‘Mitombo ho amin’ny famonjena’ ve ny zanakao?
NY ray aman-dreny kristiana rehetra dia maniry ny hahatongavan’ny zanany ho kristiana matotra. Mampalahelo anefa fa tsy mitranga foana akory izany. Tsy tonga kristiana avy hatrany akory ny zanaky ny kristiana iray. Inona no mahatonga izany?
Afaka mahita antony isika amin’ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria [manomboha maniry fatratra, MN ] ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena.” (I Petera 2:2, 3). Matoa ireo zanatsika tokony ‘hanomboka haniry fatratra’ ny zavatra ara-panahy, dia satria izy ireny tsy manana faniriana voajanahary ho an’izany. Mety ho tokony hanao izay hahaterahana na hitomboan’izany faniriana izany ao aminy isika. Araka ny asehon’io andinin-teny io amintsika anefa, dia voakasika ny famonjena azy ireny. Toy ny tsy maintsy ianaran’ny ankizy ho tia sakafo mahasoa anefa mba hahatongavana ho olon-dehibe salama tsara, dia toy izany koa fa tokony hianatra hankamamy ny sakafo ara-panahy izy mba ‘hitomboana ho amin’ny famonjena’.
Manana zanaka mbola zatovo ve ianao? Nanome fahafahampo anao ve ny fomba nanabeazanao azy ireny hatramin’izao. Vao mainka tsara raha izany no izy. Mety hanova ny zavatra anefa ny fotoana maha-zatovo. Raha ny marina, na dia tafahoatra aza indraindray ny filazana ny amin’ny zava-manahirana mifamatotra amin’io fotoana eo amin’ny fiainana io, dia tokony hampoizinao ny hahita fotoan-tsarotra mandritra ny fotoana maha-zatovo ireo zanakao; izany no hevitr’ireo ray aman-dreny efa nahita izany. Azonao atao ve ny miomana ho amin’ireny fahasahiranana ireny dieny izao, raha mbola kely ireo zanakao? Eny! Misy zavatra hentitra tsara azonao atao. Ohatra, ary adidy izany, ampio ireo zanakao hanamboatra...
... Fifandraisana akaiky amin’i Jehovah
Samoela zaza izay teraka ho valin’ny vavaka nataon’i Hana reniny, dia “nitombo teo anatrehan’i Jehovah”. (I Samoela 2:20, 21.) Fanabeazana tsara tokoa re izany! Tadidio koa ny amin’ireo Isiraelita izay nitondra ireo zanany kely teo amin’i Jesosy indray mandeha. Nanome tsiny azy aloha ireo mpianatra, nefa rehefa nahita izany i Jesosy dia tezitra ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” Nankasitrahan’i Jesosy ny nitondran’ireny olona ireny ny zanany ho eo aminy. Nitrotro ireo izy ka nitso-drano azy. — Marka 10:13-16.
Amin’izao androntsika izao, moa ve ny ray aman-dreny afaka manampy ireo zanany ‘hitombo eo anatrehan’i Jehovah’ sy ‘mitondra azy ho eo amin’i Jesosy Kristy’, ka mamela azy ireny amin’izany hampifamatotra fifandraisana amin’i Jehovah sy Jesosy? Eny, afaka manao izany izy ireo; maka fotoana anefa izany. Raha vonona ny handany fotoana niaraka tamin’ny zanak’olon-kafa i Jesosy, dia azo antoka fa afaka mandany fotoana miaraka amin’ireo zanatsika isika. Raha azo atao dia tokony hanomboka isika — toy ny nataon’ny renin’i Timoty — dieny eo amin’ny fahazazana indrindra (II Timoty 3:15). Tokony hiresaka an’i Jehovah sy Jesosy ho toy ny olona tena misy isika, ka hampianatra an’ireo zanatsika madinika hankamamy ny lafiny samihafa amin’ny asa famoronany mahatalanjona. Rehefa mitondra azy ireny eny an-jaridaina, any amin’ny toerana fijerena biby isan-karazany na any ambanivohitra isika, dia afaka manampy azy ireny hamantatra fa asan’ny tanan’i Jehovah ireo zava-mahatalanjona hitany. Amin’ny resaka ataontsika, dia azontsika atao ny mamboly ao aminy ny faniriana hanao araka izay marina satria izany ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy (jereo Deoteronomia 6:7). Aza mangataka andro amin’ny fanaovana izany. Tsy mijanona ho kely ela be ireo zanatsika, mitombo haingana izy ireny. Sarobidy àry ny fotoana lanintsika miaraka amin’izy ireny. — Matio 19:13-15.
Mazava ho azy fa amin’ny alalan’ny fianaram-pianakaviana aloha no ampianarantsika ny fahamarinana an’ireo zanatsika sy hanampiantsika azy ireny hahita fifankazarana amin’i Jehovah. Kanefa, mba hahatrarana amin’ny fomba feno ny zava-kendrena, dia ilaina ny...
... Hanaovana izay hahatonga ny fianarana hahafinaritra
Ny reny iray maniry ny hankafizan’ny zanany sakafo mahasoa dia tsy handentika sakafo be dia be ao am-bavany. Aloha be, dia hanomana izany sakafo izany mba hatsiro izy ary hanosika ilay zaza hihinana tsikelikely, mba hanaovana izay hitiavany izany miandalana. Hita fa fikarakarana toy izany no ilaina amin’ny sakafo ara-panahy. Na manomboka fianarana miaraka amin’ny zanakao ianao, na maniry hitondra fiovana sasany amin’izay efa atao satria sorisorena izy, dia mitovy ny zavatra takina: tokony hiezaka ianao hanao izay hahatonga ny fianarana hahafinaritra.
Amin’ny ankizy kely, dia tsy ilaina ny hampiasana fanontaniana sy valiny voalamina, na hianarana ora iray manontolo. Ampifanaraho amin’ny zanakao ny fianarana. Tantarao aminy ny fiainan’ny olona voatantara ao amin’ny Baiboly. Asaivo manao sary momba ny fisehoan-javatra araka ny Baiboly izy. Ampilalaovy tantara araka ny Baiboly fohy ny ankizy maromaro. Omeo fanazarana homanina izy ireny. Ataovy velombelona sy misy karazany maro ny fianarana. Tianao ve ny zanakao ‘hanomboka haniry fatratra ny teny’? Anjaranao, raha izany no izy, ny manao izay hahatonga azy hahafinaritra araka izay azo atao. — I Petera 2:2, 3, MN.
Tsy ho very maina foana akory ny fiezahanao, satria hanome vokany maharitra. Raha mankamamy ireo zavatra ara-panahy dieny izao ny zanakao, izany dia mety hanampy azy hampifamatotra fatorana mafy amin’i Jehovah, ka handray soa avy amin’izany izy mandritra ny fiainany rehetra. “Omeo fahazarana tsara ny zazalahy eo am-piandohan’ny raharahany; na dia rehefa tonga antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6, TOB). Misy anton-javatra hafa iray anefa hanampy ireo zanakao ho tia tokoa ny zavatra ara-panahy. Inona izany?
Fianakaviana sambatra sy mijoro tsara
Rehefa lonaka tokoa ny tany ary tsara ny manodidina no maniry tsara indrindra ny zavamaniry; toy izany koa, hivelatra ara-panahy ny zanaka iray ao anatin’ny rivo-piainana sambatra. Mba hanjakan’izany rivo-piainana izany anefa, dia ilaina ny hiarahan’ny mpianakavy mandany fotoana. Ry ray aman-dreny, ataonao ve izay hahatoy izany azy sy izay hisian’ny fifampiresahana eo anivon’ny fianakaviana? Nametra fitsipi-pitondrantena ve ianao raha ny amin’izay mahakasika ny televiziona? Ny fialam-boly? Ny fifidianana mozika? Ny fianaram-pianakaviana? Na ny asa ara-panahy hafa? Manao ahoana ny rivo-piainana mandritra ny fisakafoana iarahana? Ao amin’ny tokantrano maro, ohatra, dia ny sakafo hariva no manolotra indrindra fahafahana hahita ny fianakaviana tafavory. Omeny ny fahafahana hifanakalo hevitra ny amin’izay nitranga tao anatin’ny andro, hanana resaka tsy mampihenjana sy hanao vazivazy kely. Mety hahasoa ny tsirairay avy izany.
Tadidio koa fa raha mila ny hanana asa ara-panahy ny ankizy ka hiantsoroka ny andraikiny eo anivon’ny tokantrano, dia mila fotoana koa izy ireny mba hialam-boly. Tao amin’ny bokiny hoe Psykolojia ho an’ny fiainana ankehitriny (anglisy), dia nanambara toy izao i Charles Foster: “Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny ny maha-zava-dehibe ny fialam-boly eo amin’ny fiainan’ny zanany ka hataony izay hahitan’izy ireny fahafinaretana amin’izany fotoana izany. (...) Arakaraka ny itomboany sy androsoany, dia tokony ho takatry ny ankizy ny fifandraisana misy eo amin’ireny zavatra atao ireny sy ny fandaniam-bolan’ny fianakaviana mbamin’ireo andraikitra ao anatin’ny tokantrano. Raha tena fantatr’izy ireo izany fifandraisana izany, ka tsy mampiasa ny fialam-boly izy ireny mba handosirana ny adidy sy andraikitra tsy misaraka amin’ny fiainam-pianakaviana, dia hanjaka ao an-trano ny rivo-piainana feno fahasambarana kokoa.”
Ireo ray aman-dreny izay manampy ny zanany hanaraka fihetsika voalanjalanja momba ny fialam-boly, ny asa sy ny fiainana ara-panahy dia manampy be dia be amin’ny fanaovana izay hankamamiany ny zavatra ara-panahy sy amin’ny fampanatonana azy an’i Jehovah (jereo II Timoty 3:4b; Titosy 3:3). Hitondra fifaliana be dia be ho azy ireo ny fandrosoany. Ny fitandremana hafa iray koa azon’ny ray aman-dreny atomboka aloha be mba hanomezana ho an’ny zanany fitiavana zavatra ara-panahy, dia...
... Ny fanampiana azy hametra zava-kendrena sarobidy ho an’ny tenany
Solomona mpanjaka hendry dia nanome, momba ny fanabeazan-janaka, izao torohevitra mampiseho fahendrena izao: “Zaro [tezao, MN ] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6). Ny hoe ‘amin’izay làlana tokony halehany’ dia mety hilaza, na hoe araka ny fahaizany, na, ary izany dia azo inoana kokoa, araka ny zava-kendrena hasainao fidiny eo amin’ny fiainana. Araka izany, dia azonao atao ny mitondra fahasambarana sy fahasalamana ara-panahy tsara ho an’ny zanakao amin’ny fomba lehibe tokoa amin’ny fanampiana azy hametra zava-kendrena misy heviny. Tokony hihevitra ny zavatra tena misy ireny zava-kendrena ireny ka ho mendrika ny hotratrarina. Tokony ho afaka hanatratra izany ao anatin’ny fotoana antonony koa ilay zanaka, ka rehefa vita izany dia ho voatosika izy hametra hafa ambony kokoa.
Ny fahadisoan-kevitra miely dia ny fiandrasana ny hilazalazan’ilay zanaka mihitsy ireo zavatra hokendreny eo amin’ny fiainana. Voafetra loatra ny fanandraman-javatra efa hitan’ny ankizy. Raha tsy ny ray aman-dreniny no manampy azy hifidy zava-kendrena ho an’ny tenany, dia hisy olon-kafa hanao izany. Mety ho ny mpiara-mianatra aminy izany na mpanolo-tsaina amin’ny fitarihana iray. Ireo ray aman-dreny kristiana dia afaka manampy ny zanany hametra zava-kendrena mifanaraka amin’ny fitiavany zavatra ara-panahy. Ny ankizy kely dia afaka mametra ho zava-kendrena ny ho mendrika ny hisoratra amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Eny am-pitoriana, ny zava-kendrena tsara tokony hotratrarina tsikelikely dia mety ho ny fanolorana taratasy fanasana, gazety, ary rehefa avy eo dia hamelabelatra fohy foto-kevitra araka ny Baiboly. Ny fianarana manokana dia mety hatao zava-kendrena hoferana koa. Ho azon’ny ankizy atao ny hianatra tsikelikely ny filaharan’ireo boky ao amin’ny Baiboly mbamin’ny andininy lehibe sasany. Ny raharaha ny amin’ny ho asa hataony dia tokony hodinihina haingana. Raha manolotra izao karazana asa rehetra izao ireo mpanolo-tsaina momba ny fitarihana ho amin’ny asa, ny ray aman-dreny kristiana kosa dia afaka manolotra zava-kendrena hifanitsy amin’ny fitomboan’ny fankafizan’ilay zanaka ny asan’i Jehovah: ho mpitory maharitra, hiasa ao amin’ny Betela na hanao raharaha misionera.
Tian’ny ray aman-dreny hahatsapa andraikitra koa ny zanany. Noho ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia azon’izy ireo atao ny manampy azy hitaiza ny fieritreretany. Arakaraka ny itomboany, dia tokony hataon’izy ireo izay hahatsapany fa matoky azy izy. Hiezaka izy ireo indraindray hanome azy fahafahana sasany ary raha manao fahadisoana ilay zanaka dia tsy hanome tsiny azy mafy izy ireo fa ho afaka hampianatra azy mba hanatsoaka fianarana avy amin’izany. Ny fahazoana laza ho mendrika itokisana dia zava-kendrena izay hireharehan’ireo zanaka ny fahatrarana azy, ka izany dia hanampy amin’ny fanaovana izay ‘hitomboany ho amin’ny famonjena’.
Rehefa mitombo ilay zanaka, dia dinihin’ireo ray aman-dreny ireo fiovana mitranga ao aminy ary miahy ny amin’ny hampifanarahana ny fanabeazana azy ireo sy ny fifehezana azy amin’ireo tarehin-javatra vaovao izy ireo. Manao ny marina tanteraka aminy izy ireo ary manaiky ny hifanakalo hevitra. Lazainy aminy ny hevitr’izy ireo ny amin’ny ataony sy izay rehetra mety ho fiovan’ny fihetsika. Amin’ny fanaovana toy izany no anantenan’izy ireo fa hanampy azy hiresaka amim-pahalalahana amin’izy ireo mba tsy hahatongavany ho vahiny ao an-tokantrano.
Davida tanora dia namboly faniriana niredareda ny zavatra ara-panahy. Ireo salamo nosoratany dia manaporofo fankasitrahana lalina noho ny fitiavan’i Jehovah (Salamo 23:1-6). Nanampy azy tokoa izany fitokisana ny Andriamaniny izany rehefa tsy maintsy nisetra bera nasiaka iray, liona, ary farany dia ilay filistina goavana natao hoe Goliata izay naharaiki-tahotra ny fon’ny miaramila isiraelita rehetra, izy. Eritrereto kely ny fireharehana tsy maintsy ho tsapan’i Jese, rain’i Davida, noho ny finoan’ilay zanany lahy! Namorona fifamatoram-pifankazarana tamin’i Jehovah izay naharitra nandritra ny andro niainany rehetra i Davida (I Samoela 17:32-37, 45-50; Salamo 19:9, 10, 14; 15:1, 2; 24:3, 4). Mety ho tonga amin’ny fifankazarana toy izany amin’ny Mpamorona azy ireo zanatsika ka hahatonga antsika ho afaka hirehareha koa, izany dia noho ny fanampiantsika. Tsy afaka ny ho tonga irery amin’izany anefa isika.
Aoka isika hivavaka mba hahazoana fanampiana
Rehefa fantatr’i Manoa fa ho tonga ray izy, dia nangataka ny fitarihan’i Jehovah izy ny amin’ny fomba hanabeazana ilay zanaka. Namaly ny vavaka nataony Jehovah (Mpitsara 13:8, 12, 24). Ireo ray aman-dreny, amin’izao andro izao, dia tsy tokony hanao tsirambina koa ny vavaka, tokony hitalaho amin’i Jehovah izy ireo mba hanome azy ireo fahendrena eo amin’ny fiezahana ataon’izy ireo mba hitarihana ny zanany eo amin’ny lalan’ny fiainana. Tamin’i Samoela, mpaminanin’i Jehovah, dia ‘fanotana tamin’i Jehovah’ ny tsy fivavahana ho an’ny olon’Andriamanitra (I Samoela 12:23; jereo Ohabolana 1:24, 25). Tokony hahatsapa andraikitra toy izany isika raha ny amin’ireo zanatsika. Irintsika ny hanarahany fihetsika ara-panahy. Tena lehibe ny hivavahana tsy tapaka mba hahazoana fanampiana.
Aza miala
Mora ve izany rehetra izany? Mazava ho azy fa tsy izany. Mitondra vokatra ilay fomba, kanefa tsy mora arahina akory. Rehefa tonga eo amin’ny fotoana maha-zatovo ny zanatsika, dia tsy azo sorohina ireo zava-manahirana sy ireo fahasahiranana. Rehefa hitranga izany, dia aoka ianao tsy ho very hevitra. Karakarao tsirairay izany fa aza miandry fahagagana; aza mora milefitra nefa tsy ho tafahoatra loatra izany; halaviro ny fanamarihana mitratrevatreva, tadiavo kosa izay handaminana amim-paharetana ireo fahasahiranana. Raha mitana ny fahatoniantsika amin’izany fomba izany isika, dia mandrakariva no mandalo ny fahasahiranana, ka azontsika atao indray ny manana fatorana mafy izay mampiray antsika amin’ireo zanatsika.
Ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra rehetra dia maniry ny hahasambatra ireo zanany. Tiantsika ny ‘hanajany ny zavatra masina’, ny hanombohany haniry fatratra ny tenin’Andriamanitra, mba hahatonga azy ireny ho afaka ‘hitombo ho amin’ny famonjena’ noho izany. Marina fa na dia tao aza ny fiezahany mafy, dia misy ray aman-dreny kristiana mahita ireo zanany mitombo, avy eo dia miala amin’ny fahamarinana. Na dia izany aza, raha mikely aina amin’ny adidy amim-paharisihana isika, dia hametra ny mety hitrangan’izany. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanabeazana ireo zanatsika araka ny lalana tokony halehany. Enga anie ny valisoantsika ho ny fahitana azy ireny miaritra ao amin’ny lalan’ny fahamarinana mandritra ny andro iainany rehetra! — Hebreo 12:16; I Petera 2:2; Ohabolana 22:6.
[Teny notsongaina, pejy 28]
Vonona ny handany fotoana niaraka tamin’ny zanak’olon-kafa i Jesosy. Azo antoka fa afaka mandany fotoana miaraka amin’ireo zanatsika isika.
[Teny notsongaina, pejy 29]
Raha tianao ny zanakao ‘hanomboka haniry fatratra ny teny’, dia ataovy izay hahatonga izany hahafinaritra azy araka izay azo atao.