Nanambara ny vaovao tsara tany Donegal izy ireo
“MAHATALANJONA!” “Tsy hay hadinoina!” hoy ny fihiakan’ireo Britanika 120 niverina avy tany Donegal, “comté” iray any avaratra andrefan’i Irlande. Aza mihevitra fa ny nahaforona izany antokon’olona izany dia mpizaha tany niresaka ny amin’izay hitan’izy ireo. Tsia, ireny lehilahy, vehivavy sy ankizy ireny dia nandeha nianto-tena mba hampita ny fanantenany tamin’ireo mponina tany avaratr’i Donegal.
Koa satria tsy misy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah 19 any Donegal, ny ankamaroan’ireo mponina 120 000 ao amin’io faritra io dia tsy voatsidiky ny Vavolombelona hatramin’ny taona maro. Nandray fandaharana àry ireo mpitsidika maro ireo mba handeha hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra nanaraka ny moron-tsiraka atlantika kanton’i Donegal.
Nanao fiomanana be dia be ireo Vavolombelona teo an-toerana ho amin’ny fahatongavan’izy ireo. Ny sasany nandeha an-jatony kilaometatra maromaro namakivaky ny faritra manontolo mba ho ara-dalàna ny sarintanin’ny etamazaoro, ary nomen’izy ireo nomerao ny arabe tsirairay avy mba hahitan’ireo mpitory lalana mora foana. Rehefa avy eo dia nozarazarainy kely ilay faritany, ka nisy tokantrano 400 teo ho eo ny tsirairay avy taminy. Nandritra izany fotoana izany, tany Grande-Bretagne, ireo mpandehantsika dia mba niomana mafy koa: nomanin’izy ireo ny zavatra rehetra mba handehanana, hilasiana sy hananana tahirim-boky momba ny Baiboly betsaka.
Niala avy tany Grande-Bretagne izy ireo ny 8 jona 1985. Vao maraina be dia tafahaona ny rehetra mba ho any amin’ny seranam-piaramanidina. Taoriana kelin’izay izy ireo dia nidina tany Belfast, any Irlande Avaratra. Tamin’izay izy ireo dia nozarazaraina ho ao amin’ireo “minibus” folo izay hampiasaina hitaterana azy ireo mandritra ny tapa-bolana hanaraka. Rehefa avy namakivaky an’i Irlande Avaratra sy nankamamy ny fandraisan’ny kongregasionan’i Londonderry azy izy ireo dia nandalo teo amin’ny sisin-tany ary nisaraka mba ho any amin’ny faritany nanendrena azy ireo mialoha tao amin’ny faritra telo samy hafa tamin’i Donegal. Nanao ahoana ny fandraisana azy ireo?
Ny fihetsik’ireo mponina
Koa satria nahay nampiseho fitiavana sy tia nandray vahiny ny mponina tany Donegal, dia mora ny nifanakalo hevitra tamin’izy ireny. Be dia be no nametraka fanontaniana tamin’ireo mpitory ary noraisin’izy ireo ho fifaliana ny namaly mazava izany tamin’ny fampiasana ny Baiboly. Faly koa izy ireo nametraka boky momba ny Baiboly tamin’ireo olona naniry izany mba hahafahan’izy ireny mampitombo ny fahalalany ny Soratra Masina rehefa lasa izy ireo.
Ny vehivavy iray izay nonina tao amin’ny toeram-piompiana nitokana iray dia nanasa Vavolombelona roa hiditra. Avy hatrany izy io dia nifanara-tsaina tamin’izy ireo mba hiaikena fa niharatsy ny toe-piainana maneran-tany, ary nilaza tamin’izy ireo izy mba tsy ho gaga raha betsaka ny mponina ao amin’ilay faritra misalasala handray vahiny ao an-tranon’izy ireo, satria nisy onjam-panaovana heloka bevava nanakorontana an’io toerana any Irlande tony sy nilamina taloha io. Olona be taona maromaro no nokapohina sy nangalaran’ny andian’olon-dratsy nisodisody tao amin’ilay faritra. Fa nahoana izy no nanasa ireo Vavolombelona hiditra? Satria hitany ho “marina tanteraka” izy ireo.
Rehefa ren’io vehivavy io fa teo am-pahatanterahana ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany, dia nihamiramirana ny masony (Matio toko faha-24; Lioka toko faha-21). Ary vonton-dranomaso ny masony rehefa niresaka taminy ny amin’ny fanantenana fananganana ny maty ireo Vavolombelona, satria maty 20 taona talohan’izay ny vadiny. Tamim-pifaliana no nandraisany ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa iray eto an-tany, avy eo dia nangataka izy raha azo atao mba hahazo ny fitsidihan’ny Vavolombelona hafa.
Nisy toe-javatra karazan’izany nitranga imbetsaka dia imbetsaka. Nisy zazalahy iray naneho fisalasalana lehibe momba ny fisian’Andriamanitra. “Raha tena misy tokoa Andriamanitra, hoy izy, nahoana no be dia be toy izao ny faharatsiana?” Nasehon’ireo Vavolombelona taminy fa tsy ho ela Andriamanitra dia hisalovana amin’ny raharahan’olombelona ary handamina ny ankamaroan’ireo zava-manahirana nahavery hevitra azy. Tamin’izay dia nangataka tamin’izy ireo izy mba hiverina ho tafahaona amin’ireo ray aman-dreniny. Rehefa nanao izany ireo Vavolombelona dia namela anankiray tamin’ny boky Hiaina mandrakizay ho an’ny fianakaviany mba hahafahany mahita valin’ny fanontaniana hafa napetrany.
Ny vehivavy tanora iray izay nalahelo hatramin’ny herinandro vitsivitsy noho ny namoizana ny zanany lahy efa-taona dia nahazo fampaherezana aoka izany noho ireo fampianarana naseho tao amin’ny boky Hiaina mandrakizay, indrindra fa mifandray amin’ny fanantenana fananganana ny maty. Noho ny fahoriana nateraky ny fahafatesan’ny zanany lahy taminy, dia nanontany tena izy raha tena misy tokoa Andriamanitra. Nefa taorian’ny namakiany ny teny ao amin’ny Soratra Masina manazava ny toeran’ny maty sy ny fanantenany, dia niova ny toetry ny endriny. Nahoana? Satria vao takany fa niala sasatra tamim-pilaminana ny zanany, natory tao amin’ny fahafatesana ary mety hatsangana amin’ny maty. — Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 5:28, 29.
Nankany amin’ny sekoly iray ny Vavolombelona roa ka nasain’ny mpampianatra iray hiditra tao amin’ny efitrano fianarana nisy mpianatra kely 30. Tamim-pifaliana no nandraisany anankiray tamin’ny Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly: ary hoy izy tamin’ilay kilasy: “Hodinihintsika ny tantara iray amin’ity boky ity androany tolakandro.” Taty aoriana kely, noho ilay antokon’olona Vavolombelona nisakafo tsy lavitra ny sekoly, dia nanatona ny mpianatra vitsivitsy mba hiarahaba azy ireo. Tonga ny mpampianatra anankiroa hafa mba hahita izay nitranga, ary nandray boky tamim-pifaliana koa ny tsirairay avy tamin’izy ireo.
Tao anatin’io andro io ihany koa, ny anankiray tamin’ireo Vavolombelona dia tafahaona tamin’ny zazalahy iray 11 taona ka nanontany azy hoe: “Efa nandre firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?” “Eny, hoy ny navalin’ilay zazalahy, androany, tany an-tsekoly.” Rehefa avy eo dia nasehony ny faniriana hanana anankiray amin’ny Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Taty aoriana kely koa, raha tsy nety nandray ny boky Hiaina mandrakizay ny reny iray, dia nilaza taminy ny zanany fa nahita Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly izy. Koa nandray anankiray tamin’izany izy.
Tamin’ny olona isan-karazany
Tao amin’ny trano iray, rehefa nasehon’ireo Vavolombelona tamin’ny vehivavy be taona iray ilay boky hoe Hiaina mandrakizay, dia nanambara tamin’izy ireo izy io fa Baiboly kosa no nilainy. Faly àry ireo Vavolombelona nanome azy anankiray tamin’ny Saintes Ecritures — Traduction du monde nouveau. Rehefa nahazo ilay Baiboly io vehivavy io dia nandray tamim-pifaliana koa boky fianarana Baiboly iray. Nanazava tamin’ireo mpitsidika izy fa rehefa nandre firesahana ny amin’ny nahatongavan’ny Vavolombelona tao amin’ilay faritra izy, dia nivavaka mba hitsidihan’ireo azy sy hanomezany Baiboly azy. Niaiky izy izao fa nohenoina ny vavaka nataony.
Ny zazalahy iray tokony ho telopolo taona dia nanasa Vavolombelona roa hiditra tao an-tranony. Rehefa avy nifanakalo hevitra fohy momba ny Baiboly tamin’izy ireo izy dia nilaza taminy hoe: “Rehefa ho fantatrareo hoe iza aho, dia azo inoana fa tsy hahafaly anareo izany. Pretra aho.” Namaly azy ireo Vavolombelona fa ho faly izy ireo hiresaka aminy, ary tamin’izay izy io dia nametraka fanontaniana maro tamin’izy ireo ny amin’ny zavatra inoany. Rehefa nanontany azy ireo izy hoe nahoana izy ireo no nampiasa ny anarana hoe Jehovah, dia noraisin’izy ireo ho fifaliana ny nametraka taminy anankiray amin’ny bokikely hoe Le nom divin qui demeure à jamais. Noraisin’io lehilahy io koa ilay boky hoe Hiaina mandrakizay, dia boky tsy maintsy hanampy azy hahita ny valin’ireo fanontaniany maro.
Indray mandeha koa ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah iray dia nohatonin’ny zazalahy iray izay nandre azy niresaka ny amin’ny Baiboly tamin’ny mpandray olona tao amin’ny hotely iray. Nametrahany fanontaniana toy izao izy: “Nahoana no ratsy dia ratsy izao tontolo izao?” Faly dia faly ilay mpitory nampahafantatra azy ny amin’izay nianarany tao amin’ny Baiboly momba an’io raharaha io sy ny hafa koa nifandray tamin’izany. Fa iza moa io zazalahy io? Pretra iray nandany ny fotoam-pialan-tsasany tao amin’ilay faritra.
Ivelan’ny fandraisany anjara tsy tapaka tamin’ny fitoriana isan-trano, ireo Vavolombelona dia nanararaotra fotoana hafa niresahana tamin’izao karazan’olona rehetra izao. Tao amin’ny toerana be tendrombohitra iray, ny anankiray tamin’ireo “minibus” dia nijanona teo an-tsisin-dalana mba hamela mpandeha vitsivitsy hidina. Nanala ny kirarony fanao an-tanàna ireo ary nampiditra baoty fingotra mba hahafahana mamakivaky toerana misy fompotra iray sy handehanana hiresaka amin’olona maromaro nanapatapaka sy nandahatra ny fompotra hatainy mandritra ny ririnina. Ny antokon’olona Vavolombelona iray dia nijanona teo amoron’ny farihy iray any an-tendrombohitra voahodidin’ny ala, mba hijery amim-pahafinaretana ny toerana taza-maso. Tsy lavitra teo, ny mpiasan’ny foiben’ny herimbaratra iray dia natory tao anaty fiarakodiany, nankafy ny fitokanana nandritra ny fiatoana amin’ny antoandro. Tsy isalasalana fa nanapaka ny fialan-tsasany ireo Vavolombelona, kanefa nankasitrahany ny fifanakalozan-kevitra nampahery nifanaovany tamin’izy ireo ary ny hariva izy dia nanatrika fivoriana iray nalamin’ilay antokon’olona.
Nandeha tamin’ny “tracteur” ny lehilahy hafa iray raha nanao famantarana nampijanona azy ny Vavolombelona iray ary nanontany azy raha nanana minitra vitsivitsy izy hiaraha-midinika. Nirin’io lehilahy io mafy ny hiresaka ny amin’ny Baiboly, indrindra fa ny amin’izay lazainy momba ny “andro mahory” iainantsika (II Timoty 3:1-5). Nitombo ny fahalianany rehefa hitany ireo sary tamin’ilay boky hoe Hiaina mandrakizay. Faly izy nahafantatra fa io boky io dia azo nampiasaina ho fototry ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny fianakaviana, ary nanome toky ilay Vavolombelona izy fa hampiasa izany tsy hangataka andro mba hampianarana ireo zanany enina.
Ireo mpitory narisika samy hafa taona tonga nitondra ny fanampiany, nampian’ny antokon’olom-bitsy Vavolombelona tao Donegal dia nanana antony tsara nifaliana noho ny asa notontosain’izy ireo. Nandritra ny tapa-bolana lanin’ireo mpitsidika tao amin’ilay faritra, dia nanokana 5 767 ora izy ireo niresahana ny amin’ny Baiboly tamin’ny mpiara-belona aminy. Nizara boky sy Baiboly 1 613 izy ireo, ary 2 611 tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!. Ny mponina sasany dia nankamamy indrindra Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly amin’ny teny irlanday.
Tsy fitompoan-teny fantatra amim-pieboeboana na fihamboana akory no nanosika ireo Vavolombelona britanika ho tonga tany Donegal. Tsia, nirin’izy ireo ny hampita vaovao tsara amin’olona izay angamba tsy nanana fahafahana matetika handrenesana izany, noho izy ireo monina any amin’ny faritra mitokana. Ny gazety iray teo an-toerana dia nampitaha ireo Vavolombelona izay nandray anjara tamin’ny fandehanana teo aloha karazan’izany, tamin’ny “sidintsidina”, ka azo inoana fa ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe tsy hijanona afa-tsy mandritra ny lohataona izy ireny ary vetivety tokoa dia hiainga indray. Kanefa ireny “sidintsidina” ireny na ny hafa dia hiverina mba hanampy ireo olona tso-po hahazo fahalalana marina ireo fampanantenana mahatalanjona voarakitra ao amin’ny Baiboly. Raha ny marina, ny sasany tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ireo dia teo aloha izao dia nanorim-ponenana amin’ny fomba raikitra any Donegal.
“Izany no fandehanana kanto indrindra nataoko!” Izany karazan-tenim-piontanana izany dia nanome tsara, taratry ny fifaliana tsapan’ireo mpandray anjara tamin’ny fisetrana zava-tsarotra rehefa niverina izy ireo. Voamarin’izy ireo fa tsy misy diso ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” (Ohabolana 11:25). Faly aoka izany izy ireo nandray anjara tamin’io fiezahana manokana natao mba hanambarana ny vaovao tsara tany Donegal io. Ary ianao, azonao atao ve ny manatanteraka ho an’i Jehovah, asa mampitombo fifaliana toy izany ao amin’ny faritra amin’ny saha maneran-tany misy anao, dia saha masaka ho amin’ny fijinjana be dia be ankehitriny?
[Sarintany/Sary, pejy 29]
(Jereo ny gazety)
DONEGAL
IRLANDE AVARATRA
Londonderry
Belfast
IRLANDE
[Sarintany]
EOROPA
OSEANA ANTLANTIKA
[Sary]
Fanaovana fanambarana isan-trano tany avaratra andrefan’i Irlande.
[Sary, pejy 30]
Nanambara tamim-pifaliana ny vaovao tsara tany Donegal izy ireo.