Fivoriambe fanao isan-taona—4 oktobra 1986
NY FIVORIAMBE ISAN-TAONA fanaon’ny mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 4 oktobra 1986 ao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe any amin’ny 2932 Kennedy Boulevard any Jersey City, New Jersey. Ny fivoriana mialoha miaraka amin’ireo anisan’ny Fikambanana ihany dia hatao amin’ny 9.30, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona izay hanomboka amin’ny folo ora maraina, ny 4 oktobra 1986.
Hankasitrahanay raha toa ireo anisan’ny Fikambanana niova adiresy tao anatin’ny taona lasa ka mampahafantatra izany ao amin’ny biraon’ny mpitantsoratra, mba ho tonga any aminy aoriana kelin’ny 15 aogositra ireo fiantsoana sy fanomezam-pahefana.
Ireo fanomezam-pahefana halefa any amin’ireo anisan’ny Fikambanana miaraka amin’ny fiantsoana azy, dia tokony haverina ao amin’ny biraon’ny mpitantsoratra ny 1 septambra fara fahelany. Araka ny efa nolazaina, ny mpikambana tsirairay avy dia tokony hameno ny fanomezam-pahefana ka hamerina izany haingana amin’ny filazana mazava na hanatrika ny fivoriambe izy na tsia. Tokony ho raikitra ireo fanazavana homena isaky ny fanomezam-pahefana, satria izany hampiasaina hamerana ny isan’ny mpikambana ho tonga ao.
Araka ny vinavina, ny fotoam-pivoriana manontolo, ao anatin’izany ny fivoriana sy ireo tatitra mihitsy, dia hofaranana amin’ny 1 ora antoandro na aoriana kelin’izay. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mitondra fanasana ihany no hahazo hiditra. Tsy misy fikasana ny hampita an-tariby ny fivoriambe.