FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/12 p. 28-30
  • Ilaina ve ny ho fanta-bahoaka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilaina ve ny ho fanta-bahoaka?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Hanana anjara ny rehetra’
  • Asa kely sy tanterahina amin’ny fanahin’ny tena rehetra.
  • Ny ho fiafarany ho an’ireo izay manompo amim-panetren-tena
  • Fifidianana ireo apostoliny
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nifidy ireo apostoliny i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mankamamy ny Fanompoana Ataonao Amin’ny Fanahy Manontolo i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/12 p. 28-30

Ilaina ve ny ho fanta-bahoaka?

VELONA ny fandefasan-tsarin’ny televiziona: Mifantoka any amin’ny mpanao fampisehoana malaza iray ireo fakan-tsary. Mandefa tsiky fanao amin’ny asany izy, avy eo dia manomboka ny fampisehoana. Mandrotsirotsy ny sofina ny mozika. Manatona ny fakan-tsary. Ny velarana lehibe mampiseho ilay mpanan-talenta dia mahatonga ho afaka handinika ny endriny sy ny hakingan’ny rantsan-tanany, raha mbola mamoaka feo mahafinaritra avy amin’ilay zavamaneno izy.

Eny, ilay mpanao fampisehoana no asongadina. Eo am-pifaranan’ny fampisehoana anefa, dia hevero ny lisitra lava mampiseho ny anaran’ireo nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny fampisehoana: asehony ny anaran’ireo mpitendry zavamaneno, ny filohan’ny orikesitra, ireo mpandray feo, ireo mpaka sary, ireo mpanatanteraka, ireo mpitarika, ireo mpikarakara ny endrika, sy ny olon-kafa maro hafa koa. Izany rehetra izany dia tena ilaina mba hahombiazan’ny fampisehoana. Mitondra ny fanampiany ny tsirairay avy.

Ahitana tarehin-javatra sahala amin’izany koa ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Ny olona sasany dia manana raharaha mahatonga azy ho fanta-bahoaka, fa ny hafa kosa mandray anjara tsy dia misehoseho amin’ny maha-mpitory ny hafatra momba ilay Fanjakana manetry tena. Moa ve anefa ireto farany tokony hahatsiaro tena ho tsy dia manao ahoana na amin’inona na amin’inona satria tsy mba fanta-bahoaka? Tokony hanahy loatra ve izy ireny raha tsy be mpahalala toy ny hafa?

‘Hanana anjara ny rehetra’

Afaka manatsoaka fianarana tsara dia tsara amin’ny fitantarana iray mahakasika ny fiainan’i Davida mpanjaka isika. Tantarain’ny Baiboly fa indray andro izy dia nahavita fanafahana nahagaga niaraka tamin’ny lehilahy 400. Niainga izy ireny mba haka indray ny fianakaviany sy ny fananany nalain’ny andian-jirika. Navelan’izy ireo anefa ny lehilahy roanjato mba hiambina ny entana. Ary rehefa niverina ireo mpanafaka nandresy niaraka tamin’ireo vehivavy sy ankizy ary fananana sy zavatra azo babo be dia be, dia nisy zava-nanahirana nitranga: Iza no hahazo anjara avy amin’ny zavatra babo? Moa ve ireo tena niady ihany no hany hoheverina fa mendrika ny hizara ny zavatra azo? Nitondra valiny i Davida ka hatao fampiasa izany, ho “didy sy lalàna tamin’ny Isiraely”. Nandidy toy izao izy: “Fa tahaka ny anjaran’izay nidina hiady ihany no ho anjaran’izay nitoetra tamin’ny entana: hiara-misalahy izy [hiara-hanana anjara ny rehetra, MN ].” (I Samoela 30:24, 25). Jehovah no nanoro izany didim-pitsarana izany an’i Davida. Izany dia taratry ny fiheveran’i Jehovah tokoa ireo izay manompo amin’ny fitondrana ny fanohanany.

Kanefa moa ve mihatra amin’ny kongregasiona kristiana io fotopoto-pitsipika io? Mamaly amin’ny alalan’ny fanoharana ny apostoly Paoly. Nampitaha ny kongregasiona tamin’ny tenan’olombelona izy ka nilaza hoe: “Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray ny loha tsy mahazo manao amin’ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.” Eny, ao amin’ny tenan’olombelona, ny rantsam-batana rehetra, hatramin’ny ankikely, dia mitana anjara asa tena lehibe. Maneho fahendrena toy izany Andriamanitra eo amin’ny fomba fandaminany ny kongregasionany. “Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana”, ka nanendry olona samy hafa ho amin’ny andraikitra tsy mitovy. — I Korintiana 12:21, 28.

Noho izany, tamin’ny taonjato voalohany dia fantatra kokoa noho ny hafa ny kristiana sasany. Petera, ohatra, dia fanta-daza tokoa. Izy dia mpitondra tenin’ireo apostoly tamin’ilay andro Pentekosta nanan-tantara (Asan’ny apostoly 2:14). Nanana tombontsoa izy nanampy ireo Jentilisa voalohany hiova hanaraka ny kristianisma (Asan’ny apostoly 10:44-48). Raha lazaina daholo ny zavatra rehetra, ny boky roa ao amin’ny Baiboly dia mitondra ny anarany. Ny apostoly hafa kosa anefa dia zara raha voatonona. Matio, Natanaela (Bartolomeo), Tadeo (Jodasy zanak’i Jakobe), Simona ilay be zotom-po sy Jakoba, zanak’i Alfeo (antsoina hoe Jakoba Kely), dia tsy mahazo afa-tsy fanononana fohy monja ao amin’ny Baiboly. Na dia izany aza dia nanohana tamim-pahatokiana ny Tompony izy tamin’ny fiezahany nitory sy nampianatra.

Asa kely sy tanterahina amin’ny fanahin’ny tena rehetra.

Ahitana tarehin-javatra sahala amin’izany koa amin’izao andro izao. Ao anatin’ny kongregasiona kristiana, Jehovah dia manohy ‘mametraka ny mpikambana araka izay sitrany’. Noho izany, ny sasany dia fanta-bahoaka kokoa noho ny hafa. Tokony hanao ahoana anefa ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ireo tombontsoam-panompoantsika, na manao ahoana izany na manao ahoana? Manazava izany amin’izao teny izao ny Kolosiana 3:23, 24: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo [Jehovah, MN ], fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo [Jehovah, MN ] no handraisanareo ny (...) valiny.”

Vavolombelon’i Jehovah maro amin’izao andro izao no mandray fifaliana lalina amin’ny fanohanana amim-panetren-tena ny asan’Andriamanitra. Hevero, ohatra Edmundsen, Vavolombelona iray manompo any Pietermaritzburg, atsy Afrika Atsimo. Natao batisa izy tamin’ny 1946 ary nanomboka ny asa manontolo andro tamin’ny 1950. Tsy mba tena fanta-bahoaka mihitsy izy. Nanana fifaliana anefa izy nahita 15 tamin’ireo zanany sy zafikeliny tonga Vavolombelona nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa, ary zafikely hafa sy zafiafy 27 manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Ary amin’izao andro izao, na dia efa lalodalovana sy tsy mahita tsara aza izy, dia mitory amim-pahatokiana amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy. Eo amin’ny faha-84 taonany, dia mbola loholona foana izy ao anatin’ny kongregasionany ary mbola manao lahateny ampahibemaso. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana anefa i Edmundsen dia niasa tsy nisehoseho. Sahala amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah an’arivony maro anefa, dia nanatontosa asa sarobidy tokoa ho an’Andriamanitra izy.

Tsy azo lavina fa ilaina ny hananana fanetren-tena mba tsy hisehosehoana. Izany anefa dia mamela ho antsika fotoana hampitomboana ny toetrantsika sy ny fahaizantsika alohan’ny hanankinana amintsika andraikitra mavesatra. Niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’ny Joda tamin’ny fahavalo taonany i Josia mpanjaka (II Mpanjaka 22:1). Nanao ahoana anefa ny fahavononany hiantsoroka an’io raharaha io? Mosesy kosa anefa dia niaina tsy nisehoseho nandritra ny 40 taona, noho izy mpiandry ondry tany Midiana talohan’ny nahatongavany ho mpanafaka ny fireneny. Nandritra izany vanim-potoana izany izy dia namboly toetra toy ny fanetren-tena (Nomery 12:3). Nianatra niantehitra tamin’i Jehovah izy. Ary rehefa niantso azy Jehovah tamin’ny farany hitondra ny Isiraely nandritra ireo 40 taona nanaraka, dia vonona ny hiantsoroka izany andraikitra izany izy.

Araka izany, izay mieritreritra fa tsy ampiasaina amin’ny fomba tsara indrindra ny fahaizany ao anatin’ny kongregasiona dia tsy tokony ho kivy. Mihevitra angamba Jehovah fa ilainy ny mamboly faharetana sy fanetren-tena bebe kokoa alohan’ny hahitany fanankinana andraikitra lehibe kokoa aminy. Tadidio koa fa ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah dia manompo tsy misehoseho. Hatramin’ny taonjato iray mahery izao, dia Ny Tilikambo Fiambenana no anankiray amin’ireo fizarana lehibe indrindra amin’ny fandaharam-pianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tononina anarana foana anefa ireo manoratra azy. Eritrereto koa ireo rahalahy sy anabavy manompo ao amin’ireo Betela, ireo mpitory maharitra na misionera. Tsy fanta-bahoaka firy izy ireny. Manana fiainana ampoky ny soa sy feno tsara anefa izy ireny ary hitany ny fahafahampo lalina tsapa amin’ny fanomezana avy amin’ny tena rehefa manampy ny hafa. — Asan’ny apostoly 20:35.

Ny ho fiafarany ho an’ireo izay manompo amim-panetren-tena

Tamin’ireo apostoly 12 nofidina tamin’ny voalohany, dia anankiray monja no nampiseho fa tsy nisy vidiny ny tenany: Jodasy Isikariota mpamadika. Nandray valisoa be voninahitra ireo hafa. Ao amin’ny Apokalypsy 21:10, 14, ny Baiboly dia milazalaza ny amin’ny “tanàna masina” ary mitantara fa miorina eo amin’ny vato fototra roa ambin’ny folo izany. Eo amin’ny tsirairay avy aminy dia voasoratra ny anaran’ny apostolin’ny Zanak’ondry iray. Mahaliana fa ny anankiroa tamin’ireny apostoly ireny dia nantsoina hoe Simona. Ny anankiray, Simona Petera, dia be mpahalala aoka izany, fa ilay hafa kosa, Simona ilay be zotom-po, dia tsy toy izany (Asan’ny apostoly 1:13, MN ). Raha ny marina, ny Soratra Masina dia saika tsy miresaka ny amin’io Simona io. Samy nahazo valisoa mitovy anefa izy roa ireo: ny tombontsoa ho mpikambana fototra lehibe ao amin’ny fitondram-panjakan’ny lanitra izay Kristy no Mpanjaka.

Mazava ho azy fa ireo kristiana voahosotra izay hatsangana amin’ny maty dia tsy ho “fanorenana” daholo akory. Hampiasain’i Jehovah ireo anisan’izany fitondram-panjakana izany ho amin’ny raharaha hoheveriny fa mety indrindra amin’ny tsirairay avy aminy. Ireo anisantsika izay mamelona fanantenana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa dia afaka matoky toy izany koa fa eo ambanin’io Fitondram-panjakana io dia hampiasa antsika amin’ny fomba tsara indrindra azo atao ilay Mpanjakantsika. Ao anatin’ny toerana mahafinaritra, eo anilan’ny namana mahatoky, manana asa mahafinaritra maro karazana hatao ary afaka amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny fahasorisorenana, ny toetrantsika sy ny fahaizantsika dia ho tonga eo an-tampon’ny fitomboany indrindra.

Noho izany, na voantso handray ny valisoa any an-danitra isika na tsy andrintsika izay hiainana eo amin’ny tany tonga tsara tarehy, dia aoka isika ho afapo amin’ny asa ankinina amintsika ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah ary aoka isika handany hery amin’izany amin’ny fanahintsika rehetra. Izany no lalam-pahendrena sy fifaliana. Tsy tokony hitady ny ho fanta-bahoaka amim-panirian-daza isika, fa aoka hamboly toe-tsaina manetry tena nananan’i Davida mpanjaka izay nanambara hoe: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.” — Salamo 27:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara