Aoka hataontsika ho fahafinaretana lehibe ho antsika ny Tenin’i Jehovah
“Sambatra ny olona (...) izay ny lalàn’i Jehovah no sitrany [fahafinaretana lehibe ho azy, MN].” — SALAMO 1:1, 2.
1. Iza moa no nahazo andraikitra hampianatra ny hafa ‘ny zavatra ambaran’i Jehovah’?
KOA satria tena ilaina ny hahalalantsika “ny zavatra ambara” mba hahazoana famonjena, dia matetika no nankinin’i Jehovah tamin’ny olona ny andraikitra ho mpampianatra ny fahamarinana voambara (Deoteronomia 29:28). Teo amin’ny Isiraely, dia nanao an’io raharaha io ireo mpisorona sy ireo Levita (Levitikosy 10:8-11; II Tantara 35:3). Nampianatra an’ireo zanany koa ireo ray aman-dreny isiraelita (Deoteronomia 11:19; Ohabolana 6:20). Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy loholona voatendry ara-dalàna niasa tamin’ny naha-mpampianatra teo anivon’ny kongregasionan’ireo kristiana voahosotry ny fanahy, ary ireo ray aman-dreny dia namporisihina hampianatra ireo zanany (Efesiana 6:4; I Timoty 3:2; II Timoty 2:2). Ambonin’izany, ny kristiana tsirairay avy dia nanana andraikitra hampahafantatra ireo zavatra nambaran’i Jehovah tamin’ireo olona mbola tsy anisan’ny kongregasiona. — Asan’ny apostoly 1:8.
2. Ampy ve ny manaiky hampianarin’ny hafa ny Tenin’i Jehovah? Hazavao.
2 Kanefa moa ve ampy ny hanekena hampianarin’ny hafa ny Tenin’Andriamanitra? Tsia; ny tsirairay avy amintsika koa dia manana isam-batan’olona, andraikitra ny hianatra ‘ny zavatra ambaran’i Jehovah’. Izany no antony nanoratan’ny mpanao salamo toy izao tamin’ireo rahalahiny isiraelita: “Sambatra ny olona izay (...) ny lalàn’i Jehovah no sitrany [fahafinaretana lehibe ho azy, MN], eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” (Salamo 1:1, 2). Fa raha ny amin’ny apostoly Petera, dia namporisika ireo namany tamin’izao teny izao izy: “Maniria [manomboha maniry, MN] ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena.” — I Petera 2:2.
3. Koa satria tsy maniry ny hianatra avy hatrany ny kristiana maro, inona no tokony hataony?
3 Ahoana no fiheveranao ny fianarana ny Baiboly? Raha manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana ianao, dia tsy maintsy mandre famelabelarana araka ny Baiboly mampandroso maro. Ary raha ‘notezaina tao anatin’ny fahamarinana’ ianao, araka ny fitenenana ampiasain’ny sasany, dia azo antoka fa ireo ray aman-dreninao dia nampianatra anao ‘zavatra nambaran’i Jehovah’ be dia be. Kanefa ivelan’izany, moa ve ianao mianatra manokana ny Baiboly? Miharihary tokoa fa nahafinaritra ny mpanao salamo izany karazam-pianarana izany, kanefa toa tsy mora aminao angamba izany. Raha izany no izy, dia fantaro fa tsy ianao irery akory no toy izany. Matoa i Petera nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra mba hananatra ireo namany mpino ‘hanomboka haniry ny teny’, dia azo inoana fa satria be dia be no tsy mirona avy hatrany hianatra manokana. Afaka mianatra manao izany amim-pahafinaretana anefa isika. Ahoana izany?
4. Fanoharana inona no mahatonga ho afaka hahatakatra fa azo atao ny manao izay hahatonga ny fianarana manokana hahafinaritra kokoa?
4 Alao sary an-tsaina fa hoe misy mangataka anao hanao lavaka lalina ao anaty tany. Raha tsy vonona ny hanao asa ara-batana mafy ianao, dia tsy ho faly amin’izany asa izany. Aoka anefa hatao hoe ilazana ianao fa misy harena nalevina ao amin’ny toerana tokony holavahinao. Tsy ho toa sarotra aminao toy izany intsony io asa io! Ho hitanao fa hahavariana aza angamba izany, satria ho tsapanao mialoha ny fotoana hahitanao ilay harena voalevina. Toy izany koa, raha tsy tia fianarana avy hatrany ianao, dia mety hahaliana anao ihany ny fianarana ary hahavariana anao aza raha manana fihetsika tsara ianao. Azo atao anefa ny mampitombo izany fihetsika izany.
Aoka isika hamboly fihetsika tsara
5, 6. Tonòny ny sasany amin’ireo soa tsy manam-paharoa azontsika amin’ny fianarana ny Teny voambaran’i Jehovah.
5 Voalohany indrindra, dia tokony hieritreritra foana ny harena raketin’ny Baiboly isika. Nihiaka toy izao ny apostoly Paoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” (Romana 11:33). Manaitra ny saina ireo fikasan’i Jehovah, izay ny fanambarana azy miandalana dia nitatra teo amin’ny an’arivony taona maro, ary izany dia mamela antsika hamelona fanantenana mahatalanjona sady marim-pototra. Miantoka ny fahombiazana foana ireo torohevitra azo ampiharina nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly rehefa ampiharina (II Timoty 3:16). Tsy mahagaga àry raha nanambara toy izao ny mpanao salamo: “Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny kely saina.” — Salamo 119:130.
6 Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia mirakitra ireo hevitr’Andriamanitra, ka amin’ny fanaovana izany ho antsika dia manatona ny mpanao azy isika (Jakoba 4:8). Ny asa nanirahana antsika koa dia ny hampianatra ny mpiara-belona amintsika mba ho mpianatr’i Jesosy (Matio 28:19, 20). Koa satria ny Baiboly no fiasana lehibe indrindra ampiasaintsika amin’io asa io, dia tokony hianatra izany isika mba hampiasana tsara azy (Efesiana 6:17; II Timoty 2:15). Farany, dia miaro antsika ny famenoana ny saintsika amin’ny hevitra araka ny Baiboly, satria izany manampy antsika tsy hivadika hatrany sy handa ny fisalasalana mbamin’ny hevi-diso mampihena ny finoana. — Ohabolana 4:5, 6; 20:7; Filipiana 4:8.
7, 8. Raha ny amin’ny “zavatra ambara”, nahoana moa isika no manana tombontsoa kokoa noho ireo mpanompon’Andriamanitra taloha?
7 Hevero koa fa amin’izao andro izao dia azontsika atao ‘mbamin’ny olona masina rehetra, ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ny fahamarinana’ mbola lehibe lavitra noho ny an’ireo mpanompon’Andriamanitra taloha (Efesiana 3:14-18). Tadidio anefa fa nandao ny tany niaviany i Abrahama ary tamin’ny andro sisa niainany dia nonina an-day, na dia tsy tokony hahita tamin’ny andro nahavelomany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra aza (Hebreo 11:8-10). Fa raha ny amin’i Daniela, dia nivavaka mafy izy mba hahazo ny hevitr’ireo fahitana mafy izy mba hahazo ny hevitr’ireo fahitana hitany, kanefa izao no nolazaina taminy: “Efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany.” (Daniela 12:8, 9). Efa ela be izay no niseho ilay Taranaka nandrasan’i Abrahama. Miaina amin’ny “andro farany” isika izao, dia amin’ny fotoana nanampian’ny hevitry ny ankamaroan’ny fahitan’i Daniela ny fahazoantsika ny “zavatra ambara”.
8 Izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Ny amin’izany famonjena izany dia notadiavin’ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo. Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny (...). Izany zavatra izany dia tian’ny anjely hodinihina.” (I Petera 1:10, 12). Koa satria tamin’izao androntsika izao Jehovah dia nanome fanazavana ny amin’ny zavatra maro nirin’ireo mpaminany taloha mafy mba ho fantatra, dia azo antoka fa tokony hoheverintsika ho sarobidy tokoa ireny fahamarinana ireny ka tsy hihevitra izany ho mahazatra isika.
9, 10. Ohatra inona avy no tokony hanosika antsika hankamamy ny fahafahana hianatra manokana ny Baiboly, dia fahafahana ananan’ny ankamaroantsika?
9 Mba hanarahana ny fihetsika tsara, dia mety ny hitadidiana hoe ady mafy inona no tsy maintsy nataon’ny sasany mba hianarana ny Baiboly. Tamin’ny andron’i William Tyndale, ny Anglisy iray izay nivarotra, nividy na namaky fandikan-teny iray amin’ny Soratra grika tamin’ny fiteniny dia nanao heloka. John Foxe, mpitory teny fatra-pitandrina izay rehetra noheveriny ho lalàn’Andriamanitra tamin’ny taonjato faha-16 dia nitantara izay nitranga rehefa nisy protestanta iray vao niova nampiditra mangingina Baiboly tany Espaina. Nampangaina sy nodorana teo amin’ny antontan-kitay io lehilahy io; 800 tamin’ireo izay nividy Baiboly taminy no nosamborina, notrabarana hazo maranitra sy nodorana ny 20 tamin’izy ireo, ny hafa nampidirina an-tranomaizina raha mbola velona koa, nokapohina ampahibemaso na nosazina hivoy sambo mpiady. Vitsivitsy monja no nafahana.
10 Tamin’izao androntsika izao koa ny Vavolombelon’i Jehovah indraindray dia tsy maintsy nianatra Baiboly raha mbola norahonan’ny loza lehibe. Tany amin’ireo toby fitanana na tany an-tranomaizina izy ireny dia nisetra sazy na fahafatesana mba hahazoana Baiboly. Ny misionera iray natokan-toerana tao amin’ny tranomaizina noho ny finoany dia nitana an-tsoratra ny teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina tsaroany. Ambonin’izany, dia notsimponiny ireo andininy vitsivitsy tao amin’ny Baiboly notononina tao amin’ny fizarana ara-pivavahana tao amin’ireo gazety. Nandritra ny taona maro izy dia tsy nanana fomba hafa noho izany mba hanovozan-kevitra tao amin’ny Baiboly. Eny, rehefa rarana ny fampiasana Baiboly, dia misahirana fatratra ny kristiana mba hamaky azy. Tokony ho kely noho izany ve ny faharisihantsika, kanefa ny ankamaroantsika tsy mila afa-tsy ny maninjitra ny tanana fotsiny mba haka azy eo amin’ny talantalana iray?
11. Moa ve ny fandinihana miverimberina raharaha sasany tokony hahatonga antsika hampihena ny faniriantsika hianatra ny Baiboly?
11 Ny sasany nanantitrantitra fa azon’izy ireny natao ny namaly tsy nisy fahasahiranana loatra ireo fanontaniana napetraka tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana satria novoaboasana imbetsaka ny foto-kevitra sasany. Tsy mahatsiaro ho mila ny mianatra manokana àry izy ireny. Izay mihevitra toy izany dia manamaivana ny vidin’ny famerimberenana. Tian’ny mpanao salamo ireo fampitandremana na ireo fampahatsiahivan’i Jehovah, ary tokony hitovy fihetseham-po aminy isika (Salamo 119:119, MN). Aoka tsy hohadinointsika fa izao tontolo izao dia manafotra antsika tsy ankijanona amin’ny fampielezan-kevitra manohana ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Mba hahatoherana azy àry, dia tokony hanatanjaka ny saintsika isika amin’ny fiheverana ireo fampitandremana averimberina ao amin’ny Baiboly.
Manaova fiezahana mba handresena ireo vato misakana
12. Manomeza fanipazan-kevitra azo ampiharina vitsivitsy izay mahatonga antsika hahita fotoana hianarana ny Baiboly.
12 Ireo izay manana fihetsika tsara eo anoloan’ny fianarana ny Baiboly dia mandrakariva mahita fomba hanaovana izany, kanefa tsy mora foana akory izany. Ilaina indraindray ny mandresy vato misakana. Ohatra, ahoana no azo anokanana fotoana mba hianarana manokana ao anatin’ny fiainana misamboaravoaran’izao tontolo izao ankehitriny? Mba hanaovana izany, dia ilaina aloha ny miaiky fa zavatra ilaina ny fianarana ny Baiboly, sahala amin’ny fitoriana sy ny famonjena ireo fivoriana (I Timoty 4:15). Manaraka izany, dia azo atao ny mamakafaka ny fandaharan’ny tena isan’andro mba hahitana fotoana azo atokana ho amin’ny fianarana. Misy afaka mianatra eny amin’ny fitateram-bahoaka. Ny hafa mihaino tenin’ny Baiboly noraisina feo ao amin’ny fiarakodiany na rehefa miasa any an-tranony. Misy manararaotra ny fiatoana amin’ny fotoana fisakafoana eny amin’ny toeram-piasany. Ny hafa koa mifoha aloha kokoa ny maraina ary mianatra alohan’ny hanombohana ireo asany, na maka fotoana hanaovana izany ny hariva rehefa matory ny ankizy. Matetika tokoa no ilaina ny maka fotoana hianarana avy amin’ny asa hafa, angamba aza avy amin’ny fotoam-pialam-boly (Kolosiana 4:5). Be dia be anefa no tsy ela dia nahatsikaritra fa tsy dia nila fialam-boly intsony izy, satria ny fianarana mihitsy no nampiala voly azy.
13. Inona no mety hanampy antsika hampifantoka ny saintsika amin’izay ianarantsika?
13 Ny sasany sahirana mampifantoka ny sainy. Sarotra aminy ny mitsahatra tsy mieritreritra ireo zava-manahirana azy isan’andro, ny manao amin’ny fony manontolo ny fianarana ny Baiboly. Afaka manampy azy ireny handresy an’io vato misakana io ny vavaka. Alohan’ny hanombohana mianatra, nahoana no tsy misaotra an’i Jehovah noho ireo zavatra naharihariny? Nahoana no tsy mangataka aminy mba hanampy antsika hifantoka amin’ireny fahamarinana ireny sy hahay hanavaka ny hasarobidiny (Filipiana 4:6; II Timoty 2:7)? Mifanaraka tanteraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny amintsika ny vavaka toy izany (I Jaona 5:14). Tena ilaina koa ny fifehezan-tena, indrindra fa ao anatin’ireo fotoana voalohandohany (I Korintiana 9:25). Nandinika ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ny Beriana (Asan’ny apostoly 17:10, 11). Tamin’izany izy ireo dia namela ohatra tsara. Raha manahaka azy ireny ianao, tsy ho ela ny fianarana tsy tapaka dia hahaliana anao. Tsy isalasalana fa hankafy izany ianao amin’ny farany ka tsy hila ny hanery tena amin’ny fanaovana izany.
14. Nahoana no faniry ny ho ao amin’ny toerana milamina iray rehefa mianatra manokana isika?
14 Manamora ny fifantohan’ny saina koa ny faritra mety iray. Rehefa naniry hisaintsaina Isaka dia nihataka tany an-tsaha, lavitra ny fisamboaravoarana izay nanjaka tao amin’ireo lay (Genesisy 24:63). Marina fa isika rehetra akory tsy afaka mahita daholo toerana tony tahaka ny saha mangadihady mba hianarana, kanefa mandrakariva dia azontsika atao ny mampihena ny anton-javatra mahavarimbariana manodidina antsika. Ho kely lavitra ny soa na ny fahafinaretana horaisintsika amin’ny fianarana eo anoloan’ny televiziona mandeha na raha misy mozika mitabataba, noho ny raha manao izany ao amin’ny toerana iray milamina kokoa isika. Tsy afaka manalavitra foana ny tsy ho voakorontana isika, kanefa ny ankamaroantsika dia tsy isalasalana fa manana fahafahana hahita toerana azo lazaina hoe milamina mba hianarana.
15. Amin’ny fomba tsotra dia tsotra inona avy no azontsika ampitomboana ny fahalalantsika ny Baiboly?
15 Tojo vato misakana hafa ny sasany: tsy hainy ny fomba fianarana. Tsy ampianarina hianatra foana ny ankizy any an-tsekoly, indrindra fa amin’izao androntsika izao, ary ireo izay efa elaela no nahavita ny fianarany, indraindray dia tsy zatra manao izany intsony. Raha ny marina anefa dia tsy dia sarotra toy izany akory ny mianatra. Azonao atao fotsiny ny mamaky lahatsoratra ao amin’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible mahaliana anao na, ho an’ireo mahay teny anglisy, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fanamarihana. Azonao atao koa ny mihaino teny ao amin’ny Baiboly amin’ny “cassettes” na manao fikarohana manokana. Efa namadibadika nomerao tranainy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ve ianao ka namaky ireo lahatsoratra nitana ny sainao? Marina fa tsy fianarana lalina akory izany, kanefa tsy maintsy hanampy anao hanao ny tenin’i Jehovah ho fahafinaretana lehibe ho anao amin’ny fetra mbola lehibe kokoa ihany.
16. Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa manomana ny fianarana isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana isika?
16 Inona izao no holazaina ny amin’ny fianarana lalina kokoa, dia ny fanomanana ny fianarana isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana, ohatra? Ilaina ny hanatratrarana zava-kendrena rehefa manao an’io karazam-pianarana io. Inona izany? Amin’ny fanomanana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia tokony hanana faniriana ny handray soa faran’izay betsaka amin’ny ‘hanina omen’ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina amin’ny fotoana’ isika. Ny zava-kendrentsika koa dia ho ny fahafahana hanampy ny hafa amin’ny valinteny homentsika amin’ny fivoriana (Matio 24:45). Ahoana no azo anaovana izany? Tsy misy fitsipika amin’io lafiny io, nefa misy fanipazan-kevitra ity:
17, 18. a) Manomeza fanipazan-kevitra vitsivitsy ny amin’ny fomba fanomanana ny fianarana isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana. b) Manomeza fanoloran-kevitra hafa heverinao fa mahasoa amin’ny fianarana manokana (jereo ny fanamarihana ambany pejy).
17 Vakio aloha ny lahatsoratra manontolo, angamba fotoana fohy taorian’ny naharaisana Ny Tilikambo Fiambenana. Azo inoana fa tsy haka afa-tsy 20 minitra ho anao izany famakian-teny mialoha izany, nefa dia hahatonga anao hahazo an-tsaina ny ventin-kevitra sy ny zava-kendren’ny lahatsoratra. Rehefa tonga ny fotoana hianarana ilay lahatsoratra lalina kokoa, dia mipetraha ary mandraisa Baiboly iray sy zavatra hanoratana. Vakio amim-pitandremana amin’izay ny fehintsoratra voalohany, mariho ireo fanaporofoan-kevitra aroso sy ny fomba amelabelarana ireo hevitra. Tadiavo ny teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina izay omena hojerena fotsiny ao amin’ny fehintsoratra ary manandrama manavaka ny antony nilazana izany ao. Manaraka izany, dia vakio ny fanontaniana mifandray amin’ilay fehintsoratra ary tadiavo ny valiny. Rehefa hitanao izany, dia tsipiho ny teny sasany ao amin’ny fehintsoratra hampahatsiahy anao izany rehefa hanatrika ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ianao. Ho tianao koa angamba ny hanamarika eo an-tsisim-pejy ireo hevitra misongadina amin’ny teny ao amin’ny Baiboly nozahanao, ireo hevitra irinao hanaovana fikarohana bebe kokoa, ets.
18 Rehefa avy nandinika ny lahatsoratra manontolo tamin’izany fomba izany ianao, dia vakio ireo fanontaniana famerenana apetraka eo amin’ny faran’ny lahatsoratra ary jereo raha azonao ireo ventin-kevitra tamin’ny fianarana. Raha tsy fantatrao ny valin’ny fanontaniana sasany, dia raiso indray ilay lahatsoratra mba hahitana izany. Raha ataonao andro vitsivitsy alohan’ny fianarana isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana izany fiomanana izany, dia hoheverinao angamba fa ilaina ny hijerena kely indray ny lahatsoratra amin’ny andro fivoriana mba hitadidiana ireo zavatra nianarana velabelarina aoa.
Ilaina ny hisaintsainana
19. Ahoana no anampian’ny fisaintsainana antsika ho tia bebe kokoa ny Tenin’i Jehovah?
19 Tadidio fa tokony hahafaoka ny fisaintsainana ny fianarana. Ny mianatra tsy misaintsaina dia toy ny mihinana tsy mandevon-kanina. Eritrereto àry izay ianaranao. Manandrama mampifandray ireo zavatra dinihina amin’izay efa fantatrao. Ahoana no ikasihan’izany ny fiainanao? Ahoana no azonao ampiasana izany mba hanampiana ny hafa (Ohabolana 15:28)? Mianara mihevitra ireo antsipiriany. Resaho amin’ny hafa izay hitanao. Ampahafantaro azy ireny ireo hevitra vaovao aminao (Ohabolana 27:17). Amin’izany no hanaovanao ny Baiboly ho fahafinaretanao mbola lehibe kokoa ihany.
20. Nanao ahoana ny niheveran’i Davida mpanjaka ny hasarobidin’ny teny voambaran’i Jehovah?
20 Nankamamy aoka izany ny Tenin’i Jehovah i Davida mpanjaka. Izao no nosoratany: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. Irina noho ny volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.” — Salamo 19:7-10.
21. Fitahiana inona avy no homena antsika raha mampitombo tena fitiavana ‘ny zavatra ambaran’i Jehovah’ isika?
21 Amin’ny fanarahana ny torohevitra voasoratra ao amin’ny salamo voalohany sy amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly, dia hoheverinao ho sarobidy koa ireo ‘zavatra ambaran’i Jehovah’. Ho valiny, dia hanananao ireo fitahiana ampanantenaina ao amin’io salamo io ihany an’izay ny tenin’i Jehovah no fahafinaretana lehibe ho azy: “Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. (...) Fantatr’i Jehovah ny làlan’ny marina.” — Salamo 1:3, 6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha irinao ny hanana fanipazan-kevitra momba ireo lafiny hafa amin’ny fianarana sy ny fomba fanomanana ireo famelabelarana, dia jereo ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique navoakan’ny Fikambanana Watch Tower.
Hazavao
◻ Nahoana moa no tsy ampy ny hanekena hampianarin’ny hafa ny Tenin’Andriamanitra?
◻ Inona avy no soa azo avy amin’ny fianarana ny Baiboly?
◻ Ahoana no mety hahitantsika fotoana hianarana ny Baiboly?
◻ Inona no mety hanampy antsika hampifantoka ny saintsika rehefa mianatra isika?
◻ Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa manomana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isika?
[Sary, pejy 17]
Nisy olona novonoina ho faty noho izy namaky ny Baiboly.
[Sary, pejy 18]
Na dia sahirana aoka izany aza isika, dia tokony hitady fotoana amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa handinihana ny Tenin’Andriamanitra.