FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/11 p. 3-4
  • Hitsahatra ve ny fanamparam-pahefana indray andro any?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hitsahatra ve ny fanamparam-pahefana indray andro any?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Oviana no nanomboka izany?
  • Ny fanamparam-pahefana: manatona fiafarana azo antoka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Sambatra ireo izay tsy manampatra ny fahefany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fisorohana ao An-tokantrano
    Mifohaza!—1994
  • Mitandrema tena mba tsy hampiasa ny fahefanao amin’ny fomba ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/11 p. 3-4

Hitsahatra ve ny fanamparam-pahefana indray andro any?

NY FITIAVAN-TENA lalina eo amin’ny olombelona tsy tanteraka dia miseho amin’ny fomba samihafa, indrindra fa ny hetahetam-pahefana. Nasain’ilay mpanoratra anglisy atao hoe Malcolm Muggeridge nomarihina fa tia fahefana ny olona “satria tsy takany fa ny fitiavana no fanorenan’ny fiainan’olombelona (...). Azo atao ny milaza fa mampidi-doza tokoa ny faniriana fahefana. Tsy resin’izany mihitsy i Jesosy Kristy”.

Teo anoloan’ny fanjakan’izany faniriam-pahefana miredareda izany sy ny fandravana mety haterany, ireo mpanorina an’i Etazonia dia nanome ho an’ny tanin’izy ireo, lalàm-panorenana nitsinjo ny hisian’ny fizarazarana ho telo ny fahefam-panjakana: ny mpampihatra, ny mpanao lalàna sy ny mpitsara. Ho vato hisakana ny fanamparam-pahefana izany fizarazarana izany.

Na dia tao aza ny fikasana mendrika nananan’ireo mpanorina, dia nitombo ny fanamparam-pahefana tao amin’io tany io. Ary ny fanandraman-javatra efa nataonao sy ny fandinihana angamba dia nampahafantatra anao fa nisehoan’ny fanamparam-pahefana izao tontolo izao manontolo. Ny Tantara dia feno fitantarana mampiseho ny fomba nanamparan’olona ny fahefany mba hanomezana fahafahampo ny faniriany laza, ary nitondra loza ho an’ny mpiara-belona taminy izany. Eritrereto, ohatra, Alexandre le Grand, Charlemagne, Napoléon, Hitler...

Oviana no nanomboka izany?

Rariny anefa ny hanontanianao tena hoe oviana no nanomboka izany fanamparam-pahefana izany. Ahitana valiny mendrika itokisana ao amin’ny Baiboly, boky manipika ny niandohan’ny tantaran’olombelona. Azo vakina ao izay nitranga tao amin’ny saha Edena. Satana Devoly izay asehon’ny Baiboly ho zavaboary tena misy, dia nanana hetahetam-pahefana. Nitarika ny taranak’olombelona hiditra eo amin’ny lalan’ny fahotana izy. Ny anankiray amin’ireo fisehoan’ny ota iombonana dia ny fahalianana hanam-pahefana sy ny fanamparana izany (Genesisy 3:1-19; Romana 5:12). Efa ela be izay, dia nataon’i Satana izay hipetrahan’ireo firenena ho eo ambany fahefany, noho izany antony izany dia afaka nanolotra an’i Jesosy ny hahatongavany ho filohany izy (Matio 4:8-10). Saika ny olona rehetra no nofitahin’ny Devoly; amin’izany dia azo atao ny milaza hoe: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” — I Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9.

Na dia toa mety haharaiki-tahotra tokoa aza izany, dia filoha ara-pivavahana maro no anisan’ireo izay niasa indrindra ho an’ny fikasan’ny Devoly. Ahoana izany? Nanampatra ny fahefany izy ireny tamin’ny fanomezana fampianaran-diso ho an’ireo ondriny; nampanompo azy ireo izy tamin’izany. Nanampatra ny fahefany koa ireo filohan’ny fivavahan-diso tamin’ny nanenjehany ireo tena mpanompon’Andriamanitra. Stefana, maritiora kristiana voalohany, dia nanakiana ny fitondrantena nampalahelo nananan’ireo filoha ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely: “Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina (...). Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo.” — Asan’ny apostoly 7:51, 52.

Stefana no voalohany tamin’ny kristiana nahatoky maro nifanesy izay nenjehina. Voamarina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (II Timoty 3:12). Ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia manamarina an’io fanambarana io. Amin’izao andro izao koa, any amin’ny tany eo amin’ny efapolo, dia manampatra ny fahefany ireo mpitondra amin’ny fanakantsakanana ny fanompoan’ireny kristiana ireny.

Ary tsy hoe tsy misy ny ohatra ny amin’ny fanamparam-pahefana. Na aiza na aiza itodihantsika, dia hitantsika mitoloko ireo iharam-pahavoazana noho izany. Niteraka fihetsiketsehan’ny mpiasa ny fanamparan’ny mpampiasa fahefana. Miharihary anefa amin’izao andro izao fa ny mpitondra antoko-mpiasa sasany koa dia meloka ho manampatra fahefana. Ny foko vitsy an’isa dia mijaly noho ny fanamparam-pahefana ampiharin’ny mponina hafa rehetra. Indraindray ireo olona mitana toerana misy andraikitra eo amin’ny asany dia manaraka karazam-panamparam-pahefana hafa koa. Miseho ho sahisahy ratsy izy amin’ny vehivavy sasany izay, noho ny tahotra ny hamoy ny asany, dia mety hahatsiaro ho voatery hanaiky. Ohatra, ny vehivavy mpandihy naniry laza iray dia notolorana anjara toerana lehibe indray andro, raha mampiseho mariky ny famalifaliana an’ilay mpitarika.

Eny, feno olona mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany izao tontolo izao. Noho ny fitiavan-tenany, dia porofoin’izy ireo fa tsy matahotra an’Andriamanitra izy. Nahoana? Satria, araka ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, “ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 8:13; Salamo 97:10.) Tena ratsy tokoa ny fanamparana ny fahefan’ny tena. Tsy haharitra anefa izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara