FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/8 p. 27
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • SIDA: ny vidiny tsy maintsy aloa
  • Hisy tsy ho ela ve ny fiadanana sy ny filaminana?
  • Ny valifaty noklehera: famalian’Andriamanitra ve?
  • Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Voaesotra Mandrakizay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Hoavy Azo Antoka Ela ny Ela!
    Mifohaza!—1999
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/8 p. 27

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

SIDA: ny vidiny tsy maintsy aloa

Ny Foibe amerikana fikarohana aretina dia manombana ho 830 $ (58 000 ariary) ny ara-kevin’ny lany indray andro any amin’ny hopitaly ho an’ireo marary voan’ny SIDA, izany hoe avo roa heny noho izay lany amin’ny marary hafa. Tombanan’ireo manam-pahaizana manokana fa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana ampiharina amin’ny tsirairay avy amin’ireny marary ireny, amin’ny ara-keviny dia tafakatra ho 100 000 $ (70 000 000 ariary) mahery. Izany dia manazava fa ny fitomboan’ny isan’ny voan’ny SIDA izay maniry hotsaboina dia mampanahy ireo hopitaly sy fiantohana.

Ny Fikambanan’ireo hopitaly amerikana dia milaza ny fielezan’ny SIDA haingana ho ‘baomba tsy mipoaka eo no ho eo’ ho an’ireo hopitalim-bahoaka, satria tsy ho ela ny fandaniana isan-taona dia hahatratra an-davitrisany dôlara maro. Nandefa izao fampitandremana izao ny tompon’andraikitra iray amin’ny fikambanana fiantohana aina: “Araka ny hevitro, dia mety ho izany no fisetran-doza ara-bola lehibe indrindra ho hitan’ireo fikambanam-piantohana aretina sy fiantohana aina ao amin’ity tany ity.” Iza àry no hizaka izany enta-mavesatra ara-bola lehibe izany?

Maro be amin’ireo voan’ny SIDA no lehilahy mandry amin’ny lehilahy na mpampiasa zavatra mahadomelina azon’io aretina io noho ny fomba fiainany tsy voafehy. Tsy izy ireo anefa, amin’ny heviny ara-bakiteny, no handoa ny lany. Milaza mazava ny fitondram-panjakana sy ireo mpanao fiantohana fa ireo iantohana sy mpandoa hetra kosa no tsy maintsy mitondra izany enta-mavesatra izany amin’ny fandoavana saram-piantohana sy hetra mavesatra kokoa. Ambonin’izany, ny lahatsoratry ny tale tao amin’ny New York Post dia nanamarika fa “hanimba ny fanabeazana, ny filaminana sy ireo sampan-draharaham-bahoaka lehibe indrindra izany”.

Angamba teo aloha ireo olona voan’ny SIDA noho ny fomba fiainany, dia nanaraby ny fitsipi-pitondrantena araka ny Baiboly mba hanamarinana ny fomba fitadiavany fahafinaretana. Nety ho voatsimbina tamin’ny fahoriana firifiry akory moa izy ireny ary toy inona ny vola nety ho nampitsitsiany ny hafa! Tsy diso aoriana loatra anefa izao mba hitodihan’izay rehetra anisan’izy ireny maniry izany izao ho amin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly, izay ara-tsindrimandrin’Ilay ‘mampianatra antsika hahita soa sady mitarika antsika amin’ny làlana tokony halehantsika’. — Isaia 48:17.

Hisy tsy ho ela ve ny fiadanana sy ny filaminana?

Ny soratra iray fantatra tsara hita eo amin’ny rindrina iray anoloan’ny foiben’ny Firenena mikambana dia mampiseho izao teny izao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Noho ny fanantenana ny hahazo vokatra hanampy amin’ny fahatanterahan’ireo teny ara-paminaniana ireo, ny Firenena mikambana dia nanambara ny 1986 ho “Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena”. Misy antony tokony hinoana ve fa hahatratra ny zavatra nolazainy fa hokendrena ny O.N.U., dia izy io izay milaza tena ho mpiaro “ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany”?

Na inona na inona anjara mety horaisin’ny O.N.U. mifandray amin’ny antsoantso hoe “Fiadanana sy filaminana!” hambara tsy ho ela, izay rehetra mety ho fiadanana tefen’ny olombelona dia azo antoka fa miankina amin’ny fototra tsy azo antoka (I Tesaloniana 5:3, MN). Tombanana amin’izao andro izao fa ny fandaniana ara-tafika maneran-tany dia tafakatra ho 70 000 lavitrisa ariary eo ho eo isan-taona. Tombanana ho eo amin’ny 250 000 lavitrisa ariary ny lany tamin’ny tahirim-piadiana noklehera natao nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, tsy isaina ny fiadiana nifanekena: izany dia lavitra an’izay ho nantenaina tamin’ny fotoana nandefasan’ny O.N.U. antso mba hanokanan’ny olona tena ho amin’ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany! Raha ny marina, “ny Firenena mikambana dia nihataka tamin’ny anjara asany ho fikambanana mikendry ny handamina ireo ady”, hoy ny nambaran’i Vernon Walters, ambasadaoro amerikana ao amin’ny Firenena mikambana, ka nofoanany tamin’ireo teny ireo ny fanantenan’ireo izay nino fa “ny O.N.U. dia hanao zavatra betsaka kokoa noho izay nataony mba handaminana ireo ady”.

Tena ho tanteraka tokoa anefa ny teny nalaina avy ao amin’ny Isaia 2:4 voatonona eo ambony, kanefa na amin’ny 1986 na oviana na oviana izany dia tsy ho avy amin’ny fiezahan’ny fandaminan’olombelona iray. Raha ny marina, tsy ho ela ny tena fiadanana sy filaminana dia haorin’ny fitondram-panjakana iray any an-danitra izay ny filohany tsy hita maso dia tena ny “Andrian’ny fiadanana”. — Isaia 9:5, 6.

Ny valifaty noklehera: famalian’Andriamanitra ve?

Ho azo hamarinina ve ny fampiasana fiadiana noklehera raha misy fanafihana noklehera? Eny, hoy ny avalin’ny Fiangonana afaka any Ecosse tao amin’ny nomerao vao haingana amin’ny gazetiny ara-pivavahana hoe The Monthly Record. Nanambara ilay lahatsoratra fa ny valifaty toy izany amin’ny farany dia mety hiharihary ho “fampiharana ara-dalàna ny fahatezeran’Andriamanitra” avy amin’ny “fanendren’Andriamanitra mandidy ny hampiharana ny fahatezerana amin’ny ratsy fanahy”. Nanantitrantitra koa io gazety io fa ny fanambarana ataony dia mahafaoka ny fanambarana ny fitsaran’Andriamanitra “ny firenena (...) izay handefa ny famelezana voalohany amin’ny ady noklehera iray”.

Tsy isalasalana mihitsy ny amin’ny hoe hisian’ny “andro famalian’Andriamanitsika”. (Isaia 61:1, 2). Andriamanitra anefa dia hampihatra ny famaliany ireo firenena miantehitra amin’ny tafika amin’ny fotoana sy amin’ny fomba nofidiny. Amin’ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’ fa tsy ny an’ny firenena iray eto an-tany no ‘hosimbana izay manimba ny tany’. Ahoana no hitrangan’izany? Hirahin’i Jehovah ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka”, Jesosy Kristy Tompo, mba ‘hitsara sy hiady amin’ny fahamarinana’, ary ny Fanjakany any an-danitra dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo’. — Apokalypsy 11:18; 19:11-21; Daniela 2:44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara