FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/8 p. 21-23
  • Vavaka ampahibemaso avy amin’ny fo feno fanetren-tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vavaka ampahibemaso avy amin’ny fo feno fanetren-tena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Amin’ny fo feno fanetren-tena
  • Fampitandremana
  • Ny halavan’ny vavaka
  • Tanana Mahatoky no Asandrato Rehefa Mivavaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Zava-dehibe Amin’i Jehovah ny Filazanao hoe “Amena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/8 p. 21-23

Vavaka ampahibemaso avy amin’ny fo feno fanetren-tena

ANDRO iray nahafaly teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita tamin’izay: vao avy nampiakatra ny fiaran’i Jehovah tany Jerosalema, renivohitra vaovaon’ilay tany, i Davida mpanjaka. Feno firavoravoana izy ka nidera an’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoaka rehetra ary namarana vavaka iray avy amin’ny fo tamin’izao teny izao: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.” Tamin’ny fo rehetra, ny vahoaka nihaino dia “nanao hoe: Amena, sady nidera an’i Jehovah”. — I Tantara 16:36.

Fahizay, dia tsy mahalana teo amin’ny olon’Andriamanitra no nisy olona iray nanana ireo toetra notakina, nivavaka tamin’ny anaran’ny rehetra. Toy izany koa eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Ireo fivorian’ny kongregasiona, ireo fivoriambe, ireo fisakafoana ao anatin’ny fianakaviana sy ireo fianarana ny Baiboly any an-tokantrano dia samy fahafahana ho an’ny lehilahy kristiana, ary indraindray ny vehivavy kristiana, hanana tombontsoa hivavaka amin’ny anaran’olona tafavory (I Korintiana 11:4, 5). Inona no vokatr’izany? Toy ny tamin’ny andron’i Davida, ireo izay mihaino sy milaza hoe “Amena” dia mandroso sy mahatsapa fa nohamafisina ny fifandraisany tamin’i Jehovah.

Andraikitra mavesatra ny mivavaka amin’ny alalan’olon-kafa. Izay manao izany dia tokony haneho tsara ny fihetseham-pon’ireo izay mihaino. Misy heriny eo amin’ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy ny vavaka ataony. Rariny tokoa àry raha mamerina izao hataka nataon’i Davida tamin’Andriamanitra izao ireo izay manana izany tombontsoa izany: “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako.” — Salamo 141:2.

Ahoana no azontsika anomanana ny vavaka ataontsika mba hahatonga azy ho fofona mahafinaritra toy ny ditin-kazo manitra ho an’i Jehovah. Amin’ny fieritreretana mialoha izay holazaintsika amin’ny fahazavan’ireo toromarika omen’i Jehovah. Ny Baiboly dia mirakitra vavaka faka tahaka maro sy torohevitra tsara dia tsara maro ny amin’ny fomba fivavaka. Ny fandinihana izany dia hahatonga antsika hahalala fotopoto-pitsipika lehibe izay hahasoa antsika indrindra rehefa hivavaka ampahibemaso na ho an’olon-kafa isika.

Amin’ny fo feno fanetren-tena

Izao no anankiray amin’ireny fotopoto-pitsipika ireny: “Mihaino ny vavaka ataon’ny olona manetry tena aminy Jehovah (II Tantara 7:13, 14). Izao no lazain’ny mpanao salamo amintsika: “Fa na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra [manetry tena, MN ], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” (Salamo 138:6). Mba hanazavana izany toe-javatra izany, dia aoka hojerentsika ny fanetren-tena nasehon’i Solomona mpanjaka tao amin’ny vavaka ampahibemaso notononiny tamin’ny fitokanana ny tempoly. Vao avy nahavita ny fanorenana ny anankiray tamin’ireo trano kanto indrindra teto an-tany izy, kanefa tsy nahatonga azy hieboebo izany. Nivavaka toy izao kosa izy: “Andriamanitra va dia honina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!” — II Tantara 6:18.

Isika koa dia tokony hanetry tena, indrindra fa rehefa mivavaka ho an’olon-kafa. Hita taratra eo amin’ny toetry ny feo ny fanetren-tena, ankoatra ny zavatra hafa. Mazava ho azy fa tokony harian’ny kristiana ny fanetren-tena sandoka sy ny fitompoan-teny fantatra foana. Ny vavaka mampiseho fanetren-tena anefa dia tsy be fombafomba na amboamboarina (Matio 6:5). Hita taratra amin’izay lazaintsika koa ny fanetren-tena. Raha mivavaka amim-panetren-tena isika dia tsy handidy an’i Jehovah mba hanao zavatra sasany. Hangataka aminy kosa isika raha tiany ny hanao zavatra amin’ny fomba toy izao na izao, mifanaraka amin’ny sitrapony. — Jereo Salamo 118:25.

Ny fanetren-tena dia hitana antsika koa tsy hampiasa ny vavaka mba “hanamarihana hevitra iray” na mba hanomezana torohevitra manokana ho an’olona sasany. Raha manao toy izany isika, dia haneho toe-tsain’ilay Fariseo noresahin’i Jesosy tao amin’ny anankiray amin’ireo fanoharana nataony. Io Fariseo io, izay niara-nivavaka tamin’ny mpamory hetra iray tao amin’ny tempoly, dia nanambara hoe: “Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra.” Ilay mpamory hetra kosa dia niteha-tratra tamin’ny filazana hoe: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” Ahoana no fanatsoahan-kevitra nataon’i Jesosy? Izany lehilahy izany [ilay mpamory hetra] nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray [ilay Fariseo].” — Lioka 18:9-14.

Ireo mpanompon’i Jehovah izay tena manetry tena tokoa dia manaiky koa ny toerana tanan’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra. Ambany kely noho ny anjely izy ireny, fa Jehovah kosa no Tompom-piandrianana mandrakizay sy tampony eo amin’izao rehetra izao (Salamo 8:3-5, 9; 90:1-4). Rehefa afaka miresaka amin’ny mpanjaka na ny mpitondra iray eo amin’izao tontolo izao ny olona iray, dia mandrakariva amim-panajana sy amim-pahamendrehana no anaovany izany, amin’ny fahatsapana amin’ny fomba feno ny tombontsoa entin’izany. Moa ve tokony ho latsaka noho izany ny fanajantsika sy ny fahatsapantsika ny tombontsoantsika rehefa miteny amin’Ilay “Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay” isika? (Jeremia 10:10.) Azo antoka fa tsy izany! Koa ny fitenenana toy ny hoe “Manao ahoana ianao, Jehovah”, na “Maniry hiresaka aminao izahay, Jehovah” dia tsy manana ny toerany ao amin’ny vavaka, toy izany koa ireo fanamarihana amim-pifankazarana toy ny hoe “Tsara ve androany?”, “Mampamangy an’i Jesosy” na “Mahità andro tsara”. — Jereo Mpitoriteny 5:1, 2.

Kanefa, moa ve ny apostoly Paoly tsy nanoro hevitra mba hanatona an’i Jehovah “amin’ny fahatsorana”? (Hebreo 4:16, MN; jereo I Jaona 3:21, 22, MN.) Moa àry ve isika tsy afaka miresaka aminy araka izay tiantsika? Tsy tena izany. Ny tian’i Paoly holazaina dia hoe, noho ny soron’i Jesosy, dia afaka manatona an’i Jehovah isika na dia mpanota aza. Afaka manao izany isika amin’ny fivavahana aminy amin’ny fotoana rehetra sy ny amin’izay rehetra mety ho foto-kevitra. Kanefa sady miteny aminy amim-pahatsorana isika no tokony hiaiky amim-panetren-tena ny fahakelezantsika. Izany no asehon’izao fanambaran’i Jehovah izao: “Izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.” — Isaia 66:2.

Fampitandremana

Nanome torohevitra hafa momba ny vavaka i Jesosy Kristy tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra. Nilaza izy fa tsy tokony ‘hanao teny maro foana tahaka ny jentilisa’ isika rehefa mivavaka (Matio 6:7). Tsy te-hilaza akory izy tamin’izany hoe tsy tokony hivavaka imbetsaka ny amin’ny raharaha iray ihany isika (raha azontsika antoka fa mety izany), satria nananatra antsika tamin’izao teny izao izy: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo; dodòny hatrany, dia hovohana ianareo.” (Matio 7:7, MN ). Ny dikan’ny fampitandreman’i Jesosy kosa dia hoe tsy tokony hamerimberin-teny isika ka hahatonga izany tsy hisy heviny mihitsy. Azo adika toy izao izany: “Aza manonona tena averimberina tsy misy heviny.” — Matio 6:7, NW misy fanamarihana, fanontana tamin’ny 1984, fanamarihana ambany amin’ny pejy.

Ny olona sasany dia zatra ny mamerimberina imbetsaka dia imbetsaka, vavaka efa voavoatra, tsy misy fieritreretana na dia kely akory aza ny heviny. Indraindray izany dia ataon’izy ireo tsianjery amin’ny fiteny tsy hainy. Ohatra iray ny amin’ny ‘teny averimberina tsy misy heviny izany’. Ity misy anankiray hafa koa: Alao sary an-tsaina fa hoe, noho ny fanaovana tsirambina, ny kristiana iray dia mandray ho fahazarana ny mampiasa tsy nahy isan’andro, fitenenana mitovy, rehefa misaotra an’i Jehovah. Tsy hisy heviny amin’ny farany ireo fehezanteny hotononiny. Mety hotononiny amin’izany fomba izany aza ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Marina fa anarina isika mba hiantso an’io anarana io (Salamo 105:1). Kanefa raha tononintsika izany eo amin’ny faran’ny tsirairay avy amin’ny fehezanteny amin’ny vavaka ataontsika, na mila ho izany, dia azo lazaina hoe latsaka ao anatin’ny fomba amboamboarina isika na manonona “teny averimberina tsy misy heviny”.

Nanazava fotopoto-pitsipika tena lehibe hafa iray i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. (...) Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany hianao, hataon’izay tsy mahay ahoana no hanao ‘Amena’, raha misaotra hianao? Satria tsy mahalala izay lazainao izy?” (I Korintiana 14:14-16). Tamin’ny andron’i Paoly, dia nisy kristiana nahay niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, ary toa nivavaka tamin’izany fiteny izany teo anatrehan’ny kongregasiona ny sasany. Araka ny nanazavan’i Paoly azy anefa, dia tsy nahazo izany ny hafa rehetra tao amin’ny kongregasiona.

Amin’izao androntsika izao, dia tsy manana izany fanomezana mahagaga izany isika. Ny kristiana izay mivavaka amin’ny anaran’ny hafa anefa dia tokony hanao izany amin’ny fomba mora azo. Ohatra, eo am-piandohan’ny lahateny ampahibemaso iray, dia manasa olona avy any ivelany isika hiaraka amintsika ao amin’ny vavaka. Azo antoka fa izay manonona ny vavaka amin’ny fotoana toy izany dia haneho fahendrena raha manalavitra ny fampiasana voambolana na ny firesahana zavatra mety ho sarotra amin’ireo mpitsidika ny hahazo azy.

Ny halavan’ny vavaka

Ireo vavaka ataonsika manokana dia mety ho lava araka izay itiavantsika azy. Talohan’ny hifidianana ireo apostoliny 12, dia nivavaka nandritra ny alina i Jesosy (Lioka 6:12). Tokony hanao ahoana anefa ny halavan’ny vavaka iray atao ampahibemaso. Rehefa nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy dia “nisaotra”, miharihary tokoa fa tamin’ny vavaka fohy, talohan’ny hampandalovana ny marika (Matio 26:26-28). Tetsy andaniny koa, ny vavaka notononin’i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly dia lavalava ihany. Toy izany koa ny vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny alina nialoha ny hahafatesany. — II Tantara 6:14-42; Jaona 17:1-26.

Tsy misy fitsipika momba ny halavan’ny vavaka atao ampahibemaso àry. Tsy hoe tsara kokoa noho ny hafa anefa ny vavaka lava. Nomelohin’i Jesosy tokoa ireo mpanora-dalàna izay ‘nandany ny tranon’ny mpitondratena sy nanao vavaka lavareny mba ho fiolahana’. (Lioka 20:46, 47.) Izay mivavaka amin’ny anaran’ny olon-kafa dia tokony hanonona mazava ny toeran’izy ireo na ireo zavatra ilainy. Tokony hifanaraka amin’ny toe-javatra miseho ny halavan’ny vavaka ataony. Tsy ilaina velively ny manao vavaka tsy mety tapitra amin’ny fanasiana fitenenana ny amin’ny foto-kevitra maro tsy misy ifandraisany mihitsy. Alohan’ny fisakafoana, ohatra, dia azo atao ny misaotra an’i Jehovah amin’ny vavaka fohifohy. Toy izany koa, ny vavaka iray tononina eo am-piandohan’ny fivoriana kristiana dia tsy ilaina ny ho lava. Izay mivavaka ho an’ny fianakaviany eo am-piandohana na eo am-pifaranan’ny andro kosa anefa, na izay manonona ny vavaka farany amin’ny fivoriambe dia angamba haniry hamelabelatra bebe kokoa, hevitra hety amin’ny toe-javatra miseho.

Raha avy amin’ny fo manetry tena sy atao amim-pifandanjana sy fanajana mety ireo vavaka ampahibemaso dia hisy heriny tsara dia tsara eo amin’ireo izay mihaino azy. Hampitombo ny fahasalamany ara-panahy izany ary hanamafy ny fifandraisana tanany amin’i Jehovah. Noho izany, sahala amin’ireo izay nihaino ny vavaka nataon’i Davida tamin’ny fo rehetra rehefa nentina tany Jerosalema ny fiaran’ny fanekena, izy ireo dia ho voatosika ‘hanao hoe: “Amena”, sady hidera an’i Jehovah’. — I Tantara 16:36.

[Efajoro, pejy 22]

Eo am-pifaranan’ny vavaka ampahibemaso iray, mety ve ny hilazan’ireo mpihaino hoe “Amena” amin’ny fomba ren’ny sofina?

Eny, raha maniry izany izy ireo ka mahatsiaro ho voatosika hanao izany. Paoly dia niresaka ny amin’ny “Amena” notononin’ireo izay nihaino ny vavaka, na dia tsy nolazainy mazava aza na tamin’ny fomba ren’ny sofina na mangingina tao am-pony no nitenenany izany (I Korintiana 14:26). Teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy anefa, ny Isiraelita dia nahazo toromarika nentitra hilaza hoe “Amena” amin’ny feo avo tamin’ny fotoana sasany (Deoteronomia 27:14-26). Rehefa manamarika ny fahavitan’ny vavaka amin’ny teny hoe “Amena” ilay manonona ny vavaka, dia mety ny hilazan’ireo mihaino hoe “Amena” ao am-pony na amin’ny fomba ren’ny sofina, moramora. Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra ireo zanany hiteny hoe “Amena” moramora, araka ny mety.

[Efajoro, pejy 23]

Raha misy zazakely mikiakiaka, raha maneno ny telefaonina na misy zavatra hafa miteraka tabataba mandritra ny vavaka tononina amin’ny fivoriana iray ataon’ny kongregasiona, moa ve tsy maneho fanajana ny mpanatrika iray raha misy zavatra ataony?

Tsia; raha ny marina, dia haneho fitiavana ny mpikarakara momba ny asa iray raha miala mangingina eo amin’ny toerany mba handamina amim-pahatoniana ilay zava-manahirana (I Korintiana 14:40). Amin’izany dia ho afaka hanohy hivavaka tsy ho voakotaba ireo mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona. Rehefa voalamina ilay zava-manahirana, izay nikarakara izany dia afaka mihaino ny vavaka indray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara