany taminy.
4 Raha tsy mitandrina ny ray aman-dreny, dia mety hanangana izany karazam-pefy izany nefa tsy hahatsapa izany akory. Henoy àry ny zanakao (Ohabolana 18:13). Eritrereto tsara ny fomba handraisana ny valinteninao. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18). Marina fa mahasosotra indraindray ny fihetsika sy (na) ny tenin’ny tanora iray. Tadidio anefa fa ao ambadiky ny ‘rediredy’, dia angamba misy fo ory mafy. Ampiasao amim-pahaiza-manavaka ny lelanao noho ny fikendrena ny hanasitrana. — Joba 6:2, 3.
5. a) Inona no hanampy ny ray aman-dreny hanovo ao am-pon’ny zanany mba hahalalana ny fikasany? b) Amin’ny ahoana moa ireo bokin’ny Fikambanana no mety hahasoa?
5 Amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny zanakao sady mametraka fanontaniana feno fahaiza-mandanjalanja aminy, dia hanampy azy hamboraka ny ao am-pony ianao; ho mora aminy kokoa ny hanambara izay mampanahirana azy (Ohabolana 20:5). Mitantara izao manaraka izao ny renin’ny zazalahy iray 18 taona: “Matetika, tamin’ny fotoana toa tsy tsara loatra, dia manomboka miresaka ny amin’ny fisehoan-javatra iray nitranga tany an-tsekoly ny zanako lahy ary miato rehefa avy nilaza fehezanteny iray na roa. Anjarako ny manovo amim-pahalemem-panahy ao am-pony amin’ny fametrahana aminy fanontaniana karazan’izao: ‘Inona no nitranga nanaraka izany?” ‘Inona no tsapanao?’ na koa: ‘Inona no nataonao na nolazainao?’ Izany no nandrasany. Tamin’izay dia nambarany tamiko ny zava-nanahirana azy. Nitaky fotoana be dia be anefa izany.” Omeo izany fotoana izany ny zanakao. Miezaha mamantatra izay eritreretiny, angamba rehefa mandeha maharitra na amin’ny fotoam-pialam-boly hafa. Ray aman-dreny maro be no nahatsapa fa ireo fanazavana nomena tao anatin’izao taona faramparany izao tamin’ny alalan’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower dia nanampy azy ireny hahatakatra tsara kokoa ny fihevitry ny zanany sy hanana fifanakalozan-kevitra tamin’izy ireny nisy vokany tsara. Noho izany, matetika kokoa ny anisan’izany fianakaviana izany no niresaka namboraka ny tao am-po. Mila zavatra mihoatra noho ny fifampiresahana tsara anefa mba hambolena fitiavam-pivavahana.
Sakafo ara-panahy tsara
6, 7. Inona no nataon’ny renin’i Timoty? Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana azy?
6 Tsy hoe tsy niraharaha ny zavatra ara-panahy izay niankinan’ny ain’ny zanany ny renin’i Timoty. Izao no vakintsika ny amin’io zanany io: “Hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena”. (II Timoty 3:15). Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo ray aman-dreny manana zanaka mamboly fitiavam-pivavahana dia miahy be dia be ny amin’ny sakafo ara-panahy raisin’izy ireo. Raha vao eo amin’ny fahazazany, dia ampianariny izy ireny hianatra manokana ny Baiboly.
7 Ataovy àry izay hananan’ny zanakao boky fianarana ny Baiboly azy manokana sy hanomanany ireo fivorian’ny kongregasiona? Moa ve ianao mamporisika azy mafy hanokana fotoana handalinana ny Tenin’Andriamanitra mba hahitana ao ireo harena raketiny (Ohabolana 2:1-5; I Jaona 2:14)? Mandritra ireo fivoriana, moa ve ianao mipetraka eo anilany mba hamporisika tsy hivezivezen’ny sainy sy ny fony? Moa ve ianao manasa azy handray anjara amin’ireo fivoriana (Hebreo 10:23-25)? Ataonao ve izay hananana miaraka amin’ny fianakavianao, fianarana tsy tapaka ny Baiboly mifanaraka amin’ny ilain’ny zanakao manokana? Eritrereto tsara ireo fanontaniana ireo. — Ohabolana 24:5.
‘Asehoy ho toy ny olona tena misy Jehovah’
8. Araka ny Deoteronomia 11:18, 19, aiza no tokony hanomboka ny fitiavam-pivavahana, ary ahoana no azon’ny ray aman-dreny anarahana an’io fotopoto-pitsipika io raha ny amin’ny zanany?
8 Tena mety hameno ny lohan’ny zaza iray amin’ny fanazavana be dia be anefa ny tena sady tsy hahatohina mihitsy ny fony na ny fieritreretany. Mba hampitomboana fieritreretana tsara, dia tokony ho takatry ny zanakao fa Jehovah dia olona feno hery izay mihevitra azy sy izay ataony. Amin’izany, dia tokony hameno ny fonao voalohany indrindra ny fitiavana an’i Jehovah ka hanosika anao hiresaka tsy tapaka ny amin’ny fiahiany sy ny fahalehibeazany. Tokony ho tia ny fahamarinana ianao ka hiaina izany. Rehefa nanontaniana azy ny fomba nanampiany an’ireo zanany roa, mpitory ny filazantsara manontolo andro amin’izao fotoana izao, hamboly fitiavana mafy an’Andriamanitra toy izany, dia nanome izao fanazavana izao ny reny anglisy iray: “Tamin’ny firesahana tamin’izy ireo ny amin’ny tena fisian’i Jehovah. Nanampy ahy aoka izany izy, hany ka tsy afaka afa-tsy ny nampiseho azy ho toy ny olona tena misy teo imason’izy ireo aho. Nihodinkodina nanodidina azy ny zavatra rehetra.” Ampio koa ny zanakao hiresaka amin’i Jehovah “mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana”. (Efesiana 6:18.) Ataovy izay handrenesan’ny zanakao ny vavaka amim-pahatsorana ataonao ary miaraha midinika aminy ny amin’ny voalaza ao amin’ny vavaka ataony. — Deoteronomia 11:1, 2, 18, 19; Ohabolana 20:7.
9. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ohatra tena nisy mba hamolavolana ny fieritreretan’ny zanany?
9 Mety hisy heriny lalina eo amin’ny fieritreretan’ny tanora ny ohatra tena misy (jereo I Korintiana 8:10). Renao indraindray fa misy olona nahita fahasahiranana noho ny nandikana ireo lalàn’Andriamanitra. Sady manalavitra ny fitenenana amin’ny fomba miampanga, dia miresaha ny amin’ireny ohatra ireny amin’ny zanakao mba hanampiana azy hankamamy ny hasarobidin’ireto tenin’i Paoly ireto: “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Omeo ohatra manorina koa izy amin’ny fiaraha-midinika aminy ny amin’ny tapany mamporisika indrindra amin’ny fiainan’i Jesosy araka ny ahitana azy ao amin’ireo Filazantsara. Amin’izany ianao dia hanampy ny zanakao hahazo “ny sain’i Kristy”. (I Korintiana 2:16.) Tokony hataonao anefa izay hahavelombelona an’ireny fitantarana ireny. Amporisiho ny zanakao haka sary an-tsaina ny fisehoan-javatra sy hieritreritra ny fomba hentitra nanaovan’i Jesosy zavatra. Mifidiana lahatsoratra amin’ireo boky momba ny Baiboly izay manome antsipiriany ny amin’ny fiainana sy ny toetran’i Jesosy manokana ka ampiasao indraindray izany mba hanovaovana ny fiarahanareo mianatra ny Baiboly ao amin’ny fianakavianaa.
10. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao “hahalala ny fitiavan’i Kristy”?
10 Tokony hanao fiezahana koa ny zanakao mba hanarahana ny ohatra navelan’i Kristy. Amin’izany ihany, amin’izay tena tsapany tokoa, dia hanjary “hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana” izy. (Efesiana 3:19.) Amporisiho àry izy hanahaka bebe kokoa ny fankahalan’i Jesosy ny tsy firaharahana lalàna, ny fitiavany ny olombelona, ny zotom-pony ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny Rainy, ny famindrampony sy ny fahalalahan-tanany, ary ny fahavononany hizaka ny fanesoana (Hebreo 1:9; Marka 6:34; Jaona 4:34; Lioka 23:34; I Petera 2:23). Derao amin-kafanam-po ny zanakao rehefa manaraka fihetsika tsara. Tokony ho tsapany fa na dia tsy tanteraka aza isika, arakaraka ny anarahantsika kokoa ny ohatra navelan’ilay Mpampianatra no mahasambatra antsika kokoa sy anarahan’ny fieritreretantsika kokoa ireo fiheveran’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia mihamafy kokoa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, satria Jesosy no taratry ny toetran’ny Rainy (Jaona 14:6-10). Ampahatsiarovy foana ny zanakao ny tena hasarobidin’ny fifandraisana toy izany. Ny vehivavy kristiana iray, nanana zanaka efatra izay nahomby ny fanabeazana azy, dia mitantara toy izao: “Tsy avelan’ny vadiko hisy andro iray handalo mihitsy ka tsy nisakambinany ny tsirairay avy tamin’izy ireo mba hilazana taminy fa tia azy ireo tokoa izy ary matoky fa tsy maintsy mirehareha noho ny fitondrantenan’izy ireo Jehovah. ‘Tia anareo Jehovah, hoy ny ambarany amin’izy ireo, koa aza mandiso fanantenana azy.’ ” — Ohabolana 27:11.
Fifehezana omena amim-pitiavana
11. Nahoana moa ny zanaka rehetra no mila ny hofehezina?
11 Nampianarin’i Jehovah ‘hatry ny fony mbola tanora’ Davida, kanefa izany tsy nahasakana azy tsy hitalaho taminy toy izao: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao.” (Salamo 71:5, 17; 25:7). Marina tokoa fa “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. “Ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 22:15). Matetika izany “tsorakazo” izany, na ny fahefan’ny ray aman-dreny, no ho fanitsiana am-bava na fanasiana fepetra hentitra. Rehefa manosika azy hanao ratsy àry ny fo mamitaky ny zanakao, dia tokony ho ampy tsy fileferana ianao mba hilazana hoe tsia. — Jeremia 17:9; Ohabolana 29:17, 19, 21.
12, 13. Ahoana no azonao ifehezana ny zanakao amin’ny fomba mandaitra?
12 Rehefa mifehy ny zanakao ianao, ary indrindra fa rehefa manitsy azy, dia manahafa an’i Jehovah izay ‘manoro ny mety [manitsy araka izay marina, MN ]’. Asehon’ny Isaia 28:26-29 fa izy dia manao tahaka ny mpamboly izay mifidy amim-pahaiza-manavaka ny fiasana hahatonga azy ho afaka hively amin’ny fomba mandaitra ny voa isan-karazany. Izy koa no manapa-kevitra ny amin’ny faharetan’ny fivelezana amin’ny fiahiana mba ‘tsy hively [ny voa] tsy misy farany’. Manontania tena toy izao àry: Rehefa heverina amin’ny taonan’ny zanako sy ny fandrosoany ho amin’ny fahamasahana, ara-drariny ve ny fanasiana fameperana toy izao na izao? Mifanaraka amin’ny halehiben’ny fahadisoany ve ny sazy? Manao zavatra ara-dalàna ve aho sa fisehoan’ny fahasosorana fotsiny izany? Tena azon’ny zanako ve ny antony anasaziana azy? — Joba 6:24.
13 Hampahatezitra ny zanakao ny fanasiana fepetra tsy araka ny mety na ny fifehezana tsy mifandrayb (Efesiana 6:4; Kolosiana 3:21). Nefa kosa, amin’ny fanehoana tsy fileferana sy fitiavana no hisakananao ny zanakao tsy ho ao anatin’ny tarehin-javatra izay mety hanimba ny fampianarana tsara rehetra nampidirinao tao am-pony. Zava-dehibe indrindra izany eo amin’ny lafin’ny fifaneraserana (Ohabolana 13:20; 28:7). Fa inona no hatao raha tena mahita fahasahiranana ny zanakao na dia tao aza ny fiezahanao rehetra.
Rehefa misy zava-manahirana
14. Nahoana moa ny ray aman-dreny no tsy tokony halaky hiala rehefa mahita fahasahiranana lehibe ny zanany?
14 Nalahelo sy diso fanantenana noho ny nanotan’ny zanany ny ray aman-dreny sasany ka vetivety dia niraviravy tanana. Jehovah dia nanasazy sy niteny tamin’ny fomba nety ny firenen’Isiraely fahiny izay toy ny ‘zanaka’ ho azy taloha, nefa tsy vetivety dia niala izy (Hosea 11:1; II Tantara 36:15, 16; Salamo 78:37, 38; Nehemia 9:16, 17). Tsy misy hafa amin’ny mpanazatra ny mpifaninana amin’ny fanatanjahan-tena taloha nahay nifehy ny ratra sy nampody taolana tapaka, dia toy izany koa fa ny ray aman-dreny dia tokony hiezaka ‘hanatanjaka ny tànana miraviravy mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa mba hahasitrana azy kosa’. — Hebreo 12:12, 13.
15. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiharana ny Galatiana 6:1 mba hanarenana zanaka iray nanota?
15 Mba hanarenana zanaka “mandringa” ara-panahy iray sy mba hanalavirana ny fiharatsian’ny mahazo azy, dia ilaina ny hanitsiana ny heviny. “Raha misy olona [na ankizy] azon’ny ota tsy nahy aza, hoy ny torohevitra nomen’i Paoly, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy.” (Galatiana 6:1). Ny matoanteny nadika hoe ‘manangana’ dia teny ara-pitsaboana nampiasaina tamin’ny andron’i Paoly amin’ny heviny hoe “mametaka indray rantsam-batana nipitsoka”. Izany dia fandidiana nampanaintaina izay tsy isalasalana fa nitaky fahakingana lehibe, mba tsy hahakilemaina foana an’ilay nanana rantsam-batana tapaka. Io matoanteny io no nadika koa hoe ‘manamboatra’ (harato) sy hoe ‘mahatanteraka ny tsy ampy’. (Marka 1:19; I Tesaloniana 3:10.) Mba ‘hanamboarana’ ny fon’ny tanora iray, dia ilaina ny hiezahana hanohina azy amin’ny ‘fahaiza-mampianatra’. Aza mifamaly resaka fotsiny fa araho izao fanipazan-kevitra lehibe dia lehibe ao amin’ny Baiboly izao: ‘Manàna fahalemem-panahy, aoka ianao hahalefitra, hananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy: angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana.’ — II Timoty 2:24-26; 3:16; 4:2.
16. a) Fiovana inona avy no mety hilaina mba hanarenana zaza iray nanota? b) Inona no tokony hampahafantarina mazava ny zanaka?
16 Mba hanitsiana ireo hevi-dison’ny zanany, ny ray na ny reny iray dia tokony hanao fiezahana bebe kokoa ihany mba hampianarana azy. Hilainy angamba ny hanova ny fomba fiainany mba hanomezana azy ny fiheverana ilainy. Tao amin’ny fanoharana iray manipika ny ilàna hanao fiezahana mety mba hahazoana “mpanota iray”, dia asehon’i Jesosy amintsika ny vehivavy iray namela saika ny asany rehetra mba hahitana ilay farantsakely veriny (Lioka 15:7-10). Ny zanaka iray notezain’ny ray aman-dreny tia fivavahana dia mety ho feno fahatsiarovana ho tsy mendrika sy meloka rehefa hita ny fahotany. Ilaina amin’izay ny hanaporofoan’ny rainy na ny reniny aminy fa mbola tia azy foana izy. Ampio ny zanakao hahatakatra fa tsy izy akory no halanao fa ny fitondrantenany. Azo ahitsy anefa izany. — Joda 23.
17, 18. a) Ahoana no nanarenan’ny ray iray ny zanany? b) Inona moa amin’ny ankapobeny no mahatonga ho afaka hahomby?
17 Ny ray iray nanana zanakalahy nofehezin’ny kongregasiona noho ny fitondrantenany maloto, dia zatra ny niara-nandeha naharitra taminy, ary izany dia imbetsaka isan-kerinandro, mba hahafahana manao resaka tsy mihenjana aminy. Nifidy zavatra voasoratra momba ny Baiboly nifanitsy tamin’izay nilain’ny zanany manokana koa izy. Niara-nianatra izany taminy ambonin’ny fampianarana Baiboly nalaminy tao anatin’ny fianakaviana izay nandraisan’ilay zazalahy anjara koa izy. Ambonin’izany, io ray io dia nitondra fanovana sasany ny amin’ny andraikitra niantsorohany tamin’ny naha-loholona tao anatin’ny kongregasiona, mba hahafahana manome ho an’ilay zanany lahy ny fiheverana ilaina rehetra eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po sy ara-tsaina. Afaka nanarina an’ilay zazalahy izy tamin’izany.
18 Indraindray anefa ny zanakalahy iray na ny zanakavavy iray dia manjary mikomy tanteraka, ka tonga hatramin’ny ‘tsy firaharahana ny fankatoavana’c. (Ohabolana 30:17, MN.) Soa ihany fa mahalana ny tarehin-javatra mihoapampana toy izany eo anivon’ny olon’Andriamanitra. Mampahery ny mahafantatra fa amin’ny ankamaroany, ny ray aman-dreny izay tsy manala tsiny ny fitondrantena ratsin’ny zanany, tsy mamela haingana ny fanarenana azy fa miezaka amim-paharetana hanohina ny fony, dia mahazo vokatra tsara.
Mendrika ny hanaovana fiezahana izany
19. Ahoana no azonao ikarakarana ny ankohonanao amin’ny fanahafana an’i Maria?
19 Adidy mavesatra tokoa ny fitaizana zanaka, indrindra fa ao anatin’ny “andro farany”. Koa ny ray aman-dreny izay mandray am-po an’io andraikitra io dia mendrika ny hoderaina. Ataovy foana izay hamantarana ny zavatra mitana ny toerana voalohany. Aoka ianao tsy ho variana loatra mihitsy amin’ny fanirianao hanome “zavatra be dia be” ara-nofo an’ireo izay tianao ka tsy ho afaka hiara-hanararaotra amin’izy ireo ny fotoana mampandroso ara-panahy. Tadidio fa nilaza tamin’i Marta i Jesosy hoe “zavatra iray loha no ilaina”. Eny, ampy ny sakafo tsotra dia tsotra. Manahafa an’i Maria izay nifaly tamin’ny fandaniana fotoana tsara tokoa tamin’ny lafiny ara-panahy niarahana tamin’i Jesosy. Mifidiana ny “anjara tsara” ho an’ny fianakavianao amin’ny fiaraha-mandray anjara aminy amin’ireo asa amin’ny lafiny ara-panahy. — Lioka 10:38-42.
20. Inona no valisoan’ny ray aman-dreny kristiana izay mitaiza ny zanany amim-pahombiazana?
20 Taona vitsivitsy taorian’ny nanampiana tamim-pahombiazana ireo zanany enina ho tia an’i Jehovah, ny reny iray dia naharay avy tamin’ny anankiray tamin’izy ireo, sary nisy filazana toy izao indrindra. “Neny a, tiako tokoa ianao mihoatra lavitra noho izay mety ho azonao saintsainina. Misaotra noho ny fitarihana sy ireo torohevitra nomenao ahy (...). Nomenao ahy ny fanantenana kanto indrindra mety hananana eto amin’izao tontolo izao, ary marina izany. Misaotra noho ny namonjena ny aiko.” Tsy maintsy ho sambatra aoka izany io reny io! Ara-drariny tokoa no ilazan’ny Ohabolana 23:24, 25 hoe: “Izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” Enga anie mba hahita izany fahasambarana izany koa ianao, noho Jehovah!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana famintinana ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Tazony mafy ny tena fiainana” nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aogositra 1973; ny lahatsoratra hoe “Misehoa ho tena mpianatr’i Kristy”, nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1978 dia mandinika maro amin’ny toetran’i Jesosy manokana. Izany koa no hita amin’ny lahatsoratra hoe “Jésus” ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible (navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York), pp. 813-820.
b Ny vokatry ny famotopotorana natao tamin’ny tanora 417 dia navoaka tao amin’ny revio hoe Ny taona maha-zatovo (anglisy); izao no azo novakina ho famaranana: “Ny fanasiana fepetra mafy ao an-tokantrano dia miteraka fahatsiarovana fatiantoka sy miteraka filana ady; ny fahamoramorainy ao an-tokantrano dia miafara koa amin’ny fatiantoka, satria tsy fantatry ny zanaka izay irin’ny ray aman-dreny; manjary mila ady izy ireny satria mitady fitsipika.”
c Jereo ny lohateny hoe “Fanontanian’ny mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 septambra 1960, p. 272 (Bulletin 2/61, p. 63).
Inona no holazainao ny amin’ireto?
◻ Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ifampiresahana tsaratsara kokoa amin’ny zanany?
◻ Inona no hanampy ny zanaka iray hampitombo fieritreretana tsara?
◻ Raha manao ahoana ny fifehezana no hisy vokany?
◻ Ahoana no azo anitsiana ny zanaka iray nanota?
[Sary, pejy 23]
Na dia tsy mety aza ny fotoana, dia manamora ny fifampiresahana amim-pahatsorana ny tena amin’ny fahaizana mihaino.
[Sary, pejy 25]
Raha nanao fahadisoana lehibe ny zanakao, ny fanaovana izay hinoany fa tia azy ianao sy ny fanohinana ny fony dia tena tsy mora.