Nanevateva ny anaran’Andriamanitra izy ireo: tamin’ny tsy fetezana hampiasa azy
NAMINDRA fo tamin’ny firenen’Isiraely Jehovah noho ny anarany, mba tsy hanevatevana izany eo amin’ireo firenena (Ezekiela 20:9, 13, 14, 22). Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nitsahatra tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Isiraelita, hany ka tsy hay intsony tamin’ny farany ny nanonona azy. Nitovy tamin’ny fanevatevana izany tsy fampiasana ny anaran’Andriamanitra izany.
Ny amin’izany, dia nanao izao fanamarihana izao R. Laird Harris: “Faran’izay mahagaga ny nahavery tanteraka ny fanononana taloha ny anaran’ny Andriamanitry ny Isiraely. Ny fivavahan’ny Isiraely no hany mendri-kaja fahizay, ny voalohany teo amin’izao tontolo izao nivavaka tamin’ny Andriamanitra tokana’ ny hany tena niely hatraiza hatraiza. Tsy nanam-paharoa izy io satria ara-panahy tanteraka sy tsy nisy mihitsy fampisehoana hita maso ny Andriamanitra. Mampalahelo anefa fa tsy nanam-paharoa koa izany tamin’ny namelany ho very ny fanononana ny anaran’ny andriamaniny. Tarehin-javatra tena hafahafa izay ho sarotra ny nety ho nahatsinjovana azy mialoha ho an’ireo olona tso-po tsy sahy nanonona ilay anarana tsy hay lazaina noho ny tahotra sao manevateva azy. Ny vokatry ny tahotr’izy ireo dia toa tena fanevatevana karazany hafa. Ny tsy fampiasana ny anaran’Andriamanitra dia toa tena fanevatevana azy tsy misy hafa amin’ny fitenenan-dratsy azy. Ao anefa ny zava-mitranga. Nanonona sy nanoratra avy hatrany ny anaran’Andriamanitra ireo Hebreo fahiny.” — Ny lalàna sy ny mpaminany (anglisy), natontan’i John Skilton, Nutley, New Jersey, 1974, pejy faha-215.
Fantatry ny Isiraelita fa raha nanadino ny anaran’i Jehovah izy ireo, dia “handinika izany” ny tenan’Andriamanitra. (Salamo 44:20, 21.) Taty aoriana, rehefa tonga izany, dia ‘nitsinjo ny jentilisa izy hanalany olona aminy hankalazana ny anarany”. (Asan’ny apostoly 15:14.) Marina fa amin’izao androntsika izao dia tsy fantatsika mazava ny fomba nanononana tamin’ny teny hebreo ny anaran’Andriamanitra. Kanefa ny teny malagasy hoe Jehovah dia dikan’ny Tetragrama (ireo renisoratra hebreo efatra amin’ny anaran’Andriamanitra) amin’ny fomba tsara sy mety. Amin’izao andro izao, dia olona maherin’ny 3 tapitrisa no fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Faly izy ireo mitondra ny anaran’ny Andriamaniny ka fantatra noho izy.