FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/12 p. 30
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Inoanareo ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ahalalana An’ilay Andriamanitra Velona ny Zavaboary
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny Siansa sy ny Fivavahana ary ny Fikarohana ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/12 p. 30

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Misy tsy fitoviana ve amin’ny hoe “création” sy “créationnisme”?

Eny, misy. Ny teny hoe “création” izay hita eo amin’ny in-18 ao amin’ny Les Saintes Ecritures — Traduction du monde nouveau dia milaza marina ny asa famoronan’i Jehovah (jereo ohatra Romana 1:20; 8:21; II Korintiana 5:17). Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “créationnisme”.

Le Grand Robert de la langue française (1985) dia milazalaza ny “création” ho “ny fanomezana fisiana” ary ny “créationnisme” ho “tsangan-kevitra momba ny ‘création’ ”. Io diksionera io ihany no milazalaza ny teny hoe “isme” ho “fampianarana, tsangan-kevitra” ka milaza mazava fa matetika izy io no ampiasaina amin’ny heviny mihem-bidy.

Tao anatin’izao taona 1980 izao, ny “créationnisme” dia tonga tena “isme” satria narahin’ny antokon’olona mpanery ara-politika. Tsy hoe tsy momba ny atsy na ny aroa intsony io teny io; izy io dia mahafaoka fiheverana ara-bakiteny mirehitra mafy ny amin’ny Baiboly, toy ny fiheverana ilazana fa noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy ny tany sy izay rehetra eo aminy. Amin’izao fotoana izao, dia boky maherin’ny 350 mamelabelatra ny fampianarana ny amin’ny “créationnisme” no naely. Lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo tsangan-kevitra mafy loatra ny amin’ny “créationnisme” fa tohanany kosa izay tena ampianarin’ny Baiboly ny amin’ny “création”.

Raha irinao ny hahazo valiny feno kokoa amin’io fanontaniana apetraka eo aloha io, dia jereo ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “L’évolution, la création ou le créationnisme — A quoi croyez-vous?” ao amin’ny pejy 12 ka hatramin’ny 15 amin’ny nomerao tamin’ny 22 jona 1983 amin’ny Réveillez-vous!, gazety atontanay koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara