FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/11 p. 32
  • Nahoana no misy ireny fanakianana ireny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no misy ireny fanakianana ireny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/11 p. 32

Nahoana no misy ireny fanakianana ireny?

Ny mpamaky ny Réveillez-vous! iray tany Angletera dia nanontany tena hoe nahoana ny olona sasany no manakiana aoka izany an’io gazety io. Izao no nosoratany:

“Na dia tsy anisan’ny fivavahanareo aza aho, dia manaitra ny saiko mandrakariva ny fahazavan’ny gazetinareo sy ny famakafakany feno fahatsarana.

“Matetika aho no gaga noho ny fanakianana ataon’ny olona sasany rehefa tonga ao an-tranoko izy ireny ka mahatsikaritra nomerao iray amin’ny gazety navela hiseho. Moa ve ny Réveillez-vous! mampiharihary fahamarinana mahakasika antsika be dia be loatra?

“Tamin’ny taona lasa dia nankasitrahako indrindra ireo lahatsoratra momba ny alikaola; noho izaho fatra-pitia zavatra misy alikaola taloha dia nahita fanamarinana vaovao indray aho fa feno fahendrena ny Baiboly rehefa namaky andinin-teny ao amin’io boky io ilazana fa tonga ‘toy ny bibilava’ ny fisotro.”

Hanaitra ny sainao koa ny Réveillez-vous!. Ireo foto-kevitra velabelariny dia halalinina. Koa satria ireo pejiny tsy mirakitra dokambarotra mihitsy, dia tsy matahotra ny hitantara ny zava-misy rehetra izy. Azo antoka fa hankamaminao io gazety mivoaka amin’ny fiteny 53 io izay an-tapitrisany maro ny mpamaky azy.

Ny tenanao koa dia afaka hahazo ny Réveillez-vous! ao an-tranonao, amin’ny alalan’ny paositra. Ampy amin’izany ny hamenoana sy hamerenana ny tapakila famaliana eto ambany.

Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko amin’ity ny vola 6 700 FMG (fiaramanidina) amin’ny nomerao 24 isan-taona (nomerao roa isam-bolana).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara